Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d'informations et d'actualités, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

04/06/2015
N° 895

 

Recherche Journal

Noraisin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha

Mandalo eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny filohan’ny Fiangonana Orthodoxe, n any Patriarikan’i Alexandrie sy Afrika manontolo, ny Pape Patriarika Theodore II. Isan’ny nandray azy ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Teny amin’ny lapam-panjakana teny Iavoloha no nihaonan’ny roa tonta. Araka ny fampitam-baovao dia ny asa rehetra ataon’ny fiangonana Ortodoxe eto Madagasikara ka atolotra manontolo ho amin’ny firenena Malagasy sy ny vahoaka ao anatiny no iray amin’ireo teboka niompanan’ny resaka nifanaovan’ny roa tonta.

Teo ihany koa ny fanomezan’ireto vahiny ireto vola mitetina 20.000 USD ho an’ny fanjakana Malagasy, ho fanampiana amin’ny fanarenana ny firenena noho ireo loza voajanahary izay nosedrainy tamin’ny fiandohan’ny taona 2015 teo.
Ankoatr’izay dia nankahery ny filoham-pirenena sy ny vahoaka Malagasy ny Pape Théodore II noho fotoana sarotra izay lanovan’ny firenena ary nitsodrano mba hahay hifandray tànana hatrany ny vahoaka tsy ankanavaka. Marihina fa nandritra ity fihaonana ity dia nosalorana ny samboadin’ny olo-mendrika ny filoham-pirenena Malagasy.
Maromaro ireo nandrafitra ny delegasiona tonga nitsidika ny filoham-pirenena teny iavoloha ka isan’izany ny masoivon’i Ezypta eto Madagasikara, Chérif Youssef Abbas sy ny solotenan’i Grèce ary ny Arseveka Monsenera Ignatios Seunir izay mitarika ny Fiangonana Orthodoxe eto Madagasikara. Tamin’ny faha 29 mai ny ‘Patriarikan’i Alexandrie sy Afrika manontolo no tonga teto Madagasikara. Ankoatra ny fitsidihany ny filoha dia efa nitokana fotodrafitrasa maro teto an-toerana ihany koa ny tenany. Isan’izany fitaizana zaza kamboty eny Andoharanofotsy. Mbola ihazo an’i Toliara ihany koa izy ireo hitokana ny hopitaly lehibe any an-toerana, sy ny Oniversite any Manakara.

Tag :