Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d'informations et d'actualités, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

04/06/2015
N° 895

 

Recherche Journal

Mitaraina ireo mpiasa any Maroantsetra

“Sampandraharaha tsy miaro ny mpiasa amin’ny antsonjay ataon’ny mpampiasa amin’ny fahazoana ny fiahiana ara-tsosialy ny mpiasa io Cnaps aty aminay io, fa natao hiaro ny tombontsoan’ny mpampiasa sy ny ‘patron’ fotsiny no hijoroany...”. Izay no fitarain’ireo mpiasa naneho ny heviny mikasika ny zava-nanjo azy ireo noho ny olana nosedrainy. Ramatoa iray niasa 25 taona tamina trano fandraisam-bahiny iray tao Maroantsetra no isan’ny niala maina na teo aza ny tea aza bt taona maro niasany talohan’ny fisotroan-dronono. Tsy nisy fiarovana azy sy fanampiana azy nataon’ny Cnaps tao an-toerana, ny fanilikilihina azy sy ny “miverena isan’andro” no hany azony raha mitaraina sy mangatam-panazavana izy.

Eo koa ireo tan-tsambo izay maro kanefa tsy mba manana izany. Ny asa nefa mafy sy mihantra aman’aina satria ranomasina no lalaovina isan’andro.
Ankilan’izay, nanaitra ny nahita ny fihetsika nataon’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Cnaps ao Maroantsetra, raha nila vaniny tamin’ny sambo vaovao iray niditra tao Maroantsetra, nitondra ireo mpiasan’ny fitsarana niatrika ny lanonam-pametrahana tonia mpampanoa lalana vaovao, ny tenany. Avy hatrany dia fiantsoana nikasana hanaovana “kolikoly” no nataony amin’ny fisavana ny fiahiana ara-tsosialin’ny tan-tsambo miasa amin’ity sambo it. Sambo izay vao iray volana no niasa nefa efa manana ny taratasy ara-dalana tenay aminy ary nahazo fankatoavan’ny APMF Malagasy. Ireo tan-tsambo miasa aminy ihany koa dia efa niasa tamin’ny sambo hafa avokoa ary efa manana tsara io fiahiana ara-tsosialy io. Ho an’ny olona sy mpiasa ao Maroantsetra dia efa fomban’ity tompona’nadriakitra ity ny toy izao mba hahazoana vola. Ho an’ity tompon’andraikitra ity kosa dia asa no ataony ary izay orinasa na sampan’asa na sambo mandalo mampiasa olona dia tsy maintsy hanaovany fisavana avokoa hitsinjovana ny mpiasa ao aminy.
Marihina moa fa manatanteraka hatrikasa ao Toamasina ho fampahalalana ny rehetra indrindra ny mpiasa ny fiahiana tokony azony sy ny drafitrasa atao hoe “fandaharanasa fampiroboroboana ny kolontsaina amin’ny fiarovana ny ara-tsosialy” (PPPS) ny Cnaps. Isan’ny nentanina manokana tao anatin’ny hatrikasa ny tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny asa mba hahalany dieny izao ny fiahiana ara-tsosialy tokony ataony sy tokony ho azony. Ireo nandray fitenena rehetra, nahitana ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Cnaps, Raveloson Georges Odon Marie, ny prefen’i Toamasina, Benandrasana Cyrille, sy ireo mpampihofana maro avy amin’ny CnaPS, nandritra ny fanokafana ny atrikasa, dia samy nanamarika avokoa ny tombontsoa azo avy amin’ny ara-tsosialy izay tafiditra ihany koa amin’ny lalana mifehy ny zon’olombelona sy ny zo maha-olona. Ny tanjona aorian’izao atrikasa mitety faritra izao, dia samy hahalala ny zony sy ny maha-sarobidy amin’ny fiainan-ko avin’ny olona tsirairay ny fisian’ny fiahiana ara-tsosialy.

Tag :