Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d'informations et d'actualités, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

04/06/2015
N° 895

 

Recherche Journal

Toerana 5 no hitrandrahana fasimainty ao Ranobe

Efa hatramin’ny taona 2001 no nahitan’ity orinasa ity fa misy fasimainty “rutil” ary “zircon” azo trandrahana ao amin’ny faritra atao hoe Andranobe any Toliary II. Nahazo alalana hanao fikarohana momba izany izy ireo ary ny volana mai 2012 no nahazo alalana hitrandraka. Mbola miandry ny fazoan-dalana ara-tsôsialy sy ara-tontolo iainana kosa anefa ny oeinasa amin’izao fotoana izao. Arak’izany, mbola tsy mandeha ny fitrandrahana amin’izao fotoana izao.

Efa misy kosa ireo asa sôsialy ataon’ny orinasa any amin’ireo mponina misy ny toeram-pitrandrahana, indrindra ireo toerana 5 voakasika mivantana dia i Maromiandra, Belalanda, Ankilimalinika, ary Tsihanisiha sy ny tananan’I Toliary I. Ohatra vitsivitsy amin’ireo asa sôsialy efa ataon’ny orinasa no avoitra etoana. Fanomezana paompin-drano fisotro tao amin’ny kaomina Tsihanisiha, ny fananganana biraom-pokontany, ny fanarenana foto-drafitrasa taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza farany teo ary ny famatsiana ireo fikambanam-biavy izay mikarakara ny zana-kazo hasolo ireo teo aloha aorian’ny fitrandrahana.
Tsara ny manamarika fa asa mivantana miisa 250 no nambaran’ny orinasa fa hisy rehefa mandeha ny fitrandrahana. Vola mitentina 35 tapitrisa dolara kosa no efa lanin’ny orinasa hatramin’ny nanombohan’ny fikarohana ka mandrak’izao. Mahazo tombontso amin’izany ny kitapom-bolam-panjakana.
Eo amin’ny lafiny ara-pomban-drazana, isan’ny efa nataon’ny orinasa ny fanohanana ireo hetsika ara-drazana toy ny fitampohan’ny ampanjaka Andrevola tao Benetse. Teo ihany koa ny hetsika ara-kolontsaina sy fanatanjahan-tena izay nandraisan’ny orinasa anjara tamin’ny fanohanana azy ireny.

Tag :