Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d'informations et d'actualités, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

04/06/2015
N° 895

 

Recherche Journal

10 taona ny fiaraha-miasa amin’ny Deparitemanta Illes et Vilaine

Manamarika ny faha 10 taonan’ny fiaraha-miasan’ny Faritra Alaotra Mangoro sy ny Deparitemanta Illes et Vilaine. Ho an’ny andaniny sy ny ankilany dia fahombiazana no azo tamin’izany fiaraha-miasa izany. Isan’ireny ny firoboroboan’ny sehatry ny fiompiana omby vavy be ronono sy ny sehatry ny fizahan-tany. Manodidina ny 1500 ny omby vavy be ronono ary 250 zanak’omby misy any amin’iny faritra iny tamin’ny taona lasa, vokatry ny tetikasa niarahan’ny roa tonta. Liana amin’ny fanatsarana ny tarak’omby vavy ny mpiompy any an-toerana saingy ireo tekinisianina indraindray no tsy maharaka ny filàn’ireo mpiompy.

Manodidina ny 20 ireo mpiompy mivondrona ao anatin’ny fikambanana Ivolamahavita Rive Ouest, izay nijoro vavolombelona tamin’ny fahazoany tombony tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny Deparitemanta Illes etVillaine.
Nisy ny tomban’ezaka natao tamin’ny talata teo izay nafahana mamaritra indray ny mety ho endriky ny fiaraha-miasa amin’ny taona manaraka. Nanambara ny lehiben’ny faritra, Ranaivonirina Jean Yves fa ilaina ny tomban’ezaka mba afahana mamantatra raha tena nipaka tany amin’ny vahoaka ilay tetik’asa niarahana tamin’ireo mpiara miombonantoka vahiny, na tsia. Raha nandray fitenenana kosa i Xavier izay tompon’andraikitry ny tetikasa dia nilaza fa ny hampivoatra ny sehampihariana ny olona eny ambanivohitra no tanjona ho azy ireo. Somary nampihisatra ny fiaraha-miasa ny fisian’ny krizy teto Madagasikara kanefa tsy kivy izy ireo fa vonona hatrany hanampy ny mponina ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro.

Tag :