Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d'informations et d'actualités, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

04/06/2015
N° 895

 

Recherche Journal

Miantso ny FFKM hanelanelana

Nitondra ny heviny manoloana ny zava-nisy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ireo mpitarika ny Sendikan’ny mpiasam-panjakana ambony eto Madagasikara. Ho azy ireo dia ny tsy fisian’ny fiaraha-midinika eo amin’ny samy Malagasy mialoha ny naanatanterahana ireo fifidianana natao teto amin’ny tamin’ny taona 2013 no nahatonga izao olana izao.

Araka ny nambaran’i Frederic Ndatason tena izay nitarika ny fanambarana omaly dia manjavozavo ny fampiharana ny Tondrozotra sy ny Lalam-panorenan’ny Repoblika faha 4. Ireo no antony nahatonga ny disadisa eo amin’ny samy andrim-panjakana. Eo anatrehan’ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia miantso ny FFKM ireo sendikan’ny mpiasam-panjakana ambony mba hanelanelana amin’ny fandrafetana ny fifanarahana nasionaly izay lala-tokana hialana amin’ny disadisa. Ny fifanarahana nasionaly, hoy izy no ahafahana mandamina ny fitantanana ny firenana. Marihina fa isan’ny hanamarika ny fifanarahana nasionaly izay resahana eto ny famaritana mazava ny momba ireo andrim-panjakana eto amin’ny firenena sy ny asan’izy ireo isan’izany avy ary ny tsy tokony hataony.
Marihina araka ny fanazavana nataon’izy ireo dia nilaza ireo izay nanao fanambarana omaly fa izy ireo no solotenan’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana ambony ary mbola ara-dalàna ny fijoroan’izy ireo.

Tag :