Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d'informations et d'actualités, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

04/06/2015
N° 895

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

12/10/2012

Samihafa

Mitaky ny hamindrana ny fanerenana ny Bazarikely any Toamasina ho amin’ny fotoana hafa ny mpivarotra ao amin’ity tsena kasain’’ny fitondrana tetezamita hasiam-panamboarana ity. Nambaran’ireo mpivarotra fa leon’ny fampanantenana poak’aty nataon’ny fitondrana tetezamita izy ireo. Tsy ankasitrahan’izy ireo ihany koa ny hanaovana fanararaotana ara-politika ity tetik’asa ity amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Nirotsaka an-dalambe noho izany ny mpivarotra tao Bazarikely Toamasina.

15/10/2012

Samihafa

Nitrangana loza namoizana aina tany Andavadoaka, distrikan’i Morombe ny alin’ny sabotrsy lasa teo. Nanao lanonana teo amin’izany toerana misy zohy (grotte) izany ny mpiasa tao amin’ny fikambanana Blue Ventures; toeram-pitsangatsanganana sy torapasika rahateo koa ilay toerana. Nihotsaka tampoka anefa ilay zohy, araka ny vaovao azo ka dia nianjeran’ny tany tao ireto teratany vahiny. Vokany, maty tsy tra-drano ny lehilahy teratany anglisy iray ary vehivavy teratany frantsay iray. Nisy hafa ihany koa naratra mafy vokatr’izany loza izany. Hakarina eto an-drenivohitra

15/10/2012

Samihafa

Adihevitra goavana any anivon’ireo firenen-dehibe indrindra ny vondrona Eoropeana ny mikasika ilay vola 25 tapitrisa dolara voalaza fa homen’ny Sherrit hanaovana tetikasa ara-tsosialy amin’izao fotoana. Toa hoe mitsipaka tanteraka ny famoahana io vola be io ny vondrona Eoropeana. Manahy mantsy ny vondrona Eoropeana raha ny vaovao re ndrao dia hataon’ny mpitondra Tetezamita sy ny filoha Rajoelina propagandy ho azy ireo tetikasa avy amin’izany vola be izany. Ny Banky Eoropeana momba ny Fampandrosoana anefa no tokony hamoaka izany vola 25 tapitrisa dolara izany, raha ny fanampim-baovao azo.

15/10/2012

Samihafa

Niharan’ny fitsaram-bahoaka ny lehilahy iray voampanga ho nikasa hanolana lehilahy mamo tetsy 67 Ha ny alin’ny alakamisy faha-11 oktobra 2012 lasa teo ary vaky hatramin’ny fitaratry ny fiara nentiny raha ny loharanom-baovao azon’ny La Nation. Efa voavaha ny “braguette” ary efa niborotsaka mihitsy aza, araka ny loharanom-baovao azo ihany ny patalohan’ilay lehilahy mamo. Nisotrosotro teny amin’ny faritry 67 Ha iny ilay lehilahy, hoy ihany ny loharanom-baovao.

15/10/2012

Samihafa

Raha i Remenabila no anarana nampihorohoro tany amin’iny faritra iny nandritra ny volana maromaro izay dia izany Itala izany indray amin’izao fotoana izao no re etsy sy eroa. Tsy ela fa vao tamin’ny zoma lasa teo dia nanafika tao amin’ny kaomina Ambohimandroso distrikan’Ambalavao ity dahalo ity sy ny ekipany. Omby miisa roapolo no lasibatr’izy ireo tamin’izany ary voalaza fa am-polony izy ireo nanao ity fanafihana ity. Tetsy an-danin’izany kosa tsy ela dia nahare ny fisian’ny fanafihana ny mpitandro filaminana tany an-toerana, izay nadray andraikitra avy hatrany nanao ny fanarahan-dia niaraka

15/10/2012

Samihafa

Eto Madagasikara hatry ny omaly ny iraky ny SADC tarihan’i Leonardo Simao izay efa tsy zoviana amin’ny maro intsony nohon’ny maha mpanelanelan’ny famahana ny krizy eto amintsika azy. Nambaran’ity minisitry ny Raharahambahiny teo aloha tany Mozambika ity fa tsy maintsy ampiharina avokoa izay rehetra voalaza tao amin’ny tondrozotra raha tiana ny hisian’ny fifidianana mangarahara sy azo itokisana eto Madagasikara. Nambarany ihany koa fa tsy maintsy atao ny fampihavanam-pirenena raha toa ka tiana ny hanekan’ny rehetra ny vokam-pifidianana. Ary mbola isan’ny

15/10/2012

Samihafa

Nazoam-baovao ny hetsiky ny zandarmaria nasionaly nandritra iny faran’ny herinandro iny. Nahitam-bokany n any fisavana natao teny amin’ny lalam-pirenena, na ny firotsahana an-tsehatra tamin’ny fanenjehana ireo dahalo, ary ny fisavana teny an’ivon’ny fiaraha-monina. Basy sy bala ary fitaovam-piadiana hafa miampy ody gasy no isan’ireo tra-tehaka tamin’ireo hetsika ireo.

15/10/2012

Samihafa

Ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny hotely Nalugaro 67ha no tafatsangana ny sampana tanora ao amin’ilay hetsika fantatra amin’ny hoe Vondron’olontsotra na VOT. Tsiahivina fa hetsika iray mifaka ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ny VOT ary tsy vitsy ireo ezaka nataony amin’ny fitakiana ny hiverenan’ny ara-dalana eto amin’ny firenena. Isan’ny nisongadina tamin’izany, ohatra ny nanaovan’izy ireo ampamoaka momba ny zava-misy eto amin’ny firenena. Tamin’izany ary no nanamarihan’i Zoé Sarah, mpitarika ny VOT fa isan’ny fomba fiasa tian’izy ireo atao eto amin’ny firenena ny fampanomezana andraikitra ny olona hilaza mivantana ny zava-misy amin’ny alalan’ny ampamoaka toy izao fa tsy hiandry ireo mpitondra teny toy ny mahazatra, fa manjary ataon’ny sasany tohatra fiakarana.

16/10/2012

Samihafa

Tsy mbola hanova ny zava-misy eto Madagasikara ato anatin’ny andro vitsivitsy ny maha eto an-toerana ireo iraky ny SADC ahitana ny delegasiona tarihan’i Leonardo Simao sy ireo delegasiona miaramila ahitana manamboninahitra avy amin’ity vondrona ity. Hijery ny fivoaran’ny fampiharana ny tondrozotra izy ireo, araka ny voalazan’ny Minisitry ny Raharahambahiny, Rajaonarivelo Pierrot. Ho voaresaka manokana mandritra ny fihaonan’izy ireo amin’ireo ankolafin-kery rehetra voakasiky ny krizy eto amintsika ny fandinihina ny fahafahan-dRavalomanana miverina an-tanindrazana sy ny fahafahany milatsaka ho fidina filoham-pirenena.

16/10/2012

Samihafa

Tsy mahatosika intsony ny ranomamy any amin’ny tananan’i Manakara amin’izao fotoana izao. Vokatr’izany dia masira avokoa ny rano ampiasain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro satria idiran’ny ranomasina avokoa n any vovon-drano n any paompin’ny jirama. Tranga mpiseho isan’taona any amin’ity tanana ity izany, mialohan’ny fahatongavan’ny rotsak’orana toy izao, saingy tsy mbola nahitam-bahaolana hatramin’izao. Misedra olana ny mponina ao Manakara renivohitra efa ho herinandro izao.

16/10/2012

Samihafa

Hatreto dia tsy atahorana loatra ny mety ho vokatry ny fandalovan’ilay cyclone Anaïs izay niforona any amin’ny ilany avaratra antsinanan’ny Nosy tamin’iny faran’ny herinandro iny. Araka ny loharanom-baovao avy ao anivon’ny sampan famantarana ny toetrandro eto amintsika dia mety tsy hikasika loatra an’i Madagasikara ity rivodoza ity rah any zotrany no jerena. Mianatsimo andrefana manko izany hatramin’ny omaly tolakandro. Tsy dia maherivaika loatra ihany koa izy hatramin’izao satria tsy misy afa-tsy 15km isan’ora ny fifindrany. Rah any zotran’ity rivodoza ity ihany koa

16/10/2012

Samihafa

Tafakatra 27 ny isan’ireo olona voasambotry ny Foloalindahy, ahitana ny CSF, FIS, RAl, RTS ary ny RFI, manodidina ny raharaha fampandriantany any Atsimo.

16/10/2012

Samihafa

« Ankarena mazoto , Ampotro mandroso » , io no lohahevitry ny foara lehibe izay tontosaina ao Manakara , renivohitry ny faritra Vatovavy-Fitovinagny , nanomboka tamin’ny asabotsy 13 oktobra teo ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 17 oktobra . Ankoatra ny trano heva misy ireo fampirantiana ireo vokatra sy harena ao amin’ny faritra izay atao eo amin’ny tokontany malalaky ny lapan’ny

17/10/2012

Samihafa

Tsy mankasitraka ny fampakarana ny saram-pitaterana an-drenivohitra izay efa narangarangan’ny Vondron’ny mpitatitra ny mpanjifa. Nambaran’ny filohan’ny Tambajotram-pirenen’ny mpanjifa, Rakotorova Rabetsara Lita fa hitaky ny fandraisan’nandraikitry ny governemanta manoloana izao fanampahan-kevitry ny mpitatitra izao izy ireo, amin’ny alalan’ny hetsika izay hatao mialoha ny datin’ny 1 novambra. Nomarihany ihany koa fa tsy nisy fifampidinihana tamin’ny mpanjifa ny fandraisana fanampahan-kevitra nataon’ny mpitatitra. Etsy an-danin’izany, araka ny voalazan’ny Vondron’ny

17/10/2012

Samihafa

Tokony himasoana bebe kokoa ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Izay no nambaran’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Omer Beriziky, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany omaly, taorian’ny fanpkafana ny fotoam-pivoriana ara-potoanan’ny Kongresin’ny tetezamita. Nambarany ihany koa fa tokony handray ny andraikiny avokoa ny isan’isany avy, indrindra ireo voakasika mivantana amin’ny fanatomombanana ny fifidianana izay hatao eto amin’ny firenena. Tokony hanampy ny CENIT ihany koa ny rehetra hoy ihany ny Praiminisitra.

17/10/2012

Samihafa

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mambra roalahy ao amin’ny sendikan’ny mpiasan’ny Kraoma ny faha-4 oktobra lasa teo nialohan’ny nanolorana azy ireo teo anatrehan’ny Fampanoavana. Nahazo fahafahana vonjy maika izy ireo tamin’izany ka amin’ny faha-31 oktobra ho avy izao ny fotoam-pitsarana. Izao fisamborana sy fampiakarana azy ireo teo anatrehan’ny Fitsarana izao no setrin’ny fitakiana sendikaly, ny amin’ny tokony hametrahana ny Filan-kevi-pitantanana hisian’ny fitondrana tsara tantana eo anivon’ny Kraoma. Nambaran’ireo solontenan’ny sendikan’ny Kraoma

18/10/2012

Samihafa

Hatreto dia mbola tsy nahazo ny tamberim-bidy manandrify ny asa fitrandrahana ataon’ny orinasa mpitrandraka vy any Soalala Faritra Boeny ity Faritra ity. Tsy misy asa mahakasika ny ara-tsosialy mba ataon’nizanyorinasa izany ihany koa any amin’iny faritra iny. Ireo no nasongadin’ny Lehinen’ny Faritra Boeny, tamin’ny resaka an-telefaonina natao taminy. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa lasan’ny fanjakana foibe avokoa ny vola n any tetokasa izay tokony hataon’ny orinasa mpitrandraka vy ho an’ny faritra izay iadidiany. Tsy mba nanao lalana toy izay ataon’ny orin’asa vahiny any amin’ny

18/10/2012

Samihafa

Tsy maintsy handray fepetra mifandraika amin’ny fitandroana ny filaminana ny foloalindahy raha misy ny fiverenana an-tanindrazan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, hoy ny fanambarana nataon’ny lehiben’ny fiarovana eto amin’ny faritra Analamanga ny Kolonely Razafindrazaka Andry. Nandritra ny fampahafantarana ireo mpitantana vaovao ny Emmo Far, izay natao teny amin’ny Zandarmaria eny Ankadilalana, omaly, no nanambarany izany. Tsy namely ny amin’ny mety fahafahan-dRavalomanana na tsia miverina an-tanindrazana kosa ity manamboninahitra ity.

18/10/2012

Samihafa

Tao amin’ny hotely Colbert eny Antaninarenina no nihaona nandritra ny ora maro no nandraisan’ireo lehiben’ny foloalindahy Malagasy, nahitana ireo mmitarika ny polisy sy ny miaramila ary ny zandary, ireo iraka miaramila avy amin’ny SADC izay ahitana manamboninahitra sy manampahaizana momba ny làlana, izay tonga eto Madagasikara mba hanara-maso ny fivoaran’ny fametrahana filaminana ahafahana mampody an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nisy ihany koa ny fihaonan’ireto delegasiona miaramila avy amin’ny SADC ireto tamin’ny Minisitry

18/10/2012

Samihafa

Tontosaina etsy amin’ny hotely Carlton nanomboka omaly ny atrikasa iraisalm-pirenena ho an’ny vehivavy mpandraharaha aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina. Vehivavy tompona orinasa sy mpiaraiombon’nantoka amina orinasa avy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina sy avy amina firenena afrikanina vitsivitsy no mandray anjara amin’ity atrik’asa ity. Nambaran”izy ireo fa iray amin’ireo olana isan’ny lehibe indrindra amin’ireo sedrain’ny vehivavy mpandraharaha amin’izao fotoana izao ny tsy fisian’ny famatsiam-bola ahafahany manatsara ny orinasany.

18/10/2012

Samihafa

Ahina ho mizotra manantona ny renivohitra amin’izao fotoana izao ireo dahalo izay nanao asa-ratsy isan-karazany tany amin’iny ilany atsimon’ny Nosy iny. Io no isan’ny nambaran’ny Kolonely Razafindrazaka Andry nandritra ny fampahafantarana ny Emmo Far izay natao omaly tetsy Ankadilalana. Ny zava-nisy tany amin’ny Faritr’i Vakinankaratra ka nahatratrarana jiolahy nitondra basy sy bala maro ary odigasy no nahatonga azy ireo nilaza izany.

18/10/2012

Samihafa

Mbola ifandroritana amin’izao fotoana izao ny mikasika ireo tanin’ny oniversiten’i Toliara izay nisy nanorina trano fonenana. Tsy mety miala amin’izany toerana efa nanorenan’izy ireo trano izany ireo mponina ao. Nambaran’ny Filohan’ny Oniversité anefa fa tena an’ny oniversite tokoa ireo tany ireo ary tafiditra amin’ireo toerana tokony hanaovana fanitarana ao amin’ity toeram-pampianarana ity rehefa misy ny ilana izany.

18/10/2012

Samihafa

Nitrangana haitrano mahatsiravina nhafatesana olona roa kosa tany Mandritsara faritra Sofia ny 10 oktobra lasa teo.

18/10/2012

Samihafa

Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny zandarmaria nasionaly ilay jiolahy malaza fantatra amin’ny anarana hoe Dina Kankana.

19/10/2012

Samihafa

Fihantrana ireo sahirana ara-pivelomana tsy manan-trano hialofana no tanjona nametrahan’ny BMH ny tranolay eny Anosizato Atsinanana I. Ireo mahantra mpirenireny an-dalambe araka izany no noheverina hamonjy ireny tranolay ireny. Tsy miantoka ny sakafon’ireo sahirana ara-pivelomana akory ny BMH fa ny toerana hisitrahan’izy ireo amin’ny alina. Tsy izay intsony anefa ny zava-misy ankehitriny ; tsy ireo sahirana ara-pivelomana no nahita soa tamin’ireo tranolay fa ny jiolahy mpanendaka, mpanao sinto-mahery, hatramin’ny mpamaky trano ary ny mpanao fanafihana.

19/10/2012

Samihafa

Araka ny efa notanterina an-gazety dia hanao ampamoaka amin’ny alalan’ny valan-dresaka an-gazety indray ireo tangalamena androany etsy amin’ny Colbert Antaninarenina. Ny tangalamena Zakariasy Patrick no hitarika izany fotoana izany araka ny vaovao azo ary mbola manodidina ny resaka trafika ataon’ireo manampahefana sy olona akaikin’ny filoha Andry Rajoelina amin’ny harem-pirenena hatrany no ho voatoatin’izany ampamoaka izany. Tsy nihemotra teo anatrehan’ny fampitahorana nataon’ireo orinasa sy mpandraharaha voatonontonona tamin’ilay fanondranana

19/10/2012

Samihafa

Mifarana androany ny iraka nampanaovina ireo miaramilan’ny SADC izay tonga teto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Rah any fandaharam-potoan’izy ireo dia tokony hihaona amin’ny filohan’ny Tetezamita ireto miaramilan’ny SADC ireto amin’ity androany ity. Ny loharanom-baovao anefa no milaza fa lasa omaly any ivelany ny filohan’ny tetezamita. Mty tsy hisy arak’izany ity fihaonana ity. Nampanantena ny hanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety momba ny diany teto Madagasikara kosa ireto iraky ny SADC ireto alohan’ny hiverenany any amin’ny nihaviany.

19/10/2012

Samihafa

Nanapa-kevitra ny hamatraka taxibe izay hiasa amin’ny alina amin’izao fotoana izao ny fididiana ny tananan’Antananarivo. Ho fitsinjovana ireo olona voatery mandeha amin’ny alina no anton’izany fanampahan-kevitra izany hoy ny loharanom-baovao avy ao amin’ny CUA.

19/10/2012

Samihafa

Mivahiny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny Tale jeneralin’ny Asecna. Omaly dia noraisin’ny minisitry ny fitaterana nihaona taminy ity vahiny ity.

19/10/2012

Samihafa

Tsy nankatoavin’ny filankevitry ny Governemanta ny fanendrena ireo mpikambana 44 mandrafitra ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy na ny FFM. Ankinina amin’ny Komity mpanara-maso ny fampiharana ny Tondrozotra na ny CSC manomboka izao ny fifidianana izay ho mpikambana vaovao amin’ity rafitra ao anatin’ny tetezamita ity. Homena fitaovana sy vola ahafahany manao izany asa izany ny CSC, raha tara vao nahazo ny enti-manana tamin’izany ny komity mpisafidy ny FFM izay natsangan’ireo avy amin’ny fiaraha-monim-pirenena.

19/10/2012

Samihafa

Nivoaka tany Etazonia tamin’i Talata 16 Oktobra teo ny fikarohana voalohany momba ny PICA eto Madagasikara, izay notontosain’i Dr Christopher Golden, mpikaroka avy any Harvard. Io fikarohana io no nanamarika fa ny ankamaroan’ny olona nanaovana fanadihadiana dia mihinana ny tsy fihinana avokoa.

19/10/2012

Samihafa

Mitàna ny sain’ny maro na dia fa tena leo politika sy tofoky ny krizy aza ny vahoaka, ny fahatongavan’ireo miaramilan’ny SADC. Nisy ny fihaonana tamin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy sy ny Tafika nandritra izany. Manana ny heviny manoloana indrindra ireo izay nitafa tamin’ireto miaramilan’ny SADC ireto, ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand. Nametra-panontaniana avy hatrany ny tenany, mikasika indrindra ny antom-pisian’ny CMDN, araka izao manaraka izao: “aiza ho aiza ao anatin’ny Lalam-panorenanan no milaza izany CMDN izany? Tsy misy

20/10/2012

Samihafa

« Vilany vide! », izay no anarana nampitondran’ireo mpiasan’ny ministeran’ny Fahasalamana sy ny Paramed ny hetsika fanairana nataon’izy ireo omaly tetsy anoloan’ny ministera Ambohidahy. Naharitra adim-pamataranandro roa izany hetsika an-dalambe nataon’izy ireo izany. Fiaraha-mientana amin’ireo mpiasan’ny Fahasalamana miisa 80 tapaka karama noho ny hetsika sendikaly nataon’izy ireo no anton’izao fidinana an-dalambe miaraka amin’ny vilany « vide » izao ary koa fitakiana ilay « grille indiciaire » 1200 fmg. Notapahan’ny fanjakana Rajoelina tokoa mantsy ny

20/10/2012

Samihafa

Tsy misy fihenany hatramin’izao ny asan-dahalo any amin’iny distrikan’i Sakaraha iny, na eo aza ny fampandrian-tany izay atao amin’izao fotoana izao. Araka ny loharanom-baovao any an-toerana dia saika isan’andro no ahitana fanafihan-dahalo sy fifandonana eo amin’ny fokonolona sy ny dahalo any amin’izany distrika izany, toy izay niseho ny alakamisy teo tany Tanandava Efantsy, Kaomina Miary Taheza ao amin’ny distrikan’i Sakaraha. Dahalo roa no maty nandritra ny fifandonana. Mbola miaina ao anatin’ny tebiteby isan’andro isan’andro ny mponina any amin’ny distrikan’i Sakaraha

20/10/2012

Samihafa

Na ireo parlemantera izay nindany ny lalana mifehy ny famotsoran-keloka dia maro amin’izy ireo no tsy mahalala akory ny votoatin’izany famotsoran-keloka izany. Nisongadina io fahatsapana io nandritra ny fihaonana niantsoan’ny SEFAFi ny mpandraharaha sy ny mpanao politika ary ny sendika teto Antananarivo nandritra ny atrik’asa izay nifarana omaly tao amin’ny Hotely Panorama. Naompana tamin’ny fampahafantarana ny zava-misy eto amin’ny firenena sy ny tokony ho fampiharana ny famotsoran-keloka izany fikaonan-doha nokaraakarain’ny SEFAFi izany. Tamin’ity fotoana ity ihany koa no

20/10/2012

Samihafa

Velon-taraina amin’izao fotoana izao ireo mpianatra sy mpampianatra ary ray amandren’ny mpianatra ao amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara any Toamasina nohon’ny fahasimban’ny tafon’ity sekoly ity. Araka ny antso izay nataon’izy ireo nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly, dia tapitra mitete avokoa ny tafon’ity Lycée ity amin’izao fotoana izao. Ho avy anefa ny vanim-potoanan’ny fahavaratra sy ny rivo-doza. Mety ho voatoitoina arak’izany ny fianaran’ireo mpianatra any amin’izany sekoly izany, raha tsy misy ny fandraisan’andraikitra.

20/10/2012

Samihafa

« Ny zoma 12 oktobra 2012 dia nanao valan-dresaka an-gazety ny tenako, mahakasika ireo tsimatimanota eto amin’ny firenena izay manararao-pahefana satri mialokaloka aorian’ny filohan’ny FAT ary ireo manodidina azy. Nampiseho taratasy porofo mitohoka amin’ny tendany ny tenako tamin’izany izay mampiseho ny hosoka ataon’i Mamy Ravatomanga miaraka amin’ny orinasa Mainland Mining TLD hanondranana an-tsokosoko andramena mankany Sina. Ny valin’izany anefa dia fanasoketana tsotra izao ny tenako fa izaho indray no tomponandraikitra nanao ny taratasy hosoka.

20/10/2012

Samihafa

Raha somary tsy re ireo mpampianatra mivondrona ao amin’ny Sempama nandritra ny fotoana lavalava dia fantatra indray izao fa manomboka mihetsiketsika ry zareo amin’izao fotoana izao. Nisy ny taratasy mirakitra ny tenimita ho an’ny mpikambana avy amin’izany sendika izany izay milaza fa hiroso amin’ny fitokonana faobe fanairana ny firenena manontolo ry zareo. Midika izany fa mbola tsy nahazo fahafaham-po tamin’ny fitakiana izay nataony ireo mpampianatra Sempama manerana ny Nosy. Tsy voafaritra tao anatin’izany tenimita izany kosa ny fomba hanatontosan’izy ireo

20/10/2012

Samihafa

Tompon’andrikitra iray eo an’ivon’ny fididiana ny Governemanta no naneho ny heviny manoloana ny fitantanana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa tsy afaka manao ny andraikiny araka ny tokony ho izy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta nohon’ny sakatsakana ataon’ireo tompon’andraikitra sasantsasany ao an’ivon’ny fiadidiana ny Tetezamita, indrindra ireo akaiky ny filohan’ny Tetezamita.

22/10/2012

Samihafa

Lavin’ireo Pastora ato anatin’ny sinaodam-paritany Antananarivo eo an’ivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy ny famindra-toerana ireo Pastora izay nataon’ny komity foiben’ity fiangonana ity. Nambaran’izy ireo nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataony ny faran’ny herinandro teo fa tsy manaja ny lalana mifehy ny Fiangonana izany famindran-toerana izany ary tsy nisy fiaraha-midinika tamin’ireo izay voakasik’izany. Nanambara ary ireo Pastora ato anatin’ny sinaodam-paritany Antananarivo fa tsy hanaiky ny famindran-toerana izy ireo ary tsy hanome toerana ireo izay

22/10/2012

Samihafa

Saika isan’andro no isehoan’ny fanafihan-jiolahy ao antampon-tananan’Ambalavao, tato anatin’ny herinandro vitsivitsy. Tamin’ny faran’ny herinandro teo dia mpianatra mpanofa trao tao amin’ilay fianankaaviana voatafika no lasibatry ny tifitr’ireo dahalo. Naratra mafy ilay mpianatra, vokatr’izany tifitra izany. Tsy nahazo n’inon’inona kosa ireo jiolahy.Tovolahy 19 taona, avy any Ankaramena ary mandranto fianarana ao Ambalavao no lasivatry ny tifitra nataon’ireo jiolahy

22/10/2012

Samihafa

Tandindomin-doza amin’izao fotoana izao ny mponina any amin’ny tananan’Ambalavao. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nahitana trangana haretina pesta tao amin’ny fokontany iray atao hoe Ankofika ao antampon-tanan’Ambalavao. Tamin’ny faran’ny herinandro teo no namory mpanao gazety tany an-toerana ny tompon’nandraikitra tao amin’ny CSBII any Ambalavao, nilaza ny fisian’izay tranga izay. Ny fiakaran’ny voalavo eny an-tanana vokatry ny doro tanety misy any amin’zany faritra izany no voalaza fa mety ho nahatonga izany trangana pesta izany.

22/10/2012

Samihafa

Tratran’ny velam-pandriky ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny polisim-pirenena any Toliara ireo mpanendaka izay mihafina ao amin’ny fasam-bazaha tao amin’ity tanana ity. Ny zoma alina teo no tra-tehaka izy ireo raha iny nanao ny asa ratsy mahazatra azy ireo iny. Araka ny vaovao dia isan’ny faritra ahitana fanendahana saika isan’alina izao eo amin’ny lalana mandalo amin ‘izany Lolom-bazaha ao Tanambao morafeno izany. Mitondra basy ireo mpandroba ary milefa ao amin’ny faritry ny fasam-bazaha raha vao mahavita ny asa-ratsin’izy ireo.

22/10/2012

Samihafa

Hafa indray ny zava-misy izay sedrain’ireo mpanisa ny mpifidy izay irahin’ny CENIT any amin’iny tananan’i Toliara iny. Araka ny tatitra ataon’ny sasany amin’izy ireny dia misedra olana tokoa izy ireo nohon’ny fandavan’ireo vahoaka tsy hanoratra ny anarany ao anatin’ny lisim-pifidianana.

23/10/2012

Samihafa

Nirotsaka an-dalambe ny vahoaka notarihan’ireo avy amin’ilay hetsika atao ho “tsisy miala eto niany” any amin’iny renivohitry ny faritra Antsinanana iny, omaly maraina. Sora-baventy maneho ny tsy fahafalian’izy ireo amin’ny zava-misy amin’izao fotoana izao, indrindra ny mahakasika azy ireo mivantana no nentin’izy ireo tamin’ny faritra rehetra izay nolalovan’izy ireo nandritra izany hetsika izany. Tsy nisy ny fifandonana fa nizotra tao anatin’ny filaminana avokoa ny hetsika nataon’ireto andian’olona ireo, izay nahatratra an’arivony araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

23/10/2012

Samihafa

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tany amin’ny kaomina ambanivohitra Befeta ao amin’ny distrikan’Ambohimahasoa ny faha 18 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Fianankaviana iray tao amin’ity tanana ity no niharan’ny fanafihan’ireo dahalo miisa 15 tamin’io fotoana io. Nandritra ny fanafihana dia nesorin’ireo jiolahy ny tohatra mihazo ny rihana izay nihafenan’ireto fianankaviana ireto, ary rehefa vita ny asa-ratsiny dia nodoran’izy ireo ilay trano.

23/10/2012

Samihafa

Nanaiky ny hanasonia ny atontan-taratasy mahakasika ny famatsiam-bola ny fifidianana eto Madagasikara ny Vondrona Eropeana sy ny firenena Suisse ary i Norvège. Alohan’ny faran’ity volana ity no hatao izany fifanaovan-tsonia ny fifanarahana izany na ny PACEM (Projet d’appui au cycle electoral à Madagascar). Mbola hiankina amin’ny fivorian’ny Komisiona Eropeana izay hatao ny tapatapaky ny volana desambra ho avy io anefa ny fivoahan’ny famatsiam-bola avy amin’ity Vondrona ity, ary mbola hiankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ihany koa.

23/10/2012

Samihafa

Mbola fanafihana dahalo ihany koa ity nitranga tany amin’ny fokontany Ankevokely, kaomina ambanivohitra Anosibe Est distrikan’i Manja any amin’ny faritra Menabe ity. Ny andron’ny 17 oktobra no nitrangan’ny fanafihana. Dahalo miisa 10 izay nitondra basy no nanafika tamin’io tanana io, araka ny loharanom-baovao. Omby miisa 120 kosa no lasan’izy ireo tamin’izany fanafihana izany.

23/10/2012

Samihafa

Manomboka miakatra ny feo avy any Betroka noho ny fihetsiky ny kolonely Zafy Henri, lehiben’ny mpanao fanadihadiana, manodidina ny hetsika Tandroka any an-toerana. Miteraka resabe tokoa ity manamboninahitra ity ankehitriny ary maro amin’ireo manampahefana, indrindra ny vahoaka lasibatry ny asan-dahalo any an-toerana no mangataka ny tokony hanalana sy hanoloana azy araka izay haingana. Toraka izany koa ny lehiben’ny Distrika ary indrindra ilay mambra ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita fantatra amin’ny anarana mahazatra hoe Nicolas. Maro moa ny fitarainana voarain’ny La Nation mikasika azy telo mirahalahy ireto kanefa sarotra ny milaza izany. Ny azo ambara fotsiny dia ny hoe mitaraina ny olona any an-toerana ary maniry ny hanoloana ny kolonely Zafy Henri sy ny lehiben’ny Distrika ary koa handraisana fepetra mikasika ny fihetsiky ny CT Nicolas.

23/10/2012

Samihafa

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tany amin’ny kaomina ambanivohitra Befeta ao amin’ny distrikan’Ambohimahasoa ny faha 18 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Fianankaviana iray tao amin’ity tanana ity no niharan’ny fanafihan’ireo dahalo miisa 15 tamin’io fotoana io. Nandritra ny fanafihana dia nesorin’ireo jiolahy ny tohatra mihazo ny rihana izay nihafenan’ireto fianankaviana ireto, ary rehefa vita ny asa-ratsiny dia nodoran’izy ireo ilay trano. Tsy afa-nandositra arak’izany izy efa-mianaka tao anatin’ity trano ity afa-tsy ny zaza iray izay tafatsambikina avy eny ambaravarakely.

23/10/2012

Samihafa

Loharanom-baovao avy ao amin’ny fiahiana ny mpiasa ao amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena no nandrenesana fa mpampianatra Fram miisa 400 ka hatramin’ny 600 no ho raisina ho mpiasam-panjakana amin’ity taom-pianarana ity. Tsy izy rehetra anefa no ho laharam-pahamehana amin’izany raha araka ity loharanom-baovao ity ihany.

23/10/2012

Samihafa

Nitrangana hay trano mahatsiravina tao amin’ny fokontany Tsaralaza Mahatsinjo, ao amin’ny tsenan’i Bezaha ao amin’ny distrikan’i Vondrozo. Vain’afo natsipy teny ambony tafotrano iray no voalaza fa niavian’izany hay trano izany. Vokany, trano miisa 10 no lasa lavenona tao anatin’ny taona fohy. Fianankaviana 26 kosa no rava fananana tanteraka noho izany hay trano izany.

23/10/2012

Samihafa

Nitrangana hay trano mahatsiravina tao amin’ny fokontany Tsaralaza Mahatsinjo, ao amin’ny tsenan’i Bezaha ao amin’ny distrikan’i Vondrozo. Vain’afo natsipy teny ambony tafotrano iray no voalaza fa niavian’izany hay trano izany. Vokany, trano miisa 10 no lasa lavenona tao anatin’ny taona fohy.

24/10/2012

Samihafa

Tsy namoaka na anaran’olona izay voarohirohy amin’ny raharaha famotsiam-bola ny SAMIFIN na dia izay mangarahara izay aza no tena andrasan’ny vahoaka avy amin’ny. Nilaza anefa ny tale jeneralin’ity rafitra ity fa manara-maso akaiky ireo mpitondra ambony amin’izao tetezamita izao sy ireo mpanao politika, indrindra ireo izay mikasa ny hilatsaka amin’ny fifidianana hatao eto amin’ny firenena ny SAMIFIN na ny Sampan-draharaha Malagasy Iadiana amin'ny Famotsiambola. Nambarany ihany koa fa firenena vitsivitsy dia i Emirats Arabes Unis, I Thailande, Maurice ary i Frantsa no fiavian’ny vola maloto izay misy manadio eto Madagasikara. Efa maro hoy ihany ity tale jeneralin’ny SAMIFIN ity, ireo voarohirohy ary nametrahan’izy ireo fitoriana teny amin’ny Fitsarana saingy mahagaga fa vitsy dia vitsy no voatsara.

24/10/2012

Samihafa

Nahatratrarana bolabolana andramena saika aondrana indray tany amin’iny faritr’i Sava iny tamin’ny faha 20 oktobra lasa teo. Tao Vohémar no nahatratraran’ny mpitandro filaminana izany bolabolana andramena miisa 110 izany. Fiarabe, camion, no nitondra ireo hazo sarobidy ireo, araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny zandarmariam-pirenena any an-toerana. Nisy fiara 4X4 ihany koa naira-dalana tamin’izy ireo. Avy any sambava no niangan’ireo fiara ireo raha araka ny tatitry ny zandary ary tany Vohémar izy ireo vao tra-tehaka, nandritra ny fisavana natao teo amin’ny PK 292. Olona efatra no voasambotra nandritra izao fahatratrarana ity andramena tao Vohémar ity izao ka isan’izany ireo mpamily ireo fiarakodia ireo. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny roa tamin’izy ireo raha notazonina ao amin’ny zandary alohan’ny handefasana azy any amin’ny fitsarana.

24/10/2012

Samihafa

Misy amin’ireo sampam-pianarana any amin’ny anjerimanontolo eny Ankatso no mbola tsy nahazo vatsim-pianarana hatramin’izay dimy volana efa nanombohan’ny fampianarana izay. Teo anatrehan’izany dia nanao hetsika fitakiana tamin’ny alalan’ny fisakanana ny fifamoivoizana teny amin’ny manodidina ny fidirana eny amin’ny faritry ny anjerimanontolo izy ireo omaly. Hetsika izay nambaran’izy ireo fa santatra ihany ary fanairana ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny momba azy ireo. Raikitra indray ny korontana teny Ankatso, raha mba nilamina kely izany toeram-pampianarana izany nandritra ny herinandro vitsivitsy taorian’ny fitsaharan’ny fitokonan’ny mpampianatra mpikaroka sy ireo mpandraharahan’ny Oniversité.

24/10/2012

Samihafa

Vaovaom-paritra

25/10/2012

Samihafa

Distrika telo no tsy ahitana solika any amin’iny faritra DIANA iny hatramin’ny alatsinainy ka hatramin’izao fotoana izao. Manjaka vokatr’izany ny varo-maizina. Mahatratra hatramin’ny 6000 ariary ny vidin’ny solika iray litatra, n’inon’inona ny karazany any amin’ireo distrika ireo, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Mitaraina vokatr’izany ireo mpampiasa fiara-kodia, indrindra ireo mpitatitra nohon’ny fatiantoka aterak’izany.

25/10/2012

Samihafa

Manome fe-potoana hatramin’ny faha 5 novambra izao ho an’ny fitondrana tetezamita ny zanak’i Toamasina mba handraisany andraikitra manoloana ireo fitakiana maro sosona izay ataon’izy ireo. Fitakiana izay manandrify ireo heverin’izy ireo fa tsy rariny sy fanararaotana mahazo ny mponina any amin’iny faritra iny. Efa nanao hetsika goavana izy ireo nanomboka tamin’ny alatsinainy teo ary mbola hitohy izany, araka ny nambaran’i Rakotomalala Henri na i Riribe izay nitarika ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teto Antananarivo omaly. Raha dila io fe-potoana io dia hitaky

25/10/2012

Samihafa

Raha ny fandaniana ny tetiandrom-pivorian’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita no tokony hatao mandritra ny fivoriana azon’ny be sy ny maro atrehana androany eny amin’ny lapam-panjakana eny Anosy dia tsy ho tanteraka indray izany anio. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nolavin’ireo filohana komisiona sy filohana Vondrona parlemantera ao amin’ity andrim-panjakan’ny Tetezamita ity ny hanaovana izany fandaniana ny tetiandrom-pivoriana izany.

25/10/2012

Samihafa

Maro ireo tsy nana-po iny rotsak’orana omaly teto an-drenivohitra iny. Tsy vitsy arak’izany ireo korontana naterak’izany fihavin’ny orana izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fitohanan’ny fifamoivoizana saika nahakasika ny faritra maro manerana an’Antananarivo. Teo ihany koa tetsy an-danin’izany ny faatapahan-jiro matetika tamin’ny faritra maro teto an-toerana sy ny tsy fahampian’ny taksibe tamin’ny zotra maro. Marihina fa nifanandrify indrindra tamin’ny firavan’ny mpianatra sy ny mpiasa ny fanombohan’ny orana tamin’ny omaly. Ireto farany izay tsy nitondra aro-orana ny ankamaroany nohon’ny tsy

25/10/2012

Samihafa

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Hetsiky ny mpitondra Fivavahana (HMF). Arakan y fanambarana izay natao n’izy ireo,omaly, dia hanao hetsika lehibe izy ireo amin’ny voalohan’ny volana novambra izao.

25/10/2012

Samihafa

Nisongadina nandritra ny famelabelarana narahina ady hevitra izay natao tao amin’ny hotel Colbert omaly fa tafakatra avo dia avo amin’izao fotoana izao ny tahan’ny tsy fahampian-tsakafo any amin’iny faritra “grand sud est” iny, izay ahitana an’I Faritra Vatovavy Fitovinany sy ny faritra Atsimo Antsinanana.

26/10/2012

Samihafa

Voatery nanao tifi-danitra ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-Rég any Toamasina izay nadrava ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpianatr, omaly, tao amin’ny Oniversité any Barikadimy. Fitakiana ny handoavan’ny fitondrana ny vatsim-pianarana mandritra ny dimy volana izay mbola tsy azon’izy ireo hatramin’izao, sy ny vola fampitaovana ny mpianatra no anton’izany hetsika nataon’ny mpianatra izany. Niafara tamin’ny fifanandrinana teo amin’ireo mpianatra izay namely tamin’ny tora-bato, tetsy an-daniny, ary ireo mpitandro filaminana izay nanao tifi-danitra nandrava ny hetsiky ny

26/10/2012

Samihafa

Maty nanomboka tamin’ny efatra maraina ka tsy nirehitra raha tsy tamin’ny roa ora tolak’andro ny jiro tany amin’ny tananan’Ambalavao sy ny manodidina azy omaly. Ny famaizain’ny andrin-jiro iray izay isan’ireo mitondra ny tariby izay andehanan’izany herinaratra izany mihazo an’ity tanana ity no anton’izany fahatapahan’ny jiro izany.

26/10/2012

Samihafa

Isan’ireo lahadinika nandritra ny fivoriamben’ny antoko “International Libéral” maneran-tany izay natao tany Abidjan, renivohitra Ivoariana ny 16 ka hatramin’ny 21 oktobra lasa teo ny raharaha mahazo an’i Madagasikara. Tao anatin’ny fanampahan-kevitr’ity fivoriana iraisam-pirenena ity ary dia nanambara ireo mpandray anjara fa manohana ny fampodiana an-dRavalomanana an-tanindrazana izy ireo. Nasongadin’izy ireo ihany koa fa ela loatra ny krizy misy eto Madagasikara, ary melohin’izy ireo ihany koa ny fisamborana an-keriny natao an’i Manandafy Rakotonirina tamin’ny taona 2009.

26/10/2012

Samihafa

Ady hevitra saika tsy nisy farany ny tao amin’ny lapan’ny Filankevitra avon’ny tetezamita nandritra ny fivoriana, omaly. Ady hevitra izay nanjakan’ny fitadiavana tombontsoa manokana, sy ny fitakiana ny fanonganana ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitr’ity andrim-panjakan’ny tetezamita ity, ary ny fanakianana ny fitantanam-bolan’ny fanjakana izay nambaran’ny mpandray fitenenana fa tsy manaja ny mangarahara.

26/10/2012

Samihafa

Nisy fanendrena kardinaly miisa enina nataon’ny Papa Benoit XVI ny alarobia teo tany Roma. Na dia isan’ireo vahoaka miandry fatratra izay fanendrena ny kardinaly vaovao eto Madagasikara aza ny kristianina Katolika eto amintsika dia tsy mbola isan’ny nahazo izany aloha izy ireo hatramin’izao.

27/10/2012

Samihafa

Nanamafy ny tsy fihemoran’izy ireo amin’ny fampankarana ny saran-dalan’ny Taksi be ho 400 ariary manomboka amin’ny voalohan’ny volana novambra izao ny vondron’ny mpitatitra an-drenivohitra n any UCTU. Nambaran’izy ireo fa tsy manan-jo hanasazy azy ireo amin’io fanampahan-kevitra io ny ministera satria tsy nanana vahaolana naroso manoloana ny fasahiranan’izy ireo izany departemanta izany. Nilaza ny hametraka mpitandro filaminana hiaro azy ireo mandritra io fampakarana ny saran-dalana io ny vondron’ny mpitatitra.

27/10/2012

Samihafa Samihafa

Hifamotoana eny amin’ny kianja mitafin’i Mahamasina amin’ny alatsinainy izao ireo mpanjifa rehetra eto Antananarivo. Ny Tambajotran’ny mpanjifa na ilay fantatra amin’ny hoe “Réseau national des consomateurs” na RNDC no miantso azy ireo amin’izany fivoriana izany. Nambaran’i Rakotorova Rabetsara (Lita) fa ny fametrahana ny fifanarahan’ny samy mpanjifa no tanjona amin’io hetsika io. Efa tsy zakan’ny mpanjifa intsony ny vesatra atao eo an-damosiny amin’izao fotoana izao, hoy ihany ity mpitarika ny RNDC ity ka tsy maintsy mandray andraikitra izy manoloana izany.

27/10/2012

Samihafa Samihafa

Hifamotoana eny amin’ny kianja mitafin’i Mahamasina amin’ny alatsinainy izao ireo mpanjifa rehetra eto Antananarivo. Ny Tambajotran’ny mpanjifa na ilay fantatra amin’ny hoe “Réseau national des consomateurs” na RNDC no miantso azy ireo amin’izany fivoriana izany. Nambaran’i Rakotorova Rabetsara (Lita) fa ny fametrahana ny fifanarahan’ny samy mpanjifa no tanjona amin’io hetsika io. Efa tsy zakan’ny mpanjifa intsony ny vesatra atao eo an-damosiny amin’izao fotoana izao, hoy ihany ity mpitarika ny RNDC ity ka tsy maintsy mandray andraikitra izy manoloana izany.

27/10/2012

Samihafa

Hampiato ny fazoan-dalana momba ny fanitarana sy ny fazoan-dalan’ny haino amanjery eto Maagasikara ny ministeran’ny Searasera. Arakan y nambaran’ny minisitra mpiahy izany departemanta izany dia am-polony mahery amin’izao fotoana izao ireo haino aman-jery tsy manara-dalana any amin’ny faritra samihafa eto amin’ny firenena.

27/10/2012

Samihafa

Mpanao gazety roapolo mahery no notolorana marim-pihofanana teny amin’ny “Centre de presse Antsaskaviro”, omaly. Avy amin’ny gazety an-tsoratra sy haino aman-jery samihafa eto amintsika izy ireo ary nomena fihofanana manokana mahakasika ny fikirakirana ny vaovao.

27/10/2012

Samihafa

Velon-taraina ny mponina any amin’ny tananan’i Mananjary nohon’ny fanararaotam-pahefana miseholany ary miantraika amin’ny fiainambahoaka any amin’izany tanana izany. Ny momba ireo tanim-panjakana eo ambany fiadidian’ny tananan’i Mananjary no iompanan’izany fitarainana izany. Araka ny taratasy fitoriana efa nalefan’ireto vahoaka ireto teny an’ivon’ny Bianco (jereo ny taratasy ao amin’ny pejy 3) dia tsy azon’ny mponina aleha intsony ny toerana iray izay efa nisy nangataka ny hividy azy. Nambaran’ny tao amin’ny fiadidiana ny tananan’i Mananjary tamin’izany fotoana izany, araka

27/10/2012

Samihafa

Tsy nahomby ny fikasan’ireo CST mpanohana ny filoha Rajoelina izay nikasa ny hanongana ny filohan’ny Filankevitra avon’ny Tetezamita, Dolin Rasolosoa. Raha nikasa ny hametraka fifidianana fitsipaham-pitokisana ny filohan’ity andrim-panjakan’ny Tetezamita ity ireo ampahany tamin’ireo parlemantera, indrindra ireo mpanohana ny filoha Rajoelina, dia nandà ny maha zava-dehibe an’izany kosa ireo ampahany hafa izay nahitana ireo avy amin’ny ankoalfy Ravalomanana. Ny hevitra avy amin’ireto farany moa no nandresy satria tsy tafita ny fanonganana an’i Dolin Rasolosoa. Mazava

27/10/2012

Samihafa

Nivoaka omaly ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny CES. Ireto avy izy ireo. Avy amin’ny ordre Judiciaire: Harimisa Noro Vololona nahazo vato 210 ; Ravelontsalama Bertholier nahazo vato 162.

29/10/2012

Samihafa

Velon-taraina tanteraka amin’izao fotoana izao ireo zanak’iny distrikan’i Betroka iny nohon’ny afitsok’ireo mpitandro filaminana nalefa hampandry tany any amin’izany faritra izany. Araka ny taratasy nalefan’i Ernest RANDRIANASOLO, manakanto fantatra amin’ny anarana hoe D'GARY, dia tanana miisa 15 hatramin’izao no kilan’ny afo tamin’ny fandoran’ireo mpitandro filaminana azy ireo. Ny foko Zafindrav'ala no nambarany fa mitondra ny tsy eran’ny aina noho izany famoretana azy ireo izany. Toy izao indrindra no votoatin’izany taratasy nalefan’ity mpanakanto ity tamina

29/10/2012

Samihafa

Mbola tsy nikatona hatramin’izao ny taom-panjonoana baraoa any amin’ny Farihin’Alaotra raha eo antenantenan’ny volana oktobra no fikatonan’izany isan-taona. Nisy nadrotsaka foza orana ihany koa ao amin’ity farihy ity, ary mirongatra izay tsy izy ity karazan-poza mpanimba voly sy mpanimba zana-trondro ity. Manahy manahy mafy ny hisian’ny fitongonganan’ny lalm-piarihana jono any amin’ny manodidina ity farihy ity, arak’izany ny mponina any an-toerana.Mandravarava ny foza orana. An-taoniny isan’andro no voaangon’ny mponina manamorina ny farihin’Alaotra,

29/10/2012

Samihafa

Mbola misy ary maro ireo izay manohy ny fitrandrahana safira any amin’ny kaomina Didy, Faritra Alaotra Mangoro. Taorian’ny fialàn’ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-nat izay nalefa tany an-toerana hanadio izany faritra izany dia ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Faritra Alaotra Mangoro indray no miaro izany toerana izany mba tsy hisian’ny fitrandrahana gaboraraka toy izay efa nitranga herintaona lasa izay. Tsy zany anefa ny zava-misy amin’izao fotoana izao satria avelan’ireo mpitandro filaminana hiditra sy hitrandraka ao amin’izany faritra arovana izany ireo mpitrandraka sy ireo mpividy vato ary ireo mpivarotra enta-madinika samihafa, rehefa mandoa vola amin’izy ireo. Mbola manao be fiavy ao antampon-tananan’Ambatondrazaka ihany koa ireo teratany vahiny mpividy safira.

29/10/2012

Samihafa

Nitafa tamin’ireo mpomba azy tao amin’ny Kianjan’ny Magro indray ny filoha teo aloha Ravalomanana rehefa tsy nanao izany nandritra ny herinandro maromaro izay. Mazava loatra fa ny fahitany ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao sy ny fiverenany eto Madagasikara ary ny filatsahany ho fidina amin’ny fifidiana filoham-pirenena no votoatin’izany tafa mivantana any any Afrika atsimo izany.

30/10/2012

Samihafa

Raha famorana faobe na mariazy faobe no fandre matetika amin’ny faritra maro dia efa misy ihany koa amin’izao fotoana izao ny famadihana faobe. Tsy vaovao loatra anefa izy io rah any zava-misy any Toamasina no resahina satria efa nanomboka hatramin’ny taona 2007, isaky ny fetin’ny maty no hanatanterahan’ireo mpiavy any an-toerana an’izany. Izany hoe ireo mpila ravon’ahitra avy any amin’ny faritra hafa to any avy any Vangaindrano sy Vohipeno ary Manakara sy Farafangana no mifanome tanana mba hitondra ny taolambalon’ny havan’izy ireo nodimandry nandritra ny taona tany

30/10/2012

Samihafa

Na dia tsy isan’ireo distrika nametrahana ireo vondron-kery manokana miady amin’ny asan-dahalo any atsimo aza ny ao amin’ny distrikan’i Sakaraha dia manao hetsika manandrify izany ihany koa ireo mpitandro filaminana any amin’izany faritra izany amin’izao fotoana izao. Mahavelon-taraina ny maro, indrindra ireo ben’ny tanana any amin’ireo kaomina misy tsena any amin’iny distrika iny anefa izao hetsika ataon’ny mpitandro filaminana izao satria miteraka fitongongan’ny tsena ny fisamborana olona eny amin’ireny toerana ireny sy ny fanapoahana basy mandritra izany fotoana

30/10/2012

Samihafa

Taorian’izany dia notapahany ny tanany ka izany tanany izany ihany no nentiny teny amin’ny zandary, nanamarinany fa matin’izy ireo izany dahalo izany.

30/10/2012

Samihafa

vokatry ny firehetan’ny trano nisy azy ireo tany amin’ny fikontany

30/10/2012

Samihafa

Maina arak’izany ny faritra maro any an-toerana. Manahy mafy ny amin’ny mety hahatara ny taom-pambolem-bary any amin’iny sompitr’i Madagasikara iny arak’izany ny mpamboly.

30/10/2012

Samihafa

teto an-drenivohitra ireo vondron’ny tambajitran’ny mpanjifa na ny RNDC, omaly.

30/10/2012

Samihafa

Nanamafy ny fiparitahan’ny vola sandoka eto amintsika ny kaomisera Rabenandrasana Jean Marcel, raha nampahafantatra ny fahatratraran’izy ireo ny vola sandoka mitentina 3 tapitrisa ariary mahery , omaly. Ny alarobia lasa teo no nahatratrarana ireo vola sandoka ireo izay nentin’olona nivahiny tao amin’ny trano fandraisambahiny lehibe iray teto an-drenivohitra. Olona telo no voasambotra ary voaroiroy amin’ny fanaparitahana izany vola sandoka izany.

30/10/2012

Samihafa

Mitsidika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny iraky ny vondron’ireo parlemantera eropeanina ao anatin’ilay fikambanana atao hoe « Groupe d’Amitié Union Européenne – Madagascar », izay tarihan’ny filohany, ny solombavambahoaka Philippe Boulland. Nihaona tamin’ny minisitry ny Raharahambahiny Malagasy teny amin’ny trano fiasany teny Anosy ireto vahiny ireto omaly maraina. Tamin’izany fihaonana izany no nampahafantaran’izy ireo ny anton-diany eto an-toerana. Tsy inona izany fa ny hihaino ireo izay hery rehetra voaksiky ny krizy eto Madagasikara mba ahafahana

30/10/2012

Samihafa

Misedra olana goavana amin’izao fotoana izao ny Oniversiten’Antananarivo, sy ny oniversité manerana ny Nosy ihany koa. Araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny fiadidiana ny oniversité eto Antananarivo dia mbola tsy voaloha ny ankamaroany amin’ireo trosa goavana mitambesatra amin’ny kitapombolan’ity toeram-pampianarana ambony ity. Ny tsy fahampian’ny tetobola azo avy amin’ny fanjakana no anton’izany. Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra anefa izany. Vatsim-pianarana izay tsy voaloha efa hatramin’ny nanombohan’ity taom-piarana ity, na ho an’ny mpianatra eto an-toerana na ny mpianatra any ivelany.

31/10/2012

Samihafa

Mibaribary izao fa misy tokoa ireo tsy maty manonta na ireo ambonin’ny lalàna eto Madagasikara. Tsy isalasalana ihany koa ny milaza fa tsy natao ho an’ny rehetra ny fanarahan-dàlana, fa natao ho an’izay te-hanaraka izany ihany. Ary ny mahagaga dia ireo izay natao ho fitaratra amin’izay fanarahan-dàlana izay indrindra no mampiseho mibaribary ny tsy fanarahan’izy ireo izany lalàna mifehy ny tany sy ny fanjakana izany. Tsy inona no tian-kambara fa ny famakiana ny tatitra izay nataon’ny BIANCO momba ny zava-misy mahakasika ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara tamin’ity taona ity.

31/10/2012

Samihafa

Nirotsaka teny an’arabe indray, omaly maraina, ireo vahoaka an’arivony miara-dàlana amin’ny hetsika “tsisy miala aketo niany” any Toamasina. Mbola ny fitakiana ny fandohavana 6 tapitrisa ariary isan’olona ho an’ireo mpiasa tapitra fifanarahana tao amin’ny tetik’asa Ambatovy no anton’izany fidinana an-dalam-be izany. Niainga tao amin’ny kianja mitafo Soavita izany filaharana izany ary nihazo ny biraon’ny tetik’asa Ambatovy, talohan’ny nandalovany manoloana ny biraon’ny Faritra Antsinanana. Manome fe-potoana hatramin’ny 5 novambra ireo mpitokona mba handraisana

31/10/2012

Samihafa

Nanao hetsika indray ireo mpianatry ny Oniversité any barikadimy Toamasina ny alatsinainy alina teo. Ankoatry ny fanehoana ny tsy fahafaliana manoloana ny didim-pitsarana izay nampidirana ireo naman’izy ireo miisa 5 any an-tranomaizina mandritra ny 12 volana, dia isan’ny votoatin’ny hetsika ihany koa ny fitakiana ny fandihavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra sy ny fampitaovana azy ireo. Marihina fa hatramin’izay nanombohan’ny taom-pianarana dia mbola tsy nisy nahazo vatsim-pianarana ireo mpianatra eny amin’ny anbaratonga ambony.

31/10/2012

Samihafa

Nitondra fanitsiana mikasika ny filazana an-gazety ny momba ny fifandraisan’ny hetsika « Tsisy miala aketo niany » sy ny filohan’ny antoko MTS Roland Ratsiraka i Rakotomalala Henri (Riri Be).

31/10/2012

Samihafa

Nikatona avokoa ny biraon’ireo mpandraharaha ara-teknika sy ara-pitantanana ary ny trano famakiam-boky teny amin’ny sampam-pianarana EES DEGS eny Ankatso omaly. Nisy sora-baventy naneho ny tsy fahafalian’izy ireo ihany koa teny an-toerana ankoatry ny fampidinana ambany ny sainam-pirenena manoloana ny biraon’ny fandraharahana ao amin’izany sampam-pianarana izany.

03/11/2012

Samihafa

Nanaitra ny mpanao gazety nandritra ny fandalovana teny amin'ny borigadin'i Betongolo ny sarin'ireo olona karohan'ny mpitandro filaminana mirantiranty eny amin'ny tabilao. Ao ireo mbola tena tanora,ireo milaza azy ho mpaminany sy afaka manamboatra vintana,ny vehivavy ary misy mihintsy aza mpivady. ireo sary ireo no tazana teo amin'ny tabilao,azon'ny rehetra jerena tetsy amin'ny Tanà Ville.

03/11/2012

Samihafa

Mbola tsy fantatra hatreto na hanajanona ny fihetsiketsehana ataon’ireo mpiasa tarihan’ny vondrona “tsisy miala aketo niany” ny fisian’ny fihaonana teo amin’ireto farany sy ny délegasiona avy amin’ny Tetikasa Ambatovy notarihan’ny tale jeneraly lefitra, Kevin Muller, ary ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Faritra Antsinanana notarihan’ny filohany Alain Mahavimbina. Nandritra izany fihaonana izany no nitondran’ny tale jeneraly lefitry ny teteikasa Ambatovy fanazavana mikasika ny fitakian’ireo mpiasa lany fifanarahana tao amin’ny orin’asa. Nampanantena ny hanara-maso ny fomba fampidirana mpiasa ao amin’ireo orin’asa manana fifanarahana amin’Ambatovy ihany koa ity tompon’andraikitra ity.

03/11/2012

Samihafa

Hametraka fitoriana eny an’ivon’ny Fitsarana ny fididiana ny Oniversité eto Antananarivo manoloana ny fihetsik’ireo mpitandro ny filaminana izay niditra ny faritry ny Onivesité nandritra ny hetsiky ny mpianatra tamin’ny herinandro lasa teo. Ny filohan’ny Oniversté, Andriatsimahavandy Abel no nilaza izany, teny Ankoatso nandritra iny hetsiky ny mpianatra iny.

05/11/2012

Samihafa

Naharay fiantsoana azy ireo ho tonga eny amin’ny biraon’ny fiadidiana ny tetezamita eny Ambohitsirotra ny filohan’ireo fikambanana pedagojika eny amin’ny Anjerimanontolo eny Ankatso. Androany maraina no handraisana azy ireo eny an-toerana araka ity fiantsoana ity. Mbola voatana eny am-ponja kosa ireo naman’izy ireo miisa fito ary hatolotra ny fitsarana anio tolak’andro kosa ny efatra hafa, raha efa nanome baiko ny hamahana faran’izay haingana ity olana ity ny filohan’ny tetezamita. Mbola tsy azo vinavinaina hatreto izay tena ho votoatin’ny fihaonana eo amin’ny fiadidiana ny

05/11/2012

Samihafa

Velom-panontaniana manoloana ny zava-misy any Atsimo ny mpanara-baovao, indrindra taorian’ny nanomezan’ny Fampanoavana tao Betroka fahafahana vonjy maika ireo dahalo miisa 16 ny datin’ny 29 oktobra 2012. 22 no natolotra ny Fitsarana taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana ; 6 monja no notànana am-ponja ka isan’izany ny zanaky Remana roalahy sy ny vadiny, delege roa ary ben’ny tanàna iray. Nahazo fahafahana vonjy maika kosa i Remana, araka ny vaovao azo. Efa niteraka resabe ny momba azy ity satria toa hoe jeneraly ao anivon’ny zandarimaria mihitsy no nisakana ny fisamborana azy. Notanterahana ihany anefa izany fisamborana izany saingy novotsoran’ny mpitandro filaminana tamin’ny andro alina.

06/11/2012

Samihafa

Tsy nahazo rariny ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-rég, manoloana ny raharaha fitokonan’ny mpianatra teny Ankatso sy ny fisamborana ireo izay voalaza fa nitarika korontana nandritra izany fihetsiketsehana izany. Sady nanaiky ny hanefa ny vatsim-pianaran’izy ireo ny fididiana ny tetezamita, ary nanaiky ihany koa ny hanafaka ireo mpianatra nosamborin’ny Emmo-rég sy naiditra vonjimaika tany am-ponja.Manao ranolava tato anatin’ny andro vitsivitsy ny fanehoan’ny fitondram-panjakana

06/11/2012

Samihafa

Miisa 5 ireo takelaka mpandray herin’aratra avy amin’ny masoandro na « panneau solaire » izay nisy nangalatra tany amin’ny tananan’i Mahaboboka ao amin’ny distrikan’i Sakaraha. Tamin’ny 13 aogositra no nisy nangalatra ireo fitaovana ireo. Tany amin’ny ben’ny tanana amerin’asa no nandehanan’ny ahiahin’ny maro raha vao nitranga izany fahaverezan’ireo fitaovana ireo izany. Saingy rehefa nakarina teo anatrehan’ny fitsarana tao Toliara ny raharaha, ary rehefa nanao fanadihadiana lalina ny fitsarana dia fantatra ihany ny nangalatra izany, izay niaky ny heloka vitany. Tsy iza izany fa ny zanaka lahin’ny sefo fokontany tao Mahaboboka ihany. Nohelion’ny fitsarana higadra 5 taona an-tranomaizina sazy tsy mihantra ity farany noho izany halatra izany.

07/11/2012

Samihafa

Nitrangana hay trano tao amin’ny fonenan’ny zandary tao amin’ny fokontany Salazamay any Toamasina. Ny trano mifanila amin’ny Magro teo aloha izay lasa Hopitaly manara-penitra amin’izao fotoana izao ity main’ny afo ity. Tokony ho tamin’ny valo ora maraina no nanombohan’izany afo izany. Araka ny fanazavan’ny zandary iray isan’ireo monina ao amin’ity toby ity dia ny firehetan’ny herinaratra tao amin’ny tokatranon’ny fianankaviana iray tao amin’izany toby izany no nahatinga ny firehetana izay nitatra tamin’ny trano hafa izay nifanila taminy.

07/11/2012

Samihafa

Manao ranolava indray amin’izao fotoana izao ny fahatongavan’ireo mpividy sy mpitrandraka vatosoa, vahiny sy teratany Malagasy any amin’iny distrikan’i Mampikony iny. Faritra maro ao anatin’izany distrika izany amin’izao fotoana izao no ahitana toeram-pitrandrahana vatosoa sy volamena. Tsy manana taratasy ahafahany manao izany fitrandrahana izany anefa ny ankamaroan’ireo mpitrandraka. Manjaka arak’izany ny gaboraraka. Etsy an-danin’izany, velon-taraina ihany koa ny ankamaroan’ny mponina nohon’ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny fanararaotana amin’ny endriny maro ataon’ireo vahiny.

07/11/2012

Samihafa

Tsy nanadino ny datin’ny 6 novambra izay fahatsiarovana ny namaizan’ny Rova eny Manjakamiadana tamin’ny taona 1995 ny fikambanan’ny Ampanjaka sy ny Zanak’Andriana eto Madagasikara. 17 taona omaly, arak’izany ny nahamay an’ity Rova etsy Manjakamiadana ity. Iray amin’ireo nasongadin’izy ireo nandritra ny fanamarihana izay natao teny amin’ny Rova ny filazana fa efa nisy ny olona voatondro ho ati-doha nikotrika an’iny fandorana ny rova iny ary efa nisy ny fanadihadiana natao taminy. Mampalahelo anefa, hoy ny fanambaran’ireto Ampanjaka sy Zanak’Andriana ireto

08/11/2012

Samihafa

Manao ranolava amin’izao fotoana izao ireo fihaonana etsy sy eroa amin’ireo izay mahatsiaro tena fa manana andraikitra amin’ny fitadiavam-vahaolana manoloana izao fahavoazana tsy hita noanoa nitondran’ny Tetezamita ny firenena izao. Isan’ny nanaitra ny maro tamin’ireny fihaonana ireny ny fihaonana izay nandraisan’ny manamboninahitra anjara, toy izay nitranga teny amin’ny trano fonenan’ny filoha teo aloha Albert Zafy. Fihaonana izay ahafahana milaza fa efa manomboka sahy miseho sehatra tsikelikely ireo miaramila tsy mankasitraka intsony izao fitondrana tetezamita izao.

08/11/2012

Samihafa

Tsy misy mpaka intsony ny fako ao an-tampon-tananan’i Toamasina, indrindra ny any amin’ny faritr’ireo tsena toa an’i Bazary kely, Bazary Be, ny Bazary Valpinson Ambolomadinika, ny Bazary Dépot ary ny Bazary Ankiriry izay efa andro maromaro izao no tsy nisy mpandroaka ny fako ao aminy. Vokany: miavovona manaka-danitra ny haavon’ny fako amin’ireo toerana manodidina ny fanariam-pako amin’ireo tsena izao. Miparitaka arak’izany ny loto sy ny fofona maimbo eny amin’ireny faritra ireny. Mazava loatra fa ahina di ahiana ny hiparitahan’ny valan’aretina izay entin’ny loto, indrindra amin’izao vanim-potoana mahabe ny orana sy ny voankazo izao.

09/11/2012

Samihafa

Na dia amin’ny 18 novambra aza vao misokatra ny taom-piotazana ny vokatra lechits, araka ny namaritan’ireo vondron’ny mpandraharaha eo amin’ny lalam-pamokarana ity dia efa nanomboka nioty izany ireo mpamokatra any Toamasina tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Arakan y fanazavana ara-teknika dia ny fisian’ny orambe izay nirotsaka nandritra ny andro vitsivitsy tamin’ny fiandohan’ity volana ity no nahamasaka aloha ny sasany tamin’ireo letchis. Efa nioty ireo atao hoe ‘primeurs’ arak’izany ny mpandraharaha any Toamasina. Ny talala teo dia efa nisy sahady

09/11/2012

Samihafa

Niakatra tao an-tampon-tananan’i Toamasina mihintsy ireo solon-tenan’ny ben’ny tanana rehetra avy any amin’ny distrikan’i Mahanoro sy ireo solon-tenan’ny mpandraharaha any amin’izany distrika izany, naneho ny fitarainan’izy ireo manoloana ny ramatahora mahazo azy ireo. Nambaran’ireo olom-boafidy ireto fa teren’ny lehiben’ny distrika any an-toerana hikarakara alim-pandihizana avokoa ny ben’ny tanana manerana ny distrika iadidiany. Mandoha vola eny amin’ny distrika anefa ireo izay manaiky hanao izany. Mahazo fandrahonana kosa izay mandà.

09/11/2012

Samihafa

Niverina tamin’ny laoniny omaly atoandro ihany ny fitsinjarana solika tamin’ireo toby mpantsinjara teto Antananarivo raha nisy fihatoana izany ny maraina tontolo. Araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny toby fitahirizan-tsolika teny Ankorondrano dia nikatona nandritra ny tapakandro ity toby ity nohon’ny falanian’ny fazoan-dalan’izy ireo hanao izany asa izany.

09/11/2012

Samihafa

Naneho ny ahiahiny ary niantso ny fitondram-panjakana mba hikaro-bahaolana haingana manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara ny APB (Association des professionels des banques).

09/11/2012

Samihafa

Saron’ny polisy avy ao amin’ny Brigade Criminelle 6 (BC 6), ny alarobia omaly 7 novambra lasa teo i Rafalimanana Nirina Jean Dominique na i Faly izay mpivarotra vola sandoka. Amidiny 3000 ariary ny vola sandoka 10 000 ariary. Manahy ny efa fiparitahan’ity vola sandoka ity any amin’ny faritra samihafa manerana ny nosy ny mpitandro filaminana satria ireo mpandeha eny amin’ny Fasan’ny karana no kinendrin’ity mpivarotra vola sandoka ity.Mirongatra ny hosoka eto amintsika. Lelavola sandoka 10 000 ariary miisa 230, izany hoe

09/11/2012

Samihafa

Tontosaina eny amin’ny faritry ny Forello amin’izao fotoana izao ny hetsika “Salon de l’habitat”, andiany faha efatra. Tranoeva miisa 200 no ampirantian’ireo mpandraharaha mpandray anjara amin’ity hetsika ity ny vokatr’izy ireo.

09/11/2012

Samihafa

Mitombo ny tsy fanarahan-dalana eto amin’ny tananan’Antananarivo, hoy ny nambaran’ny tompon’nandrikitry ny polisy Kominaly, omaly nandritra ny famoahana ireo polisy kominaly miisa 95 vao nahavita ny fihofanany.

09/11/2012

Samihafa

Sokatra miisa 34 no tra-tehaky ny mpitandro filaminana, nandritra ny fisafoana amin’ny alina nataon’izy ireo tamin'ny alatsinainy 5 novambra teo, tao amin’ny seranandaka Mahavatsy II.

09/11/2012

Samihafa

Loharanom-baovao avy amina olon-tsotra no nahafantaran’ny mpitandro filaminana avy ao Sakaraha ny fisian’ireo entana mampiahiahy tao amin’ny tranon’ny olona iray tao amin’ny fokontany Andabomionga. Rehefa natao ny fisavana izany trano izany sy ny fanadihadiana ilay tompon-trano dia fantatra fa entana azony tamin’ny fanafihana fiarakodia mandalo amin’iny lalam-pirenena faha 7 iny no nangoniny tao amin’izany trano izany. Ankoatra an’ity olona izay efa voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Zandarmariam-pirenena ao Sakaraha ity dia efa karohina ihany koa amin’izao fotoana izao ireo mpiray tsikombakomba taminy.

09/11/2012

Samihafa

Tsy hitan’ny Ray aman-dreniny ity zazakely vao dimy taona monja raha iny izy nilalao toy ny mahazatra iny, tamin’ny alahady lasa teo tany Sakaraha. Vetivety foana anefa dia nandeha izany resaka izany ka nifanampy tamin’ny fitadiavana azy ny manodidiana. Tamin’izany no nahafantarana fa tovolahy 18 taona no naka azy teny an-tokotany ary nitondra azy tany amin’ny efitra iray.

19/11/2012

Samihafa

Nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fandraofana ireo fako miavosa tao amin’ny tsenan’i Bazarikely any Toamasina ny tetik’asa Ambatovy. Ny sabotsy teo no nanatontosana izany ary isan’ny nalàna ihany koa ny fako tao amin’ny Bazary be ary ny tao amin’ny tsenan’Ambolomadinika. Nambaran’Ambatovy fa “tafiditra amin’ny fanaovana an’i Toamasina ho tanana madio, sy tanana salama, ary tanana mandroso lavitry ny loto” izao hetsika ataon’izy ireo izao. Fiara vaventy 04 sy “tractopelle” iray no indray nampiasaina nanao ny “operation” fanadiovana ny tanana. Nambaran’ny tompon’andraikitra tao amin’ny tetik’asa Ambatovy ihany koa fa hitohy ao anatin’ny telo volana ary in-droa isan-kerinandro ny fanalana ny fako ao amin’ireo tsena ireo.

19/11/2012

Samihafa

Napetraka tamin’ny fomba ôfisialy tamin’ny faran’ny herinandro teo ny filohan’ny « Comité ad hoc spécial » vaovao izay notendren’ny ministeran’ny Varotra hitantana ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria (CCIT) any Toamasina. Tsy iza izany i Mbola Rajonah izay voatendry nohon’ny didim-panjakana laharana 2011 – 433 ny 02 aogositra 2011.

19/11/2012

Samihafa

Naneho ny fahavononany handray anjara amin’ny fifidianana rehetra karakaraina eto Madagasikara ny antoko Aina International, izay tarihan’i Jean Felin Ngordo. Nambaran’ity farany anefa fa miankina amin’ny fanampahan-kevitry ny mpikambana tsy an-kanavaka ao anatin’izany antoko izany ny hanendrena izay ho kandida hatolotr’izy ireo.

23/11/2012

Samihafa

Tsy misy voadio ny ankamaroan’ny tatatra fanarian-drano maloto amin’ny toerana maro eny amin’ireo faritra iva eto an-drenivohitra ary saika tototry ny fako avokoa ny ankamaroan’izy ireo amin’izao fotoana izao. Isan’ny ahitana an’izany ny ao amin’ny fokontany Andranomanalina, izay tsy nahavita nanarama olona nanadio ny tatatra tao aminy intsony, raha tokony ho diovina in-droa isam-bolana izany raha tiana ny tsy hampirongatra ny voalavo. « Mampiahiahy anay fatratra ny firongatry ny voalavo ato amin’ny fokontaninay amin’izao fotoana izao ».

23/11/2012

Samihafa

Nahitam-bokany ny fampiasana ny bokim-bahiny tany amin’iny distrikan’i Sakaraha iny. Tovolahy iray no fantatra fa voasambotry ny fokonolona Antanimbaribe Mahasoa any amin’izany distrika izany nohon’ny fampiharana ity fomba fiasa ity.

23/11/2012

Samihafa

Manao ny fivoriana fanaony isan-taona kosa amin’izao fotoana izao ny FFKM foibe. Fotoam-pivavahana izay natao omaly tao amin’ny Fiangonana Loterana ao Ambolokandrina no nanombohana izany fivoriana fanao isan-taona izany. Eny amin’ny FTMTK Ambohipo kosa no hanatanterahana ny fivoriana rehetra.

24/11/2012

Samihafa

Mampiaka-peo amin’izao fotoana izao ireo tantsaha mpiompy tantely any amin’ny faritra Antsinanana. Araka ny fahitan’izy ireo dia tsy marina ny filazana fa ny fiparitahan’ilay karazan’aretina atao hoe “Varroa” no mandripaka ny rennin-tantely any amin’izany faritra izany. Hatramin’ny nisian’ny tetik’asa Ambatovy, sy ireo akora simika ampiasainy amin’ny fitrandrahana sy ny fandefasana ny vokatra azony any amin’izany faritra izany no nambaran’ireto tantsaha ireto fa nahatonga ny fahafatesan’ny reni-tanely. Manaitra ny sain’ny rehetra ary mangataka fanadihadiana manoloana izany fahavoazana ateraky ny tetik’asa Ambatovy izany ny fikambanamben’ny mpiompy tantely any amin’ny faritra Antsinanana.

24/11/2012

Samihafa

Tsy ampy iatrehana ny filàn’ny PAM amin’ny fanampiana ny vahoaka lasibatry ny tsy fahampian-tsakafo eto Madagasikara mandritra ny fotoam-pahavaratra ny tahiry hany sisa eo am-pelan-tanany. Nanao antso avo tamin’ireo malala-tanana maneran-tany arak’izany ity sampan-asan’ny Firenena mikambana ity, tamin’ny 20 novambra lasa teo. Raha tsy mahazo fanampiana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny sampan’asan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo na ny PAM eto Madagasikara dia sarotra ho azy ny hiatrika ny asa miandry azy ao anatin’ny fotoam-pahavaratra, indrindra ny fotoanan’ny rivo-doza izay amin’ity taona ity.

24/11/2012

Samihafa

Isan’ireo mpanao politika nanontrona an’i Raharimalala Loiusette tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataony omaly tao amin’ny hotely Colbert ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Nambarany tamin’ny famaliana ny fanontanian’ny mpanao gazety niantefa taminy fa miandry ny firodanan’io fitondrana misy amin’izao fotoana izao io izy ireo? “Samy natanjaka avokoa izay fitondrana nandalo teto Madagasikara saingy samy nirodana avokoa izy ireo”, hoy ny fanamarihana nataon’ny Profesora Zafy Albert.Nambarany ihany koa fa be dia be ny tsy nampiharin-dRajoelina

24/11/2012

Samihafa

Nandritra ny lanonana fanolorana mari-boninahitra ho an’ireo mpiasa nahavita be teo amin’ny asa nosahaniny tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no nanambaran’ny Praiminisitra Lefitra miadidy ny Toe-karena, Botozaza Pierrot fa mila fitoniana ny firenena amin’izao fotoana izao. Isan’ny nomarihan’ny Praiminisitra lefitra ihany koa fa “ny fandrosoan’ny seranan-tsambo dia midika ny fandrosoan’ny toe-karena eto amin’ny firenena”.Mpiasa niisa 124 no notolorana mari-boninahim-pirenena ary mpiasa miisa 34 no nahazony marim-pankasitrahana tamin’ny asa nataony nandritra izany

24/11/2012

Samihafa

Tondroin’ny filohan’ny fikambanana HAFARI (hery sy Andry Fiaraovana an’Antananarivo renivohitra iombonana Malagasy), Rafanomezan-tsoa jean Nirina ho isan’ny anton’ny fitarainana maro any an’ivon’ny faritra maro eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao ny SEIMAD.

29/11/2012

Samihafa

Mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny asa fivarota-tena ataon’ireo ankizivavy mbola tsy ampy taona, raha araka ny fitantaran’ny filohan’ny Fikambanana FTAI (Fikamban’ny tanora Andranomanalina Isotry), Raharimalala Sabine. Lasibatr’izany ny ankamaroan’ireo ankizivavy manodidina ny 13 ka hatramin’ny 17 taona ao amin’ny fokontany misy azy ireo. Mahatratra 25 isan-jaton’ny tovovavy, hoy izy no mirotsaka amin’izany asa fivarotan-tena izany, kanefa matetika dia tsy misy afa-tsy 500 ariary no azony amin’izany. Ny fahantrana izay mianjady amin’ny ankamaroan’ny fianankaviana eny amin’ireny fokontany

29/11/2012

Samihafa

Tanterahina etsy amin’ny amin’ny efitrano malalaky ny Development Learning Center Anosy Antananarivo ny 28 ka hatramin’ny 30 ny volana novambra ny atrik’asa iray izay natao hampafantarana an’ireo mpandraharaha miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ny fametrahana ny fifanakalozana ara-barotra ahafahan’ny varotra sy ny vola miasa mifamoivoy malalaka. Ny Sekreteran’ny COMESA miaraka amin’ny Ministeran’ny Varotra no mikarakara izany atrik’asa izany.

29/11/2012

Samihafa

Niroso tamin’ny fanatanterahana ny famerenana izay heverina fa nitranga (reconstitution) mikasika ny fakana an-keriny mpiasan’ny Jirama Toamasina izay nataona jiolahy nitondra basy « Kalachnikov », ka nentina an-keriny nangalatra ny volan’ny orinasa Ar.54 tapitrisa tao anaty « coffre », ny mpitandro filaminana, omaly. Nasiana nandray anjara tamin’izany avokoa ireo mpiasan’ny Jirama izay ahiana ho voakasik’ity raharaha ity.

30/11/2012

Samihafa

Raha efa miandry ny fotoam-pitsarana azy eny Antanimora ny tangalamena Zakariasy Patrick dia tsy mbola niatrika ny fakàna am-bavany azy kosa ny filohan’ny fiarovana eo anivon’ny CST, Alain Ramaroson. Mbola ao anatin’ny fotoam-pivoriana tokoa mantsy ireo mambra ao amin’ny Filan-kevitra ambonin’ny Tetezamita, antony iray tsy nirosoan’ny mpitandro filaminana tamin’ny fisamborana an’i Alain Ramaroson, raha ny vaovao azo. Ny mpisolovava ny filohan’ny antoko Masters moa no tonga teny amin’ny “section de recherche crminelle” etsy Fiadanana nampahafantatra tamin’ny mpitandro filaminana ny tsy fahafahan’ny olona izay harovany. Na mazava aza ny fanambaran’ny HCC ny amin’ny tsy fananan’ny mambra ao anatin’ireo andriam-panjakana roa ny antsoina hoe “immunité parlementaire” dia manana ny fomba fiasany manokana kosa ny CST, indrindra amin’izao fotoam-pivoriana izay hifarana amin’ny faha-6 desambra 2012.

30/11/2012

Samihafa

Voasambotra nohon’ny velam-pandrika nataon’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny FOP (Force d’Intervention de la Police) tany Toamasina ireo mpanendaka ny mpandalo tratra hariva tany amin’ny làlana mandalo ny bazary Valpinson Toamasina. Telolahy izy ireo no voasambotra ka miaramila amperin’asa ny iray. Antsy sy fitaovana misy herin’aratra no entin’izy ireo mandrahona ireo olona lasibatry ny fanendahana ataony. Ela nanaovan-dratsy ka tratra ihany. Maro amin’ireo mponina tsotra na mpiasa na koa mpitari-posy tratra hariva ka voatery mandalo amin’ny faritra manodidina ny Valpinson Toamasina ireo nitaraina nohon’ny fisian’ny olon-dratsy izay manendaka eo amin’izany faritra izany.

30/11/2012

Samihafa

Hatsangana tsy ho ela ny vaomiera manokana hisahana ny fanadihadiana ny raharaha any Atsimo. Ny vondrona iraisam-pirenena moa no nangataka ity vaomiera ity mba ahafahana mamantatra ny tena marina ny ao ambadiky ny « opération Tandroka ». Araka izany dia ny vondrona iraisam-pirenena mihintsy, tarihin’ny firenena mikambana no ho mpikambana ao anatin’ny vaomiera. Raha araka ny nambaran’i Radanoara Julien, mpahay ny lalàna iraisam-pirenena , dia hisy ny fidinanan ifotony ataon’ny mpikambana ao anatin’ny vaomiera. Fa hanangona ihany koa ity farany ny vaovao rehetra mahakasika ny « opération Tandroka » eny anivon’ireo sehatra samihafa voakasik’ity iraka fampandrian-tany ity.

30/11/2012

Samihafa

Vola, finday ary zava-pisotro mahamamo. Ireo no nalain’ireo jiolahy nanafika fivarotana roa tao amin’ny fokontanin’Ambodin’Isotry omaly alina. Tonga ara-potoana kosa ireo mpitandro filaminana avy amin’ny polisim-pirenena izay nifandona tamin’ireo jiolahy ary nahasambotra ny iray tamin’izy ireo.

30/11/2012

Samihafa

Taorian’ny tranga mahakasika ny tsy fitoviam-pijery sy ny hevitra nanoloana ny fampiakarana ny saran-dalana ho efa-jato ariary, dia mbola mitohy hatrany ny disadisa eo amin’ny mpitatitra mivondrona ao amin’ny UCTU sy ny UCTS.

30/11/2012

Samihafa

Olona sendra hitondra tena ny maraina no nahita fatin’olona roa tao ambany tetezana tao Ankazomanga, omaly.

30/11/2012

Samihafa

Nidina ny sandan’ny ariary raha oharina amin’ny Euro. 2900 ariary ny euro iray amin’izao fotoana izao raha 2800 ariary izany andro vitsivitsy lasa izay. Ny famaroan’ireo mpividy entana any ivelany izay mampiasa vola vahiny maro amin’izao fotoana mialoha ny fetin’ny krisimasy sy ny faran’ny taona izao no voalaza fa antony mahatonga ity fitotongan’ny ariary ity.

01/12/2012

Samihafa

Ahiana hiteraka korontana indray ny fandravana trano fonenana izay kasain’ny fitondrana tetezamitaa amin’ny alalan’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany hatao. Ireo trano manamorona ny lalam-pirenena faha 7 etsy Ankadimbahoaka hatrao Ampasika. Araka ny loharanom-baovao dia mahatratra 50 ny isan’ny trano harodana. Ireo trano manamorona ny arabe no vokasik’izany fanampahan-kevitra izany. Efa tamin’ny 22 aogositra no voalaza fa nahazo fampandrenesana tamin’ny fanjakana momba ny tsy maintsy handrodanana ny tranon’izy ireo ny mponina amin’izany faritra izany.

01/12/2012

Samihafa

Nampaka-peo ireo injenera mpikambana ao amin’ny « Syndicat des ingénieurs Agronomes de Madagascar » izay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny Tranombokim-pirenena, omaly. Toherin’izy ireo tamin’ny alalan’ny fanambarana izay navoakany ny fanagadrana ny injeniera naman’izy ireo izay sahy namoaka ny marina mikasika ny fandrobana ny harem-pirenena. Tohanan’izy ireo kosa ny fitakiana ataon’ny injenetan’ny Rano sy ny Ala izay mitaky ny hametrahana minisitra vaovao ao amin’ity ministera ity. Nandrahona ny hanetsika ny mpiasam-panjakana ambony tsy an-kanavaka izy ireo raha tsy mamaly ny fitakiana ataony ny fitondram-panjakana.

01/12/2012

Samihafa

NItrangana fanafihana indray tany amin’ny distrikan’i Betafo tamin’ny 28 novambre lasa teo. Araka ny loharanom-baovao dia dahalo miisa 30 eo ho eo ka vehivavy ny roa no nanafika tao amin’ny tananan’i Efasy ao amin’ny kaomina Efasy distrikan’i Befotaka tamin’io andro io ary nitondra fitaovam-piadiana maherivaika izy ireo tamin’izany.

01/12/2012

Samihafa

Miantso ny rehetra hanao ezaka manokana mba hanavotana ireo renim-pianankaviana sy ny zaza mitondra ny otrik’aretina SIDA ny UNICEF, tamin’ny alalan’ny fanambarana izay nataony ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena amin’ny ady atao amin’ny SIDA. Nambaran’izany fanambarana izany fa nihena ny isan’ny olona voan’ity otrik’aretina ity teto Madagasikara nohon’ny ezaka natao manandrify izany. Mbola mila ezaka goavana anefa isika mba ahatongavana amin’ny famongorana tanteraka ny SIDA

03/12/2012

Samihafa

Tsy mitsaha mitombo isa ireo vehivavy mametraka fitarainana honon’ny vono na herisetra izay nataon’ny vadiny. Mifaningotra amin’ny fahantrana sy ny rafim-pisainana eto amintsika ity tranga ity raha araka ny fanazavan’i Razafindravao Lydia, tompon’andraikitra momba ny asa sy ny herisetra am-panambadiana ao anivon’ny ENDA OI etsy Andohatapenaka Iray amin’ireo trangam-piaraha-monina izay miha-mahazo vahana eto amintsika amin’izao fotoana izao ny herisetra am-panambadiana. Raha ny atontan’isa mahakasika ny fitarainana voaray ao tetikasa ENDA OI etsy Andohatapenaka no jerena dia tsapa fa tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo

03/12/2012

Samihafa

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona efatra ny lapihazo natsangana teo afovoan’arabe ny andro mialoha ary nokasaina hanatanterahana ny lanonana ôfisialy fitokanana ny TVPlus tany Toliara. Olona efatra avy amina fianankaviana iray no indray namoy ny ainy vokatr’izany lozam-pifamoivoizana izany, mbola tsaboina eny amin’ny hôpitaly nohonny ratra nahazo azy kosa ny olona iray mbola isan’ny mpandeha tamin’ilay fiarakodia niharan-doza. Notokanana tao anatin’ny ranomason’ireo fianankaviana nidiram-pahoriana ny TVPlus tany Toliara.

03/12/2012

Samihafa

Voaporofo indray zao fa manao izay danin’ny kibony tokoa ny manamboninahitry ny tafika amin’izao fotoana izao eo amin’ny fampiasana ny fitaovam-panjakana. Voaporofo ihany koa fa gaboraraka tanteraka ny fampiasana ireo fitaovana natao hanompoana ny firenena araka ny maha izy azy ny Tafika.

03/12/2012

Samihafa

Tsy tery lalana tokoa ny mpanao politika amin’ny fisarihana ny sain’ny vahoaka, indrindra amin’izao an-katoky ny fifidianana hatao eto amin’ny firenena izao. An-koatry ny hetsika eny anivon’ny fiaraha-monina eny dia isan’ny kianja ilalaovan’izy ireo amin’izao fotoana izao ny eny an’ivon’ny fiangonana, indrindra raha misy ireny fankalazana na hetsika manokana ataon’ny mpivavaka ireny.

04/12/2012

Samihafa

Manahy mafy ny amin’ny mety hiverenan’ny fitokonan’ny mpampianatra mpanabe, indrindra ny Sempama ny mpanara-baovao maro amin’izao fotoana izao. Araka ny fantatra dia manomboka tsy faly indray amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ireo mpampianatra nohon’ny fahafantarana fa tsy tanteraka araka ny tokony ho izy hatreto ny fampanantenana nataon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, indrindra izay voalazan’ny minisitra nandritra ny lanonam-panokafana tamin’ny fomba ôfisialy ny taom-pianarana. Iray amin’ireny ny famerenana ny karaman’ireo izay tapaka karama. « Efa mandinika ny fanampahan-kevitra ho raisinay izahay amin’izao fotoana izao”,

04/12/2012

Samihafa

Mitaky ny handraisana andraikitra manoloana ny fibodoan’ny orinasa TOZZI GREEN ny velaran-tany midadasika ao amin’ny faritr’i Ihorombe ny vahoaka any an-toerana. Mitondra faisana nohon’ny fisian’ity orin’asa ity ny andavan’andron’ny mponina sy ny asa fiveloman’izy ireo ary ny fomba amam-panao nentim-paharazana any amin’izany faritra izany. Tsy araka ny vaovao aparitaka mikasika ny faneken’ny vahoaka sy ny fazoan’izy ireo tombon-tsoa amin’ny fisian’ny orin’asa mamboly Jatropha any amin’izany faritra izany ny fitarain’ireo mponina maro any Ihorombe.

04/12/2012

Samihafa

“NIjapy train”. Io no namaritan’ny maro ny fihetsika nataon’ny filohan’ny antoko MTS izay nanatrika ny lanonana nokarakarain’ny antoko TGV tany Toamasina tamin’ny faran’ny herinandro teo. Akory tokoa ny hagagan’ireo nanatrika ity fety nokarakarain’ny mpandrindra ny distrika Toamasina I ny Tanora malaGasy Vonona (TGV) tao amin’ny Soavita ny sabotsy alina teo ity, izay nanasan’izy ireo ny mpanan-kanto Wawa, raha nahita fa niaka-tsehatra nikabary I Roland Ratsiraka filoha nasionalin’ny MTS sady filoha lefitry ny filan-kevitra ambonin’ny tetezamita (CST). Gaga ny mpikaraka izay sady tsy nanasa azy fa nividy karatra fidirana manokana tahaka ny rehetra ny tenany, nefa sahy nikabary politika tao anatin’ity lanonana nokarakarain’ny Tgv Toamasina I ity.

04/12/2012

Samihafa

Dila ihany ny fe-potoana 72 ora kanefa toa tsy mbola tafapetraka ny fitoriana nokasain’ny vondrona Ravalomanana Marc. « Tsy mbola afaka manome valinteny aho satria tsy mbola manana vaovao marim-pototra momba izany », hoy ny ministry ny Fiompiana, Ihanta Randriamandranto. Ity ministry ny Fiompiana ity moa no anisan’ny nivantanan’ny fanankianana avy amin’ny mpitandro filaminana, manodidina ny “opération” Tandroka tany Atsimo. Fanalam-baraka sy fanelezana vaovao tsy marina no nisokajian’ny vondrona Ravalomanana Marc ny valan-dresaka an-gazety nataon’ireo manamboninahitra tamin’izany.

04/12/2012

Samihafa

Nandritra ny herinandro lasa teo no nanatanterahana ny fizarana ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany rehetra tao anatin’ny faritra Antsinanana. Ny lehiben’ny Faritra Alain Mahavimbina mihintsy no niteti ireo distrika mandraitra ity Faritra ity ka nizara izany tambin-karama izany izay mbola ny efa-bolana, dia ny volana janoary ka hatramin’ny avrily 2012 ihany aloha no nomena raha enimbolana no nampanantenaina. Nahatratra Ar.184.320.000 ny vola nozaraina tamin’ireo filoham-pokontany tao anatin’ireo kaomina tao amin’ny distrika fito any amin’ny Faritra Antsinanana.

07/12/2012

Samihafa

Nandriaka tahaka ireny zava-nitranga tamin’ny 7 febroary 2009 ireny ny rà teny Ankadindramamy omaly. Olona 13 no indray namoy ny ainy; 21 hafa kosa naratra mafy ankoatra ny fahasimban-javatra mitentina an-tapitrisany maro. Razana hotohoto sy potipotika no sisa novantanina taorian’ilay lozam-piarakodia. Tapaka “frein” ilay kamiao Mercedes nitondra vary, nidina tamin’iny fidinambe mampitohy an’i Mahazo sy Ankadindramamy iny. Avy hatrany dia nivantana tany amin’ireo mpiantsena, toeram-pivarotana nanamorona ny arabe, nialohan’ny nivadihany teo afovoan’ny arabe. Mazava ho azy fa tomponandraikitra amin’izao loza nahafatesana olona maro be izao ny tompon’ilay kamiao sy ny mpamily; tsy afa-miala ihany koa nefa ny ministeran’ny Asa Vaventy sy ny CUA. Marihina fa tsy vao iny omaly iny akory no nitranga loza mahatsiravina tahaka izao teo amin’io toerana io kanefa tsy nisy fandraisana andraikitry ny Fanjakana.

07/12/2012

Samihafa

Notanterahina nandritra ny fivorian’ny Filankevitra avon’ny tetezamita omaly ny fifidianana izay ho Filohan’ny Vaomiera misahana ny Fotodrafitrasa sy ny Asa Vaventy hisolo toerana an’i RAZAFIMBELO Alain izay voatendry misahana andraikitra hafa.

08/12/2012

Samihafa

Mbola resabe teto amintsika hatramin’izao ny mikasika ilay lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona 14 sy nandratrana olona 20 mahery tetsy Ankadindramamy ny Alakamisy lasa teo. Isan’ny andehanan’ny sain’ny maro amin’izany ny mikasika ny andraikitry ny isan’isany avy manoloana iny zava-nitranga iny sy ny fanonerana tokony ho azon’ny fianankavian’ny niharam-boina nohon’ny fahavoazana niditra taminy. Momba ity farany ity dia mahatratra hatramin’ny 400 tapitrisa ariary isaky ny fianankaviana niharam-boina no tokony alohan’ny trano fiantohana, raha araka ny nambaran’ny mpahay làlana iray nanontaniana.

08/12/2012

Samihafa

Loharanom-baovao azo antoka no nahafantarana fa hay mpanefoefo, teratany Malagasy ihany no nividy ary nahazo ilay fiaramanidin’ny Filoham-pirenena teo aloha, Force One II. Ity loharanom-baovao ity no nilaza fa fanarian-dia fotsiny ihany no nanelezana ny vaovao izay nilaza fa tompona trano filokana any Etazonia no nividy an’ity Fiaramanidina ity. Tsy nisy rahateo ny fanazavana ôfisialy avy amin’ny fitondram-panjakana mikasika an’izay famarotana ny Force One II izay.Mbola miandry fatratra ny fanazavana ôfisialy mikasika ny niafaran’ilay fiaramanidina nanenjehana an-dRavalomanana ny mpanara-baovao maro amin’izao fotoana izao. Ny hany fantatra mikasika azy hatramin’izao dia ny falasanany any ivelany taorian’ny filazana fa hamidy izany fiaramanidina izany.

08/12/2012

Samihafa

Nahafahan’ny rehetra nahatsapa ny fisian’ny loza mitatao ho an’ny rehetra amin’ny fampiasana ny làlana tsy amin’izay nanaovana azy ny zava-nitranga tetsy Ankadindramamy ka nahafatesan’olona tamin’ny alakamisy teo. Tsy vitsy anefa ny mahita fa ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo mihintsy no mandrisika ny fampiasana ireny làlana ireny ho lasa tsena, amin’ny fakana haba amin’ireo mpivarotra eny amin’ireny toerana ireny, kanefa tsy misy fandraisan’andraikitra amin’ny fiarovana azy ireny akory. Fiatsarambelatsihy ihany ny fahitan’ny maro ny fahatongavan’ireo manam-pahefana izay tonga namangy an’ireo izay niharam-boina noho ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Ankadindramamy ny alakamisy lasa teo.

08/12/2012

Samihafa

Hatreto dia mbola tsy manaiky ny tolo-kevitra naroson’ny ministeran’ny Fitsarana manoloana ny fitakiana nataon’izy ireo ny sendikan’ny mpiraki-draharaha eto Madagasikara. Noho izany dia nanambara ny hanohy hatrany ny fitakiana efa natombok’izy ireo ny greffiers manerana ny Nosy. Tsy midika ho faresena arak’izany ny fanampahan-kevitr’izy ireo hanao “service minimum” manomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao. Nambaran’ny filohan’izany fikambanana izany vao maika hanamafy ny fitakiana aza izy ireo, taorian’izay roa herinandro nanaovana fihetsiketsehana izay.

10/12/2012

Samihafa

Notànan’ny mpitandro filaminana any Toamasina efa nanomboka ny zoma lasa teo ny pôlisy telolahy avy ao amin’ny “brigade criminelle” Anosy. Namita iraka tany an-drenivohitry Betsimisaraka araka ny vaovao azo no anton-dian’ireto pôlisy ireto ary toa hoe manana “ordre de mission”. Teratany karana izany no voalaza fa voakasik’izao fidinanan’ireo pôlisy ireto any izao. Mifamahofaho be ihany anefa ny vaovao manodidina ity raharaha ity. Ao ireo milaza fa nikasa haka an-keriny ilay teratany karana hono ireto pôlisy ireto; ny sasany indray kosa manambara fa nikasa haka vola an-keriny izy ireo. Toa misy mpitsara tafiditra ihany koa anefa araka ny fanampim-baovao azo hatrany; misokatra araka izany ny fanadihadiana.

10/12/2012

Samihafa

Nifarana ny sabotsy 8 desambra 2012 lasa teo ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny SADC tany Dar es Salaam. Nandray fanapahan-kevitra ihany ny SADC efa-taona aty aoriana, rehefa nahatsapa fa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina no tena fototra tsy mampivaha ny krizy eto amintsika. Mazava ny fanambarana nataon’ny SADC izay milaza fa ny tsy filatsahan-kofidian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika faha-IV no vahaolana tsara indrindra hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao. Leo an-dRajoelina sy Ravalomanana ny SADC, izay no azo hamintinana ny fanambarana nivoaka taorian’ilay fivoriambe tsy ara-potoana tany Dar es Salaam.

10/12/2012

Samihafa

Tontosa ny sabotsy lasa teo tetsy amin’ny Espace Jani Soavinimerina ny kongresy nasionalin’ny antoko MAFI (Madagasikara Fivoarana) ka nanamafisan’ireo mpizaika maherin’ny 250 manerana ny Nosy ny maha filohan’ny antokoa ny dokotera Jules Etienne Roland ary indrindra ny filatsahan-kofidiany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny volana may 2013 ho avy izao. Fahaleovantena, firaisan-kina ary fahatomombanana (autonomie, solidarité et excellence) no tarigetra taopaky ny mpizaika tamin’izany. Laharam-pahamehan’ity kandidà avy amin’ny antoko MAFI ity ny ady amin’ny kolikoly izay mahazo vahana tanteraka amin’izao fitondrana tarihin’ny filoha Andry Rajoelina izao. Nasiany tsindrim-peo manokana nandritra ny lahateniny ireo fanambarana nataon’ny Fiombonamben’ny Eveka eto Madagasikara sy ny Transparency International, izay namaky bantsilana tanteraka ny fahalovana misy eto amin’ny firenena.

10/12/2012

Samihafa

Manatenteraka fihaonana goavana eto Antananarivo amin’izao fotoana izao ireo mpitsabo rehetra ao anatin’ny fiangonana Katolika manerana ny Nosy. Omaly, nandritra ny Sorona Masina lehibe izay natao tao amin’ny toby Akamasoa eny Andralanitra no nanombohana an’ity fivoriamben’ny mpitsabo katolika manerana ny Nosy ity.

10/12/2012

Samihafa

Tsy ahitam-bahaolana hatramin’izao ny fijalian’ireo mponina eny amin’ny faritra iva rehefa tonga ny fotoanan’ny rotsak’orana. Mbola hita taratra, taorian’ny filatsahan’ny orana, omaly ny habetsahan’ny rano tamin’ireo faaritra teto an-drenivohitra. Ny fahatsentsenan’ireo tatatra fanarian-drano maro eny amin’ireny faritra ireny no voalaza fa antony mahatonga izay fiakaran’ny rano izany. Niakatra ny hahavon’ny rano teny amin’ny faritra maro, indrindra ireo faritra iva, taorian’ny rotsak’orana omaly tolakandro, teto Antananarivo.

10/12/2012

Samihafa

Mitohy anio indray ny fakàna am-bavany ny tangalamena Zakariasy Patrick, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpisolovava. Ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny roa ora no nikasana hanaovana izany saingy tsy tanteraka ka dia izao navadika androany maraina amin’ny folo ora. Eny am-ponjan’Antanimora no hakàna am-bavany azy araka ny fanampim-baovao ary mbola manodidina ilay ampamoaka nataony nandritra ireo valan-dresaka an-gazety roa tetsy amin’ny Colbert. Efa nandalo famotorana lalina nialohan’ireo talen’ny famoahana ny gazety La Nation sy ny Midi Madagasikara moa ny tenany; tsy fantatra araka izany raha fitoriana vaovao mihitsy izao hakana am-bavany azy izao.

12/12/2012

Samihafa

Tapa-kevitra tanteraka ny tsy hanaraka ny baikon’ity fitondrana Tetezamita ity ve ny Sekoly Katolika ? Izay no fanontaniana teo ambavan’ny mpanara-baovao maro raha nahita fa tsy nanaraka ny baikon’ny fitondran-dRajoelina mikasika ny maha andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ny 11 desambra ny ankamaroan’ireo toeram-pampianarana tantanan’ny Fiangonana Katolika teto andrenivohitra. Nanava-tena ireo Sekoly Katolikamaro teto an-drenivohitra, omaly 11 desambra.

12/12/2012

Samihafa

Tamin’ny fiverenan’ny delegasiona notarihan’ny minisitry ny Mponina, Olga Ramaroson avy namita iraka tany Ambatondrazaka no nahitan’izy ireo fa misy tokoa ny mpanakan-dàlana amin’iny lalam-pirenena faha 44 iny. Sendra izany ny fiarakodia nitondra ny delegasiona notarihan’ny minisitra, raha niala kely ny tananan’Andaingo izy ireo.

12/12/2012

Samihafa

Fiarabe mpitatitra fasimainty sy vatokely izay fampiasan’ny orin’asa Mailand no tra-tehaka nitatitra bolabolana andramena avy any Soanierana Ivongo nihazo an’i Toamasina ny alatsinainy teo. Komisiona manokana nahitana parlemantera avy amin’ny tetezamita no nahatratra ity fiarabe miisa telo nitondra « bois de rose » teny amin’ny lalam-pirenena faha-5 ity. Nambaran’izy ireo fa voaporofo ny fahamarinan’ny fanambarana nataon’ny Tangalamena Zakariasy, ary takiana ny famoahana azy avy anya m-ponja. Mbola misy ary mitohy hatrany, arak’izany ny fitrandrahana antsokosoko an’ity harem-pirenena ity, na dia efa nisy aza ny didim-panjakana mandrara an’izany izay noraisin’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao.

12/12/2012

Samihafa

Anio 12 desambra no mankalaza ny tsingerin-taona faha 63 naterahany ny filohateo aloha Ravalomanana Marc. Ity izay no tsingerin-taona faha-efatra izay nankalazan’ny filoha teo aloha sy ny fianankaviany ny fetiny any an-tsesitany. Tsy diso anjara amin’izany anefa ireo mpomba azy eto an-tanindrazana. Toy ny isan-taona amin’ny datin’ny 12 desambra dia hanatanteraka lanonana manokana ny ankolafy Ravalomanana, araka ny fandaharam-potoana efa nomanin’izy ireo.

13/12/2012

Samihafa

Mihorohoro tanteraka ny mpiasa ary ireo teratany Sinoa tompon’ny orinasa 3MDP (Three Dragons Metallurgical Product) etsy Ambohimanambola tato anatin’ny herinandro mahery kely izao. Misy vadina jeneraly nitàna andraikitra ambony teo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria izany mantsy mampiasa ny anaran’ny vadiny etsy sy eroa, eny hatreny anivon’ny pôlisim-pirenena. Olana teo amin’ireo Sinoa no niandohan’ny raharaha, araka ny tafa nifanaovana tamin’ireo mpiasan’ny 3MDP. Nisy teratany Sinoa iray izany niara-niasa tao teo aloha; nisy anefa ny fifandirana ka dia niala ity farany. Manana sakaiza Malagasy ity teratany Sinoa niala ity izay havan’ny vadin’ilay jeneraly avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena.

13/12/2012

Samihafa

Tapa-kevitra ny hampiakatra amin’ny avoavo kokoa ny fitakiana ataon’izy ireo ny sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja manerana ny Nosy. Araka ny fanambarana nataon’izy ireo, omaly, dia nakaton’izy ireo avokoa, nanomboka tamin’io omaly io, ny fonja manerana ny Nosy. Mifototra amin’ny fanatsarana ny marikaraman’izy ireo ny fitakian’ny mpandraharahan’ny fonja ary nilaza ny tsy hiverina hiasa izy ireo raha tsy mivaha izany olana izany.Tsy hisy ny fampidirana am-ponja vaovao,

13/12/2012

Samihafa

Voaantso teny amin’ny borigadin’ny Zandary teny Betongolo ny filohan’ny Fikambanana Tsara Ambina, RAJOHARISON Félix, talohan’ny nitondràna ny raharaha teny amin’ny mpitsara mpanao famotorana. Ny disadisa eo amin’ny SEIMAD sy ireo mponina efa mampiasa ny tany eny amin’ny 67ha Avaratra Antsinanana izay hanorenan’ity orin’asa ity ny foiben-toerany no anton’izany fampiakarana teny amin’ny manam-pahefana izany. Araka ny fantatra dia ny fandrahonana ho faty an’ireo mpiasan’ny SEIMAD sy ny fandravàna ny trano kely izay noforonina ho an’ny asa eo amin’izany toerana izany no isan’ny niampangana ny filohan’ny fikambanana Tsara Ambina.

13/12/2012

Samihafa

Nanambara ny tsy filatsahan-kofidiany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy izao, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, araka ny taratasy nalefany ho an’ny filoha Tanzaniana, Jakaya Kikwete. Taolam-be ho an’ny mpitondra Tetezamita, indrindra ny filoha Andry Rajoelina iny fanapahan-kevitra noraisin-dRavalomanana iny. Ny tsy filatsahan’ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana moa no heverin’ny SADC sy ny fianakaviambe ho vahaolana tsara indrindra hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy namoizana ain’olona an-jatony maro hatrizay nahazoana ny Fahaleovantena izay. Mihazakazaka noho izany ny toe-draharaham-pirenena.

13/12/2012

Samihafa

Isan’ireo naneho ny heviny manoloana ny fanambaran’ny Filoha teo aloha mikasika ny fanampahan-keviny tsy hilatsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay hatao amin’ny taona ho avy eto Madagasikara ny filohan’ny antoko Mamafisoa, Rajemison Rakotomaharo. Araka ny nambaran’ity mpanao politika ity dia fanampan-kevitra feno fahendrena ary mitodika amin’ny tombontsoam-pirenena iny nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana iny. Mankasitraka an’izany fihetsika izany ny antoko MAMAFISOA, raha araka ny nambaran’i Rajemson Rakotomaharo.

13/12/2012

Samihafa

Manatanteraka fitokonana faobe ihany koa, nanomboka omaly, ireo mpiasan’ny BNGRC manerana ny Nosy. Mitaky ny fanesorana amin’ny toerany ny Sekretera mpanatanteraka ao amin’ity rafitra momba ny fiatrehana ny loza voajanahary ity. Tondroin’izy ireo ho tsy mahafehy ny andraikitra nankinina taminy ny Sekretera mpanatanteraky ny BNGRC ary anton’ny fialan’ny mpiara-miombon’antoka amin’izany rafitra izany ny tenany. Nilaza ny tsy hiverina amin’ny asany ireto mpiasan’ny BNGRC ireto raha tsy miala amin’ny toerany izany tompon’andraikitra izany.

13/12/2012

Samihafa

Tsy misy afa-tsy 2000 taonina eo ho eo sisa ny habetsahan’ny vokatra dipoavatra aondran’i Madagasikara eo amin’ny tsana iraisam-pirenena raha mahatratra 40 000 taonina ny tinady momba ity vokatra ity eo amin’izany tsena izany. Izany hoe tsy misy afa-tsy ny 10%n’ny tinady no azon’i Madagasikara hanomezana fahafaham-po raha ny tsenan’ny dipoavatra no resahana. Ny faratsian’ny kalitaon’ny vokatra izay tsy mitsaha-mitotongana sy ny tsy fisian’ny mpamokatra intsony no voalaza fa anton’izany fiharatsian’ny lalam-barotra dipoavatra izay.

14/12/2012

Samihafa

Natolotra ny Fampanoavana omaly tany Toamasina ireo pôlisy dimy lahy avy ao amin’ny sampan-draharaha miady amin’ny asa fampihorohoroana na ny “brigade anti-terrorisme” etsy Anosy voarohirohy amina fakàna vola an-keriny mitentina 2,5 miliara tamina mpandraharaha iray misahana ny sakafon’ny mpiasan’ny Sherrit Ambatovy (CSI). Notànana am-ponja vonjy maika ao Ambalatavoahangy avokoa izy rehetra araka ny fanampim-baovao azo avy any an-toerana. Voampanga no nitaky vola be tamin’ity mpandraharaha ity ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny « brigade anti-terrorisme » ireto ho tambin’ny famotsoran’izy ireo ity farany. Nihazakaza anefa ny toe-draharaha ka nihafara tamin’ny fanokafana fanadihadiana nitarika izao fitànana am-ponja vonjy maika ireto pôlisy miisa dimy ireto.

14/12/2012

Samihafa

Ny fananganana ny Politikam-pirenen’ny Asam-panjakana no heverin’ny Filankevitry ny Governemanta fa laharam-pahamehana mba ahafahana miroso amin’ny fampiharana izay tapaky ny Filankevim-pirenen’ny Asam-panjakana. Ity rafitra ity izay handraisan’ny manampahaizana samihafa eo amin’ny sehatry ny Asam-panjakana anjara no handrafitra ny volavolana Didim-pitondrana mikasika ny marin-karaman’ny mpiasam-panjakana. Tsy mbola ho amin’ity taona ity no hivoaka ny Didim-pitondrana mamaritra ny mari-karama vaovao izay narosoan’ny Filankevim-pirenen’ny mpiasam-panjakana.

14/12/2012

Samihafa

Ny sabotsy maraina teo no notontosaina ny lanonam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pikabariana 2013 tany Toamasina. Nandray anjara tamin’izany ny fikmbanan’ny mpikabary avy amin’ny faritra hafa manodidina an’i Toamasina toa ny Faritra Alaotra Mangoro sy ny Faritra Analanjorofo. NY FIMPIMA AM.A.A no angady nananana sy vy nahitana izany hetsika lehibe izany ka ny lohahevitra manentana azy ireo amin’ity taona ity dia ny hoe: “Kabary hery sy haren’ny teny Malagasy, kabary antsika jiaby”. Sampama 03 no misy ao Toamasina rah any fikambanan’ny mpikabary no resahina. Isan’izany ny Soa Ambo sy ny Koragna ary ny Mbarakaly izay sampama vao nitsangana ny sabotsy teo ary tarihan’ny filohany Atoa Victorien izay nanao finihanana sy notolorana ny Rado sy ny samboady mariky ny maha-filoha azy.

14/12/2012

Samihafa

Manao antso avo amin’ireo mpanapa-kevitra, miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ny tambajotran’ireo fiarahamonim-pirenena miantsehatra amin’ny fitaizana ireo zaza kamboty na ireo ankizy sahirana manerana ny Nosy. Ny fatapahan’ny famatsiana ara-tsakafo avy amin’ny PAM no anton’izany antso avo izay. Nambaran’ny fanambarana nataon’izy ireo fa zaza maherin’ny 30 000 manerana ny Nosy no tsy hanan-tsakafo ho hanina vokatry ny tsy fisian’ny fanomezana avy amin’ity sampan-draharaha iraisam-pirenena ity, raha toa ka tsy misy ny fandraisan’andraikitra manoloana izany.

14/12/2012

Samihafa

Nankasitrahan’ny Sehatra fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena na ny SEFAFI ny fanampahan-kevitra noraisin’ny filoham-pirenena teo aloha Ravalomanana Marc ny tsy handraisany anjara amin’ny fifidianana amin’ny taona ho avy. Nambaran’izy ireo fa dingana lehibe eo amin’ny fialan’ny firenena amin’ny krizy izay mianjady aminy izany fanampahan-kevitry ny filoha teo aloha izany.

14/12/2012

Samihafa

Efa an-taonany maro izao no nisian’ny halatra taolam-paty, saika manerana ny faritra maro, eto Madagasikara. Isan’ny nalaza indrindra tamin’izany ny tany amin’iny faritra Alaotra Mangoro iny izay saika isan’andro no nandrenesana vaky fasana, indrindra teo anelanelan’ny taona 2004 sy 2006 izay tena nampirongatra izany. Hatramin’izao fotoana izao anefa dia mbola tsy fongana ny halatra taolam-paty, ary misy hatrany ny fasaka vaky sy ny taolan-drazana very.

17/12/2012

Samihafa

Mbola nalaina am-bavany indray ny tangalamena Zakariasy Patrick na dia efa any am-ponja aza satria nametraka fitoriana ny orinasa Mainland Mining, araka ny fanazavana nomen’ny mpisolovava. Adim-pamataranandro vitsy monja taorian’ny fiantsoan’ny mpitandro filaminana azy no nandefasana ity tangalamena ity tany Antanimora. Mitodika amin’ny raharaha Alain Ramaroson kosa ny masom-bahoaka. Efa tapitra tamin’ny faha-6 desambra 2012 lasa teo ny fotoam-pivorian’ny Filan-kevitra ambonin’ny Tetezamita, antony nambara fa tsy nahafahana nanatanteraka izany fakàna am-bavany azy na dia efa mazava aza ny fanambaran’ny HCC mikasika ny tsy fananan’ireo mambra ao amin’ny Parlemanta ny antsoina hoe “immunité parlementaire”. Rahoviana araka izany ny fisamborana ity filohan’ny antoko Masters ity ?

17/12/2012

Samihafa

Notontosaina ny sabotsy faha-15 desambra 2012 teo tetsy amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Holafitry ny Mpisolovava. Lany tamin’ny isam-bato 315 no filohan’izany rafitra izany ny Me Hubert Raharison; nanaraka azy kosa ny Me Razakamanantsoa Gustave izay nahazo isa 241. Miisa fito ireo nanao vato fotsy ary valo kosa ny vato maty. Ny filohan’ny AJAM (association des jeunes avocats de Madagascar) teo aloha araka izany no handimby toerana ny Me Radson Solo izay nisafidy ny tsy handray anjara tamin’ity fifidianana ity. Mitàna anjara toerana goavana eo amin’ny tontolon’ny Fitsarana ny Mpisolovava amin’ny maha Mpiaro azy.

17/12/2012

Samihafa

Nosakanan’ireo mponina mipetraka amin’ny faritra manodidina ny orinasa Filatex eny Ankadimbahoaka ny asa fanamboaran-dàlana kasain’ity orinasa ity hatao tamin’izany toerana izany. Nambaran’ny mponina fa tsy hanaiky ny hanatontosana an’ity asa ity izy ireo raha tsy misy fifanarahana mazava tsara momba ny fijerena ny fiarovana azy ireo indrindra manoloana ny tsy fisian’ny tatatra fanarian-drano eo amin’izany làlana izany.

17/12/2012

Samihafa

Nomarihana ny zoma sy ny sabotsy teo ny antsoina hoe: “FAFIRANOBE” nokarakarain’ny FCRTM na “Fédération Communauté Royal Traditionnel de Madagasikara Zone I Toamasina”. Ho fanadiovana ny “loto” nateraky ny fahotana tao Toamasina no anton’ity hetsika ara-pombandrazana ity.Tamin’ity hetsika ity ihany koa no nifidianana ny “Vavanjaka” izaympitondra tenin’ny FCRTM. Nisy ny famonoana omby mazavaloha teo amin’ny toerana manan-tantara “place Bien Aimée” Ampasimazava ny zoma nanaovana ny fomban-drazana ity nisantarana izany.

17/12/2012

Samihafa

Naneho ny heviny mahakasika ny famolavolana ny lalàna sori-jotra momba ny Fanajariana ny Tany (Loi d’Orientation sur l’Aménagement du Territoire, LOAT) ny Fikambanana miaro ny tany malagasy fantatra amin’ny anarana hoe TANY. Tamin’ny alalanny fanambarana izay navoakan’ity fikambanana ity no nilazany fa ny kaomina no tokony hatao vondrom-paritra mahefa amin’ny famaritana sy fifehezana ny fitantanana ny velaran-tany. Takin’izy ireo arak’izany ny tekony hamindrana ny fahefana sy ny ho enti-manana momba izay fitantanana ny tany izany ho eny an’ivon’ny kaomina. Tokony hantsangana ihany koa ny vaomiera misokatra momba ny fananan-tany, izay hanampan-kevitra momba ny fananan-tany, ny fivarotan-tany ary ny fazoan-dàlana mitrandraka tany sy harena an-kibon’ny tany amin’ny faritra isanisany avy.

17/12/2012

Samihafa

Mpiasa miisa 12 avy ao amin’ny HOLCIM Toamasina no notolorana marim-pankasitrahana ny faran’ny herinandro teo. Ny dimy tamin’izy ireo dia notolorana mari-boninahim-pirenena ary ny fito kosa notolorana marim-pankasitrahana nandritra ny lanonana natao tao amin’ny trano fandraisam-nahiny “le Miramar” Salazamay. Ny telo no notolorana ny “chevalier de l’ordre national Malagasy”, ny roa nahazo ny “chevalier de l’ordre de mérite”, ary ny mpiasa fito kosa nahazo ny medalin’ny asa ka dimy nahazo volafotsy sy roa notolorana ny alimo.

18/12/2012

Samihafa

Namoaka fanambarana ireo tomponandraikitra ambony sy avy amin’ireo sehatra rehetra eny amin’ny Anjerimanontolo. Tamin’izany fanambarana izany no nanehoan’izy ireo ny fitakiana ny mangarahana mahakasika ny teti-bola homena ny Oniversité. Mitaky ny hanaovana laharam-pahamehana ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa amin’ny tetim-pivoaram-pirenena ihany koa izy ireo. Lesoka maro no notanisain’ny fanambarana avy amin’ireo tompon’andrikitra ambony ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo izay namoaka Fanambarana ny 14 desambra lasa teo.

18/12/2012

Samihafa

Hetsika iray entin’ny fikambanam-ben’ny mpiasan’ny Ministeran’ny Varotra namaranana ny fankalazana izay faha-30 taona ny fanomezan-drà maimaim-poana. Tsapa ny fahasahiranan’ireo olona mila rà ka noho izany no nahatonga an’i Ramatoa Ministry ny Varotra Olga Ramalason nanainga mavitrika ny mpiara-miasa aminy mba hanao fanomezana tsara ho an’ny mpiara-belona sahirana amin’ny filàna rà izay tsy dia ampy raha ny eny amin’ny hôpitaly no jerena. Nosokajiny ho adidy goavana tokoa ho an’ny mpiara-belona izany. Omaly alatsinainy, teny amin’ny Ministeran’ny Varotra Ambohidahy no nanatenterahana izany .

18/12/2012

Samihafa

Tanterahinaa any amin’ny distrikan’i Toamasina II ny foara izay nokendrena indrindra mba hampihaonana ny tantsaha sy ireo mpividy ny vokatr’izy ireo. Ny tranomben’ny tantsaha Toamasina II sy ny CITE sampana Toamasina ary ny talen’ny Tontolo ambanivohitra ao amin’ny faritra Atsinanana no tompomarika tamin’ny fikarakarana an’ity hetsika ity. Kaominina 17 mandrafitra ny distrika kosa no nandray anjara tamin’ny alalan’ny fampirantiana ny vokatra nampalaza sy hahafantarana azy avokoa izy rehetra.

19/12/2012

Samihafa

Avy amin’ireo tanana eo ho eo amin’ny 80 km manodidina an’Antananarivo ireo olona folo farany voaporofo fa voan’ny pesta teto amintsika. Mahatratra 250 kosa ireo olona voan’ny pesta nandritra ny taona 2012 ary ny 90 tamin’ireo dia nandritra ny volana oktobra no mankaty no nidiran’ny haretina taminy. Ny fanambarana nataon’ny masoivohon’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Fahasalamana eto Madagasikara no nahafantarana an’ireo rehetra ireo. Tsy mbola namoaka vaovao manandrify izany kosa ny tompon’andrikitry ny Fahasalamam-bahoaka eto amintsika.

19/12/2012

Samihafa

Nanatanteraka hetsika nanentanana ireo mpivarotra sy ny mpanjifa manoloana ny fihanaky ny entana tsy manara-penitra sy mety hiteraka fanapoizinana ara-tsakafo eto amintsika ny tompon’nandrikitra avy ao amin’ny ministeran’ny Varotra, omaly. Tao amin’ny Tranompokonolona Isotry no nanatanterahana izany hetsika izany niaraka tamin’ny ministeran’ny Fahasalamana sy ireo mpiara-miombon’nantoka taminy.

21/12/2012

Samihafa

Niatrika ny fihofanana andiany fahatelo sady farany izay natokana ho azy ireo, ireo zandary ao anatin’ilay vondrona fantatra amin’ny anarana hoe ELI na Equipe légère d’intervention ao amin’ny Groupement an’ny Zandary Faritra Antsinanana. Fanazaran-tena amin’ny fitifirana sy ny fiatrehana jiolahy mitam-piadiana no nanamarika ity fihofanana andiany fahatelo ity. Tao Tanambao Nosibe, Toamasina II no nanatanterahana izany fanazara-tena miendrika fanofanana ireo zandrarin’ny ELI izany. Nambaran’ny nambaran’ny GP2 Ramaroson Onjaniaina mpitondran-tenin’ireo mpampihofana telo mirahalahy izay avy amin’ny MIT (Moniteur d’Intervention Professionnel) eo anivon’ny vondrona GSIS Antananarivo, fa efa afaka mihatrika ny andian-jiolahy sy ny fametrahana filaminana maharitra eto Toamasina ireto andiana zandary nofaninay ireto. Iarahana mahita izao fa efa mitovy fitaovana sy mitovy tetika ary mitovy paik’ady aminay mpitandro ny filaminana ny jiolahy ankehitriny, ka ilaina hatrany ny fanamafisana ny traikefanay mba hisy ny fitokisan’ny mponina amin’ny mpiaro anay ny vahoaka sy ny fananany ary tena ho an’ny tanindrazana.

21/12/2012

Samihafa

Nazahoam-baovao ihany koa ny miakasika ny fitohizan’ny fanadihadiana manodidina ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny banky BOA Mahanoro izay nahaverezana vola 750 tapitrisa ariary. Araka ny loharanom-baovao izay manaraka akaiky an’ity raharaha ity dia miaramila 2e classe izay mbola am-perin’asa ao amin’ny distrikan’i Mahanoro sy polisy izay tsy mbola fantatra hatramin’izao na miasa ao Mahanoro na any an-toeran-kafa, no nanamora ny asa ratsin’ireo jiolahy tamin’ny famakiana ity banky Boa tao Mahanoro ity.

21/12/2012

Samihafa

Efa nivoaka amin’izao fotoana izao ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2013. NY fiadidiana ny Tetezamita, mazava loatra, no namoaka izany lalana izany taorian’ny fandaniana izany teny amin’ny Kongresin’ny Tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita.

21/12/2012

Samihafa

Ny fanambaran’ny minisitry ny Fitsarana nandritra ny famaliana ny fanontanian’ny mpanao gazety omaly no nahafantarana fa efa nanomboka ny asany amin’izao fotoana izao ny vaomiera manokana momba ny famotsoran-keloka eto amintsika.

21/12/2012

Samihafa

Tafakatra 70% amin’izao fotoana izao ny tahan’ny tsy fananan’asa eto Madagasikara, raha araka ny atontan’isa navoakan’ny Instat. Mitombo arak’izany ny isan’ny tsy manana asa eto amintsika.

21/12/2012

Samihafa

Etsy amin’ny lapan’ny tanana Analakely. Boky vaovao mahatratra 17000 no voalaza fa azo jerena ao amin’izany tranom-boky vaovao izany. Hisokatra ho an’ny rehetra ny tranomboky saingy hahazo tombon-dahany kosa ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony noho ny fifandrifian’ny boky misy ao amin’ity tranomboky ity amin’ny fianarana rantovin’izy ireo.

21/12/2012

Samihafa

Andrasan’ny mpanara-baovao maro amin’izao fotoana izao izay hambaran’ny finjakana amerikanina manoloana ny fanampahan-kevitry ny SADC ny handresy lahatra ny filoha teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita tsy hilatsaka amin’ny fifidiana filoham-pirenena. Tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara no nanambara fa hatreto dia mbola tsy niova tamin’ny hevitra izay efa nambarany ny fitondrana amerikanina mikasika ny raharaha Madagasikara. Tsy inona izany fa ny fanohanan’ity firenena ity ny famelàna malalaka izay te-hilatsaka ho fidina amin’ny fifidianana filoham-pirenena, sy ny tsy fankatoavana ny fakana fahefana ivelan’ny rafitra demokratika. Mbola io arak’izany ny hevitry ny fitondrana amerikanina na dia eo aza ny fahitan’ny SADC fa tsy tokony hilatsaka amin’ny fifidianana ny filoha teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita.

21/12/2012

Samihafa

Mirongatra izay tsy izy ny asan-jiolahy sy ny fanafihana tokatrano ao an-tampon-tanan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao. Isan’ny lasibatr’izany tsy fandriam-pahalemana izany ny mpanolontsain’ny tanana, Rollantine, izay nisy nanafika tao an-tokatranony tao Tanambao, omaly alina tokony ho tamin’ny folo ora tany ho any. Araka ny fitantarany dia olona roalahy no namaky ny varavarany ary niditra tao an-tranony tamin’io fotoana io.

21/12/2012

Samihafa

Nanomboka omaly ny fizarana ny tambikaraman’ireo sefo fokontany sy ny lefiny any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Tamin’io omaly io dia efa nahazo ny azy ireo sefo fokontany sy ireo lefitry ny sefo fokontany tao amin’ireo fokontany ao an-tampontananan’Ambatondrazaka. Tao amin’ny biraon’ny Faritra Alaotra Mangoro no nanatontosana ny fizarana izany tambokaraman’ny sefo fokontany izany.

22/12/2012

Samihafa

Tokony hitondra fanazavana amin’ny niavian’ny vola nahafahana nanangana an’ireo fotodrafitrasa izay notokanana tato ho ato ny fitondrana tetezamita, hoy ny praiminisitra lehiben’ny Governemanta, omaly. Nokianiny ihany koa ny fanomezan’ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon’ny tany eto amintsika vola hanaovan’ny Tetezamita fotodrafitrasa eto Antananarivo kanefa tsy manao n’inoninona manandrify ny vahoaka any amin’ny faritra iasany izany orin’asa izany. Nanao jery todika mikasika izay herintaona nitantanany ny governemantan’ny Fampiraisam-pirenena ny praiminisitra Omer Beriziky.

22/12/2012

Samihafa

Niroso tamin’ny fanesorana an’ireo fiarakodia mbola niantsona teo amin’ilay tokotany ifanolanany amin’ny Fikambanana Tsara Ambina ny Seimad, omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Ny Vaditany niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-reg no nanatontosa ny fanesorana an’ireo fiara teo amin’ity toerana ao amin’ny 67 Ha ity omaly. Tsy afa-nanao n’inon’inona arak’izany ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana Tsara Ambina izay mpifanandrina amin’ny Seimad amin’ity raharaha ity. Nambaran’ny filohan’izany fikambanana izany, Rajoaharison Felix fa tsy nisy na dia fifanantonana aza teo amin’izy ireo sy ny Seimad tamin’ny fanatanterahana an’ity fanesorana azy ireo tamin’ny tany ity.

22/12/2012

Samihafa

Nandritra ny hetsika fanomezana ho an’ny mponina sahirana tetsy amin’ny ESCA Antanimena omaly no nanambaran’ny Filohan’ny Kongresin’ny tetezamita ny heviny mikasika ny fivoaran’ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Nambarany fa tsy mbola mieritreritra ny amin’izay mety hasolo ny toeran’ny filoha teo aloha Ravalomanana amin’ny filatsahana ho fidina filoham-pirenena izy ireo amin’izao fotoana izao. Nambarany ihany koa fa tsy hilatsaka ho fidina filoham-pirenena ny tenany. “Ny famerenana ny filoha teo aloha eto an-tanindrazana no mahamaika anay amin’izao fotoana izao”, hoy ny fanambaran’i Mamy Rakotoarivelo. Namafisiny ihany koa fa tsy mitombina ny fisian’ny didy fampisamborana ny filoha teo aloha satria sady tribonaly tsy mahefa no nitsara azy no mbola didy tsy raikitra no misy amin’izao fotoana izao.

22/12/2012

Samihafa

Vola tsy latsaky ny 20 tapitrisa Ia isan’andro no lany nandritra ny fivahinianan’ny Filohan’ny Tetezamita tany Lafratsa, tamin’izao diany farany izao. Tao amin’ny tranom-bahiny fanta-daza amin’ny maha avo lenta azy no nipetraka ny Filohan’ny tetezamita. Eo ho eo amin’ny 18 tapitrisa Ia isan’andro no hofan’ny efitra iray ao amin’izany trano fandrisam-bahiny izany. Mbola tsy tafiditra amin’izany ny sakafo sy ny fandaniana hafa.

26/12/2012

Samihafa

Polisy roa no naratra mafy, ary saika potika avokoa ny trano sy ireo atontan-taratasy tao amin’ny Commissariat de Police tao Mananjary ny Alatsinainy lasa teo. Fitakiana hamalifaty nataona andiana fokonolona izay nitaky izany nohon’ny fahafatesan’ny havan’izy ireo no nahatonga ny fanapotehana ity biraom-panjakana ity. Maty taorian’ny ratra nahazo azy rehefa nifandona tamina tovolahy iray hafa kosa ny havan’ireto nanafika ireto. Miha-mahazo vahana ary tsy mitsaha-mipoitra etsy sy eroa ny tsy fankatoavana ny fahefam-panjakana. Iray amin’izany ny raharaha nitranga ny alatsinainy teo, tany amin’ny renivohitr’i Vatovavy ity.

26/12/2012

Samihafa

Mbola ety am-pihandohan’ny fotoam-pahavaratra isika amin’izao fotoana izao. Raha ny zava-misy eto Antananarivo renivohitra anefa no jerena dia efa maro sahady amin’izao fotoana izao ny fahasimbana nateraky ny rotsak’orana, indrindra tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Ireo fotodrafitrasa no tena tandindomin-doza manoloana izany rotsak’orana izany. Isan’ny manaporofo izany ny fahasimban’ny ankamaroan’ny làlana eto an-tampontananan’Antananarivo sy ny manodidina. Mbola tsy simba kanefa tandindomim-pahasimbana kosa ny làlana sasany eto an-toerana, toy ny etsy amin’ny faritra fivarotam-bonikazo teo aloha, manamorona ny farihin’Anosy, manoloana ny cercle Franco-Malagasy Anosy. Ny rotsak’orana nandritra ny fankalazana ny Noely no nahatonga ny fikaon’ny rano ny ampahany lehibe amin’izany faritra izany izay atahorana fatratra ny hitarany any amin’ny lalan’ny fiarakodia raha tsy misy ny fanamboarana maika.

26/12/2012

Samihafa

Niakatra ny fanjifana solika teto an-drenivohitra ny mialoha sy nandritra ny fetin’ny Noely.teo ho eo amin’ny 20% izany fiakaran’ny fanjifana izany. Izay no fanamarihana avy amina mpitsinjara solika iray teto an-toerana. Araka ny nambaran’ity mpandraharaha ity dia voatery nampiakatra ny habetsahan’ny solika nalaina teny amin’ny foibe famatsiana solika izy ireo mialoha ny niatrehana izany nohon’ny fanafantarana fa mitombo be ny fanjifana izany vokatra izany.

26/12/2012

Samihafa

Tsy tahaka ny tamin’ny taona hafa kosa ny tsenan’ny vorona, araka ny nambaran’ireo mpivarotra izany. Vitsy dia vitsy hoy izy ireo ny mpividy gisa sy vorontsiloza izay nitentina hatramin’ny iray hetsy ariary nandritra iny fety iny.

27/12/2012

Samihafa

Androany no hihaona amin’ireo filoham-piangonana ao amin’ny FFKM ny mpikambana ao amin’ny SEFIP. Mazava loatra fa manodidina ny firosoana amin’ny asa fanelanelanana izay efa nambaran’izy ireo fa hatao manomboka izao no ho votoatin’izany fihaonana izany. Araka ny loharanom-baovao dia misy jeneraly am-perinasa maromaro efa nanantona ny FFKM ary nandroso hevitra sy nankato an’izao fandraisan’izy ireo andraikitra izao. Mitaky ny hisian’ny fifanarahana politika vaova, ary ny fampijanonana ny Tondrozotra ihany koa ny an-kamaroan’ireo antoko na vondrona handray anjara amin’ity fanelanelanan’ny FFKM ity

27/12/2012

Samihafa

Mikaikaika avokoa ny mpampiasa ny arabe noho ny fahasimban’ny lalana. Antony iray goavana mampisy ny fitohanan’ny fifampivoizana izay maharitra adim-pamataranandro maro ny fisian’ireo lavaka be. Hatramin’ny 2 ora maraina ny fitohanan’ny fifamoivoizana teny Itaosy ny alakamisy 20 desambra lasa teo noho ny lavaka teny Andranonahoatra; hatramin’ny 12 alina kosa ny teny Ambohitrarahaba sy Analamahitsy iny. Mihazakazaka aoka izany ny fahasimban’ny fiara ankoatra ny loza haterak’ireo lavaka takon’ny ranon’orana. Tapitra potika ny lalana manerana ny renivohitra sy ny manodidina azy; aiza ny Fanjakana eo anatrehan’izany? Tsy afaka hilaza ho tsy manam-bola mantsy ny fitondrana; ireo mpanao rugby aza homena vola isam-bolana ankoatra ireo fotodrafitrasa maro be toa ny kianjan’Antsonjombe, Andohatapenaka ary ireo hôpàitaly manara-penitra miampy ny 10 miliara nomena ny sefom-pokontany.

27/12/2012

Samihafa

Ireo tanàna madinika tsy lavitra ny renivohitry ny Faritra Atsimo andrefana indray amin’izao fotoana izao no lasibatry ny halatr’omby. Mifanohitra amin’izay nitranga hatrizay kosa ny habetsahan’ny omby angalarin’ireo dahalo, satria raha ireo omby am-bala no tena lasibatra hatramin’izay dia ireo omby vitsivitsy mifatotra, na ireo ombin-tsarety indray no kendren’izy ireo amin’izao fotoana izao. Tokatrano maromaro ary no very omby ny faran’ny herinandro teo tany amin’ny fokontany Belemboka sy Androvakely any Toliara.

27/12/2012

Samihafa

“Fakana vola tamina tera-tany vahiny manam-bady Malagasy”, sy “fanaovana teny tsy voahevitra tamin’ireo mpiraki-draharaha sy ny mpitsara nisahana ny raharaha” ireo no nanenjehan’ny fitsarana tao Toamasina ity kaomiserana polisy miasa eto Antananarivo sy ny polisy iray niaraka taminy ary ireto olona 03 hafa nifandray tendro tamin’ny raharaha sy nahatonga ny olana. Nivoaka ny didim-pitsara ny zoma teo izay nanaovana ny fitsarana azy ireo tao anatin’ny fitsarana ady maikan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ka 30 volana an-tranomazina sazy mihatra sy lamandy 20 tapitrisa ariary no sazy azon’ireto polisy sy ireo olona roa hafa, afaka madiodio kosa ny mpamily ny fiara nentin’izy ireo avy eto Antananarivo nanao ny zavatra natao tao Toamasina.

27/12/2012

Samihafa

Dahalo iray no maty ary mpandeha miisa 5 no naratra mafy. Izay no vokatry ny finafihan’ny dahalo ny fiarakodia mpitatitra olona iray ny tolakandron’ny 25 desambra lasa teo. Saika hihazo an’Ihosy ity fiarakodia ity no sendra izao fanafihana izao.

28/12/2012

Samihafa

Omaly no voalaza fa halevina ilay mpampianatra izay maty vokatry ny ady teo aminy sy ilay “attaché parlementaire” tamin’ny herinandro lasa teo. Nandeha ihany koa ny resaka tao Mananjary fa mbola hanao fihetsiketsehana mitaky ny fanolorana an’ilay nahafaty an’ilay mpampianatra ny fokonolona any an-toerana ka isan’izany ny ben’ny tanàna. Mbola tsy nijanona teo arak’izany ity raharaha nahafatesana olona tany Mananjary ity, ary ny fidiran’ny ben’ny tànana amin’izany raharaha izany dia nahatonga ny maro hilaza fa lasa resaka politika indray ity raharaha ity amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa ny 20 desambra lasa teo no nitrangan’ity raharaha ity raha raikitra ny ady teo amin’ilay mpampianatra sy ilay attaché parlementaire.

28/12/2012

Samihafa

Mampametram-panontaniana ny mpanara-baovao maro ny momba ilay hetsika nataon’ny mpiasan’ny orinansa Madarail miaraka amin’ny mpilalao baolina lavalava avy amin’ny Cheminos izay nitaky ny hamerenana amin’ity orin’asa ity ny fitantanana ny kianja Malacam. Inona marina no tena ao ambadik’ity raharaha ity, hoy ny fanontanian’ny maro. Iaraha-mahalala, ary mbola naverin’ireo miasa nandritra ny hetsika nataon’izy ireo fa tena tompon’ity kianja ity tokoa ny orinasa Madarail. Koa raha tapitra ve ny fifanarahana teo aminy sy ny Fiadidiana ny tananan’Antananarivo, mikasika ny fampiasana izany kianja izany, moa ve tsy tokony hiverina moramora fotsiny amin’izany orin’asa izany ny fitantanana? Inona indray no ilàna fihetsiketsehana ataon’ny mpiasa mba hanerena ny Kaomina hiala amin’izany fitantanana izany? Sa mbola misy trosa na zavatra mampifamatotra ny roa tonta ka tsy ahafahan’ny orinasa Madarail maka ny fananany amin’ny fomba tsotra?

28/12/2012

Samihafa

Nitrangana fanafihana mitam-piadina ihany koa tany amin’ny distrikan’ny Maevatanana ao amin’ny Faritra Betsiboka ny 24 deasambra lasa teo. Ny maraina tokony ho tamin’ny sivy, izany hoe amin’ny fotoana handehanan’ny olona miantsena mihintsy no hanatanterahan’ireo jiolahy ny fanafihana ataony. Fantatra aray tamin’io andro io, araka ny vaovao avy amin’ny zandarmariam-pirenena fa jiolahy 3 lahy mitondra basim-borona iray no manakana ireo mpiantsena mandalo teo amin’ny lalana manelanelana ny fokontan’Antsatrana sy ny fokontanin’Antsakoamamy.

28/12/2012

Samihafa

Omaly no nozaraina ny tambikaraman’ireo sefo fokontany sy ny lefiny ao amin’ny distrikan’i Toamasina I sy Toamasina II. Tambikarama nandritra ny 8 volana no nozaraina tamin’io omaly io. Miisa 164 ireo sefo fokontany sy lefitry ny sefo fokontany nozaraina izany tambikarama izany ho an’ny distrikan’i Toamasina II. Miisa 138 kosa ny tao amin’ny distrika Toamasina I Vola 240.000 ariary isaky ny sefo fokontany no nomena azy ireo. Izany hoe nahazo 30.000 ariary isan’isany avy isam-bolanaizy ireo. Vola 120.000 ariary kosa no nomena ny lefitry ny sefo fokontany tsirairay avy.

28/12/2012

Samihafa

Misoaka andraikitra ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, ary tsy mahasahana ny andrikitra tokony ataony, raha ny filazan’ny minisitra teo aloha Elysée Ratsiraka sy ny mpanolontsaina avo Maharanty Jean de Dieu, izay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao Gazety omaly. Mitaky ny fametram-pialan’ny Praiminisitra Omer beriziky arak’izany ireto mpanao politika ireto.Marihina fa ny fanankian’ny Praiminisitra ny Filohan’ny tetezamita no tena tsy lanin’ny vavonin’ireto mpanao politika ireto. Lasibatry ny fanakianana mivaivay avy amin’ireo olon’ny Filohan’ny tetezamita amin’izao fotoana izao ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, indrindra hatramin’ny nilazany ny heviny miksika ny tokony hisian’ny mangarahara mikasika ny fiavian’ny vola nampiasan’ny fitondrana tetezamita tamin’ny fananganana ireo foto-drafitrasa notokanana tato ho ato ireo.

28/12/2012

Samihafa

Tsy ny aty an-drenivohitra ihany fa tafapaka hatrany ambanivohitra rehetra any amin’izao fotoana izao ny fanafihana mitam-piadiana sy ny fandrobana fananan’olona ataon’ny jiolahy. Nahitana izany tranga izany ihany koa tany amin’ny kaomina ambanivohitra Ankiririoka any amin’ny distrikan’Ambalavao. Tokatrano iray no notafihan’ny andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana maherivaika ny alin’ny 24 desambra lasa teo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola mitentina 10 tapitrisa ariary. Marihina fa isan’ireo manan-katao ao amin’ity tanana ity ilay fianankaviana voatafika satria sady manana fivarotana enta-majinika no manana fiara mpanao fitaterana.

29/12/2012

Samihafa

Tondroin’ny Fikambanana VAMI (Vahoaka Miray) ho kajikajy politika hitadiavana izay hampandamoka ny firosoana amin’ny fifidianana ny tsy fanambaran-dRajoelina ny fanampahan-keviny manoloana izany fifidianana izany. Midika ho kajikajy hanitarana indray ny Tetezamita ihany koa izao fihetsiky ny Filohan’ny Tetezamita izao, araka ny fahitan’ny Filoha lefitry ny VAMI. Mitaky ny fanatanterahana fihaonana eo amin’ireo manam-panahy rehetra, sy ny tsy hamelana an-dRajoelina handray anjara amin’izany dinika izany izay ahafahana mamaha tanteraka an’ity krizy ity arak’izany ny fikambanana VAMI.Tsy vonona ny hanala an’i Madagasikara amin’izao krizy lalina manjo azy ireo ny Filohan’ny Tetezamita, raha araka ny fahitan’ny Filoha Lefitry ny fikambanana VAMI,

29/12/2012

Samihafa

Araka ny loharanom-baovao voaray dia tsy eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Io loharanom-baovao io no nilaza fa ny Alarobia teo, izany hoe taorian’ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra nampiakarana grady ireo jeneraly miisa 31 dia lasa nanainga nihazo ny Nosy Maurice ny Filohan’ny tetezamita. Hatreto dia tsy fantatra mazava tsar any tena anton-diany any amin’ity firenena ity. Tsy nisy rahateo ny fampitam-baovao ofisialy mikasika izany diany izany. Na izany na tsy izany, mampametram-panontaniana ny mpanara-baovao hatrany ny tsy fisian’izany fampitam-baovao mazava mikasika ny dian’ny filohan’ny tetezamita any Maurice izay, indrindra manoloana ny fiandrasana ny fanambarana hataony mahakasika ny firotsahany na tsy amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny volana marsa ho avy io.

29/12/2012

Samihafa

Mitaky ny hananganana komisiona parlemantera hanao fanadihadiana manokana mikasika ny firongatry ny vaky fasana sy ny halatra taolam-paty eto Madagasikara ireo Parlemantera avy any amin’ny Distrikan’I Besalampy.

29/12/2012

Samihafa

Velon-taraina ny ankamaroan’ny mponina ao Toamasina amin’izao fotoana izao nohon’ny firongatry ny hala-botry sy ny vaky trano. Na andro na alina dia saika handrenesana tranga mifandraika amin’izany hatrany eny an’ivon’ny fokontany isan’isany avy. Tsy mifidy izay angalarina ihany koa ireo mpangalatra, raha araka ny loharanom-baovao. Isan’ny lasibatra amin’izany ny akoho amam-borona, ny zava-maneno sy fanamafisam-peo, ny fahitalavitra sy solosaina, vy sy simenitra.

29/12/2012

Samihafa

Raha mbola tsy nahitam-bahaolana hatramin’izao ny raharaha nahafatesan’ilay surveillant général tao antampon-tananan’i Mananjary dia fantatra ihany koa amin’izao fotoana izao fa nitrangana savorovoro izay naharatrana olona telo be izao, ka ny roa voatifitry ny basin’ny zandary tany Vohilava, mbola any amin’iny faritra iny ihany. Nandritra ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto Perle Noire tao amin’ity tanana ity no nitrangan’ny savorovoro, araka ny loharanom-baovao.

29/12/2012

Samihafa

Velon-taraina ny ankamaroan’ny mponina ao Toamasina amin’izao fotoana izao nohon’ny firongatry ny hala-botry sy ny vaky trano. Na andro na alina dia saika handrenesana tranga mifandraika amin’izany hatrany eny an’ivon’ny fokontany isan’isany avy. Tsy mifidy izay angalarina ihany koa ireo mpangalatra, raha araka ny loharanom-baovao.

02/01/2013

Samihafa

Raha fidirana mivantana an-telefaonina avy any Afrika Atsimo no nahazatra ny filoha teo aloha raha te-hitafa amin’ny ankolafiny ny tenany dia hafatra an-taratasy kosa no novakiana teny amin’ny Magro Behoririka ny Asabotsy teo. Hafatra izany miantso ny vahoaka Malagasy mba tsy hitebiteby sy hanana fitokisana. Toy izao ny ampahany tamin’izany hafatra izany: “Manantena aho fa salama tsara daholo isika aty. Noho ny fitahian’Andriamanitra dia mamerina ny fiarahabana antsika tratry ny krismasy izahay mianakavy amin’izao hafatra izao. Aza manahy na dia kely akory aza fa momba antsika Andriamanitra. Mino aho fa mafy tsy misy maharava ny fifampitokisana. Na dia tsy miteny aza aho dia mazava aminareo ny heviny. Izaho koa aty dia mahatoky tanteraka anareo.

02/01/2013

Samihafa

Tany amin’iny faritr’i Fianarantsoa iny no nandrenesana nandritra ny famelabelaran-kevitra nataona filohan’Antoko politika iray izay milaza ny hirotsaka ho fidina amin’ny fifidianana Filoham-pirenena fa ny tenany no tohanan-dRavalomanana amin’izany fifidianana izany. Nambarany tamin’zany ihany koa fa ny hampody an-dRavalomanana eto Madagasikara no nifanekeny tamin’ny filoha teo aloha.

02/01/2013

Samihafa

Nizara omby isaky ny boriboritany mba nanaovana fety tahaka ny Malagasy rehetra manerana ny nosy, ny faritra atsinanana tamin’ny alalan’Atoa Mahavimbina Alain. “Nofon-kena mitam-piavanana” no loha-hevitra izao fanampiana izao, izay nilazan’Atoa Alain Mahavimbina fa “atolotra ireto omby ireto noho ny asaramanitra sy iatrehan’ny vahoaka sahirana isaky ny boriborin-tany rehetra ny fety sambatra sy finaritra ary mba tsy ho diso anjara amin’ny fihatrahana ny fety”. Ireo delegen’ny boriboritany 05 sy ny filoham-pokontany ao aminy avy ihany no mijery ireo mahantra sy ny tsy mahantra eo anivon’ny fokontany, ary arakaraka ny is any isan’ny omby natolotra.

02/01/2013

Samihafa

“Taona tena mafy ho an’ny faritra atsinanana iny taona nivalona iny amin’ny ankapobeny. Vao niandoha mantsy ny taona dia efa ny faritra mena tamin’ny tsy filaminana noho ny firongatry ny fanafihana mitam-basy mahery vaika sy ny fakana an-kery nifanesy ny teto Toamasina tampon-tanana”, izay no nambaran’Atoa Alain Mahavimbina raha nitafa tamin’ny mpanao gazety sy nilaza ny fizotry ny tona 2012 nivalona iny ny tenany, tao amin’ny birao fiasany araben’ny fahaleovan-tena. Nomarihany anefa fa “nisy ny ezaka napetraka niarahan’ny mpitandro ny filaminana mitambatra sy ny faritra, dia niarahantsika nahita avy hatrany ny vokany, tamin’ny fahasamborana ireo jiolahy sy nahafaty ny sasany ary nahatrarana ireo basy mahery vaika sasany fampiasan’izy ireny”.

03/01/2013

Samihafa

Mihasarotra ny raharaha eto Madagasikara noho ny antony ara-politika izay tsy ahitam-baholana nandritra ny telo taona angarangidina. Ny fahatrana dia mieli-patrana manerana ny tokatrano malagasy. Miha-maro ireo tsy an’asa noho ny fihenan’ny fampiasam-bola eto amin’ny firenena. Mihamafy ny fiainana eto Madagascar ka manginy fotsiny ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana. Ny fanjakana etsy an-daniny dia tsy mahavita manome vahaolana mitombona sy maharitra entina hanenana ny fahatram-bahoaka efa mampiaiky volana ny rehetra. Vitsy, mba tsy ialazana hoe tsy misy, ny famoronana asa ataon’ny fanjakana. Ireo toe-javatra ireo dia mahavery fanahy mbola velona ny malagasy maro an’isa.

03/01/2013

Samihafa

Namono olona indray ny pesta tany amin’ny distrikan’Andramasina. Araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny Zandarmaria nasionaly dia olona roa avy amina fianankaviana iray tany amin’ny fokontany atao hoe Ankorona no maty rehefa voan’ity karazan’aretina ity. Olona telo kosa no voamarina fa nitondra izany haretina izany ary nampidirina hôpitaly. Nisy ny fidinan’ny “Inspecteur” avy amin’ny Fahasalamana any an-toerana sy ny mpitandro filaminana avy amin’ny Zandarmaria nasionaly tany amin’io fokontany io nizaha imaso ny fisian”izay haretina izay. Nisy arak’izany ny fepetra noraisina mba ho fiarovana ny mponina.

03/01/2013

Samihafa

Velon-tebiteby amin’izao fotoana izao ireo mpandraharaha indrindra ireo mpivarotra amin’ireo tanana manamorona ny lalam-pirenena faha 12 iny. Ny fisiana andian’olona izay tsy fantam-piaviana kanefa nanao fanadihadiana mikasika ny asan’izy ireo sy ny vola miditra aminy no nahatonga azy ireo ho velon-tebiteby. Naha-velon’ahiahy ireo mpandraharaha any amin’ny Faritra Vatovavy-Fitovinagny ny fahafantarana fa nisy andian’olona avy any Fianarantsoa nanontany teny amin’ny mponina tamin’ireo tanana nolalovany ny mombamomba ireo mpandraharaha na mpivarotra manao izany asa izany amin’ny toerana manamorona ny làlam-pirenena faha 12. Tamin’ny faramparan’ny volana desambra lasa teo no nitrangan’izany . Lehilahy avokoa izy ireo ary fiara mpitatitra olona no nitondra azy.

03/01/2013

Samihafa

Toy ny fanaony dia niditra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina nandritra ny fihaonana tao amin’ny Magro Behoririka ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc, omaly. Ankoatry ny fiarahabana tratry ny taona ho an’ny vahoaka Malagasy, indrindra ny ankolafy Ravalomanana izay nivory tamin’io fotoana io, dia isan’ny nasongadin-dRavalomanana tamin’izany ihany koa ny fahitany ny toe-draharaha ara-politika amin’izao fotoana izao. Nankahery ireo mpomba azy ny tenany ary nilaza fa tsy maintsy hatao ny famerenana an’i Madagsikara amin’ny ara-dàlana. Manana finoana, manana fanantenana fa tsy maintsy ho avy ilay fotoana ahafantsika mihaona, hoy ny antso nataony. Tsy ho ela dia ho avy i Dada.

03/01/2013

Samihafa

Ny marainan’ny talata 12 desambra no hitan’ny tompon-tranony fa maty tao an-tranony ny tovovavy iray vao 19 taona, nonina teny amin’ny fokontany Antsahamamy. Nahitana dian’antsy teo amin’ny tenda sy ny tratran’ilay razana ka izay no nilazana avy hatrany fa nisy namono ity tovovavy ity. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana avy amin’ny Polisim-pirenena no nahafantarana fa ny sipany ihany no namono azy noho ny fahafantaran’ity farany fa nampirafy azy taman’olon-kafa ilay tovovavy. Niaiky izany ilay tovolahy ary efa natolotra ny fitsarana.

04/01/2013

Samihafa

Nanao fihetsiketsehana teo anoloan’ny biraon’ny Fiadidiam-paritry ny Fanabeazam-pirenena na ny DREN Analamanga, omaly ireo mpampianatra Fram mivondrona ao amin’ny fikambanana ANEFA. Fitakiana ny hanefana ny tambikaraman’izy ireo izay efa nampanantenaina talohan’ny fetin’ny Noely no anton’izany hetsika izany. Nilaza ny handray fepetra izy ireo raha toa ka tsy voaray alohan’ny alatsinainy izany tambikarama izany Tandindonin’ny tsy fahatomombanana sahady ny fidiran’ny mpianatra eny an’ivon’ny sekolim-panjakana eto amin’ny DREN Analamanga nohon’ny fisian’ny disadisa eo amin’ireo mpampianatra Fram sy ny tontolon’ny Fanabeazam-pirenena ato anatin’izany farim-piadidiam-pampianarana izany.

04/01/2013

Samihafa

Tsy mitombina hoy ny filazan’ireo mpiasa tao amin’ny Telma M’Vola tao 67ha ny filazana an-gazety fa tao amin’ity toerana ity no nandefasana ilay vola nambara fa tsy voaray ara-potoana tany Analavory Itasy. Arakan y fanazavan’izy ireo dia maro ireo fivarotana izay manana fifanarahana amin’ny orin’asa ary mahazo alalana handray ireo mpanjifa ny M’Vola ary mandefa ny vola any amin’izany handefasana izany.

04/01/2013

Samihafa

Fantatra amin’izao fotoana izao fa efa naverina tanteraka amin’ny orin’asa Madarail ny fitantanana ny kianja Malacam Antanimena. Nanomboka tamin’ny voalohan’ny volana janoary teo izany. Arak’izany dia ity orin’asa sady tompon’ny toerana ity indray izany no mandidy manapaka an’izay hampiasana ny kianja.

04/01/2013

Samihafa

Nilaza ny hevitry ny fikambanana tarihany mikasika ny fanafarana fiara fitateram-bahoaka na “bus” vaovao hampiasaina eto Antananarivo ny filohan’ny VOMZM (Vondron’ny olona miaro ny zon’ny mpanjifa). Tondroin’izy ireo ho antony iray lehibe hiteraka krizy vaovao eto amin’ny tananan’Antananarivo ny fahatongavan’ireo “bus” ireo. Manahy mafy ny hisian’ny fanovana ny lamina efa misy amin’izao fotoana izao, indrindra ny mety hisian’ny fandravana trano ity fikambanana ity “Tsy hitondra vahaolana eo amin’ny fasahiranam-bahoaka va vao maika hampiditra korontana eto amintsika ny fampidiran’ny tetezamita fiara fitateram-bahoaka vaovao eto Antananarivo”.

04/01/2013

Samihafa

Mbola tsy fantatra hatreto ny daty hanatanterahana ny fitsarana ny raharaha izay niampangana ny Tangalamena Zakariasy Patrick, na dia efa nivoaka ny fonja vonjimaika aza ny tenany hatramin’ny omaly. Araka ny fanazavan’ny mpisolovava azy dia nyMaître Razafinjatovo Willy, na Olala, dia miankina tanteraka amin’ny fitsarana mahefa ny fanatanterahana izany. Miankina amin’ny atontan-tarakasin’ady mahakasika ity raharaha ity ihany koa anefa izany, hoy ihany ny fanazavan’ny mpisolovava ny Tangalamena. Na izany na tsy izany dia mitaky ny amin’ny tsy maintsy hanatontosana ny fitsarana ny Tangalamena Zakariasy Patrick ny mpisolovava azy. Tsy vitan’izay ihany koa fa mitaky ny tsy maintsy hisehoan’ny mpitory azy eo anatrehan’ny fitsarana ihany koa ity mpisolovava ity.

04/01/2013

Samihafa

Naneho ny heviny mikasika ireo vaovao an-gazety izay milaza ny fivakisan’ny Antoko Leder Fanilo hatramin’ny fahavitan’ny fifidianana ny filoha nasionaly vaovao izay natao farany teo ny Minisitra Rakotomamonjy Jean Max, sady filoa nasionaly vaovaon’ity antoko ity. Nambarany fa tsy mivaky roa velively ny antoko tarihiny. Porofon’izany, hoy izy, ny fanoloran’ny mpifaninana taminy kandidà ho amin’ny toeran’ny kandidà atolotry ny antoko Leader Fanilo amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Midika izany hoy izy fa mbola samy ao anatin’ny Antoko avokoa izy ireo amin’izao fotoana izao.

05/01/2013

Samihafa

Vola tsy toko tsy forohana no voahodikodin’ilay “agent payeur” teo aloha tao amin’ny Faculté des Sciences teny Ankatso, raha araka ny tatitra izay navoakan’ny Polisim-pirenena. Ny fanadihadiana natao taorian’ny famindram-pahefana natao teo aminy sy ny mpandimby azy no nahitana ny fisian’izany fanodikodinam-bola izany. Ny alakamisy teo no nosamborin’ny mpitandro filaminana izany lehilahy izany ary nandritra ny fakana am-bavany azy dia niaiky ny heloka nataony ny tenany. Tsy voatery ho avy amin’ny fahataran’ny fanomezan’ny fanjakana ny vatsim-pianarana ny tsy fahatomombanan’izany ka mahatonga ny disadisa matetika eny amin’ny anjerimanontolo.

05/01/2013

Samihafa

Tamin’ny alalan’ny fanambarana izay navoakan’ny solontena maharitry ny fanjakana Amerikanina eto Madagasikara no nampahafantaran’ity firenena ity ny fanampahan-keviny tsy mbola hamela an’i Madagasikara ho isan’ireo firenena mandray anjara ao amin’ny AGOA amin’ity taona 2013 ity. Noho ny tsy fisian’ny fivoarana teo amin’ny sehatry ny demokrasia, ny zon’olombelona ary ny fanjakana tan-dalàna teto amintsika no anton’izany fanampahan-kevitra izany. Nasongadin’ny fanambarana fa ny Filoha Amerikanina Barack Obama mihitsy no nandray izany fanampahan-kevitra izany.Toy izao ny votoatin’ny fanambarana izay nataon’i Etazonia tamin’ny alalan’ny masoivohony eto Madagasikara.

05/01/2013

Samihafa

Natao omaly ny fitokanana ny fametrahana fitaovana vaovao tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Fitaovana mitentina 857 tapitrisa ariary no napetraka tamin’izany seranam-piaramanidina izany, ka isan’ireo ny fanamafisam-peo vaovao sy ny fanamboarana tao amin’ny trano fidiovana izay nasiana toerana natokana ho an’ireo olona manana fahasembanana.

05/01/2013

Samihafa

Nifanandrify indrindra tamin’ny fangatahan’ny radio FreeFM ny fiverenany eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery ny fivoahan’ilay didim-pitsarana izay manameloka azy ireo an-tranomaizina, raha araka ny fanambarana nataon’i Rakotondrazafy Lalatiana sy Razara Pierre Fidèle, omaly. Nazavain’izy ireo ihany koa fa tsy nahafantatra ny fisian’izany fitsarana azy ireo izany izy ireo raha tsy tamin’ny alalan’ny lahatsoratra an-gazety. Ary taorian’izany vao tonga teo am-pelan-tanany ny taratasy manambara amin’izy ireo ny fanamelohana azy sy ny tsy faneken’ny ministeran’ny Serasera ny fangatahana nataony. Hanao fanoherana mikasika ity didim-pitsarana ity, arak’izany ny mpisolovava azy ireo.

05/01/2013

Samihafa

Saika isan’andro ary maharitra fotoana lava dia lava ny fatapahan’ny famatsian-drano tao amin’ny tananan’i Morondava. Araka ny loharanom-baovao dia tsy nisy rano mihintsy tany an-toerana teo anelanelan’ny 29 desambra lasa teo ka hatramin’ny 31 desambra. NIlanonana tao anatin’ny tsy fisian-drano arak’izany ny mponina tany Morondava nandritra ny fetin’ny faran’ny taona. Ankoatr’izay dia mbola nitohy ihany koa izany fahatapan-drano izany ka omaly ohatra dia tapaka indray ny rano tany an-toerana. Eo anatrehan’izany anefa dia tsy misy filazana mialoha na koa fampandrenesana ireo mpanjifa mialoha izany fahatapahana izany. Tsy misy ihany koa ny fanazavana avy amin’ireo tompon’andrikitra mikasika ny anton’izany fahatapahan-drano matetika izany.

07/01/2013

Samihafa

Mihanaka ny areti-mandoza pesta raha atao indray mipi-maso. Olona 6 mantsy izao raha ny tarehimarika ofisialy no fantatrafa matin’ity aretina ity ka ny roa tao kaominina Andramasina, izay manana mponina manodidina ny 139 217. Efatra kosa tany Ambatofinandrahana, izay misy mponina eo amin’ny 116 066. Efa tena loza mitatao tokoa izany tarehimarika izany. Tsy takona afenina intsony ny loto manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Potika ireo fotodrafitrasa hiaroavana amin’ny tondra-drano; mananontanona araka izany ireo areti-mifindra maro. Miakatra an-tanana ny voalavo noho ireo fako sy zaoridira miparitaka etsy sy eroa; tsy mahatandrina ny fahadiovana intsony ny ankamaroan’ny olona noho ny fahantrana diso tafahoatra.

07/01/2013

Samihafa

RTS, FIS, RAL, CFS,… Sangany ary samy manana ny lazany avokoa ireo vondrona manokana nalefan’ny filoha Rajoelina tany Betroka, mba hisambotra an-dRemenabila. Lany ny miliara, lany ny bala, lany fotoana, tsy mbola azo ihany anefa ity lehiben’ny dahalo ity. Fanamelohana avy amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena maro indray aza no azon’ny Foloalindahy ary tsy nataotao foana ireny fanambarana avy amin’ny Amnesty International sy ny Justice et Paix ireny; manana porofo eo am-pelatanany izy ireo matoa nivoaka tamin’ny fahanginany. Ny tsy fahazoana an-dRemenabila dia efa henatra goavana ho an’ny Foloalindahy; ireo vahoaka tanam-polo mitaky ny rariny sy ny fahalalahana eny an-kianja irery ihany no hain’ny mpitandro filaminana ravàna amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’izy ireo.

07/01/2013

Samihafa

Fantatra indray koa izao fa noravan’ny andian-dahalo an-jatony (manodidina ny 200 lahy) ny tanàna iray ao anatin’ny distrikan’Amboasary ny sabotsy lasa teo. Lasan’izy ireo tamin’izany, araka ny vaovao azo, ny omby miisa 150; tsy vitan’izany fa nodoran’izy ireo ihany koa ny tanàna. Midika izany fa tena manjakazaka any amin’iny Faritra Atsimon’ny Nosy iny mihitsy ny asan-dahalo na dia teo aza ny hetsika Tandroka, noheverina fa hamerina ny fandriampahalemana sy ny filaminana tany an-toerana. Efa niverina eto an-drenivohitra avokoa ireo andiana mpitandro filaminana avy amin’ny CFS, ny FIS, ny RAL ary ny RTS izay natoby tao Betroka ny taona 2012.

08/01/2013

Samihafa

Tsy vitsy ny naneho ny heviny manoloana ny fanambarana nataon’ny mpiandraiki-draharahan’I Etazonia eto Madagasikara mahakasika ny tsy mbola fanekeny ny hiverenan’i Madagasikara ho isan’ny firenena mahazo ny AGOA. Ho an’ny manampahaizana eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, Radanoara Julien dia hafatra mifono ny tsy fiovan-kevitry ny Amerikanina amin’ny tsy fankatoavany an’izao fitondrana izao ireny. Tokony hikaroka hevitra hafa manoloana izay ny mpitondra, indrindra ny filohan’ny tetezamita, hoy izy satria hiafara amin’ny fanenjehana azy eo amin’ny fitsarana iraisam-pirenena ny fiziriziriany manoloana izay hevitry ny Amerikana momba ny fisian’ny tsy fanajaana ny zon’olombelona eto Madagasikara izay.

08/01/2013

Samihafa

“Misaotra an-dRajoelina” izay ny soratra napetraka ireo nangalatra ny vy sy nandrava ary nanapotika ny orinasa an-dRavalomanana ao Toamasina, tamin’ireo rindrin’ny orinasa mpanodina menaka (Top II) eo anivon’ny tokontanin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy fantatra mazava ny eritreritra ireo mpangalatra nanoratra ity soram-baventy mitondra hafatra ity, fa ny zava-misy amin’ireo orinasa an-dRavalomanana ao Toamasina, indrindra ny Top II, dia fahapotezana, faharavana, halatra mihoapampana ary fanimbana fananan’olona manokana; ny zava-misy nefa samy mitazam-potsiny ny milaza azy olom-panjakana indrindra ny eo anivon’ny talem-paritry ny varotra Toamasina, izay nanankinan’ny fanjakana tetezamita hanara-maso sy natao hiambina ary hiaro ity orinasa ity nanomboka ny taona 2009 nandritra ny fametrahana ny “comité ad hoc” namarotan’ny FAT ny vary sy ny lafarinina ary menaka. Ilay fangatahana nataon’ny mpisolo vava ny orinasa Tiko Sa ny taona lasa amin’ny famerenana ny orinasa TOP II sy ny MANA aza, nolavin’ny minisitry ny Fitsarana Rtoa Razanamahasoa Christine, tamin’ny alalan’ny naoty miampita nataony tamin’ireo lehiben’ny fitsarana teo aloha tao Toamasina.

08/01/2013

Samihafa

Vao niditra ny taona vaovao dia tranga hafahafa nahitana tambazotra avo lenta nitranga teo anivon’ny orinasa misahana ny entana misaritaka eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina.

08/01/2013

Samihafa

Namoaka ny tatitry ny fanadiadiana tamin’ny polisy misahana ny heloka be vava tao Toamasina ny mpitsabo nanao fizahana manokana ilay frantsay maty tao anaty trano fandraisam-bahiny iray tao Ambolomadinika. Volazan’ny tatitra araka ny nambaran’ny kaomisera Ramilison, fa « mort naturelle » na fahafatesana noho ny aretina nitaiza azy hatramin’izay, dia ny sohihika (asthme), ilay frantsay antsoina hoe Lehmann Michel Robert 53 taona.

08/01/2013

Samihafa

Ny 8 febroary ho avy izao no hifamotoana amin’ny alalan’ny fivoriambeny ny “Cellule inter-ministérielle de crise des agents de l’Etat”. Eto Antananarivo no hanaovan’izy ireo izany fivoriambe izany. Toa an’ireo mpampianatra SEMPAMA dia tsy afa-po noho ny tsy fatanterahan’ny fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana, taorian’ny hetsika nataon’izy ireo tamin’ny taon-dasa ihany koa ny cellule de crise. Azo eritreretina arak’izany ny handraisan’izy ireo fanampahan-kevitra hanao fitokonana vaovao mandritra io fihaonam-be karakarain’izy ireo amin’ny 8 febroary io. “Tsy mendrika hangatahan-javatra ary tsy mahavaha ny olan’ny mpiasam-panjakana ny fitondrana misy amin’izao fotoana izao”.

08/01/2013

Samihafa

Tranga hafakely no niseho tany Antanifotsy Ambatondrazaka ny 28 desambra lasa teo. Fisoratam-panambadiana no nokarakaraina, kinanjo niafara tamin’ny fisarahan’izy roa ny raharaha. Taratasy iray izay navoakan’ny renin-drazazavavy no anton’izany rehetra izany. Araka ny loharanom-baovao dia efa nanomana taratasy iray izay milaza fa nindram-bola 8 hetsy taminy ilay vinantolahiny ity renim-pianankaviana ity.

08/01/2013

Samihafa

Tamin’ny alarobia 02 Janoary lasa teo, tamin’ny 4ora hariva no voasambotry ny Polisy ao amin’ny BC 3 I Ando sy ny reniny, miampy ny anabavin’I Olivier ary I Haingo. Tamin’ny 29 Oktobra lasa teo rehefa avy naka vidina vato tao amin’ny Hotel le Pacifique ny sinoa iray niaraka tamin’ny mpiasa vaviny, izay mitetina 40.000.000 Ariary na 200.000.000Fmg dia narahin’ilay sipan’ilay mpiasan’ilay sinoa tamina moto avy aoriana.

09/01/2013

Samihafa

Tsy faly noho ny mbola tsy namotsorana an’ilay heverin’izy ireo fa tompon’antoka tamin’ny vono olona nitranga tany Analalava Sakaraha ny fianankavian’ny maty tamin’iny raharaha iny. Nosakanan’izy ireo ny lalam-pirenena miditra ny tananan’ny Toliara. Tsy nisy fiara afa-niditra na afa-nivoaka an’I Toloary arak’izany, nandritra ny andro vitsivitsy. Araka ny vaovao farany dia efa nivaha ity olana ity, taorian’ny fifampiresahana. Mitaky onitra, omby miisa 700 anefa ireto fianankaviana nanana ny maty ireto. Tsy nisy fiarakodia afaka niditra na afaka nivoaka ny tananan’I Toliara hatramin’ny alahady teo ka hatramin’ny omaly, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

09/01/2013

Samihafa

“Tsara ny taom-pizahan-tany ny taona lasa iny raha jerena amin’ny ankapobeny. Nanomboka ny taona 2012 iny mantsy no niverina tahaka ny taona 2008 ny fahatongavan’ireo mpizahan-tany mpisafidy an’i Madagasikara”, izay no nambaran’dRtoa Eliane Andrianjatovo misahana ny “Arian tour” sy ny sekoly tsy miankina hany tokana mpanofana amin’ny resaka fizahan-tany “Arian Institute”. Ny taona lasa 2012, dia ny lakan-dranonin’ny “Pangalanes” no voalohany tena nahasarika ireo vahiny tonga raha ho an’i Toamasina, efa betsaka raha teo ny fanovana fomba fiasa sy tolotra maro omena ireo mpizahan-tany misafidy izany, isan’izany ny lakana motera mpitondra ireo mpizahan-tany sy ny hetsika fandraisana manokana nanentanana ireo mponina isaky ny tanana ary ny fanatsarana ny tanana hahasarika ireo mpitsidika; nanaraka izany ny nosy Sainte Marie indrindra amin’ny fotoan’ny “Zanaharibe” na fahatongavan’ny “Baleines”; manaraka azy kosa ny Mahavelona Foulpointe sy Mahambo ary “parc Ivoloina”.

09/01/2013

Samihafa

Miaina isan’andro amin’ny fahatapahan’ny ny mponin’i Toamasina tao anatin’ity taona vaovao ity; tsy misy fotoana ka tsy ahitana fatapahana herin’aratra isan’andro ao an-tampon-tanana ka arakaraka ny fokontany ny faharetany, izay manomboka amin’ny adiny iray izany ary misy mahatratra tapak’andro mihintsy, raha alina ny fahatapahana dia mandra-maraina izany.

09/01/2013

Samihafa

Marisarisa ny fifandraisana eo amin’ny fikambanan’ny Vadin’ny Polisy any Mampikony sy ny tompon’nandrikitry ny fahasalamana any an-toerana. Nandritra ny alim-pandihizana nokarakarain’ity fikambanana ity no niantombohan’ny disadisa teo amin’ny an-daniny sy ny ankilany. Tamin’ny volana desambra lasa teo no nikarakara izany alim-pandihizana izany ireto vadina mpitandro filaminana ireto ka ny vola azo tamin’izany dia nividianana fanomezana, rakom-pandriana, ho an’ny hôpitaly tany an-toerana sy fanomezana hafa ho an’ny voafonja.

09/01/2013

Samihafa

Tapitra tamin’ity androany 9 janoary ity ny fe-potoana nomenan’ny ministeran’ny Atitany an’ireo antoko politika mba ahafahan’izy ireo manavao ny atontan-taratasy momba ny fisiany taorian’ny fanavaozana ny lalana mikasika ny antoko politika eto Madagasikara. Naneho ny heviny momba izay fametrahan’ny ministeran’ny Ati-tany fe-potoana ahafahan’ireo antoko politika manatontosa ny fanavaozana ny fisiany izay ny fikambanana CDE (Club Développement et Ethique). Nambaran’ity fikambanana ity fa mety hiteraka korontana eo amin’ny antoko politika maro eto Madagasikara ny firosoana amin’ity fanavaozana ny fisian’ireo antoko politika ity.

10/01/2013

Samihafa

Tsy nisalasala ny nilaza i Ratsima James fa hisiska ny hilatsaka ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Tamin’ny alalan’ny fanontaniana napetraka taminy mikasika ny fahitany ny lahatenin’ny filohan’ny tetezamita teny Iavoloha omaly no nahatonga an’ity mpanao politika ity hilaza izany. Nambaraan’ny Sekretera jeneralin’ny antoko Fihavanantsika ihany koa ankoatr’izay fa fanarian-dia avokoa ny fihetsika rehetra mifanohitra an’izany izay ataon’ny filohan’ny tetezamita fa ny tanjony dia ny hilatsaka amin’ny fifidianana hatrany.

10/01/2013

Samihafa

Tamin’ny alalan’ny vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahalalan’ny Polisy miady amin’ny zava-mahadomelina na STUP ao Anosy fa misy rangahy iray mamboly rongony eny amin’ny faritra TSsimbazaza. Nidina teny an-toerana ny Polisy ny 08 janoary 2013 ka tratra am-bodiomby teo an-tokotaniny ilay rangahy antsoina hoe Jean Sylvestre, 30 taona namboly sy mikarakara ilay rongony iray fototra izay efa mahanika ny 1 metatra ny halavany. Tamin’ny fanadihadiana izay natao taminy dia niaiky izy fa tena namboly io rongony io ary efa enim-bolana izay. Nilaza ny tenany fa ataony fanafody tazovony hono no antony namboleny io rongony io ary koa sambany izy no namboly izany.

10/01/2013

Samihafa

Mametram-panontaniana ny mpanara-baovao sasany amin’izao fotoana izao mikasika ny nampiasana ny vola saika hiatrehana ny fivoriaben’ny Vondrona Afrikanina teto Madagasikara. Araka ny loharanom-baovao dia vola mitentina 178 miliara ariary no azo tamin’ny BAD sy ny Vondrona Eropeana ho fanatanterahana izany fivoriana izany. Tsy fantatra anefa hatramin’izao ny nandehanan’izany vola izany. Tsy misy izay tsy mahafantatra fa i Madagasikara no firenena voafidy hampiantrano ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina tamin’ny volana septambra tamin’ny taona 2009.

10/01/2013

Samihafa

Isan’ny naneho ny heviny mikasika ny lahatenin’ny Filohan’ny tetezamita teny Iavoloha, omaly ihany koa ny filohan’ny fikambanan’ny ben’ny Tanana eto Madagasikara, Ralaiseheno Guy Maxime. Araka ny nambarany dia fiantsiana ady amin’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ireny nataon’ny filohan’ny tetezamita ireny. “Raha araka ireny lahateniny ireny dia tsy isalasalana ny milaza fa hilatsaka ho fidina ho filoham-pirenena I AndryRajoelina”, hoy ny fanamarihan’ity mpanao politika avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Tokony tsy hadinon’ny Filohan’ny tetezamita fa ny tondrozotra no nanendry azy amin’ny toerana maha filoha azy, hoy ihany ity mpanao politika ity.

10/01/2013

Samihafa

Samy nanasongadina ireo antony tokony hirosoana amin’ny fialana amin’ny krizy avokoa n any filohan’ny Kongresin’ny tetezamita na ny Filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, na ny Lehiben’ny Governemanta. Fitanisana ireo zava-bitan’ny fitondrana, tsy fankatoavany ny faneriterena ny safidin’ny Malagasy, ary ny tsy rariny amin’ny fifanarahana nifanaovana tamin’ny orin’asa Ambatovy sy ny fanjakana Malagasy kosa no isan’ny nisongadina tamin’ny lahatenin’ny filohan’ny Tetezamita. Ankoatr’izay dia nisy ireo fampanantenana hanorina fotodrafitrasa vaovao miampy ny fampandraisana anjara ny Governemanta amin’ny fanondrotana ny karaman’ny mpisam-panjakana. Tsy nasiany resaka kosa ny mikasika ny fasahiranam-bahoaka sy ny sondro-bidim-piainana, na dia samy niresaka izany avokoa aza ireo lehibena andrim-panjakana hafa.

10/01/2013

Samihafa

Mitaraina ny mponina any an-tampotananan’i Mampikony manoloana ny fihetsiky ny ankamaroan’ireo mpitsabo ao amin’ny hôpitaly any an-toerana. Araka ny nambaran’ny loharanom-baovao dia tsy hita any amin’ny toeram-piasana nanirahan’ny fanjakana azy ny ankamaroan’ireo mpitsabo ao amin’izany hôpitaly izany. Vokatr’izany, tsy manan-tsafidy ny mponina ary miveri-maina avokoa ny an-kamaroan’ireo izay mila fitsaboana ao amin’ny hôpitalim-panjakana. Etsy an-danin’izany anefa dia saika efa samy manana ny toeram-pitsaboana izay azy manokana avokoa ireo mpitsabom-panjakana ireo any Mampikony. Saika any amin’izany toeram-pitsaboana izay azy manokana izany no ahitana azy ireo. Tsy vitsy amin’ireo izay mila fitsaboana ihany koa no atosiny haka fanafody any amin’izay toeram-pitsaboana azy manokana izany.

11/01/2013

Samihafa

Mbola tsy voafaritra mazava hatramin’izao ny fomba handraisan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena mpampianatra Fram amin’ity taom-pianarana ity. Araka ny nambaran’ny minisitra Manoro Regis nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazetin’ny La Nation, dia mahatratra 60 000 amin’izao fotoana izao ny isan’ireo mpampianatra Fram manerana ny nosy. Tsy misy afa-tsy toerana miisa 2500 anefa no voafaritra ao amin’ny teti-bolam-panjakana, ary 3 500 no handeha hisotro ronono. Sarotra arak’izany ny hanomezana fahafaham-po ny mpampianatra Fram rehetra izay samy te-ho tafiditra ho mpiasam-panjakana ny ankamaroany. Nomarihan’ny minisitra fa vokatry ny fampitsaharana ny fandraisana mpiasam-panjakana teo amin’ny sehatry ny Fampianarana hatramin’ny taona 80 no nahatonga izao olana izao.

11/01/2013

Samihafa

« Mitsangana, mihazavà fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao… Ary ny firenena manatona ny fahavazanao » Isaia 60 :13. Ireo andalan-tenin’ny Soratra Masina ireo no nosafidian’ny MAMIMI (Malagasy Miray sy Mifankatia) amin’izao fanasana hotanterahan’izy ireo etsy amin’ny hôtel du Louvre Antaninarenina, androany manomboka amin’ny 10 ora maraina, hitondran’izy ireo fanazavana sy hanambarana ihany koa ny vina momba ny raharaham-pirenena.

11/01/2013

Samihafa

“Aide chauffeur” iray izany raha vaovao azo no efa notànan’ny mpitandro filaminana ao Itaosy, taorian’ny nahitan’ny fokonolona ny vatana mangatsiakan’ity tovovavy vao 17 taona, tsy lavitry ny “espace Fenohasina” Andranonahoatra. Tsy teo amin’ny faritra nahitana ny razana, araka ny tombatomban’ny manampahefana, no nitrangan’ny famonoana. Izany hoe, mety efa maty tany an-toeran-kafa vao napetraka teo amin’ny nahitana ny razana ary mety efa ora maro talohan’izany ihany koa no nahafaty azy.

11/01/2013

Samihafa

Ny alarobia 09 janoary no nahazo fahafahana vonjimaika ka nivoaka ny fonjan’Ambalatavoahangy ireo polisy mirahalahy : officier sy inspecteur, izay nosamborina tany Toamasina ny faramparan’ny taona 2012 lasa teo. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia taorian’ny fampakaran’izy ireo ny raharaha teny amin’ny fitsarana ambony no nazoany izao fahafahana vonjy maika izao. Raha tsiahivina dia nohelohin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Toamasina hisazy 30 volana an-tranomaizina izy ireo nohon’ny heloka niampangana azy.

11/01/2013

Samihafa

Lehilahy roa no voasambotry ny polisy teny Ambohimanarina ny alarobia 9 janoary teo rehefa nikasa ny hivarotra basy kalachnikov. Fampitam-baovao avy amina olon-tsotra no nahafantaran’ny polisy an’ity raharaha ity. Ny polisy avy amin’ny boriborintany faha-enina ao Ambohimanarina moa no nandray an-tanana izany raharaha izany. Nanaovan’ny polisy velam-pandrika, arak’izany, ireto mpivarotra basy ireto raha iny nikasa ny hanantona ireo olona izay saika hividy ilay basy iny no nanomboka naraha-maso. Nanomboka ny maraina ka tamin’ny dimy sy sasany hariva izy ireo vao tratra teny Anosivavaka rehefa narahin’ny Polisy teny foana nandritra ny tontolo andro. Araka ny fitantaran’ny mpitandro filaminana izay nanaraka azy ireo dia nifanome fotoana tamin’ilay hoe hividy azy teo Ambodimita izy ireo ary nifindra teny Anosisoa ka teo no noraisim-potsiny.Tratra teny aminy ny basy kalachnicov iray sy cartouches miisa fito ; sy boite à chargeur iray.

11/01/2013

Samihafa

Nanazava ny antony nahatonga ny ankolafy Ravalomanana nandray anjara tamin’ny lanonana fifanmpiarahabana tratry ny taona teny Iavoloha ny parlemantera, Brenda Rasoamalala. Nambarany fa zava-dehibe amin’ny fanoherana ny Tetezamita ny fahatongavan’izy ireo teny Iavoloha, satria tamin’ny alalan’izany no nahafahan’izy ireo naneho bebe kokoa ny tsy fankatoavany ny fitondran-dRajoelina. Isan’ny hetsika nataon’izy ireo tamin’izany ny fivelesana ny sotro sy ny lovia rehefa nandray fitenenana ny filohan’ny tetezamita.Nankasitrahan’ity parlemantera ity kosa ny lahatenin’ny Praiminisitra Omer beriziky.

11/01/2013

Samihafa

Nitokona tsy nety nisakafo i Riribe, nanomboka tamin’ny 30 desambra ka hatramin’ny 9 janoary lasa teo. Araka ny taratasy nalefany ho an’ny fianankaviany dia hetsika fanairana io nataony io mba hijeren’ny fitsarana haingana ny raharaha mikasika azy. Nambarany fa mitarozaka ny fikarakaran’ny fitsarana ny raharaha ary mbola tsy fantatra hatramin’izao ny fotoana hitsarana azy. Mbola isan’ny misarika ny sain’ny maro ao Toamasina ao ny raharaha mikasika an’i Rakotomalala Henri na Riry be izay notanana vonjimaika eny am-ponjan’Amnalatavoahangy taorian’ireo hetsika izay notarihany tany amin’ity tanana ity.

11/01/2013

Samihafa

Mbola manao sesilany hatramin’izao ny fanakianana voaray manoloana ireo izay nambaran’ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina nandritra ny fifampiarahabana tratry ny Asaramanitra teny Iavoloha tamin’ny alarobia 9 janoary lasa teo. Isan’ny naneho ny heviny ihany koa ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Zafilahy Stanslas. Ho an’ity mpanao politika ity dia miatsy ady amin’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny filohan’ny tetezamita raha ireny kabary nataony ireny no jerena. Nambarany ihany koa fa hevi-diso ny filazana fa manana ny fiandrianany ny firenentska amin’izao fotoana satria hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara dia tsy lohalaharana ho an’ny fianankaviambe iraisam-pirenena intsony ny momba ny fiandrianam-pirenena. Ny antony dia satria tsy ankatoavin’ny fianankaviambe iraisam-pirenena na oviana na oviana ny fitondrana nitsangana avy amin’ny fanonganam-panjakana.

11/01/2013

Samihafa

Tontosa soamatsara amin’izao fotoana izao ny fananganana ny sampan tanora any Toamasina ao anatin’ny antoko MFM. Tanora MFM na T/MFM no anarana isaloran’izay ireo. Araka ny fanambarana voalohany izay nataon’ny mpitarika ny T/MFM dia fanamafisana ny tolona iaraha-manana eo an’ivon’ny ankolafy Ravalomanana no andrikitra lehibe indrindra izay atrehan’izy ireo amin’izao fotoana izao.

12/01/2013

Samihafa

Niteraka adihevitra teto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny fotoana niorenany ny FIS, izay niarahan’ny kolonely Lylyson Urbain de René sy Charles Andrianasoavina natsangana ny taona 2009. Ny fihetsika nasehon’ny kolonely Charles, nandritra ny fsamborana ny filohan’ny antoko MFM, Manandafy Rakotonirina, tetsy amin’ny Carlton no niandohan’izany adihevitra izany. Tao ihany koa ny fisamborana ny senatera Naika Elianne, sns. Tsy niandry ela ny fanakianana avy amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena toa ny Amnesty International ary nisy fotoana mihitsy aza nitsikeran’ny ambasadaoro frantsay, Jean Marc Chataigner, ny tokony hanafonana ny FIS, tamin’ny kabary nataony nandritra ny fankalazana ny 14 jolay teny amin’ny “résidence de France” Ivandry. Isan’ireo nahazo fanankianana avy tamin’ny Amnesty International sy ny Justice et paix indray koa ny FIS, nandritra ny « opération Tandroka » tany Atsimon’ny Nosy. Mipetraka araka izany ny fanontaniana, efatra taona aty aorian’ny nitsanganan’ny FIS : mbola ilaina ve ity vondrona manokana ity ?

12/01/2013

Samihafa

Miandry izay fanambarana hataon’ny filohan’ny Tetezamita amin’ny fahatongavany, androany, avy any Tanzania ny mpanara-baovao. Isan’ny andrasan’ny rehetra amin’izany ny filazany na hilatsaka na tsia amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany. Raha arak’iny fintsoana azy maika nankany Dar es Salaam iny dia efa manana ny heviny ireo fianankaviambe iraisam-pirenena, indrindra taorian’iny lahateny nataon’ny Filohan’ny tetezamita iny. Porofo ilazana fa manana ny ambarany amin’ny raharaha eto Madagasikara ny Fianankaviambe iraisam-pirenena, ary tsy marina ny filazana fa afa-miala amin’izy ireo isika.

12/01/2013

Samihafa

Tontosa omaly ny fifidianana ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo. Ny Profesora Panja Ramanoelina no nivoaka ho mpandresy tamin’izany fifidianana izany rehefa nahazo ny vato be indrindra tamin’ireo mpifidy. Izy indray izany no hitondra ny Oniversiten’Antananarivo amin’ny telo taona ho avy. Niova fenitra ny Oniversité. Izay avokoa ny feo re teny amin’ny biraon’ny fiadidiana ny Anjerimanontolo teny Ankatso taorian’ny fahavitan’ny fifidianana ny filoha vaovao. Araka ny vokatry ny safidin’ireo mpampianatra sy mpandraharaha teny amin’izany toeram-pampianarana ambony izany dia ny Profesora Panja Ramanoelina indray no filoha vaovao hitantana ny oniversité mandritra ny telo taona manomboka izao. Omaly no natao izany fifidianana izany.

12/01/2013

Samihafa

Araka ny efa nampoizina dia nirava maina indray ny fivorian’ny mpikambana ao amin’ny komity mpanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra na ny CSC. Tsy mbola misy mangirana arak’izany ny faananganana ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy izay nankinin’ny Governemanta tamin’izany rafitra izany.

12/01/2013

Samihafa

Naharitra roa andro ny fanadihadiana nataon’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana ny fitsarana ambaratonga voalohany tany Toamasina tamin’ireo voaroiroy tamin’ny raharaha fahavakisan’ny orinasa SMMC (Société de Manutentions des Marchandises Conventionnelles) tany an-toerana. 17 mianadahy no voaroiroy tamin’ity raharaha ity ka isan’izany ny ireo mpihazona ny “caisses” sy ny fanalahidin’ny “coffre” telo mirahavavy sy ireo mpiasa sasany ary ireo mpiambina sasany ihany koa. Tsiahivina fa vola mitentina 110.000.000 ariary izay tao amin’ny Coffre no very tamin’izany fangalarana nitranga tao amin’ny SMMC Toamasina izany ny zoma 28 desambra 2012.

12/01/2013

Samihafa

Hatreto dia mbola tsy tonga eny an’ivon’ny Fandraharahana ny Fonja ny didim-panjakana milaza ny fanenan-sazy araka ny voalazan’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny lahateny nataony teny Iavoloha nandritra ny fifampiarahabana tratry ny taona teo amin’ireo andrim-panjakana. Ny Tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja, Ranaivo Tolojanahary no nilaza izany, raha nanontanian’ny mpanao gazety.

14/01/2013

Samihafa

Nitrangana savorovoro tao an-tampon-tananan’i Toliary ny sabotsy lasa teo tamin’ny tolakandro. Mpivarotra enta-madinika maromaro tao amin’ny bazary sy ny manodidina, tao amin’izany tanana izany no lasibatry ny fandrobana tao anatin’izany korontana izany. Nisy arak’izany ny simba fananana sy ny very entana vokatr’izany savorovoro izany. Marihina fa taorian’ny famoriam-bahoaka nataon’ny antoko MDM notarihan’ny filoha nasionaliny sady minisitry ny Raharaham-bahiny Pierrot Rajaonarivelo no nitrangan’izany savorovoro izany.

14/01/2013

Samihafa

Nokianin’i Alain Ramaroson, filohan’ny vaomieran’ny Fiarovana ao amin’ny Filankevitra avon’ny tetezamita sady filohan’ny antoko Masters, ny fandroahana ireo mpivarotra amoron-dàlana eto Antananarivo. Nambarany fa tsy hanaiky izany na oviana na oviana ny tenany ary tsy maintsy handray andraikitra manoloana izany. Nanazava ny antony tsy nanatrehany ny fifampiarahabana tratry ny taona teny Iavoloha ihany koa ity mpanao politika ity, ary mazava loatra fa isan’ny nitondrana fanazavana ihany koa ny mikasika ny hevitry ny fianankaviana Ramaroson momba ny fanadihadihana amin’ilay lozam-pifamoivoizana nahafaty an’i Nadine Ramaroson.

14/01/2013

Samihafa

Hamory ny mpanao gazety eto Antananarivo, androany, ny Birao maharitry ny SADC eto amintsika. Mandritra izany no hanambaran’izy ireo ny tatitry ny fivorian’ny Troika izay natao tany Dar es Salaam ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa nantsoin’ny Troika hanatrika ny ampahany tamin’izany fivoriana izany ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Teo am-pahatongavana avy nanatrika izany fihaonana izany dia efa nilaza ny fahitany izany Filohan’ny Tetezamita. Nambarany fa afa-naneho ny heviny teo anatrehan’ireo filoham-panjakana nivory nandritra izany fotoana izany ny tenany. Isan’ny voaresaka, hoy izy ny miksaika ny fahafahany sy ny fahafahan-dRavalomanana milatsaka na tsia amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

14/01/2013

Samihafa

Atsangana eny an’ivon’ny fokontany manomboka izao ny foibe maharitra na « centre fixe » izay hisahana ny fanisana ny mpifidy sy ny fampidirana azy ireo ao anaty lisim-pifidianana. Izany dia ho fanohizana ny fanisana ny mpifidy izay efa nataon’ireo mpanisa mpifidy isam-pokontany tamin’ny alalan’ny fitetezana trano.

14/01/2013

Samihafa

Niavaka tsy toy ny fahita an-davan’andro ny hetsiky ny Ankolafy Ravalomanana ny sabotsy teo, tao amin’ny Magro Tanambao V. Tonga maro ary nanome endrika manokana ny fotoana tamin’io andro io ireo tanora MFM any an-toerana. Nanome endrika manokana ny hetsika ihany koa ny fandraisam-pitenenan’izy ireo nandritra ny fivoriana tamin’ity indray mitoraka ity. Nambaran’ny filohan’ny tanora MFM, Ranaivoarison Johnny, fa mila ny tanora ny fitakiana ny ara-dalàna sy ny tsy fanekena ny fanonganam-panjakana hatao fitaratra eto amin’ny firenena I Madagasikara. Nitaona ny tanora hijoro ary tsy ho kivy ny tenany, indrindra manoloana ny fitakiana ny marina satria “ny marina tsy mba maty ary ny nahary tsy tia ny mpanao ratsy izany”.

14/01/2013

Samihafa

Nandritra ny fikaonandohan’ny tanora izay notarihan’ny PNJ (Plateforme nationale des jeunes) izay natao tetsy Andrefanambohijanahary ny faran’nybherinandro teo no nahafantarana fa miandry ny fankatoavan’ny ministeran’ny Atitany sisa dia ho lasa antoko politika tanteraka ny PNJ mazava. Efa vita hoy ny fanazavana nandritra io fihaonambe ion y fikarakarana rehetra mikasika ny atontan-taratasy ho amin’izany.

14/01/2013

Samihafa

Ny tatitra nataon’ny polisy misahana ny fikarohana ny heloka manadrify ny raharaha ara-toe-karena any Toamasina no nahafantarana fa mirongatra amin’izao fotoana izao ny fisolokiana sy ny fivadiham-pitokisana. “Fihetsika nahazo vahana ary tena nosahaninay sy ireo sampana ato aminay, ny mikasika ny fivadiam-pitokisana na ny ‘abus de confiances’ sy ny fisolokiana na ny ‘escroqueries’, hoy ny nambaran’ny kaomisera misahana ny “police economique” ao Toamasina.

15/01/2013

Samihafa

Taorian’ny tranga manana endrika fankahalana vahiny tany Toliara tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo dia fa,tatra ihany koa amin’izao fotoana izao fa mandroaka ireo vahiny izay mbola mitrandraka safira any amin’ny faritr’i Didy ny fokonolona any an-toerana. Nanangana barazy tsy afahan’ireo mpanam-bola mikasa hividy safira ho avy any an-toerana ihany koa izy ireo amin’izao fotoana izao. Nisy ny fanambarana nataon’ny ben’ny tananan’i Didy izay nilaza fa hidina hatrany anatin’ireo toeram-pitrandrahana handroaka ireo olona mbola mitrandraka ao ry zareo amin’ity herinandro ity, miaraka amin’ny mpitandro filaminana.

15/01/2013

Samihafa

Toy ny fanaony dia namoaka ny fahitany ny fiainan’ny mponina amin’ireo firenen-tsamihafa maneran-tany ny Banky Iraisam-pirenena. Arak’izany tatitra izany dia miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka amin’izao fotoana izao ny 16,8 Tapitrisa amin’ny Malagasy 20 tapitrisa. Mbola ity tatitra ity ihany koa no nanasongadina fa nitotongana ny fahefa-mividin’ny tokatrano eto Madagasikara raha oharina ny tamin’ny taona 2010. Nihemotra 25% ny fahefa-mividin’ny tokatrano Malagasy raha oharina ny tamin’ny taona 2010. 84% kosa ny miaina tanteraka ao anaty fahantrana raha 77% izany tamin’ny taona 2010 ihany.

15/01/2013

Samihafa

Tsy sambany no nandrenesan’ny mpanara-baovao fa vola madiodio avy amin-dRajoelina no nanaovana fotodrafitrasa na nanaovana fanampiana samihafa teto amin’ny Firenena. Mazava loatra fa tsy misy maha-ratsy izany satria izay manambe dia tokony hanome na hanao bebe kokoa eo amin’ny mpiara-monina. Tsy mahasakana ny fametrahana fanontaniana amin’izay nihavian’izany vola izany anefa ny fisian’ny tombon-tsoa aterany satria, ratsy raha tonga amin’ilay fiteny manao hoe « mihinana amam-bolony » ny vahoaka.

15/01/2013

Samihafa

Olona miisa 10, vehivavy ny iray. Ireo no voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny polisim-pirenena any Betafo ny faran’ny herinandro teo. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia voaroiroy tamin’ny halatra taolam-paty ireto olona ireto ary efa natolotra ny fitsarana omaly ihany.

15/01/2013

Samihafa

Nitolagaga ny rehetra raha nahita fa sahy nandà ny fanomezana, vola mitentina 300 000 ariary avy amin’dRamatoa Mahavimbina Geralda, vadin’ny Lehiben’ny Faritra Atsinanana ilay renim-pianankaviana niteraka kamba-telo tao amin’ny hopitalibe Toamasina.Ny 10 janoary teo no tonga tao amin’ny hopitalibe tany an-toerana ity vadin’ny Lehiben’ny Faritra ity nikasa hanao izany fanomezana izany amin’ny maha reny azy, araka ny nambarany.

15/01/2013

Samihafa

Vokatry ny velam-pandrika nataona tranombarotra iray teto Antananarivo, niaraka tamin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena dia tra-tehaka ireo tompon’nantoka tamin’ny fisolokiana tamin’ny alalan’ny fanaovana taratasim-bola (chèque) sandoka izay ividianana entaana lafo vidy amina tranom-barotra. Miisa telo izy ireo no voasambotry ny mpitandro filaminana, mbola karohina kosa izay mety ho mpiray tsikombakomba aminy. Tsy tery lalana tokoa ny ratsy amin’izao fasahiranana mianjady amin’ny firenena izao.Isan’ny hanatanterahan’ny sasany ny asa-ratsiny indray amin’izao fotoana izao ny fisolokiana amin’ny alalan’ny fandefasana taratasim-bola na chèque sandoka izay hamitahany ny tranombarotra izay sendra azy.

15/01/2013

Samihafa

Nandraisan’ny mpitandro filaminana fanampahan-kevitra nandritra ny fivoriana fanao isan-kerin’andro niarahan’ireo tomponandraikitry avy amin’ny Tafika, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena omaly 14 janoary 2013 ny ady amin’ny sinto-mahery sy ny asan-jiolahy eto Andrenivohitra.

16/01/2013

Samihafa

Nokianin’ny filohan’ny antoko MDM ny finiavana hampikatso ny fananganana ny Filankevitra fampihavanana Malagasy n any FFM. Tsy isalasalana fa misy ny manana tombontsoa amin’ny tsy fitsanganan’izany rafitra izany, hoy ny fanambaran’ity mpanao politika ity. Nambarany ihany koa tetsy an-danin’izany fa tsy hisy fifidianana ho vanona eto Madagasikara raha tsy misy ny famotsoran-keloka. Mitohy hatrany ny fanakianan’ny Filohan’ny Antoko MDM (Mouvement pour la Démocratie à Madagascar‎), Rajaonarivelo Pierrot, ny fihetsiky ny Mpitondra amin’izao tetezamita izao sy ireo mpiara-dia aminy.

16/01/2013

Samihafa

Tsy atokisan’ny fokonolona any amin’ny Kaomina ambanivohitra Sendrisoa any amin’ny distrikan’Ambalavao intsony amin’izao fotoana izao ny Zamà. Araka ny fahitan’izy ireo dia efa tsy toy ny taloha intsony ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’ny dahalo satria efa manana fitaovam-piadiana betsaka sy maherivaika izy ireo.

16/01/2013

Samihafa

Tsy ho ela dia ho tafakatra iray tapitrisa ny isan’ireo mpifidy efa voasoratra anarana amin’ny lisim-pifidianana kanefa tsy manana karapanondrom-pirenena. Naneho ny ahiahiny manoloana izany zava-misy izany sy ny fiatrehana ny fifidianana eto Madagasikara ny Minisitry ny Ati-tany. Naneho ny tsy fahafaliany amin’ny fanaovana an-kilabao ny ministera izay tantanan’ny olona tsy misolelaka any amin-dRajoelina ihany koa ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity. Nilaza ny hanome vola izay tsy ampy ny antsasaky ny ilaina amin’ny fanomezana karapanondrom-pirenena ireo mpifidy mbola tsy manana izany kosa ny ministeran’ny Fitantanam-bola. Mbola haroso ho dinihina ao amin’ny Filankevitry ny Governemanta anefa ny momba izany.

16/01/2013

Samihafa

Tsy ny vahoaka madinika ihany no tena mandeha mitady ny rariny eny amin’ireny toerana fitsaboana vintana amin’ny fomba nentim-paharazana ireny fa maro ihany koa ireo olona mitana andraikitra ambony sy be voninahitra eo anivon’ny fiaraha-monina. Ka ireo mpitsara sy manamboninahitra eo anivon’ny tafika no tena misongadina, araka ny fanadihadiana natao. Fa ao koa ireo mpitantana orinasa no tonga “manamboatra vintana” izay tena maro an’isa tokoa.

16/01/2013

Samihafa

« Ny firosoana amin’ny « direction collégiale » no ahafahana miroso amin’ny famahana ny krizy eto amin’ny firenena, ka filohan’ny tetezamita tsy miandany no hapetraka hitantana izany ». Izay no nisongadina tamin’ny fanambarana nataon’ny filohan’ny antoko Mavana, Raharomalala Louisette, omaly. Araka ny nambaran’ity mpanao politika ity dia mety hiteraka krizy vaovao ary goavana eto amin’ny firenena indray ny zava-misy amin’izao fotoana izao, indrindra ny fizirizirin’ny filohan’ny tetezamita amin’ny heviny. Etsy an-danin’izany mahatsapa ihany koa ny filohan’ny Mavana fa tsy misy fitoniana politika eto Madagasikara ary tsy tanteraka hatramin’izao ny fampihavanam-pirenena.

17/01/2013

Samihafa

Lasibatry ny fanafihan-jiolahy , alina teo, ny trano fonenan’ny Filohan’ny Fiangonana FJKM, ny mpitandrina Rasendrahasina Lala. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina tany ho any no niditra an-keriny tao amin’ny tokotanin’ity fianankaviana ity ireo jiolahy miisa efatra nitondra basy PA miisa telo, araka ny fitantaran’i Pastora Rasendrahasina Lala ihany. Nodoran’ireo jiolahy tamin’ny alalan’ny fitaovana mitahiry herin’aratra aloha ny mpiambina tao ivelan’ny trano mialoha ny nanereny ity farany handondona ny varavarana ka nanery ny mpiambina tao anatin’ny trano sy namatotra azy niaraka tamin’ilay voalohany avy eo. Afa-niditra malalaka hatrany amin’ny trano fandrian’ny mpitandrina mivady avy eo ireto olon-dratsy ireto ary naharitra antsasakadiny be izao izy ireo no nanao ny asa-ratsiny.

17/01/2013

Samihafa

Ny atontan’isa tao amin’ny UNICEF no nahafantarana fa nahatratra 723 622 ny isan’ny mpianatra nitsiaka ny lakilasy teny amin’ny ambaratonga fototra nandritra ny taom-pianarana lasa. Mifanandrify amin’ny 43% n’ny mpianatra manerana ny Nosy tamin’io taom-pianarana io ny isa voarakitra tao amin’ny UNICEF. Mbola mety hiakatra io isa io raha ny zava-misy amin’izao fiandohan’ny taom-pianarana izao no jerena araka ny voalazan’ny to:mpon’andraikitra iray tao amin’ny UNICEF eto Madagasikara ihany. Tafakatra avo dia avo amin’izao fotoana izao ny tahan’ny fialana an-dakilasy ho an’ny fanabeazana fototra eto Madagasikara.

17/01/2013

Samihafa

Tamin’ny alalan’ny vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantaran’ny Polisy avy ao amin’ny misahana ny ady amin’ny fivarotana sy ny fanapariahana zava-mahadomelina eny Anosy fa misy olona mivarotra rongony eny amin’ny faritra Anosibe Angarangarana. Nidina teny an-toerana ny Polisy afak’omaly tokony ho tamin’ny 5 ora hariva ka tratra tao an-tranony ny rangahy iray antsoina hoe Soagila, 27 taona. Tratra teo an-tokotaniny, tao anaty tranon’akoho ny rongony 6 gony izay marihina fa rongony avy any Betroka.

17/01/2013

Samihafa

Ny Zoma lasa teo no nisy vehivavy nametraka fitoriana tao amin’ny polisy tao Tsaralalana fa misy olona milaza ho mahay mampitombo vola ka 10.000Ariary lasa 30.000Ariary. Natao ny fikarohana ireo olon-dratsy ka tratra tamin’ny alatsinainy lasa teo ny iray tamin’izy ireo. Omaly kosa no tratra ny 3 hafa izay tamin’ny alalan’ity farany no nisamborana azy. Ny faha 29 desambra 2012 dia nisy olona milaza ho mahay mampitombo vola ka roboka tamin’izany ity ramatoa iray,

17/01/2013

Samihafa

Tsy isalasalana ny milaza fa tsy misy tongatonga ho azy ny teny rehetra izay voalazan’ny filohan’ny Tetezamita nandritra ny fanambarany ny fisintahany tsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenana. Famakafakana vitsivitsy manandrify ireo hevi-baventy tamin’izany lahateny izany ary no indro atolotra ny mpamaky ary ahafahan’ny isan’isany manao famakafakana araka ny manandrify azy ihany koa.

18/01/2013

Samihafa

Samy nanakiana ny soso-kevitra nomen-dRajoelina momba ny fanovana ny filaharan’ny fifidianana hatao eto Madagasikara amin’ity taona ity avokoa na ny Vondrona Eropaanina n any SADC. Efa tsy nankasitraka an-Drajoelina rahateo ny i Etazonia. Azo lazaina arak’izany fa tsy to-teny eo imason’izao tontolo izao intsony ny filohan’ny tetezamita. Nandritra ny famaliany ny fanontanian’ny mpanao gazety no nanambaran’ny masoivohon’ny Vondrona Eropeana eto Madagasikara fa tokony hajaina ny tetiandro napetraky ny CENIT miaraka amin’ny manampahaizan’ny Firenena Mikambana.

18/01/2013

Samihafa

Iza no manana tombontsoa amin’ny tsy fahatontosan’ny lisim-pifidianana ka namaky ny biraon’ny CENIT tany Mahanoro? Izay no fanontaniana teo am-bavan’ny maro raha nahare fa nitrangana vaky trano tao amin’izany biraon’ny CENIT any Mahanoro izany ny alin’ny alahady 13 janoary. Ny efitra nisy ireo lisim-pifidianana mihintsy no lasimabtry ny asa-ratsin’ireo mpangalatra. Very tamin’izany ireo solosaina roa izay vao azo tamin’ny CENI-T foibe. Mampametram-panontaniana ny maro ny tena anton’izany halatra izany. Raha araka ny fanazavan’i Marcellin Maso Sekretera jeneralin’ny CENI-T ao amin’ny Faritra Atsinanana dia halatra tsotra vokatry ny fahitana ireo solosaina tao amin’ity efitrano ity izao nitranga izao satria tsy nalain’izy ireo ny “serveur” fitehirizana ny lisim-pifidianana.

18/01/2013

Samihafa

Tsy latsaky ny 700 ny isan’ireo nifarimbona namono ireo olona enina tamin’ireo fito voaroiroy nangalatr’omby tany amin’ny kaomina ambanivohitra Ambohisoa any amin’ny distrikan’i Mandritsara. Tao amin’ny Poste avancé, an’ny Zandarmariam-pirenena tao Ambohisoa ihany no nitrangan’izany. Nanao tifi-danitra nandroahana ireo fokonolona ny mpitandro filaminana saingy tsy nasaka ireo vahoaka izany. Nahitana vono olona noho ny raharaha halatr’omby indray tany amin’ny kaomina ambanivohitr’i Ambohisoa distrikan’i Mandritsara.

18/01/2013

Samihafa

Voasambotry ny Polisy ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny heloka bevava (sakelika fahadimy) etsy Anosy, ny alarobia 16 janoary 2013 tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, tetsy Analakely, akaikin’ny polisin’ny boriboritany voalohany ilay lehilahy nanao vono nitarika fahafatesana tany Mananjary. Tsara ny manamarika fa nahazo taratasy avy amin’ny Fitsarana eto Antananarivo ny sampan-draharaha misahana ny heloka bevava (sakelika fahadimy) mba hanohizana ny fanadihadiana mikasika ilay lehilahy nanao vono nitarika fahafatesana tany Mananjary ny 21 desambra 2012.

18/01/2013

Samihafa

Hiaina mivantana ao anaty natiora ary hahafantatra bebe kokoa ireo harena voajanahary mitady ho lany tamingana ao amin’ny valan-javaboahary Ranomafana sy ireo vakoka any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany sy Matsiatra Ambony ny mpijery fahitalavitra TVM manerana ny Nosy.

18/01/2013

Samihafa

Miomana fatratra amin’ny fahatongavan’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ny ao Toamasina ao. Misy arak’izany ny fanadiovana ny tanana amin’ny alalan’ny fandraofana ireo fako miavovona etsy sy eroa. Nitera-doza anefa izany fandraofana fako izany. Maty tsy tra-drano vokatry ny fanitsahan’ilay fiara mpanary fako ny mpitondra cyclo-pousse iray. Maty tsy tra-drano ilay mpitondra cyclo-pousse izay voahitsky ny fiarabe mpanary fakon’ny kaominina Toamasina. Omaly tokony tamin’ny sivy ora sy sasany no nitrangan’izany, raha tonga naka ireo fakobe miavosa tao amin’ny Bazary kely izany fiara izany.

18/01/2013

Samihafa

Vaditany avy nanao ny asany no nendahan’ireto jiolahy raha nahita ity kitapo natevina ireto farany. Lasa avokoa ny antontan-taratasy tao anatin’ilay kitapo.Nisy ihany no hita satria rehefa hitan’ireto jiolahy fa tsy nisy nilainy ireo atontan-taratasy ireo dia nariany eran’ny lalana.

18/01/2013

Samihafa

Tafaverina an-tanindrazana tamin’ny 25 desambra lasa teo i Flôra, tovovavy iray isan’ireo nandeha niasa tany Liban hatramin’ny taona 2009. Velon-taraina anefa ny fianankaviany satria marary saina izy amin’izao fotoana izao ary mila volabe ny fitsaboana azy. Etsy an-danin’izany sady tsy nitondra vola nody i Flôra no tsy mandray anjara amin’ny fitsaboana azy ny orin’asa izay nadefa azy tany amin’io firenena io. Ity farany dia nilaza fa efa nanao fitarainana mikasika ity raharaha ity teny amin’ny ministeran’ny Asa sy ny Asam-panjakana ary ny Lalana sosialy saingy mbola tsy nahitam-bokany izany hatramin’izao.

18/01/2013

Samihafa

Hitondra fiovana ao Antsohihy ny fandalovan’ny Foibe ara-kolontsaina amerikana mitety vohitra any an-toerana, hoy ny sekretera jeneralin’ny Faritra Sofia Ramanantsoa George Eugène

19/01/2013

Samihafa

Efa sahy mitodi-damosina ny filohan’ny tetezamita amin’izay ny rehatra amin’izao fotoana izao, indrindra hatramin’ny nahafantarana fa tsy haharitra ela eo amin’ny fitondrana intsony ny tenany. Isan’izany ireo mpandraharana any Toamasina izay tsy nanaiky intsony ny hanome fanampiana ho fiatrehana ny fety hitokanana ny hôpitaly manara-penitra. Velon-taraina noho izany ny komity mpanomana ny hetsika satria nanakatom-baravarana azy ireo ny an-kamaroan’ny mpandraharaha tany an-toerana. Vola mitentina 60 tapitrisa ariary no noheverina ho voaangona avy amin’ireo

19/01/2013

Samihafa

Velontaraina ireo « Agents opérateurs de saisie » ao amin’ny Distrikan’i Moramanga araka ny fanambarana voaray eto amin’ny sampan’ny Fanoratana eto amin’ny Gazety la Nation. Valo alina ariary isaky « ligne » no nifanarahana tamin’ny fandraisana azy ireo hanatontosa ny fandraisana an tsolosaina ny lisitry ny mpifidy, araka ny hita ao amin’ny andininy faha 3 ao amin’ny fifanarahana izay mivaky toy izao :

19/01/2013

Samihafa

Nopotehiny tao am-piangonana ny Kalisy ary naparitaka tamin’ny tany ireo Komonio Masina. Izay no nitranga tao amin’ny fiangonana Katolika Fo masin’i Jesoa tao Tanambao V Toamasina. Nangalarin’ireo jiolahy ihany koa ny fanamasisa-peo roa karazana tao amin’izany fiangonana izany. Izay no vokatry ny vaky trano nitranga tao amin’ity Fiangonana ity ny alin’ny alarobia lasa teo.

21/01/2013

Samihafa

Avo lenta tokoa ny fomba fanaon’ireo olon-dratsy ary dia toa ireny tambazotra Mafia any an-dafy ireny mihitsy. Voafitaka avokoa manomboka any amin’ny Fitsarana, ny mpitandro filaminana ary ireo tomponandraikitra ambony sy mpanao politika. Fakàna vola an-keriny (extorsion de fonds) mitentina 150.000.000 fmg no fototry ny raharaha. Nisy mpandraharaha mbola tanora iray nandeha nividy entana sy fitaovana tany Sina ny volana jolay 2012. Nalefany tamin’ny kaompania mpitatitra entana S.C ireo zavatra novidiany tany ireo. Naloany tamin’ny alalan’ny taratasim-bola (chèque) ny saran’izany. Tonga ihany anefa ny volana desambra 2012, ampahan’ireo entana fotsiny ihany no tonga teto Madagasikara. Teo no niandohan’ny fidiran’ireo tambazotra Mafia tao anatin’ny tantara. Nisy olona antsoina hoe R.E nitonona ho havan’ny praiminisitra Omer Jean Beriziky ary M.C nitonona ho mpitandro filaminana tonga tany am-piasanan’ilay mpandraharaha.

21/01/2013

Samihafa

Ny asabotsy teo vao nanomboka niasa ny orin’asa nahazo ny fanarenana ny lalam-pirenena faha 5 mampitohy an’i Toamasina amin’ny Mahavelona Foulpointe, raha efa vita ny ao Foulpointe makany Fenerivo atsinanana. Raha araka ny nambaran’ny Filohan’ny tetezamita izay nanokatra ny fanamboarana izany lalana izany tamin’ny 25 oktobra 2012 dia ny faran’ny volana janoary izao no tokony ho vita ity lalana ity. Raha ny zava-misy, dia noterana ny MainLand hiantoka ny vola Araka ny nambaran’ny minisitry asa vaventy, ny Jeneraky Botomanovatsara, dia olana teo amin’ny ministera sy ny orin’asa MainLand Mining ary ny orinasa tokony hanao ny asa dia ny Smapt no antony tsy nahavitany tao anatin’ny fotoana nifanarahana tamin’ny fanjakana ny fanarenana izany lalana izany.

22/01/2013

Samihafa

Tsy takona hafenina intsony ny fahatezeran’ny mpanjifa noho ny afitsoky ny JIRAMA amin’ny fatapatapahan’ny famatsiana herin’aratra any amin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy. Nirotsaka an-dalambè naneho ny tsy fahafaliany ny mpanjifa tany Ankazobe. Naneho ny tsy fahafaliany ihany koa ny mpanjifa tany Antalaha. Ahiana arak’izany ny hisian’ny hetsika mafimafy kokoa raha tsy misy fandraisan’andraikitra manoloana izany rehetra izany. Tsy mahita vahaolana maharitra ialana amin’ny fatapatapahan-jiro hatreto ny fitondram-panjakana. Tsy ho ela, arak’izany, dia ho lasa olana ara-piaraha-monina eto Madagasikara ny fatapatapahan’ny herinaratra any amin’ny faritra samihafa.

22/01/2013

Samihafa

Nitàna ny sain’ny maro tokoa ilay tambazotra Mafia nikasa haka vola an-keriny mitentina 150.000.000 fmg tamina mpandraharaha iray ka nampiasa ny Fitsarana sy ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny fitaka avo lenta. Efa eo am-pelatanan’ny borigadin’ny zandarimaria Betongolo moa ny raharaha ankehitriny. Re sahady fa mandrahona amin’ny alalan’ny antso an-tariby izy ireo amin’izao fotoana. Asa raha fantatr’izy ireo na tsia fa efa mipetraka ihany koa ny fitoriana fiandry ho azy ireo rahatoa ka misy zava-manjo ilay mpandraharaha sy ny fianakaviany.

22/01/2013

Samihafa

Mpiara-miasa samy teratany sovietika no nivadim-pitokisana. Nanorina orinasa mpitrandraka volamena sy vato izay nomen’izy ireo anarana hoe “ ALPHA MADAGASCAR, ALPHA KATSEPY” ireto teratany vahiny ireto. Roa izy ireo no nifanaraka tamin’izany ka i David no tombom-bola ary Vladmir kosa no hitantana izany teto Madagasikara ary nifanaiky fa hisy tombony ny Orinasa. Vola mitentina 1.085.777, 49 dollars na 20 milliard Fmg ny vola noenti-nanorina ity orinasa ity. Tamin’ny 2008 no nanomboka niasa ny orinasa ka hatramin’izao. Tany Mouscou i David no naheno tamin’ny namany fa namidin’I Vladmir tamina olona iray ny orinasa sy ireo entana ao aminy. Tsy iza fa i Evgeny no nividy izany orinasa izany.

22/01/2013

Samihafa

Tratra ny tamin’ny alalan’ny vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny mpanaparitaka rongony tao Andavamamba. Ny Polisy misahana ny zava-mahadomelina no nahazo vaovao milaza fa misy ramatoa iray mivarotra rongony eny amin’iny faritra iny. Nisy ny fiidinana teny an-toerana nataon’ny Polisy ka tratra teny amin’ny tetezan’i Bekiraro teny Isotry ny ramatoa iray antsoina hoe Soa ary fantatra amin’ny anarana hoe Soalava niaraka tamin’ny rongony iray sachet. Nentina tany an-tranony moa ilay ramatoa ka tratra tao ihany koa ny rongony telo sachets niaraka tamin’ny gony maromaro efa tsy misy rongony intsony. Tao koa ny zanak’ity farany izay 19 taona ka dia noentina ihany koa.

22/01/2013

Samihafa

Mirongatra tato ho ato ny famonoana ny vady andefimandry na ny fofombady noho ny fasarotam-piarro. Tranga iray no notaterin’ny fampitam-baovaon’ny Polisim-pirenena. Araka izany loharanom-baovao izany dia lehilahy iray no namono nahafaty ny vadiny ny alin’ny alakamisy17 janoary 2013 lasa teo tao Tsarahonenana Itaosy, noho ny hasarotampiaro. Nisy niantso tamin’ny alalan’ny laharana miafina ilay vadiny ary izy no nandray azy. Henony fa feon-dehilahy no tao amin’ilay antso an-telefaonina. Tezitra arak’izany ity raim-pianankaviana ity ka avy dia nandray antsy. Notsindrominy indroa tamin’izany antsy izany ny tratram-badiny ka nahavoa ny fony.

23/01/2013

Samihafa

Nahemotra androany ny fanolorana eo anatrehan’ny Fampanoavana ilay raharaha fakàna vola an-keriny mitentina 150.000.000 fmg saika natao omaly. Nitorian’ity rangahy iray antsoina hoe M.C, mitonona ho mpitandro filaminana fa nihindrana vola mitentina 150.000.000 fmg taminy, handoavana ny karaman’ny mpiasa, ny tale jeneraly lefitry ny orinasa iray. Nahazoany didy fisamborana navoakan’ny Fampanoavana izany fitoriana izany ary Emmo.reg maro nirongo basy no nisambotra azy tao am-piasanany teo anoloan’ny mpiasa rehetra. Nametraka fitoriana vokatr’izao fakàna vola an-keriny miandrika fanalam-baraka izao ilay mpandraharaha. Tsy nisy velively ny fisamboram-bola fa tetika sy paika nikasàna hangalana vola be fotsiny ihany izany ary azo ambara ho tambazotra Mafia mihitsy izy ireo.

23/01/2013

Samihafa

Nitrangana fandrobana indray, omaly tolakandro, tao amin’ny Jovenna ao Ambalabako Ambatondrazaka. Vola mitentina 20 tapitrisa ariary an’ity orinasa ity, saika haterina teny amin’ny Banky no voaroban’ny jiolahy teny an-dàlana. Nodarohan’ireo jiolahy tamin’ny angady teny am-pelatanany ireo izay nitondra izany vola izany, ary nalainy ny vola rehefa avy eo. Efa mandray an-tanana ity raharaha ity ny mpitandro filaminana any an-toerana. Mahazo vahana tanteraka ny fandrobana amin’izao fotoana izao. Ny mpiasan’ny toby mpitsinjara solika tao amin’ny Jovena Ambalabako Ambatondrazaka indray no niharan’izany fandrobana izany,

23/01/2013

Samihafa

Omaly ny Maître Avoko Rakotoarijaona no nanambara tamin’ny fomba ôfisialy ny filatsahany ho fidina filoham-pirenena. Ny Fikambanana manao politika fantatra amin’ny anarana hoe « Madagasikara afaka », izay noforoniny sy tarihany no manolotra azy ho kandidà araka ny fanazavana nataony nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay notarihany.

23/01/2013

Samihafa

Mirongatra ny ady tany any Toamasina amin’izao fotoana izao. Fianankaviana miisa 300 indray no nesorina tamin’ny toerana efa nonenan’izy ireo omaly. Noravana tamin’ny “bulldozer” roa ny trano fonenan’izy ireo. Didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana any an-toerana no notanterahina tamin’izany. Toy ny rano natsipy teny an-damosin’ny gana ilay antso avo nataon’ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina mikasika ny fandrarana, izany hoe fampiatohana ny fandravana trano fonenana eto Madagasikara.

23/01/2013

Samihafa

Vita sonia omaly ny fifanarahana hanomezan’ny Ministeran’ny Vola fanampiana mitentina 2 miliara ariary ny Komisiona mahaleotena momba ny fifidianana na ny CENIT. Fiara tsy mataho-dàlana miisa valo sy solosaina miisa 400 no voarakitra ao amin’izany fifanarahana nosoniavina omaly izany.

24/01/2013

Samihafa

Nandritra ny fanoloran’ny Masoivoho Frantsay ny taratasy manendry azy hiasa sy honina eto Madagasikara no nanambarany fa midera ny fanampahan-kevitry ny filohan’ny Tetezamita amin’ny tsy filatsahany ho fidina filoham-pirenena ireo mpitondra ambony any Lafrantsa. Tsy nasian’ity ambasadaoro ity resaka kosa ny momba ny fisintahan’ny filoha teo aloha. Nambarany ihany koa fa tokony tsy hody Ravalomanana raha tsy efa vita ny fifidianan. Fihetsika izay maneho mibaribary fa tsy mankato ny tondrozotra ary mbola tsy miala amin’ny fitongilanana ity firenena ity.

24/01/2013

Samihafa

Nanatanterka fihaonana tamin’ireo izay mihevitra ny hirotsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny ITEM. Nandritra izany fihaonana izany no nampahafantaran’izy ireo ny fitaovana iray izay heverin’izy ireo fa azo antoka kokoa hisian’ny mangarahara sady hanamaivana kokoa ny fikirakirana ny raharaham-pifidianana. Hanao ezaka amin’ny fampahafantarana an’izany fitaovana izany izy ireo araka ny fanambarana nataony, omaly, ary handresy lahatra ireo rehetra voakasiky ny fanatontosana ny fifidianana mba hanekena ny fampiasana azy amin’izany fifidianana izany.

24/01/2013

Samihafa

Notendren’ny Filankevitry ny Minisitra izay natao omaly ho Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Atitany i Rakotonarivo Manantsoa Thierry. Araka ny tatitr’ity Filankevitry ny Minisitra ity ihany dia efa nametram-pialana amin’ny toerana maha filohan’ny Syndicat des Administrateurs Civils i Rakotonarivo Manantsoa Thierry.

24/01/2013

Samihafa

Deraina sy ankasitrahan’izao tontolo izao ny fihetsika sy fanapahan-kevitra noraisin’I Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, mikasika ny fisitahan’izireo amin’ny filatsahan-k’ho fidiana amin’ny manaraka eo. Maro ireo mihevitra fa dingana lehibe mankany amin’ny fahatoniana sy fivoaran’ny krizy izany fanapahan-kevitra izany. Tsy vitsy koa ireo azo lazaina fa kandidà “kely” no nampirisika an’io safidy “Ni…ni” io mba ahazoany vahana kely eo amin’ny fifidianana filohampirenena manaraka.

24/01/2013

Samihafa

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany amin’ny lalam-pirenena faha 6 ; teo amin’ny PK 542 tsy lavitra an’Antaranaka, kaomina ambanivohitra Baramanja, distraikan’Ambilobe. Fiara 4X4 SangYong izay an’ny Komandin’ny Faritany miaramila faha 7 any Antsiranana no niharan’izany loza izany raha iny hihazo an’Antananarivo iny ny Talata teo.

24/01/2013

Samihafa

Jiolahy miisa dimy nitondra basy PA miisa roa no nanafika tranona ramatoa iray tao Tanambao, kaomina ambonivohitr’i Toliara ny talata 22 janoary teo. Lasan’izyb ireo tamin’izany ny vilany miisa 10, lecteur sy ampli, bisikleta iray ary lamba isan-karazany. Lasan’ireo jiolahy ihany koa ny cyclopousse iray izay nitondran’izy ireo izany entana rehetra izany.

24/01/2013

Samihafa

Nidiran’ny jiolahy ny trano fonenan’ny Inspecteur pilote aviation tao Anjomakely, Kaomina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan’Ambohidratrimo ny alin’ny 22 janoary teo tokony tamin’ny misasakalina.

24/01/2013

Samihafa

Notafihan’ny jiolahy efatra nitondra fitaovana toy ny “barre à mine” ny tranon’ny fianankaviana iray tao Antsahakely, fokontany Tsaramanavaka, kaomina Andranomanelatra, distrikan’Antsirabe ny alin’ny 22 janoary lasa teo.

25/01/2013

Samihafa

Nanoratra taratasy ho an’ny filohan’ny tetezamita ny Sekretera lefitra misahana ny Raharaha Afrikana any Etazonia, Johnnie Carson. Ankoatry ny fankatoavana ny fanampahan-kevitry ny filohan’ny Tetezamita sy ny filoha teo aloha tsy handray anjara amin’ny fifidiana filoham-pirenena dia isan’ny nasongadin’ity tomponandraikim-panjakana amerikana ity ny amin’ny tokony hanajana manontolo ny fifanarahana ao amin’ny Tondrozotra, indrindra ny fampodiana an-tanindrazana ireo sesitany politika izay nasiany tsindrim-peo manokana. Mitaky ny hanajana ny teny nomena ihany koa ny tenany.

25/01/2013

Samihafa

Tafapetraka ny alarobia 23 janoary, tao amin’ny Polisy misahana ny heloka bevava any Toamasina ny fitoriana avy amin’ny kaomina mikasika ny fahaverezan’ireo fanaka sasantsasany izay natolotry ny Tetikasa Ambatovy. Ahina ho ireo tompon’andrikitra ambony ao amin’ny fiadidina ny tananan’i Toamasina ihany no nahavanona izany halatra izany satria mbola tsy nampiasaina tao amin’ny Kaomina akory ireo entana very ireo. Nivadika ho fanenjehana olo-tsy fantatra ny raharaha entana natolotry ny tetikasa Ambatovy ho an’ny kaomina Toamasina ary noteran’ny filohan’ny Filohan’ny tetezamita haverina any amin’ny nanome azy nohon’ny filazany fa “fako” izany entana izany.

25/01/2013

Samihafa

Mirongatra indray ny asan-dahalo any amin’ny faritra Antsimo Andrefana. Araka ny vaovao avy any an-toerana dia nitrangana halatr’omby niarafa tamin’ny fifandonana teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona indray tany amin’ny tanana atao hoa Andabotoka ao amin’ny kaomina Maromiandra, distrikan’I Toliara faharoa.

25/01/2013

Samihafa

Ho tanterahina androany amin’ny telo ora tolakandro eny amin’ny fiangonana Katedraly eny Andohalo ny famindram-pahefana eo amin’ny Dr Rakoto Endor Modeste, Filohan’ny Fiangonana Loterana eto Madagasikara sy ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, evekan’ny Arsidiosezin’Antananarivo amin’ny fitantanana ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara).

25/01/2013

Samihafa

Officiers de Police Judiciaire 27 mianadahy avy amin’ny Direction Provinciale de la Police Nationale eto Antananarivo no nanaraka fiofanana tany amin’ny Toby Contrôleur Général de Police Razafindrazaka Berthin Antanimora nanomboka ny alatsinainy 21 janoary 2013 teo. Fiofanana izay notarihin’ny Commandant de Police, Philippe Jarzaguet, Mpanolo-tsaina teknika eo anivon’ny Direction de Police Judiciaire. Niompana tamin’ny fanatsarana ny fomba fiasa, ny fanatsarana ny lafin’ny teknika momba ny fikarohana ary ny fampahatsiahivana ny fitandroana ny zon’olombelona izany fihofanana izany.

26/01/2013

Samihafa

Mitsingerina androany ny datin’ny 26 janoary na ny alatsinainy mainty, andro nisian’ilay hetsika notarihan’i Andry Rajoelina izay niafara tamin’ny famoizana ain’olona an-jatony sy fanapotehana fananam-bahoaka sy fananan’olotsotra maro dia maro teto Antananarivo. Eta-taona taorian’izany hetsika nahafatesan’olona sy nahapotehana fananan’olona sy fananam-panjakan izany dia mbola inian’ny fahefam-pitsarana tsy jerena ny momba ity ity raharaha ity na dia tokony handray an-tanana izany avy hatrany aza izy ireo. Marihina fa ny fehezan-dàlana famaizana manan-kery eto amin’ny firenena dia mamaritra mazava tsara fa fanamelohana ho faty no miandry ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny raharaha tahaka itony, sy ireo rehetra izay mpiray tsikombakomba taminy.

26/01/2013

Samihafa

Kisendrasendra ve sa fifandrifian-javatra fotsiny ihany? Izay no fanontaniana napetraky ny maro raha nahita fa tapaka tampoka ny herin’aratra tao amin’ny fiangonana Katolika Andohalo rehefa nandray fitenenana nitondra ny hafatry ny FFKM ny filoha vaovaon’izany rafitra izany, ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. Gaga tamin’izany zava-nitranga izany ihany koa ny tompon’andrikitra amin’ny fikarakarana ny Katedraly izay nilaza fa niantso haingana ny tompon’andraikitra voalohany momba izany kanefa nilaza ity farany fa tsy misy vahaolana azo atao fa miandry ny rariny fotsiny ihany. Marihina fa naharitra 15 minitra teo ho eon y fahatapan-jiro tao amin’ny Katedraly nandritra ity fotoam-pivavahana nametrahana ny filoha vaovaon’ny FFKM ity.

26/01/2013

Samihafa

Nitondra ny heviny manoloana ny fanambaran’ny masoivoho Fratsay ny Ankolafy Ravalomanana any Toamasina. Araka ny fanambaran’izy ireo dia “miverina amin’ny fitsipahana ny tapakan’ny vondrona iraisam-pirenena misahana an’i Madagasikara indray ny Frantsay. Isan’ny mpikambana ao anatin’izany vondrona iraisam-pirenena misahana ny raharaha Madagasikara izany anefa ny Frantsay. Efa ny fitsabahany tamin’ny fanohanana tamin’ny fomba rehetra ny fanonganam-panjakana ihany koa ny raharaha Malagasy ka mahatonga ny firenena sy ny Malagasy latsaka an-davaka toy izao, nefa mbola tsy miova ihany ny fiteniny na efa tena mijaly noho ny krizy ny vahoaka Malagasy”.

26/01/2013

Samihafa

Ela nitoratorahana, ity mpangalatra posikileta iray ity, ka izao tratran’ny polisy izao. Efa maro ireo mpitondra posy bisikileta no mitondra faisana, noho ny afitsok’ ity mpangalatra ity. Tsy vitan’ny mangalatra ihany fa tena mamono ihany koa i Sombila, raha vao mahatratra. Tamin’ny alarobia hariva teo dia tratran’ny polisy teo ampisotroana i Sombila, nisy olona tsara sitrapo sy efa noendahiny no niantso ny polisy ka nahatonga izao fahatratrarana izao.

28/01/2013

Samihafa

Nampiantsoin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta nihaona tamin’ny tamin’ny faran’ny herinandro teo ny Minisitry ny Vola sy ny Minisitry ny Fampianarana ambony. Nandritra izany fihaonana izany no nahafantarana fa nahatratra 605 ny isan’ny mpianatra vaovao nahazo vatsim-pianarana hianatra any ivelany nandritra ny taom-pianarana 2011-2012. Tafakatra avo dia avo arak’izany ny vesatra ateraky ny fiantohana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra mandranto fianarana any ivelany. Fantatra ihany koa fa naaton’ny fanjakana mandram-pahitana vahaolana maharitra ny fanomezana vatsim-pianarana mankany ivelany.

28/01/2013

Samihafa

Notanterahina ny zoma 25 janoary lasa teo maraina teny amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy teny Ivato ny fametrahana ambany Faneva ireo mpianatra ho Commissaires de Police, andiany faha- 18 sy ireo mpianatra ho Officiers de Police andihany faha- 19, rehefa nahavita ny fiofanana ara-miaramila nandritra ny 45 andro. Ny Minisitry ny Filaminana anatiny, ny Contrôleur Général de Police RAKOTONDRAZAKA Arsène no nitarika ny lanonana izay nanamafy fa tena ilaina ny fampitomboana ny isan’ny Polisy ka hisy ny fifaninanana handraisana mpianatra ho Polisy amin’ity taona ity. Ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny Contrôleur Général de Police RAKOTONDRATSIMA Désiré Johnson kosa dia nanamafy ny tsy maintsy hanajan’ny Polisy rehetra ny sata sy ny fitsipi-pifehezan’ny Polisim-pirenena ka aty amin’ny Sekoly dia efa manomboka izany.

28/01/2013

Samihafa

Mitombo isa hatrany ireo izay tsy mankasitraka ny sosokevitry ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina mikasika ny fampifamadihana ny datin’ny fifidianana filohan’ny repobloka sy ny datin’ny fifidianana solombavambahoakan’i Madagasikara. Araka ny nambaran’i Pasteur Milhol, mpitarika ny fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara dia tsy tokony hatao aorian’ny fifidianana solombavambahoaka ny fifidianana filoham-pirenena noho ireto antony ireto. Hanalava indray ny tetezamita ny fanaovana izany satria halaim-panahy handrava ny parlemanta ny filoham-pirenena raha toa ka tsy manana ny ampahany maro ao amin’izany andrim-panjakana izany ny tenany. Marihana fa araka ny andininy faha 60 ao amin’ny lalam-panorenan’ny repoblika faha 4 dia manome alalana ny filoham-pirenena handrava ny Parlemanta rehefa avy nifampidinika tamin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta.

29/01/2013

Samihafa

Notoloran’ny ministeran’ny Fahasalamana môto ireo farim-piadidiam-pahasalamana ao anatin’ny Faritra Atsinanana sy ny Faritra Analanjorofo. Ny minisitra Ndahimananjara Johannita no nanolotra izany tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo. “Ho fanatrarana ny tanjon’ny taona arivo fahatelo no antony nanaovan’ny minisiteran’ny Fahasalamana izao hetsika izao ka ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza no namafisina ny ezaka rehetra. Ny tobim-pahasalamana manerana ny nosy dia ho tolorana ireo fitaovana ireo avokoa”, izay no nambaran’ny minisitry ny fahasalamana nandritra ny fotoam-panolorana ireo môto ireo. Miisa 16 ny môto natolotra ireo tobim-pahasalamana amin’ny Faritra Atsinanana sy Faritra Aananjorofo. Nomarihan’ny minisitra hatrany fa “entina hanatsarana ny fanaovam-bakisiny sy hampihenana ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza ireto fitaovana ireto. Efa nanao ezaka tamin’ny fividianana vakisiny ny minisitera, izay nahazoantsika loka manokana iraisam-pirenena. Ireo toerana tena saro-dalana no notolorana izany”, hoy ihany ny minisitra.

29/01/2013

Samihafa

Tamin’ny alalan’ny fanambarana no nampahafantaran’ny Polisim-pirenena fa hatramin’izao dia mbola tsy miasa foana ny polisy any Mananjary. Handray ny asany anefa izy ireo rehefa vita ny fanarenana ny Commissariat any an-toerana sy ny famerenana amin’ny laoniny ny fitaovana nopotehan’ny fokonolona tamin’ny taon-dasa. Marihina fa hatramin’ny 24 desambra 2012, fotoana nanafihan’ny fokonolona taorian’ilay ady nahafatesana olona iray tany an-toerana no tsy niasa ny polisy any Mananjary.

29/01/2013

Samihafa

Tovolahy kely roa, 4 taona ny iray ary 13 taona ny iray: ireo no namoy ny ainy vokatry ny fianjeran’ny trano nonenan’izy ireo, omaly maraina tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany. Tao Ikianja Ambohimanga Ankatso no nitrangan’izany. Ny fanazavana nataon’ilay renim-pianankaviana no nahafantarana fa nirodanan’ny tamboho izay teo akaikiny ny trano fonenan’izy ireo tamin’io fotoana io. Rakotra tao avokoa izy fito mianaka izay tao an-trano avokoa tamin’io fotoana io. Niezaka namonjy azy ireo ny fokonolona manodidina rehefa nahare ny antso vonjy. Nisy arak’izany ireo izay voavonjy na dia naratra be aza, saingy maty avy hatrany tamin’izany ilay tovolahy kely vao 4 taona. Ilay faharoa, izany hoe ilay 13 taona kosa dia mbola nentina teny amin’ny hôpitaly, saingy tsy voavonjy ihany koa.

30/01/2013

Samihafa

Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ireo mpiaro ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta sy ireo olona tao anatin’ilay fiara nanakana ny fiara iray tamin’ireo fiara miisa efatra nampiasaina tamin’ny dian’ny Praiminisitra tany amin’ny ilany atsimon’ny Nosy.Tamin’ny marainan’ny alatsinainy teo no nitrangan’izany fanafihana izany. Fiara roa ireo nanakana ny fiaran’ny mpanolo-tsaina ao anivon’ny Primatiora izay isan’ireo isan’ireo nitandahatra niaraka tamin’ny fiara nanontrona ny Praiminisitra tany atsimo. Voasambotra ny mpamilin’ilay fiara mpanafika izay nivadika taorian’ny fifampitifirana. Mametram-panontaniana mikasika ny ao ambadik’izany fanafihana ny fiaran’ny Praiminisitra izany ny mpanara-baovao.

30/01/2013

Samihafa

I Toamasina indray no nanaovan’ny “Brigade Anti-Piratage (BAP)” avy aty Antananarivo fisafoana tamin’ny fiandohan’izao herinandro izao. “Brigade Anti-Piratage (BAP)” avy eto Antananarivo. Ny mpandrindra nasionalin’ity rafitra ity, ny Kolonely Dieu Donnée Alphonse no nitarika izany hetsika izany. Kapila mangirana piraty miisa 1.797 no noraofina tamin’ireo mpivarotra izany am-polony, ka rakin-kira sy horonan-tsary vita Malagasy avokoa ny ankamaroany.

31/01/2013

Samihafa

Nesorina tsy ho filohan’ny Vondrona politika UDRC ny kandidan’ny PSDUM, Lahiniriko Jean. Nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataon’ireo mpikambana ao amin’ity Vondrona ity no nampahafantarana izany. Manomboka izao dia i Reboza Julien indray no filohan’ity Vondrona ity. Mihena toy ny fen’antotra arak’izany ny mpanohana an’izao Tetezamita izao. Marihina fa mbola i Lahiniriko Jean no nitarika ny delegasiona avy amin’ny UDRC izay nihaona tamin’ny iraky ny SADC, Leonardo Simao, omaly.Rovi-damba ririnina i Rajoelina amin’izao fotoana izao, hoy ny mpanara-baovao maro. Niparitaka tanteraka ny UDRC izay vondrona politika nanohana azy, taorian’ny tsy filatsahany ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

31/01/2013

Samihafa

Isan’ireo Vondrona Politika noraisin’ny iraky ny SADC, ny Docteur Leonardo Simao omaly ny delegasiona avy amin’ny HPM. Taorian’izany fihaonana izany dia nanaiky namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety izay tonga teny an-toerana izy ireo. Nisongadina tamin’izany ny tsy fankatoavan’ity Vondrona HPM ity ny soso-kevitra naroson’ny Filohan’ny tetezamita Rajoelina ny hampandrosoana ny fifidianana Solombavambahoaka ka hanaovana izany mialoha ny fifidianana Filoham-pirenena.

31/01/2013

Samihafa

Nihamafy ny herin’ilay rivo-doza Felleng ary efa lasa “cyclone tropical” izany hatry ny omaly. Raha araka ny vinavina dia mety hahakasika ny morontsirak’i Madagasikara izy amin’ity androany ity. Mahatratra hatramin’ny 19 km isan’ora ny hafainganam-pandehan’izany rivo-doza izany ary hitondra rivotra sy oram-be amin’ireo faritra lalovany.

01/02/2013

Samihafa

Andro fahadimy amin’ny hetsika nataon’ny vahoaka any Tolagnaro ny omaly. Tapaka avokoa ny fifamoivoizana tao an-drenivohitra Anôsy, nanomboka ny maraina. Isan’izany ny làlana miainga eo amin’ny Kaleta-Hotel, mihazo ny lalana Bazaribe, ny lalana midina any amin’ny Ladoany ka hatrany amin’ny Toby Miaramila (Camp Flacourt). Izany dia vokatry ny sakan-dalana ataon’ny vahoaka mitaky ny hofanesorana amin’ny toerany ny lehiben’ny faritra Anôsy sy ireo mpiara-miasa aminy. Tondroin’ny mpanao fihetsiketsehana ho rangory fototry ny afo amin’ny tsy fatanterahan’ny fitakiana ataon’izy ireo ny lehiben’ny faritra.

01/02/2013

Samihafa

Miisa 37 mianadahy ireo mpianatra andiany faha-fito nivoaka omaly tao amin’ny Centre de Formation en Commerce International et Concurrence (CFCIC). Nahavita fiofanana telo volana amin’izay rehetra ilaina mikasika ny asan’ny varotra ivelany izy ireo. Nahavita ny « test d’évaluation », nahavita « voyage d’études » tany Toamasina hijerena ny seranana sy ny orinasa hiarahana miasa. Nandritra ny lahateny izay nataon’ny talen’ity sampam-pihofanana ity, Rasoavelona Victorine, no nilazany fa tsy mitsahatra manatsara hatrany amin’izay tokony ho fandraisany anjara bebe kokoa amin’ny fanampiana ny sehatra tsy miankina eo amin’ny lafiny ara-barotra eto amin’ny firenena ny CFCIC. Porofon’izany ny firosoana ny fanovana ny CFCIC ho ivo-toerana nasionaly ara-barotra. Ao koa ny fikarakarana ny fizarana asa ho an’ny mpianatra. Nambaran’ny Tale Jeneralina Lefitry ny Banky BOA kosa fa ny Bank Of Africa no handray an-tanana ny fanomezana « stage pratique » an’ireo mpiofana enina mendrika indrindra.

01/02/2013

Samihafa

Mbola tsy ahitam-panafany hatramin’izao ny firongatry ny fanafihana ataon’ireo malaso any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny. Lasibatra indray araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana ny kaomina ambanivohitra Manambaro. Omby miisa roapolo no indray nalain’ireo dahalo an-keriny ny marainan’ny alarobia 30 janoary lasa teo.

01/02/2013

Samihafa

Nahazo fampitandremana nisesisesy avy amin’ny Lehiben’ny Faritra Anosy ireo onjam-peo any Tolagnaro ka voakasika manokana amin’izany ny radio Josvah. Taorian’ireo fanehoan-kevitra nataon’ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny Lehiben’ny faritra sy ny orin’asa QMM tao amin’izany onjam-peo izany no nisian’ny fanenjehana. Mandeha arak’izany ny resaka fa mety hiroso amin’ny fanakatonana an’ity onjam-peo ity ny tomponandraikitra.

01/02/2013

Samihafa

Nahitam-bokany sahady ny hetsika manokana izay nataon’ny komisaria Isotry ho famongorana ny halatra sy ny haro-paosy ary ny sinto-mahery tao amin’ny tsenan’Isotry. Araka ny tatitra avy amin’ny Polisim-pirenena dia olona 8 no voasambotra omaly tontolo andro vokatr’izany hetsika manokana izany.

01/02/2013

Samihafa

Efa hatramin’ny omaly no nihena ny herin’ilay rivo-doza Felleng. Tsy niditra an-tanety araka ny vinavina izany rivodoza izany fa nandalo tamin’iny ilany antsinanan’ny morontsiraka antsinanan’ny Nosy iny.

02/02/2013

Samihafa

Niharan’ny herisetra ny Talem-paritry ny Mponina Analamanga Rakotonirina Angelo. Teny an-dàlana, raha iny izy nanao fanatanjahan-tena iny, no nisy nanatsatoka antsy avy any aoriana. Ny sandriny havanana no voa tamin’izany. Nitondra basy ireo mpanafika saingy soa ihany fa tsy nampiasain’izy ireo izany basy izany. Manahy mafy ny fisian’ny fifandraisan’izao tranga izao amin’ny ezaka ataony amin’ny fiarovana ireo vahoaka nohon’ny ady tany sy ny fandrodanana trano mahazo azy ireo ity talem-paritry ny Mponina ity. Araka ny nambarany dia nahazo fandrahonana an-telefaonina maro dia maro izy tato ho ato.

02/02/2013

Samihafa

Olona miisa enina no efa nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny polisim-pirenena noho izy ireo voaroiroy amin’ny raharaha fanafihana ny trano fonenan’ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Rasendrahasina Lala. Niaiky ny heloka iampangana azy ny iray tamin’ireo voaroiroy, araka ny fanambaran’ny polisy. Voasambotra ihany koa ny olona izay voalaza fa namatsy fitaovam-piadiana azy ireo. Tsy misy ambadika politika araka ny nivoizan’ny sasany azy ny raharaha fanafihana ny trano fonenan’ny mpitadrina Rasendrehasina Lala filohan’ny fiangonana FJKM. Izay no nambaran’ny polisy izay nandray an-tananana ny fanadihadiana an’ity raharaha ity. Araka ny fanazavan’izy ireo dia asan-jiolahy iny nitranga iny. Azo heverina ho fanarian-dia ny mpanao famotorana arak’izany ny filazan’ny iray tamin’ireo mpanafika fa nisy naniraka izy ireo.

02/02/2013

Samihafa

Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka tao Ambatomirahavavy dia sarona ny 30 janoary teo, ny lehilahy iray tokony ho 37 taona, nisandoka ho “contrôleur” avy ao amin’ny Fiadidiana ny Jirama Antananarivo.

02/02/2013

Samihafa

Hatao lavaty ampahibemaso ary azon’ny be sy ny maro handraisana anjara ireo entana tsy alain’ny tompony tao anatin’ny enim-bolan’ny taona 2012 tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Amin’ny alatsinainy sy talata ho avy izao no hanatanterahana izany lavanty ampahibemaso izany araka ny fanambarana nataon’ny Tale jeneralin’ny ladoany, Vola Razafindramiandra. Ny ladoany Toamasina sy ny Antenimieran’ny Varotra miaraka amin’ny vadintany mpanao lavanty izay tsy iza fa i Rasamimaka Mahefalahy no mikarakara izany.

02/02/2013

Samihafa

Lasibatry ny halatra ny « Maison des jeunes » tao Ambalavao. Ny alin’ny alakamisy lasa teo no nitrangan’izany. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia ny efitra lehibe tao amin’ity trano ity no nidiran’ireo mpangalatra ka teo amin’ny varavaran-kely izy ireo no niditra. Lasan’izy ireo tamin’izany ny moto iray sy bisikileta roa ary seza sy fanaka hafa tao amin’ity trano ity.

04/02/2013

Samihafa

Manahy mafy ny hisian’ny tsy fahampian’isan’ny mpiasam-panjakana atsy ho atsy ny Minisitry ny Asam-panjakana sy ny Asa ary ny Lalàna sosialy Tabera Randriamanantsoa. Handeha hisotro ronono avokoa ny 35% n’ireo mpiasam-panjakana eo anelanelan’ny taona 2014 sy 2015 raha araka ny fanazavany. Olona 3000 isan-taona no raisina raha tiana ho tafaverina amin’ny laoniny ny isan’ny mpiasam-panjakana amperin’asa. Tsy ho ampy ny isan’ny mpiasam-panjakana amperin’asa raha tsy mandray fepetra haingana amin’ny fanoloana an’ireo izay lasa nisotro ronono ny fitondram-panjakana.

04/02/2013

Samihafa

Namoaka fanambarana iombonana ireo mpianatra Malagasy mandranto fianarana any Chine. Araka ny voalaza ao amin’nvotoatin’izany fanambarana izany dia manahy mafy izy ireo manoloana ny resaka mandeha fa mety hampodiana an-tanindrazana ireo mpianatra mandranto fahaizana any ivelany noho ny tsy fisian’ny vola homena azy ireo . Nambaran’izy ireo azy fa endrik’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo, ary tsy latsa-danja amin’ireo mpianatra hafa any amin’ity firenena ity. Manaitra ny tompon’andrikim-panjakana manoloana izany ary izy ireo ary manao antso avo mba hisian’ny fandraisana fepetra tsy hisian’ny fampodiana azy ireo an-tanindrazana mialoha ny fahavitan’ny fianarana hataony any.

04/02/2013

Samihafa

Isan’ireo nanosika ny fiara nitondra azy ireto lehilahy roa ireto kanjo lasan’ny rano. Teo amin’ny “radier” tao Ambohitoaka, 10 km miala an’i Mampikony no nitrangan’izany. Niakatra be ny rano tamin’io fotoana io fa sarotra tamin’ilay fiarabe nitondra azy ireo ni niampita teo amin’ilay “radier”. Ny asabotsy hariva vao hit any fatin’ilay iray voalohany ary ny alahady maraina kosa vao hit any fatin’ilay faharoa.

04/02/2013

Samihafa

Ry havana malala rehetra ao amin’nyTompo, Voninahitra ho an’Andriamanitra no ahazoako mijoro miteny eto anatrehanareo Zoky, Ray Aman-dreny ara-panahy sy ara-nofo, ara-Piangonana sy ara-Piarahamonina; toy izany koa ianareo Zandry, Zanaka. Ankoatry ny fisaorana an’Andriamanitra, Tompon’ny zavatra rehetra sy Mpandahatra sy Anton’izao fihaonantsika izao, izay efa natomboka hatramin’ny fiandohan’ity lanonana ity dia raisiko ho fifaliana ho ahy ny miarahaba anareo tsy ankanavaka na lahy na vavy na antitra na tanora. Ity fankalazana an’Andriamanitra noho ny fitsingerenan’ny faha-50 taona nahaterahako ity dia nokasainay mivady ho marihana araka ny fombanay kanefa ny Tompo dia nanana ny fiheverany sy ny fikendreny manokana ary dia:

05/02/2013

Samihafa

Avy aty Antananarivo ny baiko handohavana ny vola takalon’ny namotsorana ireo zanaka sinoa nisy naka an-keriny tany Toamasina ny alin’ny sabotsy 26 janoary teo, araka ny loharanom-baovao. Tany Toamasina ihany kosa no voalaza fa nandohavan’ny havan’izy ireo an’izany vola izany izay mitentina 680.000 Euros na 2.108.000.000 Ar. Olona miisa 10 no efa nosamborin’ny mpitandro filaminana noho izy ireo voaroiroy ho mpiray tsikombakomba tamin’izany fakana an-keriny izany. Hatreto dia mbola maro dia maro ireo teboka tsy mazava manodidina ilay rahataha fakana an-keriny zanaka mpandraharaha sinoa ny alin’ny sabotsy 26 janoary lasa teo tany Toamasina. Zava-misy izay miteraka resabe maro dia maro any Toamasina any amin’izao fotoana izao. Na izany na tsy izany dia misy ihany koa ny fanampim-baovao momba ny fivoaran’izany raharaha izany amin’izao fotoana izao.

05/02/2013

Samihafa

Nandritra ny tatitra nataony mikasika ny asan’ny Polisim-pirenena tany Toamasina no nanambaran’ny filohan’ny fikambanana “Tsimanavaka” fikambanan’ny polisy ny FIP Toamasina, Rakotomalala Diminique Marie-Paul, fa “taona tena mafy ho anay FIP iny taona nivalona iny, na teo amin’ny asa izany na teo amin’ny fahamaroan’ny polisy tra-doza am-perin’asa noho ny fitandroana ny filaminana ary koa ny tafiditra fahasahiranana koa izahay noho ny krizy iainan’ny firenena”.

05/02/2013

Samihafa

Nanao bemidina tao amin’ny toerana misy ireo mpivarotra fatim-by tao Ambalambe Toamasina ny zandary avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny Emmo-Reg. Ny sabotsy maraina tokony tamin’ny 10 ora nanaovan’izy ireo izany hetsika izany. Fanitso, fantsona, karazamby sy fitaona samihafa izay samy nangalarina teo anivon’ny orinasa mpanadio menaka, fananan’ny fianakaviana Ravalomanana, no sarona tamin’izany. Nangonina arak’izany ireo rehetra ireo ary napetraka tamina toerana manokana sy voaaro. Olona telo izay samy mpivarotra ireo entana halatra ireo kosa no voasambotra ary nanaovana fanadiadiana mikasika izany, izay samy niaiky ny nataony avokoa ary nampidirin’ny fitsarana am-ponja vonjy maika rahefa niakatra fampanovana sy mpitsara mpanao famotorana omaly maraina.

05/02/2013

Samihafa

Manohitra marin-drano ny fanovana ny tetiandro izay efa nofaritan’ny CENIT miaraka amin’ireo manampahaizana avy amin’ny Firenena Mikambana ny KMF CNOE. Tamin’ny alalan’ny fanambarana izay nataon’ity fikambanana ity omaly no nilazan’izy ireo fa tsy tokony hovana intsony izany tetiandro izany satria mety hiteraka krizy vaovao eo amintsika indray.

05/02/2013

Samihafa

Toy ny fanaony isan-kerinandro dia nanao tatitra mikasika ny zava-misy momba ny fitandroana ny filaminana eto amin’ny firenena ny fivorian’ny tompon’andraikitry ny fandriampahalemana telo tonta eto Madagasikara. Anisan’ny nibahan-toerana tamin’y fivoriana nataon’izy ireo omaly, araka ny tatitra, ny fitandroana ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahalemana amin’izao fanomanana ny fifidianana izao. Nambaran’ny tatitra fa tsy zava-baovao izany fa andraikitra efa voafaritry ny lalàna hiantsorohan’izy ireo mialoha ; mandritra ary aoarian’ny fifidianana.

06/02/2013

Samihafa

Nitondra fanazavana tamin’ny antsipirihany ny zava-nitranga hatramin’ny nisian’ilay fakana an-keriny farany teo tany Toamasina ka hatramin’ny nahasamborana an’ireo mpaka an-keriny ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Vondrom-paritry ny Zandarmariam-pirenena Toamasina I. Efa voasambotra avokoa ireo mpaka an-keriny ary efa votsotra ihany koa ireo nalaina an-keriny. Araka ny fanazavan’izy ireo dia ny sabotsy 26 janoary tamin’ny 07ora hariva no nanombohan’ny fakana an-keriny an’ireo zanaka sinoa mpandraharaha tao Toamasina ireo. Tao Tanamakoa no nakan’ny mpaka an-keriny azy ireo. Mbola tsy nisy nahalala ny zava-nitranga anefa ny fianakavian’izy ireo raha tsy ny alahady 27 janoary maraina, rehafa nisy ny antso an-tarobia nataon’ireo mpaka an-keriny.

06/02/2013

Samihafa

Mbola mpianatra ao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha izy roalahy izay nosamborin’ny polisy satria tratra nifoka rongony. 18 taona ny iray ary 21 taona kosa ny faharoa. Voasambotra ihany koa ny mpivarotra ny rongony tamin’izy ireo izay tanora vao 17 taona monja. Tamin’ny alalan’ny vaovao avy amin’ny olontsotra no nahalalan’ny Polisy misahana ny ady amin’ny zavamahadomelina eny Anosy ny fisian’ny trano fifohana rongony eny Manarintsoa. Nidina teny an-toerana arak’izany ny Polisy avy amin’ity sampan ity ka dia tratra tao an-trano ireo tovolahy telo ireo. Ny 04 febroary 2013 tokony ho tamin’ny 10 ora teo ho eo izy ireo no tratra.

06/02/2013

Samihafa

Tsy any amin’ny fonjan’i Toamasina intsony I Rakotomalala Henri na Riribe mpitarika ny hetsiky ny « tsy misy miala aketo niany » tao Toamasina. Nafindra ao amin’ny fonjan’Antanimora ity voafonja ity araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny fonja any Toamasina. Marihina fa betsaka ny resaka nandeha mikasika ity raharaha ity satria nandritra ny fandalovan’ny ekipan’ny CST Ramaroson Alain mitarika ny fanadiadiana parlemantera no nitranga ny raharaha. Ny fanazavana ofisialy kosa no nilaza « noho Rakotomalala Henri na Riribe saika hitarika fikomiana teo amin’ireo voafonja tao Ambalatavoahangy » no nahatonga ny famindrana azy tany Antanimora.

06/02/2013

Samihafa

Raikitra ny disadisa eo amin’ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro sy ny Ben’ny tananan’Ambatondrazaka. Ny fandaminana ny fifamoivoizana eo an-tampontanana no antony nahavaky ny tsy fifankazoana efa nisy hatry ny ela teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany. Ahiana mafy ny hionganan’ny Ben’ny tanana amin’ny maha filohan’ny fikambanan’ny ben’ny tanana any amin’iny faritra iny ny tenany. Tsy nahafaly ny maro, indrindra ireo ben’ny tanana avy amin’ireo kaomina manodidina ny tananan’Ambatondrazaka ny fandaminana nataon’ny Ben’ny tanana Andriamanirison Jacques. Tsy inona izany fandaminana izany fa ny fandraràna ireo taxi-bisikleta tsy hiasa ao anatin’ny tananan’Ambatondrazaka. Araka io fanampahan-kevitra io dia ny fitaterana mampitohy ny tananan’Ambatondrazaka amin’ireo tanana manodidina no azon’ity fitaovam-pivamoivoizana ity atao.

06/02/2013

Samihafa

Nolanian’ny Filankevitry ny Governemanta notanterahina omaly ily volavolana didim-panjakana mamaritra ny isan’ny solombavambahoakan’i Madagasikara amin’ny Repoblika faha-efatra sy ny isan’ny farim-piadidiam-pifidianana solombavambahoaka. Miisa 130 ireo solombavam-bahoaka handrafitra ny antenimieran’ny Repoblika fahaefatra, araka ny loharanom-baovao.

06/02/2013

Samihafa

Nakarina tao Ambatondrazaka, omaly, ireo jiolahy rain-dahany nandroba sy nampihorohoro tany amin’ny kaomina Ankeliloha any Andriamena. Miisa enina izy ireo, izay fantatra fa tompon’antoka tamin’ny fanafihana tanana iray atao hoe Avaradoha tao amin’ity kaomina ity ihany. Fanafihana izay nandroban’izy ireo ny fivarotana lehibe iray tao amin’ity tanana ity ary nandratran’izy ireo ny tompon’izany fivarotana izany.

07/02/2013

Samihafa

Vola mitentina 65 miliara ariary no tsy tafiditra tao amin’ny kitapombolam-panjakana nohon’ny fandraisana fanampahan-kevitra namerana ny vidin-tsolika teto amintsika. Izay no nambaran’ny tale jeneralin’ny Ladoany, omaly, raha nilaza ny dingana vitan’ny ladoany Malagasy ny tenany. Nambarany ihany koa fa tsy lavitry ny manaram-penitra ny fadintseranana Malagasy taorian’ny fanaovazana goavana nataony nanomboma ny taona 2005, ka nametrahana ireo fitaovana hary fomba amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Isan’ny nitondra faisana nohon’ny krizy teto Madagasikara nandritra izay efa-taona izay ny ladoany. Araka ny fanazavana nataon’ny tale jeneralin’ny ladoany Vola Razafindramiandra dia tsy nitsahatra nitontongana ny fidiram-bolam-panjakana tamin’ny alalan’ny fadintseranana na dia iaraha-mahalala aza fa tratra hatrany hatrany aza ny tanjona napetraka isan-taona. Tamin’ny taona 2012 dia nahatratra 65 miliara ariary ny vola tsy tafiditra teo anivon’ny fadin-tseranana, araka ny filazan’ny tale jeneralin’ny ladoany ihany.

07/02/2013

Samihafa

Mivahiny any Toamasina amin’izao fotoana izao ny sekretera jeneralin’ny Fikambanamben’ny Ladoany maneran-tany n any OMD (Organisation mondiale des Douanes) Kunio Mikurna. Nijery ifotony ireo asa notohanan’ny OMD nandritra ny 8 taona tao amin’ny ladoany any Toamasina ity vahiny ity sy ny mpiara-dia aminy. Ny fanohizana ny fanovana rafitra sy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa izay voalaza fa apetraka ho tanjona amin’ity taona ity no votoatin’ny fihaonana teo amin’ny vahiny sy ny tompon’andrikitry ny Ladoany any Toamasina.

07/02/2013

Samihafa

Orinasa iray, mpanjaitra sy mpanondrana fitafiana natokana ho an’ny ankizy, miorina eny Analamahitsy no lasibatry ny halatra ataon’ny mpiasa tao aminy ihany.

07/02/2013

Samihafa

Olona roa tompon’andraikitra ambony amin’ny orinasa lehibe iray eto an-drenivohitra no namoahan’ny fitsarana “Mandat d’amener” noho ny asa ratsy nataony, fisolokiana sy fisandohana andraikitra “Escroquerie et usurpation de fonction”.

07/02/2013

Samihafa

Voasambotry ny polisy ny harivan’ny 29 janoary 2013 teo teny Talatamaty ny teratany maorisianina iray izay notorian’ny sipany fa namono nikasi-tanana azy ka nahazoany tsy fahazoana miasa mandritra ny 10 andro.

07/02/2013

Samihafa

Miaiky ny fiverenan’ny asan-dahalo any amin’ny faritra Atsimo, tato anatin’ny roa volana izay, ny fiadidiana ny Zandarmariam-pirenena. Araka ny nambaran’ny Jeneraly Ravalomanana Richard, nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly, dia ny fampihatoana ny asan’ilay angidimby (helicopter) izay nisahanana ny fitilina sy ny fisafoana ireo faritra fiherèn’ny dahalo no nampirongatra indray izany asan-dahalo izany. Sarotra noho izany ny fifandraisana sy ny fampitam-baovao eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona any amin’iny faritra iny noho ny tsy fisian’izany fitaovana izany.

08/02/2013

Samihafa

Nanamarika ny datin’ny 7 febroary 2009 ny fitondrana HAT, daty manan-tantara amin’ny fiainam-pirenena noho ny rà latsaka sy ny aina nafoy. Samy manana ny fomba fijeriny manodidina iny raharaha iny ny tsirairay avy. Nomelohan’ny Fitsarana ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ary ireo manamboninahitra tamin’izany fotoana, toa ny jeneraly Raoelina.Tokony hotsaraina koa ireo nitarika ny olona hananika ny lapam-panjakana, hoy ny avy amin’ny Fanoherana, sns. Maro ny adihevitra sy ny resaka mandeha taorian’ny horonantsary mirakitra ny “ampamoaka” nataon’ny kolonely Charles Andrianasoavina, indrindra ny zava-boalazany nandritra ny fidirany mivantana tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Nitondra fanazavana manodidina izany ny kolonely Lylyson Urbain de René, lehiben’ny FIS.

08/02/2013

Samihafa

Araka ny loharanom-baovao teny anivon’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana tany Toamasina dia ahitana tera-tany vahiny maro dia maro tsy manana fazoan-dàlana honina eto Madagasikara any an-toerana amin’izao fotoana izao. Mpitondra fanjakana na mpanao politika no miaro azy ireo amin’izany ka sarotra ny fampiharana ny làlana. Ny sinoa sy ny frantsay no maro amin’izy ireo. Isan’ny ahitana vahiny mampiahiahy nefa tsy afaka enjehina ihany koa ao anivon’ny orinasa Ambatovy. Vazaha frantsay iray sy siona iray ary afrikanina tantsimo iray no noroahina teto Toamasina nandritra ny telovolana farany tamin’ny taon-dasa noho izy ireo tsy nanana taratasy ara-dàlana afahany monina eto”.

08/02/2013

Samihafa

Taorian’ny fandroahana azy ireo hiala tao amin’ny biraon’ny fokontany Anosizato Est I dia fantatra izao fa nomen’ny olona tsara sitra-po birao vaovao eny 67ha ny fikambanana Hafari Malagasy. Eny amin’iny faritra iny indray arak’izany no hisy ny biraon’ity fikambanana ity manomboka izao.

08/02/2013

Samihafa

Taorian’ny fihaonana tamin’ny filohan’ny CST dia nihaona tamin’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy rakotoarivelo, omaly, ireo mpikambana ao amin’ny delegasiona mpisavalalana avy amin’ny Vondrona Eropeana.

09/02/2013

Samihafa

Nanatontosa fivoriana ho azy ireo manokana tany Nosy be ireo Lehiben’ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Nandritra izany fivoriana izany no nahafahan’izy ireo nifampizara traik’efa amin’ny zava-misy any amin’ny faritra iadidiany isan’isany avy. Isan’ny nisongadina tamin’izany ny fahatsapan’ny rehetra fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fampiharana ireo làlana momba ny fanapariaham-pahefana eto Madagasikara. Nisy arak’izany ireo vahaolana naroson’ireo lehiben’ny faritra mba hahatomombana izany fanapariaham-pahefana izany.

09/02/2013

Samihafa

Taorian’ny fihainoan’ny mpitsara mpanao famotorana tao amin’ny fitsarana Toamasina ireo voaroiroy tamin’ny raharaha fakana an-keriny ireo zanaka sinoa tany an-toerana dia nampidirina am-poja vonjimaika ireo voapanga. Mbola maro ihany koa ny vaovao miely ao an-tampon-tanan’i Toamasina manodidina ity raharaha ity. Nandalo teo anatrehan’ny fampanoavana tao amin’ny fitsarana tao Toamasina tamin’ny alarobia lasa teo ireo voapanga tamin’ilay raharaha fakana an-keriny ireo zanaka sinoa tany an-toerana. Izany hoe ny fakana an-keriny an’i Wu Chao Ying sy Rakoto Jean Paul tao Toamasina. Ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana no nanao ny fanadiadiana azy folo mianadahy ireo izay enina lehilahy ary efatra vehivavy izay samy voasambotra tamin’ity raharaha fakana an-keriny ity.

09/02/2013

Samihafa

Hanatanteraka fitokonana fanairana ny mpiasa ao amin’ny Banky BFV SG raha tsy misy ny fanampahan-kevitra manoloana ny fitakian’izy ireo. Izay no nambaran’ny mpiasa iray tao amin’ity Banky ity izay nisafidy ny tsy ho tononina anarana. Ny tsy faneken’ny orin’asa hampakatra hatramin’ny 20% ny karama araka ny fitakian’izy ireo no anton’izany fitokonana fanairana mety hataon’izy ireo amin’ny alatsinainy ho avy izao izany.

09/02/2013

Samihafa

Araka ny fanambaran’ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Ati-tany, Rakotonarivo Thierry dia sady tsy ampy ny fotoana no tsy ampy ihany koa ny vola entin’ity ministera ity miatrika ny hetsika fanomezana karapanondrom-pirenena ho an’ireo mpifidy mbola tsy manana izany manerana ny Nosy. Tsy azo antenaina arak’izany ny ahatomombana izany hetsika izany araka ny tokony ho izy na dia efa manao izay ho afany amin’izany aza ity departemanta ity. Nambaran’ity tompon’andrikitra ity fa 3 900 000 000 ariary no nangatahan’ny Ministera mba hanatanterahana izany hetsika izany.

09/02/2013

Samihafa

Miantsona nanomboka omaly ao amin’ny seranan-tsabon’i Toliara ny sambo lehibe iray izay mitondra mpizahatany vahiny miisa 800 mahery. Araka ny loharanom-baova avy any an-toerana dia avy any Australie ity sambo lehibe ity saingy teratany avy any Alemana avokoa ireo mpizaha tany izay nentiny.

09/02/2013

Samihafa

Velon’ahiahy amin’izao fotoana izao ny mponina any amin’ny sompitr’i Madagasikara. Araka ny vaovao avy any an-toerana dia efa mahatratra hatramin’ny 400 ariary mahery amin’izao fotoana izao ny vidin’ny vary fotsy iray kapoaka any an-toerana.

11/02/2013

Samihafa

Miantso ny vahoaka Malagasy hanara-maso akaiky ary handray fanampahan-kevitra manoloana ny fihetsiky ny fitondrana tetezamita ny fikambanana “Collectif Tany”. Tondroin’izy ireo ho manararaotra ny fahefana eo am-pelatanany hivarotana ireo velaran-tany samihafa amina mpanambola avy any ivelany, ary amin’ny fomba maro samihafa, ny fitondran-dRajoelina. Tsy mazava ihany koa araka ny fanambarana nataon’ny “Collectif Tany” ireo fifanarahaha nahafahan’ireo orin’asa goavana mahazo velera-tany lehibe eto Madagasikara. Notsiahivin’izy ireo fa tsy afaka mamatotra an’i Madagasikara amina fifanarahana goavana toy izany ny fitondrana tetezamita.

11/02/2013

Samihafa

Niantso ny mpiara-dia aminy tsy hanao teny manafintohina ny hafa ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Niantso azy ireo haneho firaisan-kina ihany koa ny tenany ary nanambara fa ho avy ny fotoana ilazany ny daty hiverenanany eto Madagasikara. Nambarany ihany koa fa mivory any Maputo ny Troika handinika izay fanampahan-kevitra ho raisina. Nifampiarahaba nohony fahatratrarana ny taona vaovao ny ankolafy Ravalomanana ny sabotsy teo tany Amboanjobe.Nandritra izany fotoana izany no nanamafisan-dRavalomanana ny tsy hanolorany kandidà amin’ny fifidianana hatao eto Madagasikara raha tsy efa tonga eto Madagasikara ny tenany.

11/02/2013

Samihafa

Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika indray tao an-tampon-tananan’i Toamasina ny zoma lasa teo. Tranom-barotra lehibe (quincaillerie) iray tao amin’ny fokontanin’i Tanamakoa any Toamasina no lasibatr’izany fanafihana izany ny tolakandron’ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora, ka lasan’izy ireo ny vola mitentina 10 tapitrisa tao amin’ity tranombarotra ity. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny “kalachnikov” iray sy “Pistolet automatique” miisa telo ireo jilolahy efatra nanatanteraka ity fanafihana ity. Ny loharanom-baovao ihany koa no nilaza tao anatin’ny minitra vitsy monja dia vitan’ireto jiolahy ireto izany fanafihana izany. Marihina fa nitondra moto scooter izy ireo tamin’io fotoana nanaovany ny asa-ratsiny io.

11/02/2013

Samihafa

Manoloana ny fampihorohorona ataon’ny Filohan’ny tetezamita sy ireo mpiara-dia aminy, amin’ny mety hisian’ny korontana eto Madagasikara raha tsy mandeha mialoha ny fifidianana solombavambahoaka, dia fantatra izao fa nandray fanampahan-kevitra ny Governemanta sy ny fianankaviambe iraisam-pirenena, ka isan’izany i Etazonia. Ity farany izay nampitandrina an-dRajoelina sy ny mpiara-dia tamin’ny tao amin’ny tambajotra « tweeter » an’ny masoivohon’i Etazonia eto amintsika.

12/02/2013

Samihafa

Tamin’ny alalan’ny tompon’andraikitra ambony tao amin’ny fiadidiana ny Fiangonana Katolika Romana no nahafantarana fa nametra-pialàna amin’ny fitantanana ny Eglizy Katolika maneran-tany ny Papa Ray Masina Benoit faha XVI. Araka ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity dia ny fahatsapan’ny Ray Masina fa tsy ampy hiatrehany ny andraikitra nankinina taminy intsony ny heriny, no nahatonga azy nandray izao fanampahan-kevitra izao. Amin’ny 28 febroary 2013 amin’ny valo ora alina no hiala tanteraka amin’ny Fiketrahana Masina ny Papa Benoit faha XVI. Manomboka amin’io ora io dia miditra amin’ny fotoana atao hoe « sede vacante » na fahabangan-toeran’ny fiketrahana Masina ny Fiangonana Katolika . Araka ny vaovao azo farany dia mety ho any amin’ny volana Marsa no hiantso fivoriamben’ny Kardinaly maneran-tany ny fiadidiana ny Fiangonana katolika mba hifidy izay hisolo ny Papa Benoit XVI.

12/02/2013

Samihafa

Tsy ady mangatsiaka intsony fa tena ady mafana ny misy eo amin’ny Filohan’ny tetezamita sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta. Efa mibaribary tanteraka amin’izao fotoana izao ny fifanenjehana eo amin’ny roa tonta, amin’ny alalan’ireo mpomba azy sy ireo mpampita vaovao avy amin’ny an-daniny sy ny an-kilany, izay tsy mifampitsitsy amin’ny teny avoaka sy ny fifanaratsiana. Ahiana mafy arak’izany ny hampitatra ity raharaha ity amin’ny ratsiratsy kokoa, satria efa misy mihintsy ny manoso-kevitra ny amin’ny tokony hitarihana vahoaka hihazo ny lapam-panjakana eny Mahazoarivo ho fanerena ny fialàn’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta.

12/02/2013

Samihafa

Nahatratrarana andramena tao anaty gony maromaro izay nentina fiara venenty miisa telo tany amin’ny tanàna iray atao hoe Ambakirano ao amin’ny distrikan’Ambilobe. Araka ny fantatra dia avy any SAVA ireto hazo sarobidy ireto. Tsy fantatra kosa ny toerana saika hitondrana azy. Tazonina ao Ambilobe amin’izao fotoana izao ireo mpamily sy ny fiara ary ireo andramena nentiny. Taorian'ny fahatratrarana andramena tao Vohémar, faritra Sava, vao tsy ela akory izay dia nahatratrarana hazo sarobidy telo kamiao indray tao Ambakirano ao amin’ny distrikan’Ambilobe. Teo amin’ny lalana mankany Vohémar no nahatratrarana izany ny alahady 10 febroary teo. Tamin'ny alalan’ny vaovao azo tamin'olona tsara sitra-po no nahafantarana ny fisian’izany kamiao nitondra andramena izany.

12/02/2013

Samihafa

Tsy voaaja indray ny tetiandro efa nofaritana tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra mikasika ny fananganana ny rafitra FFM. Araka ny loharanom-baovao dia mety ho amin’ny alarobia indray vao ho fantatra ny anaran’ireo izay ho mpikambana ao amin’ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy na ny FFM, raha tokony ho amin’ity androany ity no natolotra ny filankevitry ny Governemanta izany. Mbola mitohy arak’izany ny fandinihina ny atontan-taratasin’ireo kandida natolotry ny fiaraha-monim-pirenena ho mpikambana ao amin’izany rafitra izany. Izany hoe mbola tsy misy, na dia iray aza, ny vaovao ofisialy momba ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny FFM.

13/02/2013

Samihafa

Lehilahy iray sy vehivavy iray no nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena omaly noho izy ireo nahatratrarana rongony tao an-tranony. Tamin’ny alalan’ny vaovao avy amin’olontsotra no nahafantaran’ny Polisy avy ao amin’ny miady amin’ny zava-mahadomelina Anosy fa misy ramatoa iray mivarotra rongony eny amin’ny manodidina ny Fasankarana. Nidina teny an-toerana ny Polisy ka tratra tao an-tranony teny amin’ny Fasankarana ihany ilay ramatoa antsoina hoe Antoinette, 23 taona mpivaro-drongony. Rehefa natao ny fisavana ny tranony dia tratra tao ny rongony 33 fonosana.

13/02/2013

Samihafa

Niakatra ny isan’ny mponina sivily nangataka fazoan-dàlana hihazona fitaovam-piadiana ho fiarovan-tena sy fiarovam-pananana raha ny zava-nisy tany amin’ny distrikan’Ambatondrazaka no jerena. Ireo mpamboly vary no betsaka mangataka izany fazoan-dàlana hitana basy izany, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andrikitra ao amin’ny biraon’ny fiarovana any an-toerana. Betsaka torak’izany ihany koa ny manavao ny fahafahany mitam-basy isan-taona. Tamin’ny fotoanan’ny fampiakarana ny voka-bary no tena naha-betsaka azy ireo, antony ilazana fa tsy mahatoky ny fahafahan’ny mpitandro filaminana miaro azy sy ny fananany ireo tantsaha any an-toerana.

13/02/2013

Samihafa

Efa tonga eny amin’ny fiaraha-monina sy ny tokatran’ny Malagasy ihany koa ny voka-dratsin’ny krizy politika niteraka olana goavana ara-tsosialy eto amintsika; betsaka noho izany ireo lasa manaotao foana noho ny zava-misy sy iainany an-davanandro. Atoa

14/02/2013

Samihafa

Tamin’ny fanambarana izay nataony nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly no nilazan’ny tale jeneralin’ny Birao mahaleotena amin’ny ady amin’ny kolikoly na ny BIANCO, Faly Rabetrano, fa tao anatin’ny roa taona no nanaovan’izy ireo ny fanadihadiana mikasika ny fisian’ny fanodikodinambolam-panjakana tao an’ivon’ny primatiora lefitra miadidy ny Fahasalamana tamin’ny fotoana nitantanan’ny Profesora Alain Toandrazanarivelo. Loharanom-baovao hafa kosa no nahafantarana fa mahatratra 700 tapitrisa ariary ny volam-panjakana voahodina tao amin’ity ministera ity nandritra izany fotoana izany, ary miisa 6 ireo olona voaroiroy amin’izany.

14/02/2013

Samihafa

Raha ny didim-pitondrana laharana 29.504/2012-MINCOM ny 08 novambra 2012, dia ny 08 febroary teo no tokony nanaovana ny fifidianana izay mambra ny antenimieran’ny varotra Toamasina (CCIT). Tafiditra eo anivon’izy ireo mamdra ny “comite ad’hoc” koa anefa ny viriosin’ny fitondrana tetezamita tao anatin’ny efa-taona, ka nahemotra ny 16 martsa indray izany fifidianana izany araka ny didim-pitondrana 2264/2013-MINCOM ny 06 febroary 2013 lasa teo.

14/02/2013

Samihafa

Tamin’ny vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantaran’ny Polisy avy ao amin’ny STUP Anosy fa misy trano iray eny Ambodin’ Isotry izay fifohana rongony. Nidina teny an-toerana ny polisy ny talata teo tamin’ny 11 ora atoandro. Ka tratra tao an-trano ny lehilahy miisa 9, tratra ambodiomby teo am-pifohana rongony izy ireo. Voasambotra niaraka tamin’izy ireo ihany ny roalahy hafa. Ny iray antsoina hoe Faly kosa dia mpivarotra sy mpitaky hofan-trano hoan’ireo mpifoka rongony ireo.

14/02/2013

Samihafa

Tamin’ny vaovao olona tsara sitrapo ihany no nahafantaran’ny polisy avy ao amin’ny STUP Anosy fa misy trano iray eny Ankadimbahoaka Andrefana, izay fivarotana sy fifohana rongony. Nidina teny an-toerana ny polisy anio tamin’ny 7 ora maraina, ka tratra tao an-tranony ny lehilahy iray antsoina hoe Claude Fabien, 35 taona. Tratra nairaka taminy ny rongony 50 fonosana .

15/02/2013

Samihafa

Asa na fifandrifin-javatra na tetika efa maty paika, fa nandritra ny andro vitsivitsy izay dia lasibatry ny andian-jiolahy mitam-basy ny tokatranona “officiers”, na avy ao amin’ny tafika izany na avy ao amin’ny polisim-pirenena. Ny tranga farany dia izay nanjo ny manamboninahitra mpitsabo miaramila izay namoy ny ainy noho ny tifitra nahazo azy, ny alin’ny alarobia nifoha alakamisy eto teny an-tokotaniny. Opération manamboninahitra sa asan-jiolahy toy ny mahazatra ihany. Io no fanontaniana apetraky ny maro manoloana ny tranga nisesisesy tato ho ato. Isan’izany ny zava-nitranga ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo, tokony ho tamin’ny misasak’alina.

15/02/2013

Samihafa

Narary mafy nanomboka ny 12 febroary lasa teo Rtoa RAZAIARIVELO Helmine, renin’i Lalao Ravalomanana.Fantatra fa aretina vokatry ny alahelo (aretim-po sy tosi-dra) no mahazo azy.Tafakatra hatramin’ny 23 ny tosi-dràny ary dia tsy maintsy naiditra hopitaly izy ny andron’io ihany. Araka ny fitantaran’i Hanitra, zanany vavy dia alahelo an-janany vavy lasa sesin-tany atsy Afrika Atsimo no tena anton’izany. Tsy nanaiky ny hamelana an’i Lalao Ravalomanana hody eto Madagasikara kosa hy filohan’ny tetezamita raha nangatahana manokana ny amin’izany. Tonga namangy ny renin’i Lalao Ravalomanana tetsy amin’ny clinique Ankadifotsy, hopitaly misy azy ny solontenan’ny Ankolafy Ravalomanana omaly atoandro, nahitana ny Praiministra Lefitra Botozaza Pierrot, ny Minisitry ny Varotra Olga Ramalason ary Me Hanitra Razafimanantsoa Filoha Lefitry ny CST.

15/02/2013

Samihafa

Fofona maimbo sady tsy laitra iainana no heno teny amin’ny Pont FITIM, toerana izay mbola ato anatin’ny kaomina Mahajanga I sady manamorona ny lalam-pirenena faha-4 tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo, fofona izay nahavelon-taraina ny mpandalo rehetra. Ny zoma lasa teo ihany koa dia velon-taraina ireo mponina teny amin’ny manodidina ny tobim-panariam-pakon’ny kaomina eny Antanimasaja vokatry ny fofona maimbo sy tsy laitra iainana teny an-toerana. Samy vokatry karakasin-drakaka izay arian’ireo orinasa mpanjono sy mpanondrana drakaka eto Mahajanga ireo fofona ireo. Fantatra fa fako avy amin’ny orinasa ireo fako mitera-pofona ka manimba ny tontolo iainana ireo saingy tsy mbola fantatra kosa hoe iza amin’izy ireo no nahavita ny nanary ny fakony amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany. Manoloana ireo tranga ireo dia manaitra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny GOSOC Komanga (Groupement des Organisations des Société Civils) izay ivondronan’ireo ONG, fikambanana, Vondron’olona Ifotony miaro ny tontolo iainana eto Mahajanga ny mba hijerena sy hanaraha maso akaiky ireo orinasa manana fako mety hanimba ny tontolo iainana, hijerena ny toerana fanarian’izy ireo ny fakony sy ny hampiharana ny lalàna amin’ireo mpadika izany.

15/02/2013

Samihafa

Nandritra ny lanonana sy fihaonambe fifampiarahabana tratry ny taona vaovao ho an’ny skoto tany toamasina no nanambaran’ireo skoto zokiny fa tsy maintsy hatao ezaka manomboka izao ny fanarenana ity fikambanana ity. « Manomboka mivaralila tsy mifanaraka amin’ny tanjona napetraky ny mpamorina ny skoto, Baden Powel, ny zava-misy amin’ireo zandry sy zanaka miditra eo anivon’ny fitaizana skoto malagasy ankehitriny.

15/02/2013

Samihafa

Olona telo samy hafa no tratra ambodiomby teo nivarotra rongony tany Ambohijafy Fenoarivo ny alarobia 13 febroary lasa, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Lehilahy 29 taona ny voalohany. Mpivarotra hani-masaka no asany ary tao amin’ny tseanany no nahatratrarana fonosana rongony 14 isa izay amidiny 500 ariary ny fonosana iray.

15/02/2013

Samihafa

Velon-taraina indray amin’izao fotoana izao ireo mponina mipetraka amin’ny faritra lalovan’ny fantsona mitondra ireo vokatry ny teteik’asa Ambatovy. Arakan y fitarainan’izy ireo dia maro amin’izy ireo no tratry ny haretina sempotra amin’izao fotoana izao. Monina amin’ny faritra manodidina ny 100 metatra manodidina ny orinasa Ambatovy ao Tsararivotra Toamasina suburbain ny ankamaroan’ireo olona mitaraina ireo. Araka ny nambaran’ireto mponina ireto ihany dia nanomboka ny alahady sy ny alatsinainy teo no nitrangan’izany. Voalazan’ireo milaza ny tena voan’ilay entona tamin’ny mpanao gazety, fa mitovy tamin’ny zava-nisy tamin’ilay entona tafavoaka tamin’ny taon-dasa ny zava-nisy amin’izao fotoana izao. Nambaran’izy ireo fa maro ny voly simba sy ny hazo main’ilay entona amin’ny faitra manodidina.

15/02/2013

Samihafa

Kianin’ny minisitry ny Atitany Rakotoarisoa Florent ny filazan’ny Vaomiera mahaleotenan’ny fifidianana (CENI-T) sy ny fianankaviambe iraisam-pirenena. Araka ny tatitr’ireto farany dia mahatratra 8 hetsy ny isan’ny olona tsy mbola manana karampanondrom-pirenena manerana ny Nosy, amin’izao enimbolana mialoha ny fifidianana izao. Tsy marina kosa io isa io araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany. “Misy olona tsy mbola feno 18 taona kanefa efa nosoratan’ireo mpanisa mpifidy tao anaty lisim-pifidianana. Misy ihany koa ireo efa manana karapanondro kanefa very ny karapanondrony. Ary misy ireo izay manana karapanondro kanefa noho ny antony samihafa toy ny ara-politika, dia minia tsy mampiseho ny karapanondrony”. Ireo no antony nahatonga ny minisitra hilaza fa tsy mitombina ny filazana fa mahatratra 8 hetsy ny tsy manana karapanondro eto amintsika.

15/02/2013

Samihafa

Natao omaly tany Toamasina ny fanamarihana ny fanombohan’ny fandaharan’asa PPMCE-SA (Projet Piscicole Madagascar Cote Est – Securite Alimentaire) na ny fandaharan’asa ho fanapariahana sy fanatsarana ny fiompiana trondro. Tanjon’ny fandaharan’asa ny fanampiana ny tantsaha any amin’ny Faritra Atsinanana sy ny Faritra Analanjorofo, amin’ny fanatsarana ny fidiram-bolany sy ny fanajariana ny ara-tsakafony haharitra efa-taona.

15/02/2013

Samihafa

Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy ny alarobia 13 febroary lasa teo tany amin’ny Faritra Bongolava ny hetsika “opération de sécuritsation”, ho fametrahana fandriampahalemana maharitra ao amin’ny faritra efatra (Analamanga, Itasy, Vakinakaratra ary Bongolava) izay samy eo ambany fiarovan’ny Faripiadidian’ny Zandarimaria Antananarivo avokoa. Nitarika ny fanombohana izany hetsika izany tany an-toerana ny Kolonely RAKOTOMAHANINA Florens, Komandin’ny faripiadidiana ny Zandary 32, ahitana manamboninahitra 02 avy aty Antananarivo no nalefa hanampy ireo efa miasa any an-toerana miaraka amin’ny fiara tsy mataho-dalana. Haharitra 15 andro eo ho eo ity hetsika fametrahana fandriam-pahalemana ity.

16/02/2013

Samihafa

Tsy nisy izay tsy nahalala ilay hira nalaza tsy fidiny nandritra ny tolom-bahoaka notarihan’ny filohan’ny tetezamita. Nalaza tsy fidiny satria tsy ho an’ny fitariham-bahoaka teny an-dàlambe no namoronan’ny tarika Saotra Dera azy. Tsy iza io hira io fa ilay nampitondrainy ny lohateny hoe: “iny làlana iny”. Amin’izao fotoana izao dia mbola malaza ihany ity hira ity. Saingy tsy noho izy tsara rindra sy mahafinaritra henoina sy hiraina, na koa mampiakatra ny aingam-panahy amin’ny fivavahana, fa noho izy lasa fototry ny fifadirana sy ny fisaraham-bazana. Tsy vitsy tokoa ireo krisitanina amin’ireo finoana samihafa eto amintsika no tsy manaiky intsony ny hanaovana ity hira ity any amin’ny fiangonana misy azy ireo na mandritra ireo fotoam-bavaka samihafa.

16/02/2013

Samihafa

Ankoatry ny fanolanana izay mahazo vahana eto amintsika, dia mirongatra ihany koa amin’izao fotoana izao ny firaisana ara-nofo mamohafady. Ireo zaza tsy ampy taona no betsaka indrindra amin’ireo niharan’ity karazana herisetra ity ary ny ray niteraka na ny anadahin-dreniny sy ny rahalahin-drainy, na olona avy amin’ny fianankaviana akaiky azy ihany no mahavanona izany fihetsika mamohafady izany. Miantso ny fandraisan’andrikitry ny mpiara-monina sy ireo tompon’andraikitra samihafa ny SPDTS izay nikaon-doha niaraka tamin’ny rafitra Fiantso avy amin’ny fokontany 192 eto Antananarivo renivohitra, manoloana ity tranga ity.

16/02/2013

Samihafa

Hanomboka androany ny fanarenana ilay lavaka mangodanna etsy amin’ny làlana manamorona ny farihin’Anosy, manoloana ny “Cercle Franco Malgache”. Araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny fidiaiaiana ny tananan’Antananarivo dia ny orin’asa Colas no hanatanteraka izany fanarenana izany izay haharitra iray volana, ny Ministeran’ny Asa vaventy kosa no mikarakara izany. Goavana ny asa hatao satria mahatratra hatrany amin’ny 25 metatra miala amin’ny moron’ny farihin’Anosy no ho voakasik’izany. “Buses” miisa 90 no voalaza fa harafitra any ambanin’io làlana io.

16/02/2013

Samihafa

Nandritra ny resaka ho an’ny mpanao gazety izay nokarakarain’izy ireo teny Tsimbazaza no nanambaran’ireo ray aman-drenin’ireo mpianatra Malagasy miisa 856 mianatra any ivelany ny tsy fankatoavan’izy ireo ny fanampahan-kevitry ny fitondrana tetezamita manoloana ny olana atrehan’ireo mpianatra ireo amin’izao fotoana izao. Nisy ihany koa ny antso nataon’izy ireo mba hijeren’ny fitondram-panjakana vahaolana hafa izay eken’ny rehetra manoloana ity raharaha ity

16/02/2013

Samihafa

Nitondra ny heviny manoloana ny fanambarana nataon’ny Filankevim-pilaminan’ny Vondrona Afrikana ny mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Raharahambahiny ao anivon’ny Kongresin’ny tetezamita. Fitakiana ny fanajana ny fitsarana eto Madagasikara sy ny fanajana ny fiandrianam-pirenena no votoatin’izany fanambarana izany.

16/02/2013

Samihafa

Nanatanteraka hetsika manokana teny amin’ny faritra Analakely ny polisy avy ao amin’ny Boriborintany I, afakomaly tamin’ny 4 ora ka hatramin’ny 7 ora hariva. Nandritra izany hetsika izany no nahasamboran’izy ireo mpanendaka miisa enin-dahy. Araka ny tatitra nataon’ireto mpitandro filaminana ireto dia tena raindahiny amin’ny fanendahana sy ny sinto-mahery izy enin-dahy ireo. Mody manao 4’Mi izy ireo nefa manendaka ka eny amin’ny Esplanade Analakely sy eny amin’ny Glacier no tena fanaovan-dry zalahy ny asa ratsiny, ary efa indroa na intelo izy ireo no nigadra. Manodidina ny 12 taona ny zandriny indrindra ary 20 taona ny zokiny indrindra.

18/02/2013

Samihafa

Sahiran-kevitra tanteraka ny mpomba ny filohan’ny HAT, indrindra ny antoko TGV amin’ny fisafidianana izay hatolotra ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Isan’ny mampametram-panontaniana ny maro amin’izany ny momba ny Sekretera nasionalin’ny antokon’ny filohan’ny HAT, Lanto Rakotomavo. Inona no manakana ny TGV tsy hanohana an’ity mpanao politika ity hilatsaka ho fidina filoham-pirenena eo amin’ny toeran’i Andry Rajoelina ? Ho an’ny mpanara-baovao maro dia fiandohan’ny fahapotehan’ny antoko TGV ny tsy fahafahany mandrotsaka ny sekretera nasionaliny ho fidina filoham-pirenena.

18/02/2013

Samihafa

Tsy nandalo fotsiny teo amin’ny sofin’ny vahoaka Malagasy ny fanambaran’ny Praiminisitra teo aloha sady ambasadaoron’i Madagasikara any Suisse sy any amin’ny “Office des Nations Unis” any Génève. Ity farany izay nilaza fa vonona ny handray andraikitra manoloana ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena ka miandry ny fanampahan-kevitry ny filohan’ny HAT sy ireo mpiara-dia aminy amin’ny fanomezana azy ny toerana maha kandidahan’izy ireo amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Marihina fa tsy ho mora ho an’ity manamboninahitra ity ny hahazo izany fanevan’ny antoko sy vondrona mpanohana ny HAT izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fahavononan’ireo mpanohana an’i Hajo Andrianainarivelo sy ny fahavononan’i Edgard Razafindravahy haka izany toerana izany ihany koa.

18/02/2013

Samihafa

Trangana fisolokiana roa samy hafa no niseho nampiasan’olona ny anaran’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena. Ny voalohany dia tany Betioky atsimo, faritra Atsimo andrefana. Nisy dahalo fantan-daza atao hoe Emanahadaza voasambotrin’ny Zandary ny faraparan’ny volana janoary teo nohon’ny resaka halatr’omby niharo vonoan’olona. Nisy lehilahy iray avy ao Toliara tonga nitondra taratasy hamotsorana an’io dahalo voasambotra io ary nilaza fa rahalahin’i Jeneraly Ravalomanana Richard ary John Ravalomanana no anarany. “Attestation de déclaration de perte” misy io anarana io no nasehony tamin’ny fisavana ny kara-panondrony. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa mpisoloky ilay Rangahy ka nosamborina sy natolotra ny fitsarana ao Toliary ny 02 febroary ary nampidirina am-ponja vonjimaika.

18/02/2013

Samihafa

Niteraka resabe tao Toamasina, indrindra tany amin’ireo tanana ipetrahan’ny mponina amin’ny manodidina ny orin’asa Ambatovy ny momba ilay entona niparitaka avy amin’izany ozinina izany. Araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny fiadidiana ny Faritra Atsinanana dia nampiantsoin’ny lehiben’ny faritra, tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ity tetikasa ity. Ny alahady 10 febroary teo izay tompon’andrrikitra izany no noraisin’ny Lehiben’ny Faritra Alain Mahavimbina nihaona taminy tao amin’ny biraon’ny faritra.

18/02/2013

Samihafa

Nitrangana fifanafihana teo amin’ny samy tanora indray tany antampon-tananan’Antsiranana tamin’ny herinandro lasa teo. Ireo andian-tanora nitondra ny anarana hoe TOGO no nanao izay herinsetra izany taorian’ireo hetsika tafiditra tamin’ny fanamarihana ny andron’ny sekoly. Araka ny loharanom-baovao dia fifampiantsiana niainga tamin’ny fifaninanana baolina kitra tany an-toerana tao anatin’izany fanamarihana ny andron’ny sekoly izany no niantombohan’ny raharaha. Nitatra hatrany amin’ny faritra manodidina izany izay nahitana fanapotehana fiara teny amoron-dalana sy fandratrana mpandalo.

18/02/2013

Samihafa

Niaiky ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’i Toamasina fa taona sarotra ho an’ity kaomina ity ny taon-dasa. Nandritra ny lanonana nifampiarahaban’ny mpiasan’ny kaomina nohon’ny fahatratrarana ny taona vaovao no nanambaran’i Toalina Zafindrabary izany. “Taona tena mafy ho an’ny kaominina iny taona 2012 iny, na izany niezaka ny mpiasa rehetra nitsitsy sy nampidi-bola, ka vitanay ihany ny andraikitray”, hoy izy namariparitra ny dingana vita nandritra ny fankalazan’izy ireo ny taom-baovaony tao amin’ny kianja mitafo ny Soavita.

19/02/2013

Samihafa

Mampametra-panontaniana ny maro ny laojikan’ny MAGRO manoloana ny raharaham-pirenena. Niharan’ny fanenjehana avy amin’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ary ireo vahoakan’ny MAGRO ireo mpanao politika toa ny filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita teo aloha, Raharinaivo Andrianantoandro, ny ministra teo aloha Yves Aimé sy Hery Raharisaina, Ratefinanahary Emile na Vazaha, satria nanaiky niditra ho isan’ny mambra ny governemanta sy ny andrim-panjakana Tetezamita. Nosokajian’ny MAGRO sy ny vondrona Ravalomanana ho mpamadika mihitsy aza izy ireo noho izay fanapahan-kevitra izay. Fikaroham-bahaolana hivoahana amin’izao krizy izao no antony naneken’izy ireo izany andraikitra izany raha ny fanazavana azo avy tamin’ny GMMR. Niharan’ny fanenjehan’ny fitondrana HAT avokoa ireto mpanao politika ireto; tao ireo namoahana didy fisamborana, ny hafa kosa notànana am-ponja ary samy mbola manan-draharaha eny amin’ny tribonaly noho ny fiarovana ny foto-kevitra tsy nitoviana tamin’ny HAT. Nihazakazaka ny toe-draharaha ka tsy nijanona fotsiny teo amin’ny resaka tsangan’olona fa ntodika bebe kokoa tany amin’ny fiainam-pirenena.

19/02/2013

Samihafa

Vaky ny ady eo amin’ny tompon’andrikitra miaraka amin’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny Sekoly fanabeazana Fototra Pointe Tanio, etsy an-daniny, ary Jeneraly iray miaraka amina Kolonely iray avy ao amin’ny RM1/3 any Toamasina, etsy an-kilany. Tondroin’iretsy voalohany ho naka an-keriny ny tannin-tsekoly iretsy farany. Efa nakarina amin’ny tompon’andrikim-panjakana mahefa ny raharaha amin’izao fotoana izao. Fanararaotam-pahefana no ilazan’ny maro ny fihetsika nataon’ireto manamboninahitra jeneraly sy kolonely avy ao amin’ny RM1/3 any Toamasina ireto.

19/02/2013

Samihafa

Andramena miisa 223 indray no tratehaky ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny DST, omaly tany amin’ny Cap-est Ambodiafana, kaomina ambanivohitr’Ampahibe, distrikan’Antalaha. Fiara tsy mataho-dàlana miisa 30 kosa no nitaterana ireo andramena ireo ho eny amoron-dranomasina. Olona miisa 5 no voasambotra ary efa eo am-pela-tanan’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Ny loharanom-baovao avy any an-toerana kosa no nanamarika fa tsy misy afa-tsy ireo mpitondra ambony na olona manana mpiaro ao anatin’ny fitondrana tetezamita no afaka hanao trafika avo lenta toy izao.

19/02/2013

Samihafa

Ny fanambarana nataon’ny lehiben’ny fampanohavana any Toamasina nandritra ny fanokafana ny taom-pitsarana 2013 no nahafantarana fa manahy ny amin’ny fanatanterahana ny asan’izy ireo amin’ity taona ity ireo mpitsara any an-toerana. Araka ny nambaran’i Andriamahangy Georges Florence dia “sahirana ara-teti-bola entina miasa ny fitsarana Malagasy amin’ity taona 2013 ity”. “Ho sahirana izahay amin’ity taona ity, hanomana ny fitsarana ny ady heloka be vava tsotra, izay tsy maintsy hanaovana fitsarana manokana, na efa nanomanana fotoam-pitsarana ady heloka be vava tsotra maromaro izahay, dia tsy ho vita izany satria tsy misy vola hanaramana ireo mpitsara mpanampy sy ireo vadintany”, hoy ny fanazavany. Nomarihan’ity lehiben’ny fampanovana ambony ao Toamasina ity ihany fa “efa nanahirana izy ireo tato ho ato izay ny tsy fahaloavan’ny fitsarana ny vola fanome ireo vadintany mpiara-miasa aminay, efa nomanina ho haloa amin’ity taona ity izany nefa izao tratry ny olana ara-teti-bola izao indray”.

19/02/2013

Samihafa

Namela takaitra tamin’ny faritra maro manerana ny Nosy ilay andro ratsy misy eto amintsika hatramin’ny faran’ny herinandro teo ka hatramin’izao. Nahatratra efatra ny olona maty vokatr’izany andro ratsy izany, araka ny tatitra avy amin’ny BNGRC (Bureau national du gestion des risqué et des catastrophes), omaly tamin’ny dimy ora hariva. Mahatratra 2146 kosa ny tra-boina, ka ny 500 amin’ireo dia eto Antananarivo renivohitra avokoa. Mbola mitoetra hatrany any amin’ny 400 km atsimo andrefan’i Maintirano, ary mihamafy herin’izany andro ratsy izany, ary mbola hitondra ora-mikija manerana ny Nosy.

20/02/2013

Samihafa

Nanao fanambarana iombonana, omaly, ireo fikambanana samihafa sy ireo Ray aman-dreny avy any amin’ny faritra Sofia. Kianin’izy ireo tamin’ny alalan’izany fanambarana izany ny fihetsiky ny fitondrana Tetezamita amin’ny fanenjehana ireo izay tsy mitovy hevitra aminy. Mitaky ny hampitsaharana izany fihetsika izany ireto olomaana-kaja ara-drazana avy any amin’ny faritra Sofia ireto. Nomarihan’ny fanambarana fa fanendrikendrehana tsotra izao no manjo ny Profesora Tehindrazanarivelo Alain.

20/02/2013

Samihafa

Nivoaka tamin’ny fahanginany indray ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo eny Ankatso, rehefa tsy nandrenesam-peo nandritra ny herinandro maromaro. Mitaky ny handohavan’ny fitondrana tetezamita ny vatsim-pianarana enim-bolana mbola tsy voaloha hatramin ‘izao izy ireo, araka ny fanambarana nataony omaly. Nilaza ny tsy tompon’nantoka amin’izay mety hiseho izy ireo raha tsy tanterahan’ny fitondrana tetezamita izao fitakiana izao. Mihetsika indray ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony. Mitaky ny handohavan’ny fitondram-panjakana tetezamita ny vatsim-pianarana tsy mbola voaloha hatramin’ny taom-pianarana 2011 – 2012 izy ireo.

20/02/2013

Samihafa

Mbola misy foana mandrak’izao ny fanakianana ny orin’asa Mainland izay miandraikitra ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-5 araka ny fifanarahana teo aminy sy ny fitondrana tetezamita. Isan’ny kiana mahazo ity orinasa ity amin’izao fotoana izao ny fahataran’ny fanatanterahana ny asa. Ireo mpitondra eny an’ivon’ny faritra no tena manao izany fanankianana izany, toy ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo Saina Michel. “Izao mihintsy no hitondra soram-baventy sy hitarika olona hirotsakaa an-dalambe raha tsy vita ny RN5. Aiza ka mbola 800m no hany vita. Efa lanin’ny MainLand ve ny mamy sy ny harenan’ny Malagasy, nosimbainy ny RN5, nahazo tombony tamin’ny fitrandrahana ny fasimainty ihany koa;

20/02/2013

Samihafa

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 18 febroary ny fankalazana ny fahafolo taonan’ny fiaraha-miasa teo amin’ny tanàn’Antsirabe sy Stavenger. Nomarihana tamin’ny fanatanterahana ny « forum des jeunes » na ny atrikasa ho an’ny tanora izay tsy hifarana raha tsy amin’ny alarobia 20 febroary izany. Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Varotra Olga Ramalason sady ben’ny tanana teo aloha tao Antsirabe ary mpanorina ny fiaraha-miasa teo amin’ny tetikasa MIC, izay iarahan’ny tanànan’Antsirabe amin’ny firenena Norvezianina. Mifototra amin’ny fanabeazana sy fampitomboana ny traikefa ampitain’ireo teknisiana norvezianina sy malagasy ho an’ny tanora ny tetikasa MIC. Nadray anjara betsaka teo amin’ny fanabeazana olom-pirenena tao amin’ny tanànan’Antsirabe ihany koa ny tetikasa. Nomarihan’ny Minisitra fa maro ny tombontsoa azo tamin’ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny tanàna roa tonta.

20/02/2013

Samihafa

Nifarana hatreo ny fanakianana mahakasika ny tetiandrom-pifidianana. Hatolotra ny filankevitry ny Minisitra, rehefa nankatoavin’ny filankevitry ny Governemanta izay nivory omaly, ny fanampahan-kevitry ny CENI-T (Commission Electorale Nationale Indépendante pour la Transition) sy ny fianankaviambe iraisam-pirenena mahakasika ny fanemorana ny fifidianana. Fantatra izany tamin’ny alalan’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly. Nomarihan’izany tatitra izany fa ny 24 jolay 2013 no hatao ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. Ny 25 septambra 2013 kosa ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa miaraka amin’ny fifidianana solombavambahoakan’i Madagasikara. Amin’ny 23 oktobra 2013 no voatondro hanaovana ny fifidianana ben’ny tananan sy ireo mpikabana amin’ny filankevitry ny tanana manerana an’i Madagasikara.

20/02/2013

Samihafa

Lasa rivo-doza ilay andro ratsy izay niforona tany amin’ny lakandranon’i Mozambika ny zoma lasa teo ary nomena ny anarana hoe « Haruna ». Efa maro sahady ireo takaitra navelan’izany andro ratsy izany tamin’ireo faritra maro manerana ny nosy talohan’ny naha rivo-doza azy. Hatreto dia olona 4 no maty, 2 tsy hita popoka, 3806 tra-boina, 615 tsy manan-kialofana. Trano miisa 13 no rava ary 1440 no rava. Lalana miisa 13 kosa no tapaka vokatry ny fiakaran’ny rano. Tandindomin-doza indray ny ilany atsimon’i Madagasikara satria, araka ny vinavina dia mety hiakatra an-tanety rahampitso alakamisy ny rivo-doza « Haruna ». Araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny foibe famantarana ny toetrandro dia efa mahafeno ny fepetra maha rivodoza azy ilay andro ratsy niforona hatramin’ny zoma lasa teo tany amin’ny lakandranon’i Mozambika. Tany amin’ny 200 km avaratra andrefan’ny distrikan’i Morombe.

20/02/2013

Samihafa

Nesorin’ny Filankevitry ny Governemanta tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao izay nataony omaly ny maha-teratany Malagasy an’i Lalao Ravalomanana. Araka ny voalaza ao amin’izany tatitry ny filankevitry ny Governamanta izany dia “noresahana nandritra ity fivoriana ity ny fitsidihana haataon’i Lalao Ravalomanana eto Madagasikara”. Ny filazana fa “fitsidihana eto Madagasikara” no hataon’I Lalao Ravalomanana eto Madagasikara dia mampiseho mibaribary fa kilasian’ny Governamanta ho toy ny vahiny na olona efa tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy intsony ny vadin’ny filoham-pirenena teo aloha. Tsara anefa ny mampatsiahy fa hatreto dia mbola tsy nisy didim-pitsarana nanala ny maha-malagasy an’i Lalao Ravalomanana. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia mipetraka eo ambonin’ny làlana ny filankevitry ny Governemanta, na farafaharatsiny izay nanao ity tatitry ny filankevitry ny Governemanta ity.

21/02/2013

Samihafa

Tsy marina ny filazana fa ny fahavitan’ny fifidianana no hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy, raha araka ny fanambarana nataon’i Pety Rakotoniaina, filoha nasionalin’ny antoko Tambatra. Mety hiteraka krizy vaovao indray ny fahavitan’izany fifidianana izany raha tsy ahitana vahaolanan ireo olana fototra mianjady amin’ny firenena. Isan’izany ny fitsinjarana mitanila ny volam-panjakana. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny fifanarahana matotra eo amin’ireo rehetra niara-nanao ny tolona nananganana izao tetezamita iza tamin’ny taona 2009. Miatso an-dRajoelina hampihaona ny mpiara-mitolona rehetra, arak’izany ny filohan’ny antoko Tambatra. Raha tsy izany dia nambarany fa mety hisy krizy vaovao indray.

21/02/2013

Samihafa

Efa manakaiky ny fenitra maha faritra mena amin’ny asan-jiolahy ny ao an-tananan’i Toamasina, raha araka ny nambaran’ny talen’ny filaminam-bahoaka any an-toerana, ny jeneraly Rakotoarisoa Jean Yves. Manomboka miverina ny fanafihanana mitam-piadiana sy ny fakana an-keriny izay efa nitranga tamin’ny taon-dasa tamin’ny fotoana toy izao. Re ihany koa fa misy ny fitsikilovana sy fanaraha-maso ireo tokantrano sy fianakaviana manam-bola azo tafihina. Fianakaviana iray tao Tanambao III no notafihan’ny jiolahy ny zoma alina teo. Maty nandritra izany fanafihana izany ny renim-pianakaviana tao amin’ity tokatrano ity, ary bory ny tanany satria nampiasa sabatra ireo jiolahy tamin’izany fanafihana izany. Naratra mafy koa ny zanany sy ny mpiasany izay mbola tsaboina ao amin’ny hopitaly be Toamasina noho ny ratra mafy nahazo azy ireo, noho ilay sabatra ihany.

21/02/2013

Samihafa

Tsy eken’ireo mpampianatra any amin’ny CISCO Mandritsara ny famindran-toerana ny Proviseur sy ny Proviseur adjoint any amin’izany distrika izany. Nitokona tsy nety nampianatra vokatr’izany ireo mpampianatra 42 amin’ireo 45 misy ao amin’ny Lycée Mandritsara omaly. Nanao fanambarana kosa izy ireo, omaly hariva ary nilaza fa hanamafy ny fitakiany. Hanao fitokonana fanairana mandritra ny 48 ora, vokatr’izany, ireo mpampianatra rehetra, na ny ao amin’ny Lycée izany, na ny CEG sy ny EPP rehetra ao anatin’ny CISCO Mandritsara. Mitaky ny fametram-pialàn’ny Chef CISCO ihany koa izy ireo. Antony maro no nahatonga ny tsy faneken’ireo mpampianatra any amin’ny CISCO Mandritsara ny famindran-toerana ny Proviseur sy ny Proviseur adjoint. Isan’izany ny mety hisian’ny fikorontanana amin’ny fampandehanana ny fampianarana.

21/02/2013

Samihafa

Nisehoana halatr’omby indray tany Beadabo, kaominina ambanivohitra Mahabo, distrika Betroka, ny 18 febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 04 ora maraina. Omby miisa 200 ka hatramin’ny 300 eo ho eo no norobain’ny jiolahy miisa 60. Tsy vitan’izany fa nampitondrain’izy ireo faisana tanteraka ireo mponina ao an-toerana. Trano 12 no nodoran’izy ireo, ary kilan’ny afo tanteraka, ireo zanak’omby tsy afa-nandeha kosa nofirainy tamin’ny famaky. Nampandre avy hatrany ny zandary tao Betroka ireo mponina, ka ny androtr’io ihany dia nanao ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana manao ny “opération” tarihin’i Jeneraly IAMA Radafy, Komandin’ny farim-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Toliara. Nalefa avy hatrany ny “helicoptère” ka fotoana fohy ihany dia tratra ireo dahalo nefa raha vao nahatazana ilay “helicoptère” dia lasa nitsoaka avokoa. Azo avokoa ireo omby ankoatrin’ny maty novonoin’ny mpangalatra ary tafaverina amin’ny tompony.

21/02/2013

Samihafa

Adihevitra tsy nahitam-bahaolana nandritra ity Tetezamita ity ny tontolon’ny fampihavanam-pirenena sy ny « amnistie » na ny famotsoran-keloka. Atao inona tokoa moa ny « amnistie » rehefa nisafidy ny fampihavanam-pirenena? Samy manana ny fomba fijeriny mikasika io fampihavanam-pirenena io ny olom-pirenena sy ny antoko politika. Manana ny fomba fahitany azy koa anefa ny antoko MAFI, tarihan’ny filohany, Jules Etienne. Ho an’ity antoko politika iray ity dia tsy misy afatsy ny fampitoviana sy ny fanomezana ny anjara masoandron’ny tsirairay avy no vahaolana tsara indrindra hatongavana amin’izany fampihavanam-pirenena izany. Ara-toekarena fa tsy ara-politika, ho an’ny MAFI no lalana azo antoka indrindra hiverenan’ny fihavanana Malagasy.

21/02/2013

Samihafa

CST Me Rasamimaka Mahefalahy mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana Toamasina “Aoka ny tena ray aman-dreny marina no hampihavana, satria raha ny endriny izao dia sady mpandidy no mpanaka ny mpikambana ao. Nahoana moa ireo mpikambana sasany no efa hita fa mpirona sy efa miloko politika nefa izy ireo indray no hampihavana? Nahoana ny mpikambana efa nokihanin’ny vahoaka sy ny mpanao politika maro mbola tafaverina? Ilaina ny fampihavanana noho izy soatoavina Malagasy nampirindra ny fiaraha-monina, na tsy ny Malagasy aza no niady fa ny mpanao politika, noho ny voninahitra sy ny fitiavan-tseza ary noho ny vola natobaky ny fanjakana vahiny amin’ny fiarovany ny tombontsoany”.

21/02/2013

Samihafa

Nandritra ny fanambarana nataon’ny mpitandro filaminana no nilazan’izy ireo fa hanatanteraka hetsika manokana ho fitandroana ny fandriam-pahalemana eto Antananarivo renivohitra izy ireo. Nambarany fa tsy hitsitsy mihintsy izy ireo amin’ny fanenjehana ireo jiolahy ary mety hitifitra mihintsy raha ilaina izany. Noho ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana izay nirongatra izay tsy izy tato ho ato teto an-drenivohitra no nahatonga izao fanampahan-kevitry ny mpitandro filaminana izao araka ny fanazavan’ny lehiben’ny CIRGN Analamanga omaly.

21/02/2013

Samihafa

Nahazo loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po ny sampan-draharaha misahana ny ady atao amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy. Izany loharanom-baovao izany no nanondro fa misy lehilahy malaza amin’ny fivarotana rongony eny Andravoahangy.

21/02/2013

Samihafa

Tany amin’ny taona 1978 no nampalazany haretina ambalavelona tany amin’ny faritra Alaotra. Malaza indray anefa izy io amin’izao fotoana izao any amin’ny Kaomina Tanimenabaka any amin’ny distrikan’Andilamena, indrindra tamin’ny nahitana trangan’aretina mifandraika amin’izany. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia vehivevy miisa telo no hita fa tratran’izany haretina hafahafa izany tao anatin’ny roa volana momja. Mihinjitrinjitra, mamoaka roar, miteny amin’ny feo hafahafa: ireo no isan’ny fisehon’izany haretina izany. Mino ny amin’ny maha haretina ataon’olona aazy ity ny an-kamaroan’ny mponina any amin’izany faritra izany.

22/02/2013

Samihafa

Araka ny vinavinan’ny foibe mpamantatra ny toetrandro eto Madagasikara dia hiditra an-tanety ao amin’ny faritr’i Toliara amin’ity androany ity ilay rivodoza “Haruna”. Etsy andanin’izany dia tsy mitsaha-mitombo ny takaitra vokatry ny raon’orana sy ny rivotra aterak’izany amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Efa tafakatra 5806 ireo tra-boina amin’izao fotoana izao ary miisa 8 ny maty sy ny tsy hita popoka. Hikasika ny ilany atsimo andrefan’i Madagasikara amin’ity androany ity ny ivon’ilay rivodoza “Haruna”, izay efa niteraka andro ratsy tamin’ny faritra maro ihany koa hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetrando ny nampahafantatra tamin’ny alalan’ny tatitra nataony omaly hariva fa ny tolakandro no hiditra an-tanety any Toliara izany rivodoza izany ary hamakivaky ny ilany atsimon’ny Nosy mandram-pivoahany any amin’ny mabodidina an’i Tolagnaro.

22/02/2013

Samihafa

Vehivavy 38 taona monina eny Ankorondrano no nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena noho izy nivarotra rongony. Ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina izy no voasambotra tao an-tranony. Fonosan-drongony miisa 14 kosa no hita tao aminy. Nanambara ity vehivavy ity, nandritra ny fanadihadiana, fa olona eny Mandroseza no mpamatsy rongony azy. Ireo mpianatra eny amin’ny manodidina toy ny eny Analamahitsy sy Ambatobe no mpividy rongony ao aminy ka 500 ariary ihany koa no amarotany ny fonosana iray. Omaly no natolotra ny Fitsarana izy ireo.

22/02/2013

Samihafa

Ho fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, dia nidina nijery ifotony tany an-toerana ny jeneraly Randrianazary, sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena sy ny Jeneraly Richard Ravalomanana, komandin’ny Zandarimariam-pirenena ny alahady 17 febroary 2013 ka namory ireo tompon’andraikitry ny mpitandron’ny Filaminana rehetra (EMMO/REG) ao an-toerana niaraka tamin’ny lehiben’ny Faritra. Tamin’izany no nanamafisan’izy ireo ny tokony hanatsarana ny fampandriana fahalemana (MO) an-tanandehibe sy am-banivohitra (sécurisation), ny tsy tokony ifampiharovana amin’ny ratsy (corporatisme) fa hanamafisana ny firaisan-kina, ary ny asa rehetra dia tanterahina ao anatin’ny lalàna velona (rester dans le cadre de la loi) fa tsisy idiran’ny resaka politika izany.

22/02/2013

Samihafa

Tokantrano iray eny Anosibe no notafihan’ny foto lahy mitam-piadiana ny alin’ny 02 hifoha 03 febroary 2013 lasa teo. Basy PA iray sy basy kilalao, antsibe ary baraminina no nentin’izy ireo nanafika. Latsaka tao an-tokatranon’ireo voatafika ny “porte-feuille” iray nahitana karapanondro amin’ny anarana tovolahy iray 30 taona izay tsy zovina amin’ny Polisy satria anisan’ireo jiolahy karohina. Tavela tao ihany koa ilay antsy lava sy baraminina. Vola mitentina 14 tapitrisa ariary saika hividianana trano no lasan’ireo jiolahy.

22/02/2013

Samihafa

Namoaka fanambarana manohitra ny fomba nanendrena ireo mpikambana ao amin’ny FFM (Filankevitra Fampihavanana Malagasy) ny Vohifiraisana/PFNOSCM (Plateforme nationale des organisations de la société civile) izay vondrona iray mpikambana ao amin’ny CNOSC (Coordination nationale des organisations de la société civile). Tamin’izany fanambarana izany no nanehoan’izy ireo ny fisihan’ny tsy fahatomombanana tamin’ny fandrafetana ny rafitry ny FFM, indrindra tamin’ny fanendrena ny mpikambana amin’izany rafitra izany. Nambaran’izy ireo fa tsy mahafeno ny toetra takiana ny sasany amin’ireo mpikambana notendrena tamin’izany rafitra izany.

23/02/2013

Samihafa

Nokianin’ny Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena (Sefafi) mafy dia mafy ny mpanao politika Malagasy izay ambaran’izy ireo fa “niamboho ny adidiny” ka tsy nahatafavoakaa an’i Madagasikara tamin’izao krizy ireo. Tamin’ny alalan’ny fandrafetana ho atontan-kevitra iray ireo fanambarana rehetra navoakany nandritra ny taona 2012 no nanambaran’ny Sefafi izany. Ho an’izy ireo dia ny fandraisan’andraikitry ny CENIT amin’ny fanatanterahana fifidianana eken’ny rehetra no hany vahaolana tokana hivoahan’ny firenena amin’ny krizy. Omaly no nanoloran’ny Sefafi an’ity atontan-kevitra vaovao izay novokariny ity.

23/02/2013

Samihafa

Nanamafy indray ny ilàna ny fametrahana ny tany tan-dàlana eto Madagasikara mba ho vahaolana amin’ny krizy ny profesora Raymond Ranjeva. Nanamafy ihany koa ny tenany fa raha tsy tafapetraka ny tany tan-dàlana dia tsy misy dikany ny fanatanterahana fifidianana eto amin’ny firenena. Nandritra ny fihaonana tamin’ireo herivelona samihafa teto amin’ny firenena izay natao omaly tao Besarety no nilazany izany. Nambaran’ity manampahaizana momba ny làlana ity fa hatreto dia mbola fanjakan’ny baroa no misy eto Madagasikara. “Mbola tsy tafiditra ao anaty fitondrana tetezamita araka ny tokony ho izy isika amin’izao fotoana izao”, hoy ny nambarany. Ny antony dia hita mibaribary fa mbola tsy voafehy mandrak’izao ny fanonganam-panjakana nisy teto amin’ny firenena. Nambaran’ny profesora Raymond Ranjeva ihany koa fa tsy vahaolana ho an’ny firenena ny fanatanterahana ny fifidianana raha tsy ao anatin’ny fanajana ny làlana ny fanatanterahana izany.

23/02/2013

Samihafa

Maty teo no ho eo i Isidore, mpanao fitateran’entana amin’ny làlana mampitohy an’i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana. Teo amin’ny tendany no niantefa ny balan’ny basin’ireo jiolahy nitifitra azy. Omaly tokony ho tamin’ny sivy ora maraina no nitrangan’izany tao amin’ny Bazary kely tany Toamasina ary teo anatrehan’ny mpivarotra sy mpiantsena maro dia maro. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia naterin’ny mpamiliny sy ny mpanampy azy tao amin’ny Bazary kely i Isodore ary hisakafo maraina no anton-diany tamin’izany.

23/02/2013

Samihafa

Voa mafy ny tananan’i Morombe, noho ny fandalovan’ny rivo-doza “haruna”. Izay no azo hamintinana ny tatitra avy amin’ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Tsy latsaky ny 70% ny fahavoazana, indrindra noho ny fiakaran’ny ranomasina izay nandrava trano fonenana maro dia maro tany an-toerana. Namela takaitra be dia be ihany koa ny rivotra nentin’izany rivo-doza izany.

23/02/2013

Samihafa

Ny tolak’andron’ ny 21 febroary 2013 teo dia omby miisa 89 izay norobain’ny dahalo tamin’ny 12 ora sy 30 minitra, tao Mahazoarivo, fokotany io ihany, kaominina ambanivohitra Beraketa, distrikan’ny Bekily, faritra Androy, no tafaverina amin’ny tompony avokoa tamin’ny alalan’ny fampiasana ny “helicoptère” . Dahalo 05 kosa no maty.

25/02/2013

Samihafa

Loza marososona no nahazo ny faritra atsimon’ny Nosy. Ny farany teo dia ny takaitra izay napetraky ny rivodoza “Haruna” izay nandripaka tokoa tamin’izany faritra izany. Iaraha-mahalala anefa fa faritra niharan’ny andiam-balala ihany koa izany faritra izany. Izany hoe maro ny voly potika vokatr’izany andiam-balala izany. Ankoatr’izay dia voa mafy noho ny asan-dahalo ihany koa ny faritra atsimo: betsaka ny rava fananana sy may trano vokatr’izany. Tsy ho mora arak’izany ny hamerina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina any amin’izany faritra izany.

25/02/2013

Samihafa

Ny alin’ny asabotsy nifoha alahady teo no namoaka ny vokatry ny fitsarany mikasika ilay raharaha vono ilona teny Fenoarivo tamin’ny taona 2001 ny fitsarana Fratsay. Nomelohin’ny « Cour d'assises du Val-de-Marne » higadra 28 taona an-tranomaizina, ka ny 15 taona amin’izany dia tsy azo ivalozana i Mamodtaky Mamod Abasse , ilay voapanga ho tompon’nantoka tamin’ity vono olona mahatsiravina ity. Roa ambinifolo taona taty aoriana vao vita ny fitsarana ilay raharaha nahafatesana olona miisa 5 teny Fenoarivo. Natao tamin’ny alin’ny Sabotsy nifoha alahady teo ny fitsarana an’i Mamodtaky Mamod Abass, ilay teratany karana mizaka ny zom-pirenena frantsay, voapanga ho atidoha nikotrika ny fitifirana ny fianankaviam-badiny nandritra ny fivoriam-pianankaviana nataon’ireto farany. Fantatra ary izao fa nohelohin’ny fitsarana frantsay higadra 28 taona an-tranomaizina i Mamodtaky Mamod Abass. Sazy tsy azo ivalozana ny 15 taona amin’io.

25/02/2013

Samihafa

Hiroso amin’ny dingana manaraka ny vovonana ivondronan’ireo fikambanan’ny mpivarotra manodidina ny farihin’i Behoririka sy ireo etsy Malacam. Tsy inona izany fa ny fanaovana hetsika mivantana izay hanerena ny fitondram-panjakana mba hijery ny sosialim-bahoaka. Mialoha an’izao hetsika kasain’izy ireo hatao izao dia efa nanome fe-potoana 15 andro ho an’ny fitondram-panjakana ihany ko aizy ireo. Hifamontoana eny Behoririka arak’izany izy ireo androany, ary mety hisy ny firotsahana an-dàlambe.

26/02/2013

Samihafa

Tsy ho voaarina ny fahavoazana any Toliara taorian’ny fandalovan’ny rivodoza “Haruna”, raha miantehitra amin’ny heriny samirery i Madagasikara. Fantatra, arak’izany, fa niantso ny fanampiana iraisam-pirenena isika, tamin’ny alalan’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny. Araka ny atontan’isa azo farany dia mahatratra 18 ny maty vokatr’izany rivo-doza izany tany amin’iny ilany atsimon’ny Nosy iny ary 16 no tsy hita popoka. Mahatratra 22 498 kosa ireo tra-boina. Mbola miahiahy ny amin’ny mety hiakaran’ny rano ny mponina any an-toerana, raha efa mba somary nidina ny haavon’izany hatramin’ny omaly. Mbola tsy nanomboka kosa hatramin’izao ny fanarenana ny fefilohan’i Fiherena.

26/02/2013

Samihafa

Nymponinataoamin’nyfokontanin’iMarofatikasyAntanimaiky, tananasamymananoronanyfefilohan’iFiherena any Toliary no nijoro ho vavolombelonanilazafanahitaireobibygoavambemiisa 7 izaynanararaotranyhabetsahan’nyrano ka lasanifindranihazonyranomasinatalohan’nynahavakisan’izanyfefilohaizany. Nymarainan’nysabotsy no nitrangan’izany.“Fanany” no anaranaiantsoan’izyireoitykarazam-bibygoavambeity.Tantarasyangano no iresahanaazyiomatetika.

26/02/2013

Samihafa

Ny saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan’izay hamarara. Nisy tamin’ny Polisim-pirenena no tsy nampiseho fahamendrehana tamin’ny fanatanterahana ny asany na tamin’ny fifandraisany tamin’ny manodidina azy. Ny fianakaviamben’ny Polisim-pirenena iray manontolo anefa no toa voaloto vokatry ny fihetsik’ireny Polisy sasany ireny. Noho ny fahatsapana izany dia manao fanamby ny Polisim-pirenena fa ho taom-pahamendrehana ho an’ny Polisim-pirenena ity taona 2013 ity.

26/02/2013

Samihafa

Mbola tsy nifarana hatramin’izao ny famarotana amin’ny alalan’ny lavanty ireo enatan tsy nalain’ny tompony tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Efa tamin’ny 04 febroary no nanombohana izany lavanty izany izay nahitana ireo entana sy fiara tsy nisy naka teo anivon’ny fadintseranana Toamasina, eo anivon’ny Mictsl sy Smmc ary Antenimieran’ny varotra.

26/02/2013

Samihafa

Naneho ny heviny manoloana ny fanemorana ny fifidianana eto Madagasikara ny fikambanana Fimami (Fikambanan’ny Malagasy Mijoro) izay manana ny foibeny any Toamasina. Araka ny nambaran’i Benessy Harison Sebastien, filoha nasionalin’ny fikambanana dia “nahasoa ny Fimami ny fanemorana ny datim-pifidianana, izay nahafahanay nieritreritra sy naka bahana mba hahafahanay mitsambika lavitra amin’ny tanjona efa napetrakay.

27/02/2013

Samihafa

Tafakatra 7000 amin’izao fotoana izao ny isan’ny tra-boina vokatry ny fiakaran’ny rano teo Antananarivo sy ny manodidina. Noho ny fiakaran’ny rano tany amin’ny trano fonenan’izy ireo no antony maha tra-boina ny ankamaroan’izy ireo. Velon-taraina izy ireo amin’izao fotoana izao satria tsy misy mpijery. Tsy misy azon’izy ireo atao anefa afa-tsy ny miandry ny rano ho ritra hiverenana any amin’ny trano fonenany.

27/02/2013

Samihafa

Ankoatry ny takaitra mavesatra dia mavesatra napetraky ny rivodoza Haruna, indrindra tany amin’ny ilany atsimon’ny Nosy dia fantatra ihany koa izao araka ny atontan’isa avy ao amin’ny ministeran’ny Fambolena fa mirongatra izay tsy izy ny andiam-balala amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Tafakatra 98 743 hekitara ny velaran-tany rakotry ny andiam-balala, tamin’ny volana janoary teo, raha mbola 18 089 hekitara izany tamin’ny volana desambra tamin’ny taon-dasa. Miazakazaka arak’izany ny firongatry ny fitomboan’isan’ny velaran-tany rakotr’ity biby mpamimba zavamaniry ity.

27/02/2013

Samihafa

Naneho ny heviny manoloana ny fanambarana nataon’ny filohan’ny HAT mikasika ny fiverenana an-tanindrazan’ny vadin’ny filoha teo aloha ny filoha lefitry ny Filankevitra avon’ny tetezamita, Hanitra Razafimanatsoa. Nokianin’ity olom-boatendry ity ny fametrahana fepetra momba izay fiverenan’i Lalao Ravalomanana an-tanindrazana izay. Nambarany fa adidin’ny fitondrana tetezamita ny mampody azy an-tanindrazana araka ny efa nifanarahana tamin’ny andininy faha 20 ao amin’ny tondrozotra. Etsy an-danin’izany zon’i Lalao Ravalomanana ihany koa ny miverina an-tanindrazana amin’ny maha teratany Malagasy azy. Na izany na tsy izany dia miandry ny fanatanterahan’ny fitondrana HAT an’iny fanambarana iny ny ankolafy Ravalomanana, hoy ny nambaran’ny minisitra.

27/02/2013

Samihafa

Notontosaina tao amin’ny renivohitry DIANA ny 19 ka hatramin’ny 22 febroary 2013 lasa teo ny atrik’asa andiany faha-4 momba ny fitantanana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena (4ème colloque des officiers administratifs) mialoha ny fanantanterahana ny tetibola 2013. Tanjon’ny atrik’asa ny fanatsarana ny fitsinjarana ny tetibola ato anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Manamboninahitra miisa 57 manerana ny nosy no niatrika izany. Ireto avy ny asa nodinihina sy nandraisana fanapahan-kevitra: Momba ny RPM(Répartition pré-établie modulable): fitsinjarana ny tetibola hampiasan’ireo tobin’ny Zandarimaria rehetra hahafahany mamokatra fandriampahalemana araka ny tokony ho izy; fanavaozana ny fitantanan-draharaha sy ny ara-bola eo anivon’ny zandarimariam-pirenena (restructuration de l’administration de la gendarmerie); fananganana ny CEFAMI (Centre de Formation d’Administration Militaire): Ivon-toerana fampiofanana momba ny fitantanan-draharaha sy ny ara-bola ara-miaramila; famindran-toerana ireo manambonihitra miandrikitra ny fitantanana.

27/02/2013

Samihafa

Nitondra fanampim-panazavana mikasika ny fahafaham-milatsaka ho fidina amin’ireo fifidianana samihafa hatao eto Madagasikara ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Atitany, Rakotonarivo Thierry. Nambarany fa afaka milatsaka amin’ny fifidianana avokoa ny rehetra rehefa mahafeno ny fepatra amin’izany. Nomarihany manokana ny mikasika ireo antoko politika.

27/02/2013

Samihafa

Ny resaka nifanaovana tamin’ny lehiben’ny tsena ao Bazarikely Toamasina, Rakotomandimby Befizaha Fidel, no nahafantarana fa tsy latsaky ny folo isan’andro ny olona, indrindra ireo mpiantsena no voaroba ao amin’izany tsena izany. Etsy an-danin’izany, nambaran’ity tompon’nadrikitra ity ihany koa fa resaka fitadiavana vola be aman’olona avokoa no nahatonga ny famonoana sy ny fandrobana nitranga tamin’izany tsena izany.

27/02/2013

Samihafa

Androany no voalaza fa hifindra any Ambalabako ny fiantsonan’ny fiara mpitatitra olona any an-tampon-tananan’Ambatondrazaka. Hafindra eny Avaradrova ihany koa ny fiantsonan’ny fiarakodia mpitatitra olona mianavaratra. Ny fanampahan-kevitry ny fiadidiana ny tanana no nandray izany fepetra izany izay tafiditra amin’ny fanarenana ny làlana sy ny fanadiovana izay tanterahina any an-toerana amin’izao fotoana izao.

28/02/2013

Samihafa

Mitaky ny hamoahan’ny Vaomiera mahaleotenan’ny fifidianana na ny CENI-T ny endriky ny vatom-pifidianana tokana na ny “bulletin unique” izay hampiasaina amin’ireo fifidianana hatao eto amin’ny firenena amin’ity taona ity ny fiarahamonim-pirenena KMF/CNOE. Miankina amin’ny fanabezana ny olom-pirenena amin’ny fampiasana izany vatom-pifidianana tokana izany ny haha-azo antoka tsy hisian’ny fanakianana ny vokam-pifidianana, hoy ny nambaran’ny filohan’ny KMF/CNOE. Efa tokony hanomboka amin’izao fotoana izao ny fanabeazana ny olom-pirenena amin’ny fampiasana ny vatom-pifidianana tokana mandritra ny fifidianana izay hatao eto amin’ny firenena amin’ity taona ity, raha araka ny nambaran’ny filohan’ny fiarahamonim-pirenena KMF/CNOE, Razafindraibe Ernest.

28/02/2013

Samihafa

Nifamotoana teny amin’ny ministeran’ny Asa sy ny Asam-panjakana ary ny Lalana sosialy, omaly ireo mpikambana ao amin’ny vondron’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana. Nanao hetsika ho fitakiana ny famoahana ny didim-panjakana ho fampiharana izay notinapaka nandritra ny fihaonamben’ny mpiasam-panjakana izay natao tamin’ny volana septembre tamin’ny taon-dasa ireto mpiasam-panjakana ireto. Isan’ny notakian’izy ireo tamin’izany ny fampiharana ny fampifanandrifiana ny mari-karaman’ny mpiasam-panjakana.

28/02/2013

Samihafa

Taorian’ny fahavoazana lehibe nateraky ny fandalovan’ny rivodoza Haruna tao amin’ny morontsiraka atsimo andrefan’i Madagasikara ny 22 febroary lasa teo, dia nanambara ny fanjakana amerikana fa hanolotra fanampiana maika mitentina 100 tapitrisa ariary (50.000 dolara amerikana) ho an’ireo tra-boina. Voinkava-mahatratra. Miara-mientana amin’ny vahoaka malagasy i Etazonia ary maneho fiaraha-miory amin’ireo niharam-boina noho ny fahavoazana lehibe tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Haruna. Vola mitentina 100 tapitrisa ariary no hatokany amin’izany. Fikambanana iray tsy miankina no hitantana ny vola hanaovana asa fanampiana ny maha-olona sy fizarana kojakoja ilaina amin’ny hamehana. “Azon’ny mpiara-miombona antoka ampiasaina dieny izao io fanampiana io ividianana kojakoja fitandremam-pahasalamana sy labasy,” hoy Ramatoa Aleathea Musah, talen’ny Sampan-draharaha miandraikitra ny Fahasalamana, ny Mponina sy ny Sakafo ara-pahasalamana ao amin’ny USAID Madagasikara.

28/02/2013

Samihafa

Tapitra omaly tamin’ny mitatao vovonana ny fametrahana ny filatsahan-kofidiana ho filohan’ny Antenimieran’ny varotra Toamasina (CCIT), nataon’ireo vondrona samihafa ao amin’izany rafitra izany. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia kandida avy amina vondrona telo ihany no nametraka ny filatsahan-kofidian’izy ireo. Tsy iza ireo fa ny vondron’ny mpanondrana letchis na ny GEL tarihan’I Rafidimanana Narson, ny vondron’ny mpandraharaha ara-pizahantany n any GITH izay tarihan’i Mamy Narove ary ny vondron’ny mpanao trano sy asa vaventy Malagasy n any SEBATP, tarihan’i Ndalana Thomas. Tsy nnandrotsaka kandida kosa ny GEPAT izay mifanolana amin’ny GEL hatrany ampiandohan’ny fanomanana ny fifidianana.

28/02/2013

Samihafa

Nanamafy hatrany ny fitakiana ny handohavan’ny fitondram-panjakana ny vatsim-pianarana ho azy ireo ireo mpianatra Malagasy mandranto fianarana any Chine. Nankinin’izy ireo tamina mpisolovava izany fangatahana izany. Ity farany izay nanambara fa nisy mpianatra Malagasy iray namoy ny ainy tany Chine tamin’ny herinandro lasa teo. Misy ifandraisany amin’ny tsy fandraisana vatsim-pianarana nandritra ny volana maro ny nahafatesan’ity mpianatra ity, araka ny fitantaran’ilay mpisolovava.

28/02/2013

Samihafa

Nanao hetsika manoloana ny biraon’ny fifandraisan’ny SADC etsy Ankorondrano, omaly ireo avy amin’ny hetsika Pro-Ravalomanana. Nangataka fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra tao amin’izany biraon’ny SADC eto Madagasikara izany ihany koa izy ireo nandritra izany hetsika izany. Araka ny nambaran’ny mpitarika azy ireo dia ny fitakiana ny fanafainganana ny fammiharana ireo izay voafaritry ny tondrozoatra amin’ny fivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy no anton’izany hetsika izany. Teboka telo no iompanan’ny fitakian’izy ireo, araka ny fanazavan’izy ireo ihany.

01/03/2013

Samihafa

Ankoatry ny hetaheta te-hahafantatra ny tena antony marina nahatonga ny filohan’ny tetezamita hanova ireo vato teo amin’ny tohotoho-baton’Antaninarenina dia mametram-panontaniana ihany koa ny maro, amin’izao fotoana izao, mikasika ny nanaovana ireo vato nesorina teo amin’ireo tohotohotra ireo. Maro ny milaza fa vato manana ny maha-izy azy amin’ny lafiny rehetra, indrindra amin’ny tantaram-pirenena sy ny tantaran’Antananarivo ireo vato ireo, raha tsy hiteny afa-tsy noho izy ireo naorina tamin’ny andron-dRanavalona voalohany. Lafo vidy eo anatrehan’ny mpahalala, arak’izany ireny vato ireny.

01/03/2013

Samihafa

Nanaatontosa hatsika manokana nampitondrainy ny anarana hoe “operation” mpanendaka ny Force d’Intervention de la Police (FIP) Toamasina. Taorian’ny hetsika nataon’izy ireo tao Valpinson sy Ankirihiry dia tao anivon’ny tsenan’Ambolomadinika indray izy ireo tamin’ity herinandro ity no nanao izany. Nisy ary ny vokatra azo izay nahasamborana ireo efa-dahy isan’ny sefon’ireo “bandy kely” mpanendaka eo amin’ny tsenan’Ambolomadinika. Isan’ny voasambotra I Jean Eric, 17 taona izay fanateran’ireo mpanendaka ny zavatra azony sy mpizara ny vola amin’ireo ekipany. Voasambotra ihany koa i Gregoire 17 taona izay manana fahaizana manokana amin’ny halatra finday anaty trano fisotroana sy ireo olona ambony posy ary fangaronana paosy. Voalaza fa amidiny sy ny ekipany eo amin’ny “bazarim-bolondolo” Ambolomadinika amin’ny vidiny 20.000 ariary ka hatramin’ny 30.000 ariary ireo finday azony raha efa tonta izany.

01/03/2013

Samihafa

Fitaovana saro-bidy maromaro no lasan’ny jiolahy tao amin’ny hopitaly manara-penitra any Toamasina. Ny alin’ny talata teo no nisian’izany vaky trano izany. Tambazana volabe izay manome vaovao momba ireo entana very ireo. Mitaraina noho ny tsy fananan’izy ireo birao kosa ireo mpitsabo ao amin’izany toeram-pitsaboana izany. Lasibatry ny vaky trano ihany koa ny hopitaly manara-penitra tany Toamasina. Loharanom-baovao avy ao amin’ny fitantanana izany hopitaly izany no nahafantarana fa ny talata alina nifoha ny alarobia teo no nitrangan’izany vaky trano izany. Mbola ny vaovao avy amina tompon’andraikitra tao amin’izany hopitaly izany ihany koa no nahafantarana fa fitaovana lafo vidy toy ny solosaina sy fahitalavitra “Ecran plat LED – LCD” maromaro no very tao amin’ny hopitaly “manaram-penitra” Toamasina vokatr’ity vaky trano ity.

01/03/2013

Samihafa

Fitaovam-piadiana maherivaika tokoa no sarona tao an-tranon’ilay jiolahy izay nosamborin’ny mpitandro filaminana avy amin’ny polisim-pirenena teny Andohatapenaka ny talata 26 febroary lasa teo. Kalachnikov iray sy « boîte à chargeur » roa ary bala miisa 120 no tratra tao an-tranony. Nahitana PA iray sy « chargeur » iray ary bala miisa 07 ihany koa tao aminy. Ankoatr’ireo dia hita tao an-tranon’ity jiolahy ity ihany koa ny moara sy fanafody gasy maromaro izay inoana fa fampiasany amin’ny asa-ratsiny.

01/03/2013

Samihafa

Tondroin’ny filohan’ny tranoben’ny tantsaha (TTR) any Androy, ho manararaom-pahefana ny filohan’ny tranoben’ny tantsaha eto Madagasikara. Tsy ankatoavin’izy ireo arak’izany ny fifidianana nanavaozana ny birao mpitantana ny tranoben’ny tantsaha tany Androy izay nokarakarain’ny tranoben’ny tantsaha nasionaly.

01/03/2013

Samihafa

Mirongatra izay tsy izy ny fanolanana zanaka vavy raha ny zava-misy any Toamasina no resahina. Ho an’ny volana febroary teo fotsiny dia nahatratra efatra ny trangana fanolanana zanaka nataona raim-pianankaviana tany amin’ity tanana ity. Manodidina ny 05 hatramin’ny 25 taona avokoa ireo zazavavy voaholana ireo ary ireo ray mitaiza ny zanany vavy irery aorian’ny fisarahana eo aminy sy ny vadiny ary mpiasa an-trano ihany koa no mahatonga ity tranga mamoafady ity izay marihina fa sazy am-ponja an-terivozin’ny no miandry izay tratra amin’izany.

01/03/2013

Samihafa

Hatao androany any Toamasina ny fanombohan’ny fanarenana sy fanitarana ny tsenan’ny Bazary be any an-toerana. Araka ny fandaminana dia ny kaominina mpanara-maso ny asa sy ny Ambatovy miantoka ny vola manontolo hanamboarana azy ary ny mpanamboatra ny tsena izay mizara “lots” 06. Nampahafantarina ireo olona notsongaina manokana noheverin’ny kaominina sy ny Ambatovy fa mahasolo ny mponin’i Toamasina, ny asa hatao sy ny fomba hanaovana izany ary ny endriky ny tsena amin’ny fahavitany. Ar.8.000 tapitrisa tsy andoavana hetra no vola navoakan’Ambatovy tamin’ilay 25 tapitrisa dolara hanaovana asa ara-tsosialy eo aminy.

02/03/2013

Samihafa

Tsy afaka ny hangiana manoloana ny resabe etsy sy eroa manodidina ny fametraham-pialan’ny Papa Ray Masina Benoit XVI, ny fiangonana Katolika maneran-tany; toraka izany koa ny eto Madagasikara. Nitondra fanazavana mikasika izany ny Fiombonamben’ny Eveka eto Madagasikara, araka ny fanambarana nataon’ny sekretera jeneraly, Mgr Philippe Ranaivomanana. Noho ny fahosana nateraky ny fahanterana izay tsy ahafahany manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny adidy maha Papa azy intsony no an’iny fametraham-pialana tamin’ny faha-12 febroary 2013 iny. Nitsahatra tamin’ny andraikitra maha filohan’ny Fiangonana Katolika ny faha-28 febroary 2013 teo moa ny Papa Ray Masina Benoit XVI. Miantso ny mpino kristiana rehetra hitrotro am-bavaka ny fivoriamben’ireo kardinaly, rafitra entina hifidianana ny Papa vaovao ny fiombonamben’ny Eveka eto Madagasikara ary nanambara fa nitsilo ny Fiangonan’Andriamanitra hatrany ny Fanahy Masina ary inoana fa mbola hitantana amin’izao kihon-dalana hatrehiny izao.

02/03/2013

Samihafa

Tsy any Antsirabe irery intsony no hamokaran’ny orinasa Holcim ny karaza-tsimenitra fantatra amin’ny anarana hoe “Orimbato”. Araka ny nampahafantarin’izany orin’asa izany dia hamokatra ity karazan-tsimenitra ity any Toamasina ihany koa ny orinansa manomboka izao. Nohon’ny firoboroboan’ny tsenan’ny tao-trano sy ny asa vaventy any amin’iny faritra iny no anton’izany fanampahan-kevitra izany, raha araka ny fanazavana. Reherehan’ny orinasa “Holcim” ity simenitra ity hoy tompon’andrakitry ny orinasa, noho izy tena antoky ny fanamboarana trano sy asa vaventy maharitra sy ho an’ny taranaka. Mafy sy maharitra ireo singa ao aminy ary natao mifanaraka amin’ny toetr’andro sy amin’ny fahefa-mividin’ny Malagasy ny vokatra.

02/03/2013

Samihafa

Tsy nahazo niakatra tao amin’ny fiaramanidin’ny kompania fitaterana afrikanina tatsimo Air Link indray omaly ny vadin’ny filoha teo aloha, Lalao Ravalomanana, raha nikasa ny handray izany fiara-manidina izany hihazo an’i Madagasikara. Tsy tanteraka indray izany ny fikasan’ity vadin’ny filoha teo aloha ity hamangy ny reniny marary eto Madagasikara, araka ny fangatahana maro efa nataon’ny fianankaviany. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny ankolafy Ravalomanana izay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly tolakandro dia nahazo baiko avy amina tompon’andraikitra eto Madagasikara tsy hitondra an-dRamatoa Lalao Ravalomanana indray ny kompaniam-pitaterana afrikana tatsimo Air Link. Omaly tolakandro tokony ho tamin’ny telo no nisehoan’izany tatsy Afrika atsimo raha iny efa saika hiondrana amin’ny fiaramanidina iny i Lalao Ravalomanana.

02/03/2013

Samihafa

Ny tananan’i Toamasina no nampiantrano ny atrikasa voalohany ho fanomanana ny lahadinika hatao mandritra ilay hetsika “forum national urbain” voalohany hatao eto Antananarivo ny 26 – 28 martsa 2013 ho avy izao. Naharitra roa andro, dia ny alatrobia sy ny alakamisy teo, ny atrikasa fanomanana natao tany Toamasina. “Andao hiara-hampandroso ny tananantsika”. Izay no loha-hevitra nosafidian’ny fiadidiana ny praiminisitra lefitra misahana ny Fanajariana ny tany (VPDAT), izay tompo-marika voalohany amin’ny fanomanana ity dinika hamoahana ny “politikam-panjakana voalohany mikasika ny tanan-dehibe” ity. Raha ny tarehimarika dia ny mihoatra ny 60% ny harin-karena faobe eto Madagasikara dia ny tanan-dehibe avokoa no mamokatra azy. Ny 35% n’ny Malagasy ihany koa dia mponina an-tanan-dehibe avokoa.

02/03/2013

Samihafa

Ny fampitam-baovao avy amin’ireo manam-pahaizana manokana momba ny tantely no nahafantarana fa mahomby farafahakeliny 80% amin’ny ady atao amin’ny haretina “varroa” izay nandripaka ny ankamaroan’ny tantely tamin’ny faritra maro teto Madagasikara ny karazam-panafody atao hoe “EpiPro”. Fantatra ihany koa araka ny fikarohana natao teny an’ivon’ny anjerimanontolo teto Antananarivo fa efa misy karazam-panafody hafa miisa 8 izay eo an-dalam-panandramana amin’izao fotoana izao, heverina fa ho enti-miady amin’ny aretin’ny tantely na ny “varroa”

02/03/2013

Samihafa

Samy nametraka fitoriana teo anatrehan’ny fitsarana tany Tolagnaro na ny vahoaka ao anatin’ny fikambanana Fagnomba na ny fiadidiana ny orinasa Fasimainty sy ny fiadidiana ny Faritra Anôsy. Nitory ireo mpanao fihetsiketsehana notarihan’ny Fagnomba tamin’ny fanatsakatsanana ny asan’ny orinasa ka niteraka fatiantoka tao aminy ny orinasa Fasimainty. Ny Fagnomba kosa nitory ny fiadidina ny Faritra noho ity farany tondroin’izy ireo naniraka mpitandro filaminana nitifitra tamin’ny bala tena izy. Hatao amin’ny herinandro io ny fitsarana

05/03/2013

Samihafa

Nanao hetsika manokana nikarohana izay navanon-doza ka nahafaty an’i sergent Randrianirina Jean Fidelis ny miaramila avy ao amin’nhy primatiora. Vokatr’izany hetsika izany dia olona enina, ka vehivevy ny roa ary sarimbavy ny roa, no voasambotra ary niaiky fa isan’ny nandray anjara tamin’ny famonoana izany miaramila izany. Mbola karohina kosa ny olona telo hafa voaroiroy amin’ity raharaha ity.

05/03/2013

Samihafa

Nifamontoana tamin’ireo VOT (Vondron’olon-tsotra) tany Toamasina ny VOT nasionaly tarihan’i Sarah Zoe. Fifampiarahabana tratry ny taona teo amin’izy samy izy, ary famakafakana ny zava-dehibe iainan’ny firenena sy ny tolona atrehana amin’ity taona ity no votoatin’ny fihaonana. “Tsy maintsy mody an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana, mila azy ny vahoaka malagasy”, izay ny sora-baventy narantin’ireo VOT tao Toamasina nandritra ity fihaonana nataon’izy ireo tamin’ny sabotsy tontolo andro tany Toamasina ity. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny VOT tamin’ny lahateniny ho an’ireo mpandray anjara kosa fa “mila mandray andraikitra isika vahoaka tsotra amin’izao zava-misy iainan’ny firenentsika izao. Taona hamaranantsika ny krizy ity taona ity, taona ihany koa hamenerantsika ny ara-dalana sy tany tan-dalana amin’izay. Fikambanana sahy isika ka tsy maintsy miroso hatrany na betsaka aza ny sakana sy ny ramatahora”.

05/03/2013

Samihafa

Nanao hetsika teo anoloan’ny biraon’ny orinasa JDS etsy Talatamaty ireo olona miisa 400 mahery izay nifampiraharaha tamin’ny tompon’ity orinasa ity kanefa tsy tanteraka mandrak’izao ny fifanarahana. Nilaza ho mandefa mpiasa hiasa any amin’ny Nosy Maorisy ny tompon’ity orin’asa ity ka nangalany vola 300 000 ariary isan’olona ireo izay nangataka izany asa izany. Tamin’ny volana janoary tamin’ny taona 2012 no nampanantenany fa handehanan’izy ireo ho any Maorisy kanefa hatramin’izao dia mbola tsy lasa ihany. Hitondra ny raharaha eo amin’ny mpanara-maso ny asa eto Madagasikara ireto olona ireto.

05/03/2013

Samihafa

Nirongatra dia nirongatra ny bagara sy ny fifanafihan’ny samy mpianatra tany Toamasina tato ho ato. Nanombona tamin’iny volana febroary lasa iny dia saika isan’andro no andrenesana na ahitana mpianatra ny mifanafika amin’ny “antsy” sy “sabatra” na “kibay” an-dalam-be. Matetika dia andiana mpianatra no mifanafika ireo namany amin’ny sekoly hafa, izay mandeha andiany vavy sy lahy 20 eo.

05/03/2013

Samihafa

Araka ny efa nanapoizana azy dia niditra mivantana tamin’ny antso an-telefaonina nandritra ny hetsiky ny ankolafy Ravalomanana teny amin’ny Magro tamin’ny asabotsy teo ny vadin’ny filoha teo aloha, Lalao Ravalomanana. Nandritra izany fidirany mivantana izany no nanambarany ny halahelony manoloana ny fihetsiky ny mpitondra tetezamita tamin’ny fanakanana azy tsy hody an-tanindrazana hitsabo ny reniny marary eny amin’ny hopitaly. Toy izao ny nambaran-dRamatoa Lalao Ravalomanana nandritra izany fidirany mivantana tao amin’ny Magro izany: « ry vahoaka Malagasy.

05/03/2013

Samihafa

Toy ny nataon’ny mpanakanto teto Antananarivo, dia nanatanteraka hetsika voin-kava-mahatratra ho fanampiana ireo tra-boina any Toliara ihany koa ny sendikan’ny mpanakanto tao Toamasina. Teo anoloan’ny ivo-toerana rejionaly momba ny tanora sy fanatanjahan-tena (CRJS) no nanatanterahana ny hetsika ny sabotsy sy alahady tontolon’ny andro teo. Tsikaritra anefa fa tsy nahasarika olona loatra ity voin-kava-mahatratra tao Toamasina ity.

05/03/2013

Samihafa

Lehibena tamba-jotra iray mpandefa entana halatra mankaty Madagasikara no niakatra fitsarana tatsy amin’ny Nosy La Réunion tamin’ny faran’ny herinandro teo. Fiara sy kosakosana fiarakodia na entana hafa toy ny solosaina izay nangalarina tany amin’ity Nosy ity no ataon’ity tambajotra ity anaty kaontenera ary alefany aty Madagasikara hamidy. Nohelohin’ny fitsarana tany La Réunion higatra efa-taona an-tranomaizina ilay vehivavy voalaza fa atidohan’ity tamba-jotra ity.

05/03/2013

Samihafa

Nitera-doza ny fatapahan-jiro tany amin’ny tananan’I Nosy be. Araka ny nambaran’ny loharanom-baovao avy ao amin’ny Hopitaly Be any an-toerana dia vehivevy iray no namoy ny ainy rehefa avy nodidiana vokatr’izany fatapahan-jiro izany. Tsy maintsy nodidiana izany vehivavy vao 28 taona izany hono ny tsy fetezana tao amin’ny tranon-janany. Izany atao hoe “GU” izany no nahazo azy. Nandritra ny fandidiana anefa no tapaka tampoka ny herin’aratra tao amin’ny hopitaly. Ity farany izay voalaza fa tsy nanana mpamokatra herin’aratra fiandry tamin’io fotoana io satria maty ihany koa ny mpaamokatra herinanratra tao amin’ny Hopitaly.

05/03/2013

Samihafa

Tiana ny manamarika ety am-boalohany fa tsy fiarovana ireo olon-dratsy na ireo mpamono olona velively no hanoratana ity lahatsoratra ity fa ho fanairana ny sain’ireo mpitsara, manampahefana, tomponandraikitra ambony, avara-pianarana, mpanao politika, ireo fikambanana mpiaro ny zon’olombelona, ny fianakaviambe iraisam-pirenena, manoloana ny fanamparam-pahefana diso tafahoatra ataon’ny miaramila eto Madagasikara. Marina tokoa fa miankina loatra amin’ny Tafika ity fitondrana Tetezamita ity, kanefa kosa heverina fa tsy azo ekena intsony ny fihetsiky ny miaramila amin’izao fotoana. Toa mangiana eo anetrahan’izany anefa ny mpitandro filaminana, indrindra ny CIRGN, manaiky izao trangan-javatra tsy fahita eto ambonin’ny tany heverina ho tan-dalana izao.

05/03/2013

Samihafa

Mitodika tanteraka any amin’ny kaomisiona mahaleotenan’ny fifidianana na ny CENIT amin’izao fotoana izao ny fijerin’ny mpanara-baovao hatramin’ny nandrenesana tamin’ny alalan’ny solontenan’ny mpamatsy vola fa efa vonona ny ankamaroan’ny vola avy amin’ny fianankaviambe iraisam-pirenena hanampiany ny fikarakarana ny fifidianana hatao eto Madagasikara. Araka ny fahitan’i Rasolo André kosa dia tokony hanova fomba fiasa amin’izany ny CENIT ka tokony hasiany tsindrim-peo manokana ny fampiharana ny mangarahara amin’ny raharaham-panomanana ny fifidianana.

05/03/2013

Samihafa

Hanakatom-baravarana indray ny Banky BFV amin’ity androany ity, raha araka ny vaovao avy amin’ireo mpiasa ao amin’izany Banky izany. Nambaran’izy ireo fa tsy mbola tanteraka hatramin’izao ny fitakian’izy ireo izay efa nanaovany fitokonana fanairana, herinandro vitsivitsy lasa izay. Eo anatrehan’izany tsy fatanterahan’ny fitakian’izy ireo izany dia nanapa-kevitra ny hampitsahatra ny asany indray izy ireo ary ao anatin’ny fotoana tsy voafetra no hanatanterahan’izy ireo izany.

05/03/2013

Samihafa

Ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena no nahafantarana fa voasambotra ireo mpivarotra sy mpamatsy rongony tao Tsarahonenana. loharanom-baovao avy tamin’ny olon-tsotra no nazoan’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina (Stupéfiant Anosy) ny vaovao mikasika ireo olona mpivarotra rongony ireo. Nidina teny amin’ny toerana voatondro ny polisy ka nanao ny vela-pandrika hisamborana azy ireo ny 1 marsa 2013 tamin’ny 8 ora sy sasany maraina. Voasambotra tamin’izany ny lehilahy iray izay mpividy rongony ka hita tany aminy ny fonosana rongony iray. Tamin’ny fanadihadiana natao tamin’io olona io no nahafantarana fa mbola misy lehilahy iray hafa ihany koa izay voalaza fa mpivarotra mpanaparitaka ireo rongony ireo.

05/03/2013

Samihafa

Miomana fatratra amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ireo mpikambana tompon-toerana ao amin’ny Antenimeran’ny Varotra sy ny Indostria any Toamasina amin’izao fotoana izao ireo ireo vondrona izay voakasik’izany fifidianana izany. Tsiahivina fa efa nomanina hatramin’ny volana avrily 2011 tamin’ny fametrahana komity manokana hitantana ny CCI Toamasina tamin’ny alàlan’ny didim-panjakana laharana faha 2011-433 tamin’ny 02 aogositra 2011 ity fifidianana ity.

05/03/2013

Samihafa

Vary milanja iray taonina. Izay no fanampiana nentin’ny ministeran’ny Varotra ho an’ireo tra-boina tany amin’ny distrikan’i Miandrivazo. Ny talen’ny kabinetra ao amin’izany ministera izany Andrianantenaina Ramboarivelo no nanolotra ny fanomezana tany an-toerana tamin’ny anaran’ny minisitra Olga Ramalason.

05/03/2013

Samihafa

Nitrangana haitrano omaly tany Tanambao Verrerie any Toamasina. Tamin’ny 11ora atoandro no nitrangan’izany araka ny tatitry avy amin’ny mpamonjy voina. Trano miisa 40 no lasa lavenona ary olona maherin’ny 150 no tsy manan-kialofana vokatr’izany haitrano izany.

06/03/2013

Samihafa

Miaramila mirongo fitaovam-piadiana niaraka tamina vadi-tany no tonga nanala ireo mpivarotra teo amin’ny manodidina ny Malacam, tamin’ny toerana nivarotan’izy ireo, omaly maraina. Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany no tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ireo ary nanome ora roa ireo mpivarotra mba handrodanan’izy ireo ny toeram-pivarotan’izy ireo isan’isany avy. Tsy nanan-tsafidy intsony ireo mpivarotra, arak’izany, na dia efa nilokaloka ny tsy hiala amin’ny toerany na inon-kidona na inon-kiantra, aza izy ireo.

06/03/2013

Samihafa

Tany amin’ny tanana iray tao anatin’ny kaomina Tsinjoarivo 22 any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe, faritra Bongolava no nahitana mpiandry omby iray ity vatosoa saro-bidy ity. “Quartz fumé” no karazan’izany vato izany izay milanja 6 taonina ary mirefy 6 metatra ny manodidina azy. Vato sarobidy izay tsy mbola fahita tany an-toerana ity nipoitra tampoka nasehon’ny riaka ity izay azo tombanana ho 400 tapitrisa ariary any ho any ny vidiny. Notenenin’ilay mpiandry omby tamin’ny namany ny fisian’ilay vato ary ity farany no nitady olona hividy azy. Orinasana teratany Sinoa roa samihafa izay samy tsy manana fahazoan-dalana hitrandraka na hividy vato eto Madagasikara no efa nidina tany an-toerana saika hividy ity vato sarobidy ity ary efa nisy nanome vodiondrim-barotra nefa lasa niteraka savorovoro sy fifanolanana ny raharaha.

06/03/2013

Samihafa

Araka ny efa nambaran’ny sendikan’ny mpiasan’ny Banky BFV dia nanatanteraka fitokonana faobe izy ireo nanomboka omaly. Nikatona avokoa arak’izany ny 80% n’ny masoibohon’ity Banky ity manerana ny nosy, araka ny nambaran’izy ireo ihany. Tsy nanao afa-tsy ireo asa maika kosa ny masoivoho sasantsasany.

06/03/2013

Samihafa

Hatao ao anatin’ny faritra Antsinanana sy ny Faritra Analanjirofo ny 2 ka hatramin’ny 5 aprily ho avy izao ny hetsika tafiditra amin’ilay hetsika fantatra amin’ny anarana hoe “taniketsan’ny fanatanjahan-tena malagasy”. Hatsika izay karakarain’ny ministeran’ny Fanatanjahan-tena sy ny alavoly. Ny talem-paritry ny tanora sy ny alavoly ary ny fanatanjahan-tena ao Toamasina no tompon’antoka amin’ity hetsika ity any an-toerana. Niantso mpanao gazety nanazava ny fepetra mikasika izany hetsika izany ary izy ireo omaly. Nandritra ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity no nilazana fa ny “fitiliana ifotony ireo tanora tena hanome lanja ny fanatanjahan-tena Malagasy atsy ho atsy no tanjona amin’izao ezaky ny minisitera izao.

06/03/2013

Samihafa

Araka ny nambaran’ny filohan’ny Vaomieran’ny Atitany sy ny fitantanana ny loza voajanahary ao anivon’ny Filankevitra avon’ny tetezamita (CST) dia hanaramaso akaiky ny fanatanterahana ny ezaka fanomezana kara-panondrom-pirenena izy ireo manomboka izao. Ilaina, hoy ity parlemantera ity ny fijerena akaiky ny momba ireo olona homena izany karam-panondrom-pirenena maimaim-poana izany. Ny antony dia mba tsy ahatonga izao hetsika izao ho lasa fitaovana hanadiovan’ny jiolahy ny tenan’izy ireo.

07/03/2013

Samihafa

Tsy mety milamina mihitsy ao Mandritsara hatramin’ny omaly araka ny angom-baovao azo avy any an-toerana. Nobahanan’ny olona tamin’ny vatan-kazo sy vato be ny seranam-piaramanidina. Tsy afaka niainga vokatr’izany ny fiaramanidina nitondra ireo delegasiona avy amin’ny mpitondra HAT, raha tsy tany amin’ny 13h30mn. Nobahanan’ny olona tamin’ny fatina traktera sy fatim-by ihany koa ny arabe mihazo ny seranana ho mariky ny haterezan’ny vahoaka any an-toerana. Nirefodrefotra noho izany ny basy ary dia velona korontana. Nigadona tany an-toerana tokoa mantsy ireo mambra avy ao amin’ny governemanta, taorian’ny rotaka nitranga tao Mandritsara vokatry ny famonoan’ny sasany ilay relijiozy vahiny. Nihitatra anefa ny raharaha ary nivadika ho fihetsiketseham-bahoaka. Vokany, nitifitra ny fitondrana, maty noho izany ny mpianatra iray ao amin’ny kilasy famaranana (Terminal A). Toa hoe nisy mpianatra iray hafa maty nandritra izany tifitra vary raraka nataon’ny fitondrana izany koa saingy tsy hita izay nanjavonany hatramin’izao.

07/03/2013

Samihafa

Manao fitsidiham-paritra any Tolagnaro, renovohitr’Anôsy hatry ny omaly ny filohan’ny Vaomiera mahaleontenan’ny Fifidianana Atallah Béatrice. Nandritra ny fihaonany tamin’ireo solontenan’ny CENIT any an-toerana no nanakianany ny fomba fiasan’ireto farany sy nanomezany toro-marika entitra azy ireo. Hanatrika sy hanome voninahitra ny andro iraisam-pirenena any an-toerana ihany koa ny filohan’ny CENIT. Azo lazaina fa tampoka dia tampika tamin’ireo tompon’nandrikitra isan-tsokajiny any amin’ny Faritr’Anôsy ny fahatongavan’i Atallah Béatrice sy ireo mpiara-miasa taminy izay any Tolagnaro amin’izao fotoana izao.

07/03/2013

Samihafa

Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny vedin’ny Sekretera jeneralin’ny Faritra Atsinanana dia niharan’ny kolikoly sy fanararaotam-pahefana ny zanany izay nanao karapanondro.

07/03/2013

Samihafa

Na teo aza ireo fepetra maro izay efa noraisin’ny fiadidiana ny ladoany mba hampizotra an-tsakany sy an-davany ny lavantin’ireo entana tsy misy mpaka tao amin’ny dia mbola tsy tery làlana ihany ireo olon-dratsy. Isan’ny mpitranga matetika araka ny hita any an-toerana dia ireo mpisoloky izay maka vola amin’ireo olona mpandray anjara amin’ny lavanty.

08/03/2013

Samihafa

Tamin’ny alalan’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety no nanambaran’ny Jeneraly misotro ronono, Guy Ratrimoarivony ny heviny manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Nokianiny tanteraka tamin’izany ny tsy fifehezan’ny fitondrana HAT ny fandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Very tanteraka noho izany ny hasin’ny fanjakana, hoy ity manamboninahitra ity. Eo anatrehan’izany dia nanoso-kevitra ny amin’ny tokony hametrahana tany tan-dàlana sy manaja ny zon’olombelona hasolo izao fitondrana izao ny jeneraly Guy Ratrimoarivony.

08/03/2013

Samihafa

Niaiky ny ministry ny Atitany Florent Rakotoarisoa fa mirongatra tokoa amin’izao fotoana izao ny fanaovana valifaty sy ny fitsaram-bahoaka. Ohatra maromaro izay nitranga tato anatin’ny herinandro vitsivitsy no nanamafisany izany fanambarana izany. Isan’izany ny zava-nitranga tany Antsihihy izay nahafatesan’ny fokonolona ny olona iray izay voaroiroy ho mpangalatra.

08/03/2013

Samihafa

Nifanindran(dàlana tamin’ny lanonam-pitsarana nandraisana ny fihanihanan’ireo mpikambana 44 ao amin’ny Filankevitra fampihavanana Malagasy, omaly, ny fanakianana tamin’ny alalan’ny fanambarana nataon’ny HMF (Hetsiky ny mpitondra fivavahana) izay nilaza mazava fa tsy hitondra fampihavanana velively eto amin’ny tany sy ny fanjakana io FFM io. Eo anatrehan’zany dia nilaza mazava ny HMF fa tsy hanaiky hampihavanin’io rafitra io izy ireo. Nanainga ny rehetra tsy hankato ny fampihavanana hataon’ny FFM ihany koa ny HMF ary niantso ireto farany tsy hankato afa-tsy ny ezaka fampihavanana ataon’ny FFKM.

08/03/2013

Samihafa

Ny 06 marsa 2013 teo dia fiarabe efatra no voasakan’ny Zandary nanao « Police de la Route » tao amin’ny kaomina ambanivohitra Antsahakely, distrikan’Ambatofinandrahana, faritra Amoronimania, nitondra vato « malachite », 120 taonina, avy any amin’ny kaominina Soavina, Distrika Ambatofinandrahana ihany.

08/03/2013

Samihafa

Tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha na nanatanterahan’ny ankolafy Ravalomanana ny hetsika vohin-kava mahatratra ho an’ny any atsimo. Omaly tontolo andro na nanatanterahan’izy ireo izany.

09/03/2013

Samihafa

Nirefodrefotra indray ny kalachnikov omaly teny Andohalo, tsy lavitry ny Rovan’i Manjakamiadana araka ny vaovao azo. Miaramila niady raha ny fanampim-baovao avy tamin’ny mpitandro filaminana no niandohan’izany ; samy namoaka basy ary dia samy nampaneno ny teny am-pelatanany. Vao tsy ela akory no niresahana ny fandikan-dalana nataon’ny miaramila avy ao amin’ny BSP Mahazoarivo, tamin’ny fisamborana sy fitànana olona an-keriny niharo vono sy ratra niniana natao dia izao indray manapoapoaka basy amin’ny tsy antony izao indray. Soa ihany fa tsy nisy naratra nandritra ity western iray ity. Tsy hialam-bola kosa angamba ireny bala ireny fa fanomezana (dons) avy any ivelany matoa tsy olana amin’ny miaramila mihitsy ny manapoapoaka azy amin’ny fotoana hitiavany izany.

09/03/2013

Samihafa

Ny fanambarana nataon’ny Zandarmariam-pirenena no nahafantarana fa nanokatra fanadihadiana manokana izy ireo amin’izao fotoana izao ho fikarohana ny marina mikasika ireo bongam-bolamena milanja 246 kg heverina avy aty Madagasikara ary tratra tatsy amin’ny Nosy Mayotte. Raha tsiahivina dia nokasaina halefa any Dibai ireo volamena ireo ary taratasy hosoka no teny am-pela-tanan’ireo nitondra azy. Fanontaniana apetraky ny maro arak’izany ny amin’ny fomba namoahana ireo volamena ireo tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tetsy Ivato, izay tsy isalasalana fa nisy firaisana tsikombakomba sy kolikoly goavana dia goavana.

09/03/2013

Samihafa

Isan’ireo nanamarika tamin’ny fomba manokana ny andron’ny vehivavy, omaly ireo vehivevy avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana izay notarihan’ny filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Razafimanatsoa Hanitra sy ny Cst Naika Eliane, ary ny Ct Rasoanoromalala Horace. Fanomezan-drà maimaim-poana no hetsika nataon’izy ireo ary tao amin’ny hopitaly HJRA no nanatanterahana izany. Araka ny fanazavana nataon’i Razafimanantsoa Hanitra dia nanome rà ny Ankolafy Ravalomanana satria sarobidy izany rà izany amin’ny olombelona. “Izay mamone ra dia manome aina”, hoy ny fanazavany. Ny tianay avoitra, hoy ihany izy, dia maha zava-dehibe ny fanomezana aina amin’ny maha reny anay, ary izany reny izany dia iateheran’ny firenena. Ankoatr’izay dia isan’ny antony nanaovan’izy ireo ity hetsika ity ihany koa ny fahitana fa tsy ampy ny filàn’ny hopitaly HJRA rà amin’izao fotoana izao.

09/03/2013

Samihafa

Afaka nandray anjara tamin’ny hetsika fanamarihana ny andron’ny vehivevy avokoa ireo fikambanam-behivavy tao Toamasina omaly. Nisongadina kosa ny fihetsika nasehon’ny vehivevy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana tany an-toerana. Ireto farany izay nitondra sora-baventy nitaky ny fampodiana an-tanindrazana ny vadin’ny filoha teo aloha. Teo imason’ny minisitry ny Atitany izay nanome voninahitran ny lanonana no nanaovan’izy ireo izany hetsika izany. Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenen’ny vehivevy ny tao antampon-tananan’ny Toamasina izay nanatanterahana hetsika manokana manandrify izany omaly.

09/03/2013

Samihafa

Naneho ny ahiahin’izy ireo amin’ny fahapotehana miandàlan’ny tontolo iainana eto Madagasikara, vokatry ny fitrandrahana gaboraraka ny harena voajanahary ny fikambanana iraisam-pirenena WWF. Ny tena mampalahelo, hoy izy ireo, dia tsy ahitan’ny Malagasy maro an’isa tombontsoa akory ny fitrandrahana ny tontolo iainana amin’izao fotoana izao. Isan’ny nokianin’ny WWF Madagasikara ny fitrandrahana tsy manaja ny tontolo iainana ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika. Eo ihany koa ny fisian’ny fanapotehana ny ala voajanahary sy ny biby izay misy manondrana an-tsokosoko any ivelany ihany koa. Eo anatrehan’izany dia niantso ny Malagasy tsy vakivolo ho tonga saina ary hikaroka izay azo atao mba hiadiana amin’ireny fanapotehana ny tontolo iainana ireny ny lehiben’ny WWF eto Madagasikara, Richard Hugs. Nambarany fa anjaran’ny vahoaka Malagasy no mifanome tanana amin’ireo mpiara-miombon’antoka mba hamongorana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harena voajanahary eto amintsika.

09/03/2013

Samihafa

Hanatanteraka hetsika manokana hamongorana ny tsy fandriam-pahalemana sy ny asan-jiolahy ao antampon-tananan’i Toamasina manomboka izao ireo mpitandro filaminana any an-toerana. “Tsy azo ekena izany tsy filaminana izany. Tsy azo ekena koa ny jiolahy no hametraka ny lalanany eto”, hoy ny tompon’andrikitry ny filaminana avy amin’ny Emmo-Reg izay nampahafantatra ny andinindininy momba ity hetsika hatao ao antampon-tananan’i Toamasina ity. Tsiahivina fa araka ny nambaran’ny talen’ny filaminam-bahoaka tany Toamasina, herinandro vitsivitsy lasa izay dia efa loko mena avokoa ny tsy filaminana ao amin’ity tanana ity noho ireo asan-jiolahy nifanesy izay tonga hatramin’ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika sy ny fakana an-keriny ihany koa.

09/03/2013

Samihafa

Tsy ahitam-bahaolana maharitra hatramin’izao ny asan-jiolahy any amin’iny distrikan’Amboasary atsimo ny. Araka ny vaovao nampitain’ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia ny lalam-pirenena faha 13 manpitohy an’i Amboasary atsimo sy Tolagnaro indray izao no anaovan’ny jiolahy ny asa-ratsin’izy ireo. Matetika dia matetika no andrenesana fanafihan-jiolahy amin’izany lalam-pirenena izany, toy izay nitranga tamin’ny alarobia teo. Tsy latsaky ny folo ireo jiolahy manakana izay mandalo amin’izany lalam-pirenena izany.

11/03/2013

Samihafa

Mitaky ny fampitsaharana ny fisamborana ataon’ny mpitandro filaminana any Mandritsara ireo zanaky ny Faritra Sofia. Mangataka ny hamoahana tsy misy fepetra ireo izay nosamborina taorian’ny hetsika nataon’ireo tanora tany an-toerana ihany koa izy ireo. Marihina fa araka ny nambaran’ireto zanak’i Sofia ireto dia mahatratra 24 hatramin’izao no nosamborin’ny mpitandro filaminana tamin’ity raharaha Mandritsara ity. Tamin’ny raharaha nahavoaroiroy ny mpanao politika Alain Tehandrazanarivelo no nisehoan’ny zanaky ny Faritra Sofia farany.

11/03/2013

Samihafa

Tsy toy ireo tranga nisy tany amin’ny faritra hafa manerana ny Nosy ny momba ny Hôpitaly manara-penitra naorina tany amin’ny renivohitry ny faritra Vatovavy Fitovinany. Raha nihazakazahana ny famitana ny asa rehetra tany amin’ny faritra hafa dia mitarozaka ary tsy nandeha araka ny naminavinana azy kosa ny fandrosoan’ny asa any Manakara. Asa na noho ny tsy filatsahan’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny fifidianana na tsy no anton’izany. Araka ny fantatra dia tsy nahazo ny vola afahany manatanteraka ny asany hatramin’izao ny orin’asa manao izany asa izany any an-toerana.

11/03/2013

Samihafa

Mety tsy hanolotra kandidà amin’ny fifidianana izay hatao eto Madagasikara amin’ity taona ity ny ankolafy Ravalomanana. Araka ny nambaran’ny filoha teo aloha dia tsy hisy kandidà afaka hilatsaka amin’ny anaran’ny antoko sy vondrona tarihany raha tsy efa tonga aty an-tanindrazana ny tenany ary izy no manondro izay ho kandidà. Ankoatr’izany dia nokianin’ny filoha teo aloha ihany koa ny fanankanana an’i Lalao Ravalomanana hody an-tanindrazana hitsabo ny reniny. Nandritra ny hetsika nataon’ny ankolafy Ravalomana tetsy amin’ny Magro Behoririka no nanaovan’ny filoha teo aloha izany fanambarana izany.

11/03/2013

Samihafa

Araka ny fanambarana efa nataony dia nanatontosa fotoam-pivavahana tetsy amin’ny kianjan’Antsahamanitra ny Sabotsy teo ireo mpitondra fivavahana avy amin’ny HMF (Hetsiky ny mpitondra fivavahana). Nandritra ity fotoam-pivavahana ity no nitondran’izy ireo ny heviny sy nanentanany ny vahoaka manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Nambaran’izy ireo tamin’ny alalan’izany fanambarana izany fa natao ihany ny hangina manolona izay lazaina hoe famoahana ny firenena anaty krizy, kanjo nahatsiaro ho diso eo anatrehan’Andriamanitra sy ny mpiray tanindrazana raha mangina manoloana izao hantsana mangitsokitsoka nilatsahan’ny firenena ary mbola kasaina hitondrana azy izao.

11/03/2013

Samihafa

Trà-tehaky ny mpitandri filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ireo mpiasan’ny orinasa Telma anakiroa izay nanodikodina ny fitaovan’izany orinasa izany. Fitaovana natao hanatsarana ny tambajotran’ny Telma ireto nahodikidin’ireto mpiasa ireto, ary ny fiaran’ny orin’asa ihany no nitondran’izy ireo izany. Araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny Polisim-pirenena dia ny fitoriana avy amin’ny orin’asa Telma no nafahana nisambotra an’ireto mpiasa ireto. Araka ny fanaraha-maso tamin’ny alalan’ny fitaovana fitiliana mipetraka tamin’ilay fiara, na irony fantatra amin’ny hoe “GPS” irony no nahitana fa tsy nandeha tamin’ny lalana voatondro halehany ny fiara nentin’ireto mpiasa ireo.

11/03/2013

Samihafa

Nisy trangana fitsaram-bahoaka indray tao Tanambao II any Toamasina ny zoma alina teo. Olona roa lahy izay manodidina ny 40 ka hatramin’ny 45 taona no maty novonoin’ny fokonolona noho izy ireo tratra namaky trano. Marihina fa nifanaiky tamin’ilay trano nisy namaky ny volana febroary lasa teo ihany ny trano novakian’izy ireo. Ity farany izany nahafatesana ramatoa be tamin’ny sabatra sy nandratrana ny zanany vavy sy ny mpanampy azy ireo.

11/03/2013

Samihafa

Araka ny fanambarana izay nataon’i Razafindrafahatra Zoé filoha vaovaon’ny GEPAT (des Entreprises de la Province Autonome de Toamasina), noho ny tsy fanajan-dalana nataon’ny ‘comité ad’hoc’ sy ny tsy fihainona ny fangatahana nataon’izy ireo ny amin’ny fanemorana ny fifidianana hisian’ny fifidianana madio sy tena mangaraharaha teo anivon’ny minisitera, dia nisintaka tsy handray anjara amin’ny fifidianan’ny ‘CCI’ Toamasina izy ireo.

11/03/2013

Samihafa

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny alakamisy 7 marsa lasa teo ny no nanambaran’ny Filohan’ny Fikambanana Zaza Mahazo Honon-draha Toamasina na FIZAMATO, Fulgence, fa ho kandidà amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka ny tenany. Ao amin’ny farim-pifidianana Toamasina I izy no hilatsaka arak any nambarany.

12/03/2013

Samihafa

Dimy hetsy ariary (2 500 000 fmg) no ivarotany ny iray litatra amin’ny menaka rongony. Avy any Mahajanga kosa no nitondrany izany mankaty Antananarivo. Menaka rongony tao anaty “jerinan” roa samihafa no tra-tehaka tamin’ity tanora ity ka ny iray izay nahitana menaka rongony 15 litatra dia efa tany amin’ireo mpantsinjara no nahatratrarana azy. Ny faharoa kosa, izany hoe ny ‘jerican” faharoa izay nisy menaka rongony 35 litatra dia tratra tao an-tranon’ilay tompon’entana ary naleviny tao anaty tany izany. Ny fampitam-baovao avy amin’ny Polisim-pirenena no nahafantarana ny fisian’izany fivarotana menaka rongony izay. Olo-tsotra kosa no nazoan’ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelona ny vaovao tamin’ny 2 mars lasa teo. Araka izany fampitam-baovao avy amina olon-tsotra izany dia teny Manjakaray no nisy ireo mpivarotra mena-drongony ireo. Nanao ny velam-pandrika ny Polisy ka tovolahy efatra no voasambotra. Ny fanadihadiana natao tamin’ireto voasambotra ireto kosa no nahatratrarana ilay farany izay sady mpivarotra no mpamatsy an’iretsy voalohany ihany koa. Natolotra ny fitsarana tamin’ny Sabotsy, 09 mars 2013 izy ireo.

12/03/2013

Samihafa

Niantefa tany amin’ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka ny antso nataon’ireo avy amin’ny Fiarahamonim-pirenena sy ireo olom-pirenena tsotra izay namaky bantsilana ireo izay heverin’izy ireo fa tsy azo ekena intsony amin’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Miantso ny vahoaka Malagasy, arak’izany, izy ireo handray anjara amin’ny hetsika izay hatao ao amin’ny kianjan’Antsahamanitra amin’ny asabotsy izao. Hetsika izay mikendry ny hahatongavana amin’ny fitsanganan’ny rafitra hifehy ny ahitana vahaolana maharitra amin’izao krizy politika manjo ny firenena izao.

12/03/2013

Samihafa

Loharanom-baovao avy amin’ny tompon’andrikim-pahasalamana any no nahafantarana fa olona telo no matin’ny pesta tany Faratsiho sy Miarinarivo II, nandritra iny volana febroary lasa iny. Ny roa tamin’ireo dia avy any Ambatomirahavavy, Faratsiho.

12/03/2013

Samihafa

Tsy mahafapo ny mpandraharaha intsony ny asan’ny OMSI amin’izao fotoana izao raha araka ny fa,ambaran’i Razafindrafahatra Zoe, vondron’ny mpandraharaha ny faritan’i Toamasina, GEPAT, nandritra ny fametrahana azy amin’izany toerana maha filoha izany, ny zoma hariva teo tao amin’ny hotel Le Neptune.

12/03/2013

Samihafa

Nivory toy ny fanaony isaky ny fiandohan’ny herinandro ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny mpitandro ny filaminana telo tonta (Tafika, Polisy, Zandary) ka teny amin’ny efitrano fivorian’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena teny Betongolo no nanaovana izany omaly 11 mars 2013. Ny ministry ny Foloalin-dahy no nitarika izany.

13/03/2013

Samihafa

Namoy namana iray indray ireo mpianatra Malagasy mandranto fianarana any amin’ny firenena Sinoa. Nodimandry omaly i Bruno Herivelo Rakotomalala, iray amin’ireo mpianatra mandranto fianarana tany amin’ny oniversiten’i Wuhan. Araka ny loharanom-baovao dia noho ny fijanonan’ny fony tampoka no nahatonga ny fahafatesany.

13/03/2013

Samihafa

Loza ! loza ! loza ! Mbola misy fanjakana ve eto Madagasikara ? Tsy hay intsony ny hilazana ny zava-nitranga ny alin’ny alatsiainy lasa teo. Nanjakan’ny jiolahy mitam-basy Antananarivo. Nirefodrefotra nanerana ny faritra maro teto an-drenivohitra ny feom-basy mahery vaika. Nanomboka teny Anjanahary, Besarety, Ankadifotsy, Andravoahangy, sns. Tsy nitsitsy izay sendra azy ireto andian-jiolahy mirongo basy mahery vaika ireto. Tonga ara-potoana ihany ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo, nandritra ilay fanafihana tetsy Besarety kanefa dia vaky nandositra rehefa norarafan’ireo olon-dratsy tamin’ny tifitra vary raraka. Tany amin’ny 21 araka ny vaovao azo no isan’ny fatim-bala tavela teo amin’ny faritra nitrangan’ny fifampitifirana. Mbola nitohy teny Ankadifotsy anefa izany fanafihana izany ary dia nahazo fampandrenesana indray koa ny mpitandro filaminana. Ny zava-nitranga teny Besarety ihany anefa no niverina satria dia niala maina indray ny Emmo.

13/03/2013

Samihafa

Nanatanteraka fambolen-kazo teny amin’ny Analamanga Parc RN7 ny mpiasa avy ao amin’ny Faritra Analamanga, notarihan’ny lehiben’ny Faritra, Mananjara Randriambololona. Nahazo fanasana tamin’izao adidy ho an’ny tanindrazana izao avokoa ireo ben’ny tanàna avy amin’ireo kaominina miisa 134 ary ireo distrika 13 mandrafitra ny Faritra Analamanga. Zana-kazo manodidina ny 357 isa no novolena tamin’izany ; izay nahitana hazo fihinam-boa, kesika ary acacia. Nanitikitika ny mpanao gazety kosa ny antony nisafidianan’ny Faritra Analamanga ity toeram-pilanonana ity tamin’izao fambolen-kazo taona 2013 izao. Nitondra fanazavana mikasika izan ny lehiben’ny Faritra.

13/03/2013

Samihafa

Fitrandrahana tsy ara-dalana na trafika mihitsy aza no azo hiantsoana ny fitrandrahana Nickel sy Cobalt ataon’ny orinasa Sherrit Ambatovy manomboka rahampitso 14 marsa 2013 rahatoa ka tsy mahazo fanavaozana ny fahazoan-dalana hitrandraka (renouvellement du permis d’exploitation) avy amin’ny fitondrana HAT ity orinasa hitambaran-dry zareo Kanadiana, Koreana ary Japone ity. Androany 13 marsa 2013 tokoa mantsy no lany daty izany fahazoan-dalana hitrandraka eo am-pelatanan’ny Sherrit Ambatovy izany. Eo am-panaovana ny fitiliana (audit) ara-teknika, ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy ireo manampahaizana manokana nomen’ny fanjakana andraikitra hanao izany. Voalaza àry fa miankina betsaka amin’ny valin’izany fitiliana izany ny ho avin’ny fahazoan-dalana ho an’ny orinasa Sherrit.

13/03/2013

Samihafa

Mandao ny tanana ny mponina. Akoatry ny fahasimban’ny voly sy ny faharavan’ireo trano vokatry ny rivo-doza Haruna dia miverina indray amin’izao fotoana, ny hetraketrak’ireo malaso, raha somary nianto kely izany tao anatin’ny fotoana fohy. Ny mandrava fananan’olona no tena isehoan’izany tato ho ato.

14/03/2013

Samihafa

Mirongatra izay tsy izy ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika. Toa manana tahirim-bala mihitsy ireo jiolahy raha ny zava-niseho farany teo no dinihana. Raha ny tokony ho izy mantsy dia miezaka ny tsy hampiasa ny bala any aminy ireo olon-dratsy, izany hoe tsy mandanindany foana ny balany raha tsy efa mihatra amin’ny ainy ny zava-mitranga. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa anefa narefodrefotr’ireo jiolahy ny kalachnikov, feno diam-bala ny trano teny Anjanahary ary nanao tifitra vary raraka teny Besarety. Izany hoe tsy manana olana amin’ny famatsiana bala ireto andian-jiolahy ireto. Tsy mbola hita soritra mazava anefa ny fandraisana andraikitry ny CIRGN nisolo toerana ny jeneraly Ravalomanana Richard. Toa manina ity komandin’ny zandarinamariam-pirenena ity ny vahoaka ankehitriny.

14/03/2013

Samihafa

Nisy akony lehibe tao amin’ny tananan’Ambatondrazaka, hatry ny omaly, ny fanambaràna nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmariam-pirenena, ny Jeneraly Randrianazary, indrindra tamin’ny filazana fa nisakana ny ny fandraisan’ny Faritra andraikitra manoloana ny fisian’ireo vahiny mpividy safira monina tsy ara-dàlana ao amin’izany tanana izany ny tompon’andraikitry ny fiadidiana ny tanana izany. Nambaran’ny ben’ny tanana fa mbola tsy nandà, na oviana na oviana, ny fanampahan-kevitry ny fitondrana foibe sy ny fanampahankevitry ny fiadidiana ny faritra ny tenany. Etsy an-danin’izany, manomboka mifanantona amin’ny ben’ny tanana ny vahoaka any an-toerana izay naneho ny fahavononan’izy ireo hisakana izay antsonjay mety hatao amin’ity olom-boafidy it,y taorian’iny fanambaran’ny SEG iny.

14/03/2013

Samihafa

Androany no hatao Sonia ny fifaanarahana hanomezan’ny fanjakana Japoney ny anjarany amin’ny kitapom-bola ho fampandehanana ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara araka ny efa nampanantenainy. Etsy an-danin’izany, nanambara ny filohan’ny CENIT fa efa tsy misy intsony ny sakana mety tsy ahatanteraka ny fifidianana araka ny tetiandro efa nofaritana niaraka tamin’ny fianankaviambe iraisam-pirenena.

14/03/2013

Samihafa

Nahazo fitoriana ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika faha 6 na BC 6 fa misy moto very teny Nanisana ny alin’ny 09 mars 2013 tokony ho tamin’ny 7 ora sasany hariva rehefa namonjy Karaoké ny tompon’ilay moto. Ny marainan’ny 11 Mars 2013 no nametraka fitoriana ilay tompona moto ka teo dia nanao fikarohana ny Polisy. Nahazo fampahalalam-baovao ny Polisy fa eny Besarety no misy ilay moto very ka dia nidina teny ry zareo tokony ho tamin’ny 01 ora 30 tolakandro. Rehefa tonga teny ny Polisy dia nisy trano iray nosavaina ka tratra tao ilay moto very sy moto miisa telo hafa marika “ JOG PRO” izay halatra ihany koa niaraka tamin’ny taratasina moto sandoka maromaro ary lakile ‘’Passe-partout’’. Olona telo, ka tompon’ny trano ny iray no voaroiroy tamin’ity raharaha ity.

14/03/2013

Samihafa

Tany Mahavelona Foulpointe no nitranga ny raharaha. Samy naiditry ny fitsarana eny am-ponja na ilay lehilahy voaroiroy ho nanolana ilay zazavavy vao 14 taona, na ny renin’ilay zazavavy miaraka amina polisy kôminaly izay voalaza fa mpiray tsikombakomba tamin’ity raharaha ity. Tamin’ny talata teo no natao ny fanadihadiana azy ireo teny amin’ny fitsarana. Marihina fa zazavavy mbola mpianatra ity voaolana ity.

14/03/2013

Samihafa

Olona roa avy amin’ny hetsika Fagnomba any Tolagnaro, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny iray: ireo no nosamborina ary naiditra am-ponja taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fahavakisan’ny tranon’ny CED izay rantsamangaikan’ny CENIT any an-toerana. Efa andro maromaro no nikarohan’ny mpitandro filaminana azy mianadahy ireto ka tany amin’ny tanana manodidina ny Tolagnaro no nahitana azy.

14/03/2013

Samihafa

Mivangongo etsy sy ero indray amin’izao fotoana izao ny loto ao antampon-tananan’i Toamasina. Tsy voafehin’ny kaominina intsony ny fanalana ireo fako amin’ireo tsena goavana, indrindra amin’ireo toerana natao ho fanariam-pako.

14/03/2013

Samihafa

Tapaka nandritra ny ora vitsivitsy ny lalana manoloana ny CNTEMAD Ambatomitsangana omaly atoandro vokatry ny fahatapahan’ny hazo lehibe iray anaty tanàna manamorona ny arabe. Raha ny fahitana azy tokoa tamin’ny nandalovanay teny an-toerana dia efa antitra sady lehibe ity hazo ity, ka izay angamba no antony niteraka ny loza. Vokatr’izany dia niteraka fitohanana teo amin’ny fifamoivoizana ka nanelingelina ny mpampiasa izany lalana izany ity tranga iray ity.

15/03/2013

Samihafa

Azo lazaina fa nandresy ireo mpiasa mitokona tao amin’ny Banky BFV, raha ny vokatry ny fitsarana ny raharaha ifanolanan’izy ireo amin’ny mpampiasa azy ireo no jerena. Araka ny fantatra dia nodidian’ny fitsarana hanondrotra ny karaman’ny mpiasa, mifanandrify amin’ny fitakian’ireto farany ny Banky BFV SG. Nodidian’ny fitsarana hiverina hiasa manomboka androany kosa ny mpiasa, tetsy an-kilan’izany.

15/03/2013

Samihafa

Araka ny nambaran’i Lalao Ravalomanana nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ireo mpanao gazety nitafa taminy teny Faravohitra dia isan’ny asa miandry azy ny fananganana indray ny orin’asa TIKO amin’ny maha orinasam-pianankaviana azy. Tsy asa mora anefa no izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fanjavonan’ireo fitaovana saro-bidy, sisa tsy potika nandritra ireny hetsi-bahoaka notarihan’ny filohan’ny tetezamita ireny isika, kanefa tsy hita popoka mandrak’izao. Hanao izay ho afany tsy afahan’i Lalao Ravalomanana mijery akaiky ny orinasa TIKO arak’izay ireo rehetra voakasiky ny fanjavonan’ireny fitaovana ireny.

15/03/2013

Samihafa

Tsy handray anjara amin’ny fikarakarana ny fifidianana, ary tsy hanana kandida amin’ny fifidianana ny filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria any Toamasina ireo solontenan’ny mpandraharaha ao anatin’ny “Comité ad hoc”. Kianin’izy ireo ny fitongilanana sy ny tsy fanarahan-dàlana misy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ao amin’ity rafitra ity. Tsy hahasakana ny fampizorana ny fifidianana anefa izany satria efa nanamafy ny amin’ny tsy maintsy handehanan’izany ny ministeran’ny Varotra.

15/03/2013

Samihafa

Efa nandray vatsim-pianarana nanomboka tamin’ity herinandro ity ireo mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo eny Ankatso. Roa volana ihany anefa no vatsim-pianarana nomen’ny fanjakana azy ireo raha vatsim-pianarana enimbolana no mbola tsy voaloha. Mbola misy vatsim-pianarana efa-bolana arak’izany no tsy nalohan’ny fanjakana. Mitaraina arak’izany ireo mpianatra, indrindra ireo izay efa manomboka ny taom-pianarana vaovao. Misedra olana tanteraka izy ireo, araka ny nambarany manoloana ny fasahiranana ateraky ny tsy fandraisana ny vatsim-pianarana. Marihina fa misy amin’ireo lalam-pihofanana eny Ankatso no efa nanomboka ny taom-pianarana, izany hoe tsy nisy fialn-tsasatra noho ny fanenjehana ny fandaharam-pianarana.

15/03/2013

Samihafa

Nirotsaka an-tsehatra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy any amin’ny faritra Antsinanana ny UNICEF amin’izao fotoana izao. Mikarakara fanofanana ho an’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fampanajana ny fiarovana ny zon’ny ankizy, ahitana ny mpitandro ny filaminana sy ireo fikambanana mpiaro ny ankizy ary ireo fiaramonim-pirenena mpiara-miasa amin’ny Unicef ity fikambanana ity.

16/03/2013

Samihafa

Tsy nanaitra ny mpanara-baovao firy loatra ny filazan’ny Ho-Hup fa nosamborin’ny mpitandro filaminana ary notànana etsy amin’ny borigadin’ny zandarimaria Betongolo ilay teratany Maleziana misolo tena ny orinasa eto Madagasikara. Efa nampoizina io trangan-javatra io taorian’ny fikasàn’ny vadintany hampihatra didim-pitsarana tetsy amin’ny Madarail Soarano iny.

16/03/2013

Samihafa

Namoaka fanambarana mitantara ny najo ilay mpianatra Malagasy izay nindaosin’ny fahafatesana tany Chine ireo mpianatra namany mbola any amin’ity firenena ity. Tamin’izany fanambarana izany ihany koa no nitantaran’izy ireo ny fasahiranana mbola sedrain’ireo mpianatra Malagasy any Chine amin’izao fotoana izao noho ny tsy fanomezan’ny fitondrana HAT azy ireo ny vatsim-pianarany. Nanamafy ny antso avo izay efa nataony hatramin’ny ela izy izao any mangataka ny mba hijerena haingana ny vahaolana momba azy ireo. Toy izao no fitantaran’ny mpianatra namany ny nanjo ilay mpianatra Malagasy maty tany Chine farany teo. Efa ho herinandro maromaro no efa narary ary nolazoin’ny aretina RAKOTOMALALA Hery Harivelo Bruno : nivonto ny tongony roa, nihitatra tamin’ny vatany manontolo, tsy afaka nandeha, niha osa.

16/03/2013

Samihafa

Nanao antso avo ho fanambarana ny hery ivoahana amin’izao krizy izao ny Vovonana mitaky ny fametrahana ny Fanjakana tan-dàlana izay tarihan’ny Profesora Ranjeva Raymond. Nandritra izany fanambarana izany no nilazany fa tsy avela ho potehan’ny “Etat sauvage” izay misy amin’izao fotoana izao ny firenena. Nasongadin’ny Profesora Ranjeva Raymond ihany koa fa tsy azo antoka ny hahatongavana amin’ny fifidianana madio ny CENIT.

16/03/2013

Samihafa

Nanomboka ny 4 febroary ka hatramin’ny 6 marsa teo nahatratra 1.734.900.000 ny vola azon’ny ladoany ny lavanty andiany voalohany, natao tamin’ireo entana tsy nisy mpaka tao aminy. Hahazo 30% avy amin’io vola io ny Mictsl sy Smmc ary Ccit. 20% kosa ho an’ny ladoany, ny 10% ho an’ny ‘compagnie de navigations’ sy ‘ayant droit’. Lamba tonta, sira, siramamy, vary, fitaovam-pitsaboana, kojakojam-piarakodia, sakafo isan-karazany, menaka ary kojakoja samy hafa, no maro tamin’ireto entana natao lavanty ireto izay efa nisy ny taona 2009 no tsy nisy mpaka teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. An-jatony ny kaontenera vita lavanty tamin’izao ampahany voalohany izao. Manodidina ny 60 kosa ireo fiara .

18/03/2013

Samihafa

“Docker” iray eo amin’ny 26 taona no hita faty tao anaty kirihitra tsy lavitry ny Fiangonana Advantista Soamanandrariny omaly. Monina teny Ambatolampikely teny izy ity raha ny fanazavana nomen’ny mponina eny amin’ny manodidina ny toerana nahitana ny razana ary efa ho herinandro angaha hono no tsy hitan’ny fianakaviana. Feno ratra ny vatan’ilay lehilahy, hoy hatrany ireo nitafa tamin’ny mpanao gazety. Azo heverina ho nampijaliana mihitsy izy talohan’ny nahafatesana noho ireo diana kapoka teny amin’ny tenany.

18/03/2013

Samihafa

Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fifidianana ireo mpikambana maharitra ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria any Toamasina n any CCIT. Nizotra tao anatin’ny filaminana tanteraka ny fifidianana, raha araka ny loharanom-baobao avy any an-toerana. Nahazo toerana be indrindra eo an’ivon’izany antenimiera izany, raha araka ny vokam-pifidianana, ny Vondron’ny mpandraharaha mpanondrana litchis n any GEL ( Groupement des exportateurs de Litchis) izay notarihan’ny filohany, Rafidimanana Narson. Ity farany arak’izany no ho lasa filohan’ny CCI Toamasina. Ny andro mialoha ny fifidianana anefa dia efa nisy ny ampahan’olona izay nanao hetsika manohitra ny fampandehanana ny fifidianana atao amboletra.

18/03/2013

Samihafa

Sambany no nanatontosa hetsika tao antampon-tananan’i Toamasina ny antoko ZAMA (Zanak’i Madagasikara). Fambolen-kazo teny amoron-dranomasina manoloana ny hopitaly be no nataon’izany antoko izany. Hetsika izay niarahany nanatontosa tamin’ny kaominina Toamasina, ny Arian Tourism, ary ny Grene Toamasina. Nandritra izany hetsika izany no nitondran’ity antoko ity ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena eto amintsika amin’izao fotoana izao, indrindra ny ho fandraisan’izy ireo anjara amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara

18/03/2013

Samihafa

Tsy hita taratra hatreto, ny fiatrehan’ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy ny andraikitra tena nofaritan’ny Tondrozotra hiantsorohany. Raha ny zava-misy hatramin’izao andro vitsivitsy nitsanganan’ity andrim-panjakana ity tokoa no jerene dia toa mifantoka betsaka any amin’ny famontsoran-keloka ny tena iompanan’ny asany fa tsy amin’ny fampihavanana, izay notondroin’ny Tondrozotra fa tokony himasoany.

18/03/2013

Samihafa

Ho tohin’ny raharaha mikasika ny fitrandrahana safira any Didy izay nisian’ny fanambarana nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmariam-pirenana dia nisy fihaonana izay nandraisan’ireo tompon’andrikitra avy aty Antananarivo tany an-toerana ny sabotsy teo.

19/03/2013

Samihafa

Mbola tsy fantatra hatreto na tsy maintsy handao ny toeram-ponenany sy ny toeram-pivelomany ireo ny mponina ao amin’ireo tanana miisa 21 any amin’ny kaomina 03 ao amin’ny distrikan’Ihosy, faritra Ihorombe, na tsia. Araka ny vaovao avy any amin’ny fikambanana mpiaro ny tany dia hiroso amin’ny fametrahana baorina amin’ny tany mirefy 10 000 ha any amin’izany faritra izany ny sampandraharaham-panjakana miandraikitra izany. Amin’ny anarana orinasa vahiny izany izany fametrahana baorina izany, ary mahakasika mivantana ireo tanana miisa tanana miisa 21 ireo.

19/03/2013

Samihafa

Nitsahatra ary tsy nety niasa ireo taxi-be mampitohy an’Ivato sy ny renivohitra nandritra ny tontolo andron’ny omaly. Fiara vitsy dia vitsy no hany niasa tamin’io zotra io, omaly, ary izay niasa dia nosakanan’ireo namany tsy hanao izany. Araka ny fanazavana nomen’ireo mpitatitra izay nanao ny fitokonany dia noho ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo polisy kôminaly izay manao didiko fe lehibe amin’izy ireo no anton’izany fanehoana tsy fahafaliana izany. Nambaran’izy ireo fa misambotra tsy an-drariny ary mikasi-tanana ireo mpamily na ireo mpanampy ny mpamily mihintsy ny mpitandro filaminana avy amin’ny kaomina, na ireo antsoina hoe “mavo satroka”, araka ny fiantson’izy ireo azy. Mbola ny loharanom-baovao avy amin’ireo mpitokona ihany koa no nahafantarana fa tsy manara-dàlana ny fanasaziana ataon’izy ireo. Ary farany dia isan’ny nahatonga izao fitokonana izao ihany o any fitakiana vola mihoam-pampana ataon’ireo polisy kominaly ireo ihany.

19/03/2013

Samihafa

Nomena 48 ora ireo rehetra mitrandraka hialany ao amin’ireo toerana anaovany izany asa izany. Hiaran’ny lalàna avy hatrany ireo olona tratra ary hisy ny hetsika manokana ataon’ny mpitandro ny filaminana sy ireo tompon’andraikitra any an-toerana any amin’ireo toeram-pitrandrahana maro any amin’ny distrikan’i Didy sy ny toerana hafa ihany koa.

19/03/2013

Samihafa

Eo am-pelantananan’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao ilay jiolahy fanta-daza antsoina hoe Dina Kankana izay voaroiroy tamina asan-jiolahy maro dia maro teto Antananarivo sy ny manodidina. Toy izao ny tatitry ny mpitandro filaminana mikasika ny asan-jiolahy nandraisan’I Dina Kankana anjara

19/03/2013

Samihafa

Ny fikambanana Fagnomba dia fantatra hatramin’ny taona 2010 fa mitaky ny hampiharana ny rariny sy hitsiny eo amin’ny fanomezana onitra ireo olona namoy ny taniny izay ampiasain’ny orinasa QMM (Qit Minerals Madagascar), rantsan’i RIO TINTO, ho an’ny fitrandrahana fasimainty ao Tolagnaro, faritra Anosy, any atsimo atsinanan’i Madagasikara. Nandrity ny herinandro izay niantomboka ny 11 marsa 2013 teo no voasambotra tao Tolagnaro (Fort-Dauphin) ary nampidirina am-ponja ny mpikambana ao amin’ny fikambanana Fagnomba miisa 15 eo eo, anisan’izany ny filohany Perle Zafinandro Fourquet. Nohamarinin’ny fianankaviany fa mbola samy migadra izy ireo izao.

20/03/2013

Samihafa

Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ny lehilahy roa izay nisoloky tamin’ny alalan’ny “mercure” sandoka teny Andavamamba. Vola mitentina 2 tapitrisa ariary no lasan’izy ireo tamin’izany. Ny laharana finda nampiasain’izy ireo no nafahana nisambotra azy. Tsy tery làlana ny ratsy hoy ny fiteny. Mora ihany koa anefa ny misoloky rehefa fanatra fa te-hanakarena tampoka ny iray. Araka ny angom-baovao avy amin’ny polisim-pirenena, ny 11 marsa 2013 dia nisy lehilahy roa nanatona raim-pianakaviana iray, nilaza fa misy « mercure » any amin’izy ireo ary efa misy vazaha haka ilay izy ka 20.000.000 ariary no vidiny.

20/03/2013

Samihafa

Manatanteraka hetsika manokana fisavana ireo vahiny monina any Toamasina amin’izao fotoana izao ny sampan’asam-panjakana miadidy ny fanaraha-maso ny vahiny any an-toerana. Araka ny loharaom-baovao dia efa misy ireo tera-tany vahiny izay tsy maintsy ho roahina any an-toerana, ka isan’izany ny teratany frantsay telo izay tsy manana fahazoan-dàlana ara-dalàna hipetraka eto Madagasikara. Misy ihany koa ireo teratany vahiny hafa izay voatery roahina noho ny toetra tsy mendrika ataon’izy ireo sy ny tsy fanajany ny fiandrianam-pirenena. Namafisina ny fisavana ireo tera-tany vahiny monina na koa ireo mandalo ao Toamasina amin’izao fotoana izao.

20/03/2013

Samihafa

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety izay nataony ny alatsinainy teo tao an-drenivohitry ny faritr’Anôsy no nanambaran’ny Filoha lefitry ny hetsika Fagnomba, Joel SEDERA sy ireo mpiaradia aminy mikasika ny hetsika hataon’ny fikambanana manoloana ny fisamborana izay nahazo ny mpikambana sasantsasany tao amin’izany fikambanana izany. Nohamafisina tao anatin’izany fihaonana tamin’ny mpanao gazety izany fa mitohy ny tolon’ny Fagnomba na mbola any am-ponja aza ny filoha mpitarika ny hetsika, Zafianadro Perle, sy ireo namany 20 mianadahy hafa. “Tsy hampihemotra ny fiitakiana efa natao tao anatin’ny efa-taona ny fanagadrana ireo namanay mba hanavotana ny faritra Anôsy sy ny vahoaka ao aminy”, hoy ny fanamarihana nataon’ny filoha lefitry ny fikambanana Fagnomba.

20/03/2013

Samihafa

Niampy iray indray ny vondrona politika ao Toamasina ao. Tafajoro any an-toerana ny vondrona politika antsoina hoe “GRAPPE” na “Groupement Régional des Associations et des Parties Politique de l’Est”, izay nadikan’ireo mpikambana ao aminy ihany koa hoe “TAMBABE”.

20/03/2013

Samihafa

Zary mahazatra amin’izao fotoana izao ny tsy fisian’ny jiro ao an-tampotanan’Amboasary Atsimo any amin’iny faritra Anôsy iny. Tao anatin’ny volana maromaro izay dia mbola miaina tanteraka ao anatin’ny haizina ny mponina.

20/03/2013

Samihafa

Ny 18 marsa 2013 dia tonga nanolotra fitaovana hanaovana fanazaran-tena ho an’ny mpiangaly ny taranja kick-boxing eo anivon’ny Polisim-pirenena ny Compagnie VIDZAR.

21/03/2013

Samihafa

Ahiana hiafara amin’ny fitsaram-bahoaka sy ny fandrobana ary fandorana trano fonenan’ilay teratany frantsay monina ao Antseranampasika any Toamasina ny raharaha ifanolanan’ity farany amin’ny mpiara-monina aminy. Voatondro molotra ho mpangala-jaza ity teratany frantsay ity, izay efa ratsy fiaraha-monina tamin’ny manodidina. Saika niafara tamin’ny fifandonana ny raharaha rehefa nanomboka nitorabato ny trano fonenany ireo vahoaka izay.

21/03/2013

Samihafa

Loza mitatao ho an’ny firenena Malagasy ny raharaha ifanolanan’ny kompaniam-piantohana ny Havana sy ny orinasa PGM. Mety hiafara amin’ny fanagiazan’ny fitsarana ara-barotra iraisam-pirenena ny trano fonenan’ny mpianatra Malagasy any Cachan (Frantsa) sy ny volan’ny fanjakana Malagasy any amin’ny Banky any Belzika sy any amin’ny banky frantsay raha resy amin’izany fitsarana izany ny tranom-piantohana ny Havana. Hanaratsy endrika an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa izany raharaha izany satria hampihemotra ny fahatokisan’ny mpamatsy vola sy ny mpampiasa vola ary ny mpiara-miombon’antoka vahiny. Miantso ireo izay voakasik’ity raharaha ity, indrindra ny mpitondra ny tetezamita sy ny ministeran’ny fitsarana manokana, mba hikaro-bahaolana mialoha amin’ny alalan’ny fifampiraharahana ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Omer Beriziky.

21/03/2013

Samihafa

Mitohy hatrany ny fanadiovana izay tontosaina any amin’iny Faritra Alaotra Mangoro iny taorian’ny firongatry ny fitrandrahana tsy manara-dàlana ny safira tany amin’ny distrikan’i Didy. Araka ny tatitra nataon’ny Jeneraly Randrianazary, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarmariam-pirenena, omaly, dia teratany Sri lankais miisa sivy no efa voasambotra ary efa notanana am-ponja vonjimaika amin’izao fotoana izao. Tany Didy no nahasamborana ny fito tamin’izy ireo, ary tany Moramanga kosa ny roa. Mazava loatra fa ny tsy fanarahan-dàlana amin’ny fonenana eto Madagasikara sy ny fividianana ny safira tany amin’iny faritra iny no iampangana an’ireto teratany vahiny ireto. Nambaran’ny Jeneraly Randrianazary fa amin’ny 3 avrily ho avy izao no hanatanterahana ny fitsarana azy ireo any amin’ny tribonaly any Aùbatondrazaka. Nanamafy ny tenany fa hanara-maso akaiky izany, ary hidina any an-toerana mihintsy amin’io andro hitsarana ireto Sri lankais ireto.

21/03/2013

Samihafa

Manomana seho goavana ho fiatrehan’ny mponina sy ny mpiala sasatra ary ny tanora, amin’ny maha-fikambanana tanora mpikolo ny zava-kanto azy ny TAMPRO ao Toamasina.

21/03/2013

Samihafa

Tafakatra hatrany amin’ny renivohitry ny kaomina ny malaso. Miisa folo mahery izy ireo no tonga tao antampon-tananan’i Manambaro any amin’ny distrikan’i Tolagnaro ny alatsinainy maraina lasa teo tamin’ny misandratr’andro, izany hoe tokony ho teo amin’ny 10 ora.

21/03/2013

Samihafa

Namoaka fanambarana manoloana ny fiampangana azy ireo ho tompon’antoka tamin’ny fahavakisan’ny biraon’ny CENI-T tany Tolagnaro ny fikambanana Fagnomba. Araka ny hita ao amin’izany fanambarana izany dia milaza mazava ity fikambanana ity fa tsy tompon’andraikitra tamin’ny zava-nitranga tao amin’ny CENI-T izy ireo. Ny Fagnomba dia maniry ny hahatanterahan’ny fifidianana eto amin’ny tany sy ny fanjakana malagasy, hoy ny fanamarihany.

22/03/2013

Samihafa

Vaky Ambatolampy ny fifanolanana ao Ambohitsorohitra. Tsy takona afenina intsony ny toe-draharaha efa ho herinandro mahery izao. Vao ny talata lasa teo no nisy trangan-javatra teo anoloan’Ambohitsorohitra teo amin’ireo miaramilan’ny FIS sy ny SGP Haja Resampa. Tsy misy vahaolana matotra azo tsapain-tanana hatreto ny fihaonana nataon’ireo tomponandraikitra ambony ny alahady 17 marsa lasa teo, toa tale jeneralin’ny prezidansa Mamy Ratovomalala, ny SGP haja Resampa, ny mpanolontsaina Patrick Leloup ary ny FIS notarihan’ny kolonely Lylyson Urbain de René. Tsy manaiky ny fanaovana am-pihimamba ny tombotsoa amin’izao fitondrana HAT izao intsony ny FIS, izay mahatsiaro tena ho voahilikilika tanteraka. Na ny sata mifehy ity vondrona manokana ity aza tsy mbola nosoniavin’Ambohitsorohitra hatramin’izay efatra taona niorenany izay. Nataon’ny mpitondra sorona niarovany ny sezany ny FIS ary nalefa niatrika vavam-basy hatrany isaka ny misy trangan-javatra mafampana teto amin’ny firenena, raha tsy hiresaka afatsy ny “opération Tandroka” tany Betroka fotsiny ihany.

22/03/2013

Samihafa

Efa nampoizin’ny maro ihany ny ho fihetsiky ny mpatsy vola iraisam-pirenena manoloana ny fanampahan-kevitry amboletra nataon’ny Fitondrana Tetezamita tamin’ny fametrahana mpitantana vavao tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Fanampahan-kevitra izay efa nokianin’iny sendikan’ny mpiasan’ny Baky Foibe ihany koa tamin’ny fotoana nanaovana izany. Mazava ary amin’izao fotoana izao ny raharaha satria tsy manan-kery eo anatrehan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena sy ny Banky Iraisam-pirenena ny sonian’ny Governora vonjimaikan’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Tsy manan-kery eo anatrehan’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena ireo ihany koa ny vola vaovao kasain’ny fitondrana tetezamita havoaka ato ho ato, araka ny fanampahan-kevitra noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra notarihan’ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina. Ny taratasy izay nalefan’ny FMI ho an’ny Banky Foibe no nahafantarana izany.

22/03/2013

Samihafa

Nanaitra ny mpanara-baovao maro ny nahita fa tsy nisy afa-tsy efatra amin’ireo 18 izay mandrafitra ny “comité ad hoc”, nitantana ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostrian’i Toamasina no tonga namoaka tamin’ny fomba ôfisialy ny vokampifidianana ireo mpikambana maharitra ao amin’ity rafitra ity, omaly. Midika izany fa mbola mampiahiahy ny mety hankatoavan’ny rehetra izany vokam-pifidianana izany. “Ho an’ny mpandraharaha sy niantoka ny fifidianana no naha teto anay, tsy misy resaka politika mihintsy na betsaka aza no nampiditra izany ho politika teto Toamasina”.

22/03/2013

Samihafa

Fisandohana maro sosona no iampangana an’i Jonhson sy ny namany roa hafa. Araka ny nambaran’ny loharanom-baovao dia isan’ny lasibatr’ity lehilahy ity ny minisitry teo aloha tao amin’ny fitondrana HAT izay nangalany vola 110 ariary.

22/03/2013

Samihafa

Miditra ao anatin’ny andiany faharoa ny fanadiadiana mikasika ny tena manahirana sy ny filan’ny tanora Malagasy izay sahanin’ny fandaharan’asa “Sahaza”. Hirotsaka amin’ny fanadiadiana ifotony eny anivon’ny tanora isaky fokontany ireo mpanao fanadiadiana. Haharitra fito andro ny fanatontosana izany fanadihadiana izany ary fokontany efa notsongaina manokana no hanatanterahana izany.

22/03/2013

Samihafa

Noafahan’ny fitsarana madiodio ireo mpikambana miisa 15 mianadahy avy ao amin’ny fikambanana Fagnomba izay naiditra am-ponja noho ny raharaha nanenjehana azy ireo. Izany dia taorian’ny fisehoany teo anatrehan’ireo mpitsara. Raha tsiahivina dia nandritra ny hetsika izay nandraisan’izy ireo anjara ka nitakian’ny mpanao fihetsiketsehana ny hamoahana ireo namany zay notazonina tany am-ponja no nisamboran’ny zandary azy ireo, herinandro lasa izay.

22/03/2013

Samihafa

Araka ny fanambarana navoakan’ny Vondron’ny Firaisamonim-pirenena sy ny olom-pirenena dia nandray fanampahan-kevitra izy ireo fa hahemotra amin’ny 5 avrily ilay hetsika tanana maty saika natao teto Antananarivo androany. Tsy hisy, arak’izany ny tanana maty amin’ity androany ity.

22/03/2013

Samihafa

Naneho ny heviny mahakasika ny fahitany ny akon’ny fampahafantarana ilay logiciel SIGEM izay hampiasain’ny CENIT amin’ny fikirakirana ny lisim-pifidianana i Thierry Borard, ilay manam-pahaizana namorona ny logiciel e-fidy.

23/03/2013

Samihafa

Mbola tsy foana hatramin’izao ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Tamba-jotra iray mpanondrana bolabolana andramena indray no saron’ny mpanao fanadihadiana avy amin’ny primatiora, omaly tany Toamasina. Tao an-tokotanin’olo-tsotra no nahatratrarana ireo bolabolana andramena izay nafenina fatratra. Ny fanadihadiana kosa no nahafantarana fa kolonelin’ny zandary sy polisy miasa ao amin’ny orinasa Madarail no miara-miasa amin’ilay olona nahatratrarana an’ireo andramena ireo.

23/03/2013

Samihafa

Tonga nijery ifotony ireo mponina tany amin’ny distrikan’Ambato Boeny, taorian’ny farendrehan’ny sambo iray izay nahafatesana olona miisa 12 ny mpikambana vitsivitsy avy amin’ny Governemanta. Nandritra izany fitsidihana izany no nahafantarana fa sambo vao avy namboarina ary sambany vao hiasa ilay sambo izay dobo an-drano ny zoma 15 Desambra lasa teo tao amin’ny renirano fihaonan’i Komory sy Betsiboka, ao amin’ny kaominina Ambato Maromay. Ny fanazavan’ny talen’ny APMF Mahajanga no nahafantarana fa noho ny fahamaroan’olona niondrana tamin’ilay sambo no nahatonga ny firendrehana. Tokony ho 30 ihany no zakan’ity sambo ity satria mirefy eo anelanelan’ny 11 ka hatramin’ny 12 metatra ny halavan’ilay sambo izay tsy manana « immatriculation » akory. Amin’ny maha sambo vao hiasa azy dia nampidina sarandalana ho arivo ariary ny mpitondra izany sambo izany. Vokatr’izany dia maro be ny olona niondrana taminy.

23/03/2013

Samihafa

Tsy mifampatoky intsony ny samy maramila ao Toamasina ao, taorian’ny fivoahan’ilay tsiambara-telo mikasika ny namoahana fitaovam-piadiana izay fantatra fa nampiasaina tamina raharaha fakana an-keriny zanaka sinoa mpifankatia ny 26 janoary lasa teo tany an-toerana. Avy ao anivon’ny 1/RM3 Toamasina izany tsiambara-telo izany no nivoaka. Basy kalaky sy PA kosa izay teo am-pelan-tanana Serza miaramila no fotaovam-piadiana voalaza tamin’ity raharaha ity. Araka ny loharanom-baobao dia nahafantatra ity raharaha ity tsara sy nandray vola tamin’izany ireto kapiteny sy kolonely ary Serza hafa voalaza tao amin’ilay tsiambaratelo. Ny loharanom-baovao ihany koa no nahafantarana fa aaikitra ny ady totohondry teo amin’ny kolonely, “chef de corps” eo anivon’ny 1/RM3 Toamasina izay anarana voatonona tamin’ity raharaha ity, sy ny kolonely iray hafa izay noheverin’ilay voalohany fa namoaka ny tsiambaratelo izay nahatonga ny fivoahan’ny “tract” mba ho fantam-bahoaka.

23/03/2013

Samihafa

Efatra tapitrisa ariary. Izay no nifanarahana fa hivarotan’izy telo an’ilay zaza. Iray tapitrisa ariary kosa no vodiondrim-barotra. Teo am-pandraisana ny vola vodiondrim-barotra kosa avy amin’ny mpividy kosa ireo mpivarotra no tonga ny mpitandro filaminana.

23/03/2013

Samihafa

Tontosa omaly ny fametrahana ny lehiben’ny distrika vaovao any Ambanja. Raha hiverenana kely ny zava-nitranga mahakasika ny fiadidiana an’ity distrika ity dia efa enim-bolana izay no tsy nandeha tamin’ny laoniny intsony izany noho ny tsy faneken’ny lehiben’ny distrika teo aloha ny fanampahan-kevitra namindra azy tamin’ny toeran-kafa. Fantatra ihany koa tetsy an-danin’izany fa tsy nanatontosa ny asany araka ny tokony ho izy intsony izany tompon’nandrikim-panjakana izany hatramin’izay enim-bolana izay.

25/03/2013

Samihafa

Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety « tsy matahotra karana » tetsy amin’ny La Rotonde Besarety ny mpisolovava, Me Willy Razafinjatovo, fantatry ny be sy ny maro amin’ny solon’anarana hoe Me Olala, manodidina ny zava-manjo ny orinasa afaka haba Kwok Hing sy ny mpiasa ao amin’izany orinasa izany. Somary nahagaga ihany aloha ny resaka nandeha talohan’ny nanombohan’ilay valan-dresaka. Maro tamin’ireo hainoamanjery izay nantsoina, hoy ny Me Olala no tsy tsy afaka namonjy ity valan-dresaka ity satria hoe « tsy afaka ny hiady amin’i Hassanein Hiridjee tompon’ny First Immo hono ny tompon’ny gazety ». Miankina amin’ny didim-pitsarana hivoaka androany amin’ny iray ora etsy Anosy no hampitombo isa na tsy ireo tsy an’asa eto an-drenivohitra. « Raha mbola misy manitsakitsaka sy mandroba na manao tsinontsinona ny vahoaka Malagasy dia hitsangana hiasy sy hiaro izany hatrany ny tenako sy ny mpiara-miasa amiko », hoy Me Olala. « Ny fitiavam-bolan’i Hassanein tompon’ny orinasa First Immo ve no hahavery asa ireto mpiasa Malagasy miisa 1537 ireto ? Fa angaha an’i Hassanein ity Madagasikara ity ? Marina fa karana ny vadiko saingy tsy hananako hena-maso mihitsy ny miteny izany amin’izao hetraketraka sy fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy ataon’i Hassanenin izao», hoy hatrany ity mpisolovava ity.

25/03/2013

Samihafa

Olona fito no indray maty, ka isan’izany ilay relijiozy vavy, teratany italiana izay sambany tonga teto Madagasikara. Izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teo amin’ny tetezana ao Tetezambato/Ambohimandroso Gara, ny zoma 22 marsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 05 ora sy 15 minitra. Fiara roa no nifandona tao anatin’ity tetezama ity ka latsaka tany anaty rano ilay nandona. Fiara tsy mataho-dalana an’ny fiangonana Katolika any Ambositra izay vao avy nitsena Masera teratany Italianina teny Ivato Antananarivo, no nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana hafa izay an’ny ministeran’ny Fambolena.

25/03/2013

Samihafa

Nanaitra ny maro ny tsy nahitana ny an-kamaroan’ireo mpikambana vao voafidy tao amin’ny Antenimieran’ny Varotra Toamasina tamin’ny lanonana fanomezana mariboninahitra ny mpiasa tao amin’ity rafitra ity ny zoma teo. Isan’ny tsy tazana tamin’izany lanonana izany ireo avy amin’ny kolejin’ny Varotra nivoaka avy amin’ny Vondron’ny mpandraharaha mpanondrana letchis na ny GEL, tarihan’ny filohany Rafidimanana Narison. Ny angom-baovao no nahafantarana fa nisy fivoriana tampoka ary fivoriana tsy azo nodinganina ireo mpikambana tao amin’ny GEL tamin’io fotoana io ka izany no tsy nahatongavan’izy ireo niatrika ity lanonana tamin’ny zoma ity.

26/03/2013

Samihafa

Ny mpanao gazety indray amin’izao fotoana izao no henjehin’ilay Kolonely lehiben’ny toby miaramila 1/RM3. Ny mpanao gazety izay tondroiny ho nanaparitaka ny raharaha fototry ny disadisa goavana misy ao amin’ny toby izay tantanany ami ‘izao fotoana izao. Nanome baiko ireo miaramilany ity manamboninahitra ity mba “hanenjika ny mpanao gazety raha misy mahita azt ireo manakaiky ny manodidina ny toby 1/RM3”. Nandritra ny fampitam-baovaon’ny samy miaramila izay fanao isa-maraina no nanambarany izany.

26/03/2013

Samihafa

Tsy ho azon’ny fiara vaventy atao intsony, atsy ho atsy, ny mitondra entana mihoatra ny zakan’ny lalam-pirenena. Izay no azo ilazana ny fanampahan-kevitra noraisin’ny ministeran’ny Asa vaventy miaraka amin’ny ministeran’ny Aitaterana izay hanara-maso akaiky ireny fiara vaventy ireny manomboka izao. Ny lalam-pirenena faharoa mampitohy ny renivohitra sy Toamasina no voalaza fa hanombohana izany fanaraha-maso izany. Ho entitra ny fanaraha-maso ireo fiarabe mpitatitra entana eny amin’ny lalam-pirenena manomboka izao. Izay no nambaran’ny loharanom-baovao avy ao amin’ny ministeran’ny Fitaterana izay nilaza fa atomboka amin’ny fampahafantarana sy ny fanentanana aloha ny hetsika rehetra. Ny lalam-pirenena faharoa no hanatanterahana izany manomboka izao, rah any loharanom-baovao ihany. Ny famerana ny havesatry ny entana azon’ireny fiarabe ireny entina no tanjon’izany hetsika izany.

26/03/2013

Samihafa

Nody ventiny ny rano nantsakaina ho an’ny mpitandro filaminana ao an-tampon-tananan’Ambatondrazaka. Voasambotr’izy ireo tao Antsahalava, tamin’ny faran’ny herinandro teo ny jiolahy rain-dahany iray. Halatra sy vaky trano ary fampihorohoroana no nahafantarana an’izany jiolahy izany. Tapitra hatreo asa-ratsin-dRalongy. Nandritra ny hetsika fampandriana fahalemana izay tontosain’ny mpitandro filaminana avy amin’ny Polisim-pirenena ao an-tampontanànan’Ambatondrazaka no nahasaronana ity jiolahy rain-dahany ity, ny farany herinandro teo, tao anatin’ny kirihatr’ala Antsahalava. Izy no atidoha nikotrika ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana maro samihafa tao Ambatondrazaka.

26/03/2013

Samihafa

Nidina ifotony nihaona tamin’ireo sokajin’olona samihafa tany Ambatondrazaka ny farany herinandro teo ny filoha lefitry ny antoko MDM sady mpikambana ao amin’ny vovonana manohana ny filatsahan-ko fidin’i Pierrot Rajaonarivelo, Haja Fidinarivo. Fihaonana fakan-kevitra amin’ireo heverina fa mitovy fomba fijery amin’ity antoko politika ity io notontosaina io, raha arak any namaritan’ity mpanao politika izy azy.

26/03/2013

Samihafa

Niroso amin’ny fampiharana ny didim-panjakana laharana 12/PM-CB izay nivoaka tamin’ny 03 febroary 2012 izay mametraka ny “Standard de Service” amin’ny biraom-panjakana ny any Toamasina amin’izao fotoana izao. Efa tafatsangana ny komity manokana ho fanaraha-maso izany ho an’ny faritra Atsinanana izay tarihan’i Talata Michel talen’ny lafitany.

26/03/2013

Samihafa

Toy ny fanao isakin’ny Alatsinainy dia nisy ny fivoriana nanaovana jery todika iny herinandro lasa iny mikasika ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka manerana ny Nosy, notontosain’ireo tompon’andraikitra telo tonta (Polisy-Tafika-Zandary).

26/03/2013

Samihafa

Nisarika ny sain’ny fitondram-panjakana manoloana ny toe-pahasalaman’ny havan’izy ireo izay Tanana ao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka ireo Srilakey any an-toerana. Arak any fanambaran’izy ireo dia marary mafy avokoa ny enina amin’ireo folo izay tazonina ao amin’ity fonja ity. Ny tsy fifanarahan’ny fonja amin’ny toe-pahasalaman’izy ireo no voalaza fa anton’izany tsy fahasalamanaireto teratany vahiny mpividy safira ireto izao.Tsy nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika ihany koa izy ireo na dia nanao fangatahana manandrify izany aza tamin’ny herinandro lasa.

27/03/2013

Samihafa

Nampanelo lakolosy manoloana ny loza mitatao amin’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny sakafo na ny FAO. Araka ny fanambarana navoakan’ity rafitra ity dia ho potiky ny andiam-balala ny vokatra eto Madagasikara raha tsy mandray andraikitra haingana dia haingana manoloana ny firongatr’izany andiam-balala izany ny rehetra. Afa mandrakotra ny antsasak’i Madagasikara amin’izao fotoana izao izany andiam-balala izany, hoy ihany ny fanambarana. Vola mitentina 41 tapitrisa dolara anefa no ilaina afahana miatrika izany.

27/03/2013

Samihafa

Notanterahana tao amin’ny trano fonenan’ny lehiben’ny Aaritra Alaotra Mangoro ny sabotsy lasa teo ny hetsika ho fifanampiana amin’ireo Havana any atsimon’ny Nosy izay traboina noho ny fandalovan’ny rivo-doza Haruna.

27/03/2013

Samihafa

Tondroin’ireo mpikambana ao amin’ny GEN (Groupe des experts nationaux) ho tsy tokony havela hirotsaka ho kandida amin’ny fifidianana hatao eto amin’ny firenena ireo izay nomena famontsora-keloka. Nambaran’izy ireo fa tsy mendrika ny hitondra firenena ny olona toy izany. Antony maro no nahatonga azy ireo hanao ity soso-kevitra ity. Araka ny nambaran’izy ireo nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataony omaly dia hiteraka olana vaovao eto Madagasikara ny famelana ireo olona nahazo amnistie ireo hilatsaka ho fidina na hitondra firenena. An-koatr’izay dia hampirongatra ny fampanjakana ny tsy maty manonta eto amin’ny firenena ny famelana azy ireo hilatsaka.

28/03/2013

Samihafa

Saika tsy navelan’ny vahoaka raha tsy tapitra ny ain’ny iray tamin’ireo jiolahy nanafika tokatrano iray tany Morarano Toamasina, omaly. Nahatratrarana basy PA mitondra ny famantarana MAB sy bala sokajy 74 sy 76 SF I 9 mm ity jiolahy tratran’ny fitsaràm-bahoaka ity. Fitaovam-piadiana mitovy karazana tamin’ireo tratra nandritra ilay fakana an-keriny sy nahatonga ny disadisa teo anivon’ny toby 1/RM3 any Toamasina ireto hita tany amin’ity jiolahy ity ireo.

28/03/2013

Samihafa

Toy ny efa tsy eto Madagasikara intsony isika, hoy ny filazan’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga omaly tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany tetsy Antanimena. Toy ny efa tsy eto Madagasikara satria tsy fahita firy eto amintsika izany hoe mifanenjika eny an’arabe amin’ny basy miaraka amin’ny fitaovam-piadiana hafa amin’ny andro antoandro izany. Izany tokoa anefa ny zava-nitranga omaly teo amin’izany faritra Antanimena izany. Lehilahy roa nitondra scooter no nenjehin’ny olona roa samy teny ambony scooter. Tratran’izy ireo teo amin’ny faritra manoloana ny Librairie LCV ilay scooter nenjehina ary somary nodoniny avy aoriana. Nanaraka avy aoriana ihany koa ny scooter iray fahatelo izay notaingenan’ny lehilahy iray hafa. Ity farany kosa somary niodina avy teo alohan’ilay scoter nenjehina ary nandona ity farany ihany koa.

28/03/2013

Samihafa

Tsy sahy mandeha intsony amin’izao fotoana izao ny mpikambana ao amin’ny Fagnomba. Tsy sahy mandeha irery toy izany ihany koa ny zandary. Nisongadina izany nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataon’ny fikambanana Fagnomba tany Tolagnaro. Nokianin’ity fikambanana ity nandritra io fotoana io ihany koa ny fisian’ny fikasan-dratsy handoto ny filohan’ny fikambanana sy ny fikasana hamono azy mihintsy.

28/03/2013

Samihafa

Tsy haharitra mihoatra ny telo volana intsony ny tahirim-bola ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Tsy azo iodivirana arak’izany ny fanotana vola vaovao raha tiana ny tsy ahatonga izany ho olana goavana eto amin’ny firenena. Tsy ho ara-dàlana anefa ny vola atonta satria tsy ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena ny sonian’ny governora mpisolo toerana ao amin’ny Banky Foibe. Mety hiroso amin’ny famerenana amin’ny toerany ny Governora ara-dàlana, arak’izany ny fitondrana tetezamita.

28/03/2013

Samihafa

Nitondra fanazavana mikasika ny fiantsoana ny mpifidy amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay hatao amin’ny 24 jolay ho avy izao ny minisitry ny Atitany, Rakotoarisoa Florent. Araka ny fanazavany dia efa tanteraka tamin’ny alalan’ilay didim-panjakana laharana faha 2013-150 izay noraisin’ny filankevitry ny Governemanta tamin’ny 12 mars 2013 ny fiantsoana ny mpifidy amin’io fifidianana io.

28/03/2013

Samihafa

Tsy nahazo rariny teo anatrehan’ny fitsarana momba ny ady amin’ny fanjakana any Toamasina ny Kolonely lehiben’ny toby 1/RM3 any an-toerana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nitory teny amin’ny fitsarana noho ny fandroahana azy tao amin’ny trano nonenany tao amin’ny toby ilay kolonely izay nenjehan’ny lehibeny noho izy nolazaina fa namoaka tsiambara-telon’ny tafika. Ny mpisolovava azy no nanao izany fitoriana izany tamin’ny alalan’ilay manamboninahitra.

28/03/2013

Samihafa

“Tsy andefitra amin’ireo mpandika lalana sy minia manao izany izahay amin’izao hiatrehan’ny maro ny fetin’ny paska sy ny herinandro masina ary ny fetin’ny mahery fom-pirenena izao.

02/04/2013

Samihafa

Tsy tonga tany Andranomanelatra i Lalao Ravalomanana tamin’ny alakamisy teo na dia efa niandry azy fatratra aza ireo mpiasa vitsivitsy sisa ao amin’izany orinasa izany. I Tojo Ravalomana mivady no tonga tany an-toarana raha i Lalao Ravalomanana no nandrandrain’izy ireo. Ny loharanom-baovao sasany no nilaza fa mety ho avy amin’ny fepetra napetraky ny fitondrana tetezamita amin’ny fijanonany eto Madagasikara no anton’izay tsy nafahany nankany Antsirabe izay. Misy kosa anefa ny milaza fa noho ny tahotra manoloana ireo mpiasa tsy nandray karama am-bolana maro any amin’ny orinasa Tiko no tsy naha-tapakevitra azy hijery ny orinasany.

02/04/2013

Samihafa

Vita tao anatin’ny mangaraharaha sy tao anatin’ny fahalalahana ny fifidianan’ny antenimieran’ny varotra Toamasina (CCIT), izay no nahatonga ny fitoriana nataon’ny GEPAT azy teo anivon’ny fitsarana ny ady amin’ny fanjakana no nolavin’ny mpitsara tsotra izao. Hifarana ny 03 aprily izao ny asan’ireo “comite ad’hoc” satria amin’io fotoana io no hifidianana ny biao maharitry ny CCIT taorian’ny fifidianana natao ny 16 martsa teo. Ho an’Atoa Mbola Rajaonah dia “efa nazava hatrany amboalohany ny tanjona dia ny hanaovana fifidianana. Mafy ihany ny asa satria ady hevitra hatrany no natao, nefa ny hevitra samy manana, niray ho azy ny feo noho ireo mpitantana teo aloha mikasa foana ny hanitatra ny maha-Comite ad’hoc azy ireo; nefa amin’ny maha-ady hevitra azy dia tsy maintsy misy ny tsy faly ka izay nahatonga olana tamin’ny vondrona sasany niala an-daharana ny farany; tsoriko anefa na filoha aza aho tao dia maro ny hevitra narosoko no tsy lanin’ny mpikambana maro an’isa, nefa izay ny demokrasia ka mandefitra ny tena”.

02/04/2013

Samihafa

Araka ny fanambarana nataony nandritra ny vavaka iraisam-pinoana ho fanamarihana ny tsingerin-taonan’ny tolom-panafahana 1947 dia hamory ireo vondrona sy antoko politika misy eto amin’ny firenena ny FFKM amin’ny 18 avrily ho avy izao. Dinika savaranonando, tafiditra amin’ny fampihavanam-pirenena tarihan’ny FFKM no ho votoatin’izany fihaonana izany. Hiroso amin’ny fampihavanam-pirenena arak’izany ny FFKM na dia efa tafatsangana aza ny FFM izay rafitry ny tetezamita natao hiantsoroka izany andraikitra izany. Antony ilazan’ny mpanara-baovao maro fa mety hiafara amin’ny fananganana rafitra vaovao hasolo izao tetezamita izao ity fampihaonana hataon’ny FFKM ity.

02/04/2013

Samihafa

Tondroin’ireo mpandala ny fametrahana ny rafitra federaly eto Madagasikara ho sakana amin’ny fanatanterahana fitsapan-kevi-bahoaka mialoha ny fifidianana hafa hatao eto amin’ny firenena ny mpikambana sasany avy any anindran-tany ao amin’ny Governemanta. Mbola hitohy anefa ny fifandresen-dahatra eo an’ivon’izany andrim-panjakana izany araka ny nambaran’ny minisitra Tabera Randriamanantsoa, izay nitarika ny fahatsiarovana ny datin’ny 31 marsa nahafatesan’ireo mptolona federaliste tamin’ny taona 1991. “Ho antsika malagasy jiaby ny fametrahana ny rafitra federaly eto amin’ny firenena…Tsy misy rafitra hamaha olan’ny fampandrosoana eto afa-tsy ny fametrahana io rafitra federaly io ihany.

02/04/2013

Samihafa

Resy lahatra ny amin’ny tsy fahombiazan’izao fitondrana HAT izao avokoa ny olom-pirenena tsy an-kanavaka. Isan’ireo fikambanana manameloka izao rafitra nitondra ny firenena nandritra ny efatra taona izao ny Green Gasikara avy amin’ny vondrona Zafy Albert faritra Fianarantsoa, araka ny tafa niarahana tamin’i Fidison. « Ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa mihitsy izao no efa gadra politika, ankoatra ireo mpanao politika sy manamboninahitra mbola migadra noho ny krizy teto amin’ny firenena », hoy i Fidison. Nasiany tsindrim-peo tamin’izany ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny volam-panjakana. Nangatahan’ity solontenan’ny Green Gasikara ity araka izany ny tokony hisian’ny fanazavana matotra ny amin’ny orinasa nahazo ny tolo-barotra hanafatra ireo fiara fitaterana (bus) vita Sinoa.

02/04/2013

Samihafa

Efa azo vinavinaina sahady ny tatitra mety hataon’ny mpitandro filaminana taorian’ny fetin’ny pasaka. Tsy inona izany fa ny fanambarana fa tafita ny tanjona napetraka dia ny « paska ieren-doza ». Sanatria tsy hanao fanakianana mikasika izay fenitra avo lenta izay “La Nation” androany. Tsara sady mendri-dera tokoa ny fametrahana fanamby avo toy izany.

02/04/2013

Samihafa

Mitaraina ny mponina any amin’iny faritry Maroantsetra iny ankehitriny noho ny firongatry ny halatra taolam-paty. Miahiahy olona mpanam-bola be ao an-toerana ho fototr’izany ny ankamaroan’ny mponina. Voalaza mantsy fa ity mpanankarena antsoina hoe A... ity no tena mpandrindra ny fomba fangalarana taolam-paty ao amin’ireo kaominina manodidina akaiky an’I Maroantsetra.

02/04/2013

Samihafa

Araka ny fanampahan-kevitry ny filan-kevitry ny minisitra ny alarobia 27 mars lasa teo dia nesorina tamin’ny toerany ny komandin’ny faritany miaramila faha telo na ny RM3 Toamasina ny Jeneraly Rasamoelina. Ny kolonely Rabemonina Julien no handray izany toerana izany manomboka izao.

02/04/2013

Samihafa

Very fihinanana indray ireo mpandraharaha mpanondrana anana atsy amin’ny Nosy La Réunion. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nandray fanampahan-kevitra ny hampiato ny fahafahan’ny mpandraharaha Malagasy mampiditra anana hamidy any amin’ity Nosy frantsay ity ny mpitondra any an-toerana. Ny didim-pitondrana noraisin’ny tompon’andraikitry ny « Préfecture » atsy amin’ny nosy La Réunion tamin’ny alakamisy lasa teo no mandrara izany fampidirana anana any an-toerana izany.

03/04/2013

Samihafa

« Na dia manana ny fahaleovan-tenanay tanteraka aza ireo mpitsara manoloana ny raharaha mahavoaroiroy ireo tera-tany Srilankais any Ambatondrazaka dia tsy mahasakana ny tebiteby mianjady amin’izy ireo izany, izay mety hanana fiantraikany amin’ny didy avoakany, manoloana ny fihetsiky ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Zandarmariam-pirenena izay efa mandrangaranga sahady ny tsy ho fankatoavany ny fanampahan-kevitry ny mpitsara raha tsy mifanaraka amin’ny heveny izany ». Izay no nambaran’ny mpitsara iray izay naneho ny heviny manoloana ity raharaha Srilankais any Ambatondrazaka ity.

03/04/2013

Samihafa

Lasan’ireo mpanafika ny vola rehetra tao amin’ny fitahirizam-bola sy ny ampaham-panafody tao amin’ny trano fivarotam-panafody ao anivon’ny Hôpitaly Joseph Raseta etsy Befelatanana. Jiolahy miisa fito mitongo fitaovam-piadiana ary samy tsy misaro-tava no nanafika tao amin’ity toeram-pitsaboana isan’ny goavana indrindra eto Madagasikara ity, ny marainan’ny talata tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany. Mandry an-driran’antsy hatramin’ny marary noho ny afitsoky ny jiolahy izay mirongatra tsy mbola misy toy izany amin’izao fotoana izao eto amintsika.

03/04/2013

Samihafa

Fanindroany izao no tsy tanteraka ny fitsarana ny filohan’ny fikambanana Fagnomba, Perle Zafinandro. Ity farany enjehin’ny orinasa Fasimainty teo anatrehan’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Tolagnaro noho ilay raharaha fanakanan-dalana tao amin’ny 4 chemins Bezavona-Mandena. Ny tsy fahatongavan’ity mpisolovava ny mpitory no voalaza fa antony nanemorana ny fitsarana ho amin’ny 30 avrily. Tonga maro nanontrona ny filohan’ny fikambanana tao amin’ny lapan’ny fitsarana kosa ireo mpikambana amin’ny Fagnomba. Naverina eny am-ponja i Perle Zafinandro, filohan’ny fikambanana Fagnomba any Tolagnaro, taorian’ny tsy nahatanterahan’ny fitsarana azy izay tokony natao omaly tany an-toerana.

03/04/2013

Samihafa

Olona enina no voasambotra noho izy ireo tsy nanana karapanondrom-pirenena, na nanakorontana na koa nanao fiantsiana sy nanompa mpitandro filaminana. Moto scooter miisa enina kosa no nogiazana ary roa ny lozam-pifamoivoizana: moto scooter tao Ambolomadinika ny iray ary cyclo-pousse teo amin’ny “gare routiere” ny faharoa, tsy nisy aloha ny maty fa ny naratra sy fananana simba no betsaka. Ankoatr’ireo dia olona 02 no voahendaka ny alin’ny alatsinainy teo bazary kely sy tao Ambolomadinika. Ireo, amin’ny ankapobeny, no isan’ny tatitra nataon’ny mpitandro filaminana avy ao amin ‘ny polisim-pirenena tany Toamasina mikasika ny fanamarihana ny andron’ny Paska amin’ny ankapobeny tany an-toerana, indrindra ny alatsinainin’ny Paska.

03/04/2013

Samihafa

Hifamontoana any Toamasina amin’ny alalan’ny fivoriambeny, anio sy rahampitso ny fikambanana Vondron’ny mira lenta ho an’ny fampandrosoana” na ny VMLF manerana ny nosy. Solontena sady mpikatroka miisa 1.000 mahery avy amin’ny faritra 22 manerana ny Nosy no handray anjara amin’izany fivorian-dehibe izany.

03/04/2013

Samihafa

Manamarika ny tsingerin-taona faha zato niorenany ny Fiombonan’ny fiangonana Protestanta eto Madagasikara na ny FFPM izay sehatra ivondronan’ny Fiangonanana Loterana Malagasy (FLM) sy ny fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) izay manana ny foibeny etsy Vohipiraisana Ambohijatovo atsimo.

04/04/2013

Samihafa

Vao nivoaka ny fonjan’Ambatondrazaka dia nosamborin’ireo zandary tany an-toerana ireo teratany Srilankais miisa 8 voaroiroy noho ny raharaha fitrandrahana tsy ara—dàlana ny safira tany amin’ny kaomina Didy. Araka ny loharanom-baovao dia baiko avy aty Antananarivo no nahatonga izany fisamborana indray ireo Srilankas nafahan’ny fitsarana tany Ambatondrazaka ireo. Ny ministeran’ny Harena ankobon’ny tany no mpitory an’ireto Srilankais ireto. Resy teo anatrehan’ny fitsarana arak’izany ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ity ministera ity.

04/04/2013

Samihafa

Tontosa omaly ny fivoriam-be voalohan’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Birao maharitry ny Antenimieran’ny Varotra sy ny indostria na ny CCI Toamasina. Fantatra ihany koa fa efa nivoaka ny didim-panjakana mitondra ny laharana 29-503 ny 28 marsa 2013 izay navoakan’ny minisiteran’ny Varotra, mametraka araka ny lalàna azy 25 mianadahy voafidy ny 16 marsa teo sy nivoaka ofisialy 21 martsa. Mpikambana miisa 21 tamin’ireo 25 no tonga nanatrika sy nandray anjara tamin’ny fivoriana voalohany omaly. Nandefa taratasy fialan-tsiny kosa ny efatra ambiny. Ny dimy tamin’ireo mpikambana miisa 18 tao amin’ny Comite ad’hoc kosa no tonga nanatrika ny famindram-pahefana. I Botoubebe Rosin avy amin’ny GEL, izay zokiolona tamin’ireo mpikambana no nitarika ny fivoriana izay tsy azon’ny be sy ny maro natrehana.

04/04/2013

Samihafa

Mampaka-peo amin’izao fotoana izao ireo ampahany maro amin’ireo mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pifidianana eny anivon’ny faritra Anôsy na ny CER Anôsy. Tsy ankatoavin’izy ireo ny fanampahan-kevitry ny CENI-T foibe tamin’ny fanesorana tamin’ny toerany ny filohan’izany rafitra mpikarakara ny fifidianana teny anivon’ny faritra Anosy izany, noho izany fanampahan-kevitra izany tsy nialohavana fanadihadiana sy fiaraha-midinika teny ifotony. Mitaky ny fiverenan’ny CENI-T amin’ny fanampahan-keviny arak’izany ireo mpikambana sasantsasany ao amin’ny CER any Anôsy.

04/04/2013

Samihafa

Taorian’ny Trano fitsaboana dia ny fiangonana indray izao no lasibatry ny halatra sy vaky trano izay mahazo vahana tanteraka eto an-drenivohitra. Arak any fantatra dia nisy naamaky indray ny fiangonana Loterana etsy amin’ny 67 ha ny alin’ny talata lasa teo.

04/04/2013

Samihafa

Nandritra ny fandraisan’ny Lehiben’ny faritra Antsinanana, Alain Mahavimbina azy ireo no nanehoan’ireo mpilalaon’ny U22 avy any amin’izany faritra izany ny fangatahan’izy ireo tambin-karama. Ho setrin’izany dia nilaza ny lehiben’ny faritra fa “azo jerena tsara ny fanampiana ara-bola amin’ny alalan’ny tambin-karaman’ireo ekipa mandrafitra ny solon-tenam-paritra tahaka anareo, saingy ianareo ihany no erany amin’izany fa mpanatanteraka fotsiny izahay avy eo”.

05/04/2013

Samihafa

Efa tafakatra eto Antananarivo ireo Srilankais 8 mirahalahy izay voaroiroy tamin’ny raharaha fitrandrahana tsy ara-dalàna safira tany amin’ny faritra arovana any amin’ny kaomina Didy. Arakan y fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana eto an-toerana dia ho roahina hody any amin’ny tany niaviany ireto mpandraharaha ireto ary efa eo am-pikarakarana izany ny fitondram-panjakana Malagasy amin’izao fotoana izao. Tsara ny manamarika fa fanampahan-kevitra avy amin’ny ministeran’ny Atitany no afahana mandroaka teratany vahiny toy izao rehefa voaporofo fa loza mitatao ho an’ny firenena ny fisian’izy ireo eto amintsika. Mpanatanteraka fotsiny ny fanampahan-kevitry ny ministeran’ny Atitany ny mpitandro filaminana izay mikarakara ny fammpodiana an’ireto Srilankais ireto. Nomarihan’ny mpitandro filaminana anefa fa efa noraisina avokoa ny fepetra rehetra mba tsy hisian’ny fomba mety hampiverina an’ireto mpandraharaha mpividy safira ireto eto Madagasikara intsony.

05/04/2013

Samihafa

Naverina eny amin’ny fonjan’Antanimora ny pasitera Heritiana avy ao amin’ny fiangonana Vahao ny Oloko, i Andry Prince de Satan ary ilay naka ny horonantsary mampihoron-koditra taorian’ny fandalovan’izy ireo teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana omaly. Nametraka fitoriana tokoa mantsy i Dama ao amin’ny tarika Mahaleo. Fanalam-baraka ity mpanakanto fanta-daza ity no fiampangana tsy maintsy hanenjehan’ny Fitsarana azy telo mianaka ireto, izany hoe ady heloka tsotra. Etsy an-danin’izany, misy resaka vonoana olona tao anatin’ilay horonantsary, ny gazety La Nation dia efa nilaza fa tokony hanokafana fanadihadiana io fanambarana nataon’i Andry Prince de Satan amin’ny maha heloka be vava azy izay henjehan’ny Fehezan-dalana famaizana eto amin’ny tany sy fanjakana. Ny gazety La Nation rahateo koa no niresaka voalohany azy ity (vakio La Nation tamin’ny 11 febroary 2013). Raha ny tokony ho izy dia manokatra fanadihadiana avy hatrany ny Fampanoavana raha vao misy resaka faty olona na vonoana olona.

05/04/2013

Samihafa

Tany antampon-tananan’I Toamasina indray no nitrangan’ity fanafihana mitam-piadiana ity omaly tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany atoandro. Jiolahy miisa efatra nitondra PA ary samy tsy misaro-tava no nanafika ny tranom-barotra iray tamin’io fotoana io. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola rehetra izay tombanana ho tsy latsaky ny folo tapitrisa tao anatin’ny fitahirizam-bolan’ilay sinoa tompon’ny tranombarotra. Eo am-pikarohana azy ireo ny mpitandro filaminana hatry ny omaly. Nitrangana fanafihan-jiolahy mirongo basy indray tao Tanambao V, any antampon-tananan’I Toamasina, omaly atoandro tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany. Mbola basy PA “22longs rifles” toy izay efa hita tamin’ireo asan-jiolahy efa nitranga tany aloha tao Toamasina hatrany no nampiasain’ireto jiolahy nanafika omaly ireto raha araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

05/04/2013

Samihafa

Tsy mitory an’i Hajo Andrianainarivelo amin’ny raharaha nahafatesan’i Topokovavy Nadine Ramaroson intsony ny fianankavian’ity farany raha araka ny angom-baovao. Tsy sakana amin’ny filatsahan-ko fidina filoham-pirenena ho an’i Praiminisitra lefitra arak’izany iny raharaha nahavoaroiroy azy iny. Iray amin’ireo fototry ny ady hevitra taorian’ny fanambaran’ny Praiminisitra Lefitra Hajo Andrianainarivelo amin’ny filatsahany ho fidina filoham-pirenena ny nahavoatonontonona ny anarany tamin’ny raharaha nahafatesan’ny minisitra teo aloha Nadine Ramaroson.

05/04/2013

Samihafa

Tsy niandry ela fa avy hatrany dia am’perin’asa ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria izay vao napetraka tamin’ny toerana tamin’ny fomba ôfisialy farany teo. Omaly dia nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny Lehiben’ny Faritra Antsinanana Alain Mahavimbina izy ireo.

05/04/2013

Samihafa

Hihazo an’i Afrika Atsimo ato ho ato ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana, araka ny nambaran’ny Filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita, Rakotoarivelo Mamy, izay nanaiky namely ny fanontanian’ny mpanao gazety omaly.

06/04/2013

Samihafa

« Hivoaka avokoa ny nafenina rehetra nandritra iny tetezamita iny, indrindra ny fitantanana ara-bola raha sanatria ka tsy azontsika ny fitantanana ny tany sy ny fanjakana ». Isan’ny ambentin-dresaky ny maro izany nandritra ny andro voalohany tao amin’ny kongresin’ny antoko TGV izay nanomboka omaly.

06/04/2013

Samihafa

Natolotra ireo mpahazo tombontsoa ireo foto-drafitrasa samihafa izay tafiditra amin’ny asa sosialy ataon’ny orin’asa Ambatovy. Isan’izany ny fanamboarana tohadrano madinika roa mitentina 145 tapitrisa ariary, ho fanamafisana ny asa fampandrosoan’ny mponina tantsaha any amin’ireo faritra manodidina ny tangorom-bohitra misy ny tandavanala Vohimana-Ankerana. Isan’izany ny toha-drano vita tao Ambatolampy kaominina Maroseranana Brickaville izay nandaniana vola mitentina 76 tapitrisa sy ny tao Anivoranokely Anjahamana Brickaville izay nandaniana vola mitentina 68 tapitrisa ariary. Ankoatry ny fanamboarana foto-drafitrasa dia nitondra ny anjara-birikiny tamin’ny fanampiana ireo tra-boina tao amin’ny fokontany roa tao Moramanga Moramanga, dia Fanovana sy Beforona ihany koa ny orinasa. Isan’ny nandraisany anjara ihany koa ny famitana ny asa fanamboarana ny Tranompokonolona ny asa tao Fanovana tamin’ny fanolorana tafo fanitso 30 sy simenitra 25 lasaka ary seza fampiasa anaty birao, miisa 40.

06/04/2013

Samihafa

Niditra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby teny amin’ny Magro Behoririka indray afakomaly ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Amin’izao fotoana izao dia iarahantsika mahita fa betsaka ireo milaza fa mahavita ary afaka mirotsaka hoy ny fanambarany. Tsy maninona fa izay no endriky ny demokrasia hoy izy. Ny antsika dia raha tsy tafaverina eto i Dada dia haniry eo izy. Tsy mora akory hoy ihany filoha teo aloha, ny fitantanana ny firenena amin’izao fahasahiranana sy krizy mianjady aminy izao. Matokia ianareo fa tsy maintsy tafaverina i Dada. Tsy maintsy misy farany hoy i Ravalomanana Marc ny zavatra rehetra rehefa mijoro amin’ny fahamarinana, fa Andriamanitra ihany no marina, tsy miova, anio, omaly ary mandrakizay. Tsy nanao ratsy tamin’ny fireneko, ny mpiarambelona aho hoy izy noho izany dia tsy matahotra ny hifanatrika amin’ny olona rehetra milaza azy fa mitady vahaolana.

06/04/2013

Samihafa

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ny minisitra Tabera Randriamanatsoa, tamin’ny fandalovany tany amin’ny renivohitry ny faritra Antsinanana. Tamin’izany no nilazany fa tsy misy lalam-panorenana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, araka ny ambaran’ny tondrozotra. Nomarihina ihany koa fa ho an’ireo fianankaviambe iraisam-pirenena dia tsy manana lalam-panorenana i Madagasikara amin’izao fotoana izao na dia tsy ambaran’izy ireomivantana aza izany. Porofon’izany ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny lalam-panorenana natao amboletra tamin’ny taona 2011 izay nafahan’ny olona nifidy tamin’ny alalan’ny kara-pokontany. Mbola manamafy izay tsy maha ara-dàlana ny lalam-panorenana amin’izao fotoana izao ihany koa, hoy ihany ny minisitra Tabera Randriamanatsoa, minisitry ny asam-panjakana, ny momba ireo mpikamba ao amin’ny fitsarana avo momba ny lalamp-panorenana efa “lany daty” sy “tsy ampy isa” ary “efa tsy izy” intsony namoaka ny maha-ara-dalana azy.

06/04/2013

Samihafa

Nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny biraon’ny fifandraisan’ny SADC eto Madagasikara, omaly ireo mpikambana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Taorian’izany fihaonana izany no nanambaran’ireto farany fa nanome toky azy ireo ny amin’ny tsy maintsy ahatafaverenan-dRavalomanana eto Madagasikara ny tompon’andrikitra tao amin’ity birao ity. Nambaran’izy ireo fa efa miasa ary manao izay azo atao mba ahatafaverenan-dRavalomanana eto an-tanindrazana izy ireo. Nambarany ihany koa fa tsy fepetra akory no fodin-dRavalomanana eto Madagasikara fa ara-dàlana tanteraka. Ankoatr’izay dia isan’ny nambaran’ireo avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ihany koa ny amin’ny mety ahatongavan’ity filoha teo aloha ity eto Madagasikara alohan’ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena.

08/04/2013

Samihafa

Nahitana marika izay midika fa efa viaisa ary efa nogiazan’ny ministeran’ny Tontolo iainana ireo andramena tratran’ny ladoany tany Toamasina ny zoma alina teo. Mametram-panontaniana ny amin’ny mety ho fisian’ny tsikombakomba hanondranana antsokosoko ireo andramena nogiazan’ny minister any mpanara-baovao manoloana ity raharaha ity. Ankoatry ny hosoka teo amin’ny filazana ny entana tao anatin’ireo kaontenera roa sarona ireo dia tondroina ho isan’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena ihany koa ity zava-nitranga tany amin’ny ladoany tany Toamasina ity. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia kaontenera roa feno andramena indray no saron’ny mpiasan’ny ladoany tany an-toerana ny alin’ny zoma lasa teo. Tahaka ny nitranga tamin’ny fahatratrarana ireo kaontenera nisy andramena tany Taolagnaro dia nolazaina fa vatosoa ihany koa ireto tratra tao Toamasina ireto. Izany hoe nolazaina ho vatosoa « quartz » ity saika hahondrana ity raha nanao ny filazana teo anivon’ny fadintseranana tao Antanimena ny tompony. Voalaza fa mpandraharaha monina ao Anjohy Antananarivo ity nikasa hanondrana andramena ity.

08/04/2013

Samihafa

Fanakianana ny fitondram-panjakana tetezamita no nisongadina nandritra ny fihaonan’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana notarihan’I Rakotoarivelo Mamy sy Botozaza pierrot ary Razafimanantsoa Hanitra, tamin’ny vahoakan’Ambatondrazaka tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nanolotra fanomezana maro tany an-toerana ihany koa izy ireo.

08/04/2013

Samihafa

Niteraka disadisa goavana eo amin’ireo samy mpikambana ny fanendrena izay ho kandida ho tohanan’ny fikambanana Ray aman-dreny Mijoro ho filohan’ny filankevitra fampihavanana Malagasy. Araka ny loharanom-baovao dia namory an-tsokosoko ireo mpikambana maro tao amin’ity fikambanana ity ny Pastora Ramino Paul.

09/04/2013

Samihafa

Nivoaka tamin’ny torimasony indray ry zareo tompon’andraikitra misahana ireo sampan-draharaham-panjakana natao hanara-maso ny raharaham-bola eto Madagasikara, indrindra taorian’ny fahitana ny fahavononan’ireo kandidà samihafa amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Isan’ireny ny Samifin sy ny Bianco izay efa nandrangaranga fa hanara-maso akaiky ny fampiasam-bolan’ireo kandidà mandritra ity fifidianana ity.

09/04/2013

Samihafa

Nisokatra omaly ny vanim-potoana ahafahan’ireo kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena mametraka ny atontan-taratasy filatsahan-ko fidiny teny anivon’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana. Kandidà telo sahady no efa nametraka ny filatsahn-ko fidiny tamin’io omaly io. Tsy niandry ela fa tamin’ny andro voalohany tafiditra amin’ireo vanim-potoana azoana mametraka ny taratasy filatsahan-ko fidina filoham-pirenena, dia efa telo sahady ireo kandidà izay nametraka izany teny anivon’ny CES (Cour électorale special) teny Ambohidahy, omaly. Tsy iza ireo fa i Lahiniriko Jean sy Hajo Andrianainarivelo ary Roland Ratsiraka. Raha tsiahivina dia nisokatra omaly 8 avrily ny fe-potoana azoana mametraka ny atontan-taratasy filatsahan-ko fidina ho an’ireo kandidà hilatsaka ho filoham-pirenena. Tsy hifarana izany fe-potoana izany raha tsy amin’ny andron’ny faha 27 avrily.

09/04/2013

Samihafa

Isan’ny nandray ny fankalazana ny tsingerintaonan’ny “Kiadin’i Madagasikara” ny tananan’i Toamasina ny sabotsy teo. “Kiadin’i Madagasikara sahy mandray andraikitra” no loha-hevitry nentina nanatanteraka izany fankalazana izany. Fotoam-pivavahana tao amin’ny CRJS no nentika nanokafana izany. Ankoatr’izay dia nisy ihany koa ny fitsidihana ireo trano eva misy ny fombafomba fanaon’ny skoto milasy sy manabe ary ny hetsika ara-tsosialy fanaon’izy ireo.

10/04/2013

Samihafa

Ny Jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain no voafidy ho filohan’ny Filankevitra fampihavanana Malagasy nandritra ny fifidianana izay natao omaly tao amin’ny foiben’ity rafitra ity etsy amin’ny 67 ha. Araka ny fantatra dia kandidà natolotry ny Ray aman-dreny mijoro ity lasa filohan’ny FFM ity. Amin’ny alakamisy izao no hanao fianihanana ny filoha vaovaon’ny FFM. Vato miisa 24 no azon’ny kandidà, ny Jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany raha 11 no azon’i Mara Edouard Ramanevy izay mpifanandrina voalohany taminy. Nitombo iray, izany hoe lasa 25 kosa ny isan’ny vato azon-dRabotoarisonCharles Sylvain tamin’ny fihodinana faharoa raha lasa 18 no azon’i Mara Edouard Remanevy. Ity farany izay tsy iza fa iray amin’ireo mpikambana tao amin’ny FFM ihany.

10/04/2013

Samihafa

Iray amin’ireo tranga izay miha-mahazo vahana any amin’ny distrikan’Andilamena amin’izao fotoana izao ny ady tany. Manahy mihintsy ny maro amin’izao fotoana izao ny amin’ny mety ahatonga ireo tranga samihafa izay misy any an-toerana ho olam-piaraha-monina goavana. Isan’ny nitatitra ny didadisa teo amin’ny fianankaviany sy ny fianankaviana iray hafa tany an-toerana ny raim-pianankaviana iray izay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao Ambatondrazaka omaly. Ady tany hoy i Rakotondradia Albert no niantombohan’ny disadisa teo amin’ny fianankaviany sy ny fianankaviana iray tany an-toerana. Nitatra ny disadisa ka nivadika hoe mpanao ambalavelona ny tenany. Nisy zazavavy iray voan’ny ambalavelona nentin’ireo mpifanadrina tao an-tranony, araka ny nambarany.

10/04/2013

Samihafa

Mbola tantara tsy voavaha hatramin’izao ny raharaha Hetsika Fagnomba sy QMM ary ny Faritra Anôsy. Efa ho roa volana izao no nitazonana an-tranomaizina ireo mpikambana ao amin’ny hetsika fagnomba. Antony roa lehibe no itazonana azy ireo. Ny iray dia hono ny sakan-dalana teny amin’ny 4 chemins Bezavona-Mandena, ka nitondran’ny QMM ny raharaha teny anivon’ny fitsarana.

11/04/2013

Samihafa

Nitombo isa hatrany ireo izay mametraka fepetra amin’ny fandraisany anjara amin’ny fanatontosana araka ny tokony ho izy ny raharaham-pifidianana. Ankoatry ny ankolafy Ravalomanana izay nilaza fa tsy handray anjara raha tsy tonga eto ny filoha teo aloha, dia nitaky volabe hahafahany manatanteraka ny asa fitandroana ny filaminana mandritra ny fifidianana ihany koa ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo-nat.

11/04/2013

Samihafa

« Tsy tahaka ny loza-voajanahary efa mahazatra antsika ny loza ateraky ny orinasa goavana sy ara-tsimika raha sanatria ka mitranga izany. Ny fahatarana na iray minitra monja dia mety hahatonga fahafatesan’olona an-jatony na haretimandringana tsy hay tohaina ». Izay no nambaran’i Randriamanantsoa Edmond tompon’andraikitra ny fanaraha-maso sy tomban’ezaky ny BNGRC izay miara-dàlana amin’ireo manampahaizana iraisam-pirenana avy amin’ny “OCHA/UNEP” any Genève izay mandalo any Toamasina amin’izao fotoana izao. Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny lehiben’ny faritra Antsinanana, Mahavimbina Alain, ireto iraka manokan’ny firenena mikambana ireto omaly. Nambaran’izy ireo fa « tonga eto izahay hijery ny fomba hifanohanana amin’ireo komity efa mijoro mikasika ny olana indostrialy sy simika ; hanao tombana ny fomba hisian’ny fanofanana sy fampianarana ary fenentanana ny vahoaka, izay isan’ny vahaolana tsara amin’ny fotoana hitrangan’ny loza, ary hijery koa ny traikefan’ireo toeram-pitsaboana sy ireo orinasa efa manana drafitra manokana mikasika izany ».

11/04/2013

Samihafa

Tsy tokony hiandany na amin’iza na amin’iza ireo mpiasam-panjakana, indrindra ireo lehiben’ny faritra, manoloana ny fanatanterahana ny fifidianana raha araka ny fanehoan-kevitry ny kandidàn’ny MDM, Pierrot Rajaonarivelo. Omaly no nametraka ny taratasy filatsahan-ko fidin’ity farany teny amin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana ny mpiara-miasa akaiky aminy. Izy no kandida faha efatra nahatafapetraka ny filatsahan-ko fidiny teny amin’ny CES. Tsy tonga teny amin’ny CES tamin’ny fametrahana ny atontan-taratasy filatsahan-ko fidiny ny filoha nasionalin’ny antoko MDM, Pierrot Rajaonarivelo. Arak’izany dian ireo mpiara-miasa aminy akaiky, nahitana ny mpisolovava Willy Razafinjatovo, sy ny dokotera Paul Léon, filoha lefitry ny antoko MDM misahana ny faritanin’i Toliara ary Martial Rakotomalala, filoha lefitry ny MDM ho an’ny faritanin’Antananarivo no nitarika ny delegasiona nametraka ny atontan-taratasy filatsahan-ko fidin’I Pierrot Rajaonarivelo, omaly teny amin’ny lapan’ny HCC Ambohidahy.

11/04/2013

Samihafa

Efa nanomboka tamin’ny zoma lasa teo ary mbola nitohy hatry ny omaly ny fatapatapahan-jiro tao Toamasina. Mazava loatra fa mihoatra ny zakan’ny vahoaka ny zava-misy any an-toerana amin’izao fotoana izao. Vokatr’izany dia efa misy araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, ireo mpanjifa izay efa mifanome teny ny amin’ny mety hanatanterahana hetsika hanehoana ny tsy fahafaliana manoloana ity fatapahan-jiro ity.

11/04/2013

Samihafa

Mihomana fatratra amin’ny fandraisana ny delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana avy aty Antananarivo ny mpomba ny filoha teo aloha anya tampon-tananan’i Tolagnaro. Araka ny fantatra dia ny lehiben’ny ankolafy, Rakotoarivelo Mamy sy ny mpisolovava Razafimanantsoa Hanitra no ho avy any an-toerana ato ho ato.

12/04/2013

Samihafa

Nivoaka tamin’ny fahanginany ary namoaka ny marina manodidina ny fomba nanatontosana ny fifidianana izay filohan’ny FFM amin’izao fotoana izao ireo izay nandray anjara tamin’izay fifidianana izany. Isan’izany i Ravonjiarisoanarivoliolona Jean Lucien izay nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety ny momba ny fihetsika nasehon’ireo mpikambana ao amin’ny FFM nandritra ny fihainoana ireo kandidà tamin’ny famelabelarana nataon’izy ireo.

12/04/2013

Samihafa

Tsy maintsy hatao izay hampihenana ny elanelana misy eo amin’ny vidin-tsolika tena izy sy ny vidin’izany eny amin’ny mpanjinjara, raha araka ny fanazavan’ny minisitry ny Solika, omaly. Mialoha ny fifidianana hatao eto amin’ny firenena no tsy maintsy hanatanterahana izany. Hisy arak’izany ny fampiakarana ny vidin-tsolika eto amintsika.Tranga izay hisy fiantraikany mivantana amin’ny raharaham-pifidianana, indrindra ny fizotran’ny fampielezan-kevitra. Mbola mahatratra 500 ariary amin’izao fotoana izao ny elanelana misy eo amin’ny vidin-tsolika tena izy sy ny vidy ivarotana izany vokatra izany eto amintsika, raha araka ny fanazavana nataon’ny minisitra Marcel Bernard. Mbola araka ny fanazavan’ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity ihany dia efa roa volana lasa izay no efa tokony natao ny fampiakarana tsikelikely ny vidin’ny solika manerana an’i Madagasikara.

12/04/2013

Samihafa

Sady niatso ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny dinika fampihavanana izay karakarainy, no niantso ihany koa ny fifanomezan-tanana mba hahatontosana an-tsakany sy an-davany izany dinika fampihavanana izany ny FFKM. Nambaran’izy ireo nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay notarihiny omaly fa mahatratra 180 ireo vondrona sy fikambanana ary fiarahamonim-pirenena izay handefa solon-tena handray anjara amin’ny fihaonambe izay santarina amin’ny faha 18 avrily ho avy io. Tsy hihemotra amin’ny fanambarany ny FFKM, na dia teo aza ireo izay nanakiana sy tsy mankasitraka ity fandraisan’andrikitra izay kasain’ireo Ray aman-drenim-piangonana ireo hatao. Tsy inona izany fa ny dinika fampihavanana izay hatomboka amin’ny alakamisy 18 avrily ho avy io eny amin’ny CCI Ivato.

12/04/2013

Samihafa

Raha ny 7 avrily no daty nambaran’ny CENI-T fa hamaranana vonjimaika ny lisim-pifidianana dia ny 11 avrily, izany hoe omaly tamin’ny 4 ora tolakandro izany vao vita raha ny tao Toamasina no resahana. Tamin’io fotoana io va namory ireo filoham-pokotany ny delegem-panjakana tao amin’ny boriboritany Ambodimanga.

12/04/2013

Samihafa

Nitondra fanazavana mikasika ny anton’ny fitokonana izay ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao ireo mpiasa mitokona ao amin’ny SMMC any Toamasina amin’izao fotoana izao. Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety izay nokarakarain’izy ireo, omaly tany an-toerana no nanaovan’izy ireo izany fanambarana izany.

13/04/2013

Samihafa

Nampahafantarina omaly ny ”Dinan’ny tany tan-dàlana”. Ny fikambanana CAEED na ny Fifandraisana sy hetsika ho an’ny fampiharana ny tany tan-dàlana no angady nananana sy vy nahitana ity atontan-kevitra ity. Hampahafantarina sady hatolotra ho soniavin’ireo kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny dinan’ny tany tan-dàlana alohan’ny hirosoana amin’ny famaritana ny asa hatao amin’ny fampiharana azy, araka ny vinavinan-kevitr’ireo izay namolavola azy. Hatsika izay manondro mazava ny kileman’ny fitondrana misy amin’izao fotoana izao. Nampahafantarina ny be sy ny maro, omaly, ny “Dinan’ny tany tan-dàlana” izay heverina fa hatolotra ireo ho soniavin’ireo kandidà hilatsaka ho fidina filoham-pirenena.

13/04/2013

Samihafa

“Court-circuits” vokatry ny delestazy izay nisy tao amin’io faritra io no niteraka ny firehetan’ny trano naha-kila forehitra an’ity ramatoa be 81 tao ity raha araka ny nambaran’ity raim-pianakaviana nanambara ny alahelony sy ny asosorany nahita ny nanjo ny reniny sy ny nahita ny tranony kila forehitra tao Valpinson P/elle 11/62 Lot 03, omaly. Tokony tamin’ny 07ora sy sasany maraina dia samy efa nivoaka ny trano namonjy ny asa aman’andraikiny avokoa izy rehetra afa-tsy ilay ramatoa be antsoina hoe Marie Jeannette izay marary ary tsy nihetsika teo am-pandriana. Tapaka ny herin’aratra tamin’io fotoana io saingy niverina tampika izany tokony tamin’ny 08 ora. Tamin’io fotoana niverenan’ny herinanratra tampoka io no voalaza fa nahatonga ny “Court-circuits” izay nandrehitra ny trano nisy ilar ramatoabe. Marihina fa trano hazo ity may ity. Nahita ny zava-misy ny mponina manodidina nefa tsy nisy afaka nanao n’inon’inona satria efa avo dia avo ny lelafo ary feno setroka ny trano. Tonga ara-potoana kosa ny mpamonjy voina avy amin’ny kaominina izay nanao ny ezaka tsy hitaran’ny afo. Vokatr’izany, avotra tamin’ny ampahany ilay trano fa ny entana tao anatiny kosa may kila avokoa. Nandritra izany ihany koa no nahitan’ireo mpamonjy voina ity ramatoa be 81 taona maty sy may tanteraka teo ambony fandriana natoriany.

13/04/2013

Samihafa

Mbola misy sahy manindry sy mampihorohoro ihany ireo mpikambana sasany ao amin’ny fitondrana tetezamita na dia amin’izao fotoana efa azo lazaina fa “fialany aina” izao aza.

15/04/2013

Samihafa

Tafapaka any amin’ny mpanao gazety ankehitriny ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Zandary any Toamasina mahakasika ilay raharaha ifanolanan’ny samy manamboninahitra tao amin’ny toby miaramila 1/RM3 any an-toerana. Nantsoin’ny mpanao fanadihadiana ireo mpanao gazety roa tany an-toerana. Ny Kalonely lehiben’ny Toby 1/RM3 Toamasina teo aloha no mpitory amin’izao raharaha izao. Vavolombelona kosa no niantsoana ireo mpanao gazety.

15/04/2013

Samihafa

Olona roa no maty nandritra ny fanafihan-jiolahy nitranga tetsy Andoharanofotsy ny asabotsy lasa teo ity. Ny iray voalohany dia vehivavy sinoa tompona orinasa mpanao mofo (boulangerie). Notifirin’ireo jiolahy tamin’ny bala miisa dimy ary maty tsy tradrano. Ny faharoa kosa dia tovolahy iray nijery ny zava-nisy ka voatifitra tsy nahy ny balan’ny iray tamin’ireo zandary mpiana-draharaha tonga teny an-toerana hamonjy ilay sinoa vavy voatafika. Noezahina noentina tany tamin’ny hopitaly ihany ity farany kanefa tsy tana ny ainy. Olona roa hafa ihany koa no naratra voakasok’io bala nahafaty ity tovolahy ity io. Lasan’ireo jiolahy ny poketran’ilay vehivavy sinoa ary tsy mbola fantatra ny lelavola tao anatiny. Tsy nisy entana hafa anefa nalain’ireto olon-dratsy, ankoatra io poketra io. Na ilay fiara nentin’ilay ramatoa aza toa tsy nandramany nalaina akory. Maro no mihevitra fa misy “règlement de compte” ity raharaha ity. Nandositra avy hatrany ireo jiolahy taorian’ny asa ratsiny ary tsy mbola misy tratra hatramin’izao.

15/04/2013

Samihafa

Nampanantena ny hamaha ny olana misy eo amin’ny famatsiana herinaratra any Toamasina ao anatin’ny 48 ora ny tale jeneralin’ny Jirama Rasidy Désiré. Nisongadina izany nandritra ny fivoriambe niarahan’ireo izay voakasik’ity raharaha Jirama Toamasina ity, izany natao tao amin’nhy hotely Le Miramar tamin’ny asabotsy teo. Nandray anjara tamin’ity fihaonana ity ny “comité des sages” tao Toamasina notarihan’i Vony Ferdinand. Teo ihany koa ny avy amin’ny Jirama nahitana ny tale jeneraliny Rasidy Desire sy ny tale kebinetran’ny minisitry angovo Lehova Augustin. Nandray anjara tamin’ny dinika ihany koa ny orinasa Ambatovy notarihan’i Marolahy Pierre. Nanao ny fifampanantonana sy nitarika ny ady hevitra kosa ny sekretera jeneralin’ny faritra Atsinanana Randriamaharitra Philibert. Rah any zava-nisy tamin’ny faran’ny herinandro teo dia tsy mbola tanteraka ny fampanantenan’ny Tale jeneralin’ny Jirama

15/04/2013

Samihafa

Tsy nitsitsy fitenenana tamin’ny fanakianana ny fitondrana tetezamita ny filoham-boninahitry ny antoko PNJ Mazava izay lasa kandidan’ity antoko ity hatramin’ilay kangresy izay nataon’izy ireo tamin’ny faran’nyb herinandro teo. Mpikambana tao amin’ny antoko AVI tarihan-dRatsirahonana, izay iaraha-mahalala amin’ny fanohanana ny fitondrana tetezamita no nahafantarana an’ity mpanao politika ity dia ny mifanohitra amin’izany tanteraka no nasehony taorian’ny nahalany azy ho kandidan’ny PNJ amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy izy irery fa ireo mpikambana amin’ity antoko ity izay nandray fitenenana dia samy nanakiana mafy dia mafy ny fitondran-dRajoelina avokoa. Voaresaka tamin’izany ny tsy fisihan’ny fandriam-pahalemana indrindra ny zava-nitranga tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Teo ihany koa ny fihenan’ny zaza miditra an-tsekoly, ny fanamparam-pahefana ataon’ireo izay nahazo fitondrana ary ny fivarotan-tanindrazana. Samy nitondran’izy ireo fanakianana avokoa ireo rehetra ireo.

15/04/2013

Samihafa

Nikarakara hetsika goavana tany amin’n y distrikan’i Betafo, ny asabotsy 13 avrily teo ny Vondron’olontsotra na ny VOT tarihan’i Sarah Zoé. Tao amin’ny fokontany Andranomafana ao Betafo no nanatanterahana izany hetsika izany izay niarahany tamin’ny ONG Bainga. Vahoaka marobe tany amin’izany distrika izany no nandray anjara tamin’ity hetsika goavana ity ka isan’izany ireo ben’ny tanana sy sefo fokontany samy mbola am-perinasa avy amin’ireo kaomina sy tanana maro dia maro any an-toerana. Nanamarika izany hetsika izany ny fidiraana an-telefaonina nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Nifantoka tamin’ny fanomezan-toky ireo vahoaka mpandray anjara tamin’ny hetsika sy ny fanentanana azy ireo hiray hina ny hafatra avy amin’ny filoha teo aloha nandritra izany fidirana an-telefaonina izany.

15/04/2013

Samihafa

Fahavalom-bahoaka ireo izay miziriziry ny hanatanteraka ny fifidianana mialoha ny fanatanterahana ny fampihavanana eto amin’ny firenena. Izay, raha fehezina no votoatin’ny fanambarana nataon’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana izay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nomarihan’izy ireo anefa fa tsy manohitra ny fanatontosana ny fifidianana eto amin’ny firenena izy ireo. Ho azy ireo dia tsy maintsy atao aloha ny fandaminana ny teo-draharaha ankehitriny eto amin’ny firenena amin’ny alalan’ny fampihavanana alohan’ny hanatanterahana izany fifidianana izany. Nomarihan’izy ireo fa tena hitondra vahaolana eto amin’ny firenena tokoa ny fifidianana raha toa ka hialohavana fampihavanam-pirenena izany.

15/04/2013

Samihafa

Nandritra ny fidirany an-telefaonina tao amin’ny fivoariana tao amin’ny Magro ny asabotsy teo no nanambaran’ny filoha teo aloha fa misy mitetika ny ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny sasany tamin’ireo avy amin’ny ankolafy tarihany. Tamin’izany ihany koa no nanambaran-dRavalomanana Marc fa amin’ity herinandro ity no hilazany fanampahan-keviny momba ny fandraisana na tsia anjaran’ny ankolafy tarihiny amin’ny fifidianana. Re anefa tamin’ny ora farany fa Rtoa Lalao Ravalomanana no voatendry ho kandidan’ny ankolafy. Raha voalàza teo aloha fa amin’ity herinandro ity no hilaza ny fanampahan-keviny mikasika ny fandraisana anjara na tsy amin’ny fifidianana ny ankolafy Ravalomanana, dia fantatra izao fa tena andray anjara izy.

15/04/2013

Samihafa

Raha 50 ka hatramin’ny 60 isan’nandro ny isan’ny fitarainana avy amin’olo-tsotra momba ny asan-jiolahy tany Toamasina teo aloha dia efa tafakatra 20% miohatra an’izany ny fitarainana voaran’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao, indrindra hatramin’ny nisian’ny fatapatapahan-jiro tany an-toerana. Ny atontan’isa maneho ny isan’ny olona tonga ao amin’ny kaomisarian’ny polisy Toamasina I sy ny ao Tanambao II no nandrefesana izany. Tsiahivina fa efa 10 andro izao no nisian’izany fatapatapahan’ny herin’aratra izay? Ny vaky trano n any fikasana hanao izany no tena maro amin’izany. Eo ihany koa anefa ny fanendahana sy ny sinto-mahery eny an-dàlana ary ny halatra moto scooter izay ataon’ireo jiolahy amin’ireo moto am-pandehanana mihintsy.

15/04/2013

Samihafa

Nitondra fanazavana manoloana ny feo mandeha ny amin’ny mety hisian’ny kajikajy politika ka hanesorana amin’ny toerany ireo ben’ny tanana sy hanendrena delegasiona manokana hisanana ny asan’izy ireo ny minisitra miadidy ny Fitsinjaram-pahefana, Ruffine Tsiranana. Nambarany fa tsy mitombina velively ny fisian’ny fikasana hanendry delegasiona manokana eo amin’ny toeran’ireo ben’ny tanana amin’izao fotoana izao. Nambarany fa tsy mahasoa ny firenena ny fanovana olona amin’izao vanim-potoanan’ny krizy izao. Ankoatr’izany nambarany ihany koa fa tsy fanao ny manala ireo tompon’andrikitra raha tsy misy ny fahadisoana goavana nataon’izy ireo.

16/04/2013

Samihafa

Niampy iray indray ny isan’ny kandidà nahatafapetraka ny atontan-taratasy filatsahan-ko fidiny teny amin’ny CES Ambohidahy. Omaly no nametraka ny filatsahan-ko fidiny ny filohan’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara izay iray amin’ireo kandidà vehivavy hilatsaka ho fidina filoham-pirenena. Naneho ny heviny mikasika ny dinika fampihavanam-pirenena izay kasain’ny FFKM hatao amin’ny alakamisy ho avy izao ihany koa ny tenany. Tsy tokony hafangaro ny fivavahana sy ny politika. Izay no nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, sady kandidan’izany antoko izany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, Saraha Georget Rabearisoa, raha naneho ny heviny manoloana ny fampihaonana izay karakarain’ny FFKM na ny dinika fampihavanana ny tenany.

16/04/2013

Samihafa

Nitondra ny heviny manoloana ny filazana mikasika ny mety tsy ho fanekena ny filatsahan-ko fidin’i Lalao Ravalomanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fikambanana GTT International. Tamin’ny alalan’ny fanambarana izany navoakan’izany fikambanana izany, imaly 15 avrily no nilazany ny heviny. Araka io fanambarana io dia tao Faravohitra no toeram-ponenana raikitra ho an’i Lalao Ravalomanana nandritra ny taona maro. Nambaran’izy ireo ihany koa an-koatr’izany fa tsy mbola nisy taratasy fifindra-monina nataony hiala tao amin’io fokontany io hatramin’izao. Ny fotoana nijanonany tany Afrika atsimo dia vonjy maika noho ny toe-draharaha ara-politika tamin’ny 2009 fa tsy azo adika ho fifindram-ponenana, araka ny fanamarihana nataon’ny fikambanana GTT International.

16/04/2013

Samihafa

Miandry ny famoahan’ny Fitsarana manokana momba fifidianana (CES) amin’ny fomba ôfisialy ny anaran’ireo kandidà hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fanombohana ny dingana amin’ny fanontana ny vatom-pifidianana tokana. Hatao amin’ny alalan’ny famoahana tolo-bidy iraisam-pirenena ny fanatontosana izany, araka ny nambaran’ny filohan’ny CENI-T Atallah Béatrice. Afaka folo andro fara-fahakeliny, izany hoe tsy ho vita alohan’ny 28 avrily ny fanontana ny vatom-pifidianana tokana ho an’ny fifidianana filoham-pirenena. Izay no azo hamintinana ny fanazavana nataon’ny filohan’ny CENI-T, Atallah Béatrice, mahakasika ny vatom-pifidianana tokana izay voafaritry ny lalam-pifidianana.

16/04/2013

Samihafa

Zazalahy 12 taona no lasan’ny ranomasina teo akaikin’ny lycee Rabemananjara ny alahady tolakandro teo. Hatramin’ny fotoana nanoratana ny vaovao, dia mbola tsy hita ity zazalahy 12 taona natelin’ny ranomasina ity.

16/04/2013

Samihafa

Amin’ny maha-politika afovoany ankavia azy sy amin’ny maha-mpiaro ny tontolo iainana ny antoko politika ZAMA na “zanaky Madagasikara”, dia ny fiarovana sy ny fanamafisana ny lafin’ny tontolo iainana no imasohany sy ataony manerana ny nosy.

16/04/2013

Samihafa

Handray fepetra manokana sy paik’ady mikasika ny fitandrovana ny filaminana ny Zandrary sy ny polisy ary ireo miaramila amin’ity herinandro ity satria ity no « semaine décisive » raha ny lafiny ara-politika no resahina.

16/04/2013

Samihafa

Teo Tanambao V Toamasina, manoloana ny araben’ny CRJS mifanila amin’ny CEG Ratsimilaho no nitranga ity raharaha ity ny alahady teo tokony ho tamin’ny mitatao vovonana. Nisy lehilahy roa nitaingina cyclo-pousse tamin’io fotoana io.

17/04/2013

Samihafa

Mitady hahazo vahana indray ny resaka kidnapping teratany vahiny, tomponandraikitra ambony amina orinasa. Andian-jiolahy miisa telo nirongo basy kalachnikov sy P.A miisa roa indray no voalaza fa naka an-keriny ny tale jeneralin’ny orinasa Henri Fraise, ny alin’ny alatsinainy 25 aprily lasa teo. 200 m miala ny trano fonenany no voalaza fa nitrangan’ny fanafihana.

17/04/2013

Samihafa

Toy ny zava-nitranga tao anivon’ny antoko TGV sy ny antoko Leader Fanilo izay samy nanohana an’i Andry Rajoelina nandritra ny fanonganam-panjakana nananganana izao tetezamita izao dia manomboka mpiaritaka ihany koa amin’izao fotoana izao ireo samy mpikambana ao amin’ny antoko Avi. Araka ny fanambara nataon’ireo mpikambana maromaro avy ao amin’ny birao foibe nasionalin’ity antoko ity dia tapa-kevitra ny hanohana ny kandidà Hajo Andrianainarivelo izy ireo amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao eto amintsika. Raha atao amin’ny teny hafa dia mitsipaka ny kandidàn’ny TGV izy ireo amin’ity fifidianana ity. Fitsipahana izay azo adika ihany koa ho fitsipahana ny filohan’ny tetezamita izay iaraha-mahalala fa manohana zato isan-jato ny kandidan’ny antoko izay noforoniny. Isan’ireo hanohana an’i Hajo Andrianainarivelo ny filoha lefitra nasionaly miisa roa avy ao amin’ny antoko Avi. Hanaohana an’ity kandidà ity ihany koa ireo mpandrindra nasionaly sy ny mpitam-bola nasionaly miaraka amin’ny lefiny ary ny filohan’ny vaomiera samihafa ao amin’izany antoko izany.

17/04/2013

Samihafa

Tsy marina ny filazana fa nanapa-kevitra ny tsy hiverina an-tanindrazana raha tsy aorian’ny fanatanterahana ny fifidianana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Izay no votoatin’ny fanazavana izay nentin’ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo. Araka ny tenin’ity filohan’ny Kongresin’ny tetezamita ity dia tsy nanapa-kevitra na hiverina mialoha na aorian’ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Ankoatr’izay dia isan’ny nasongadin’ity mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ity ihany koa ny mbola tsy fatanterahan’ny andininy sasantsasany amin’ny tondrozotra ary tsy mitsahatra ny hitaky ny fampiharana an-tsakany sy an-davany izany izy ireo na dia eo azan y fanekeny ny handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Notsindrian’i Mamy Rakotoarivelo fa ho an’ny ankolafy Ravalomanana dia tsy ny fahatongavan’ity farany mialoha na aorian’ny fifidianana eto an-tanindrazana no zava-dehibe fa ny fampiharana an-tsakany sy an-davany izay nifanekena ao anatin’ny tondrozotra.

17/04/2013

Samihafa

Araka ny nambaran’ny Tale jeneralin’ny Jirama, Rasidy Désiré, nandritra ny fihaonana tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo fa mbola tsy nanome alalana ny famokarana herin’aratra ho azy manokana ho an’Ambatovy ny fitondrana tetezamita. Nambarany ihany koa anefa tetsy an-danin’izany fa tsy nanakana an’Ambatovy amin’ny fananganana ny fitaovana hahafahany mamokatra herin’aratra ho azy manokana ny fanjakana, satria ny tsy hahafahana mamatsy an’ity orin’asa ity amin’ny asa ataony ny herinaratra misy any an-toerana. Etsy an-danin’izany, araka ny fanazavana nandritra io fihaonana io ihany dia mbola tsy afaka maka ny ambim-bava amin’ny herinaratra vokarin’Ambatovy ny fanjakana mba hamatsiana ny Jirama amin’ny olana misy ao aminy amin’izao fotoana izao satria mbola tsy nivaly ny fangatahana mikasika ny tena herin’aratra vokarin’Ambatovy marina amin’ny fitaovana misy ao aminy, izay ahafahana mamaritra ny herin’aratra “tsy maintsy” omeny ny fanjakana Malagasy ary izay tsy maintsy harafitra ao anaty na fifanarahana “matotra”, izay mbola tsy fantatra na eto Madagasikara ihany no atao ny sonia, na voatery tsy maintsy ho an’ny Canada indray misy ny foiben’ny orinasa.

18/04/2013

Samihafa

Niato efa ho iray volana izao ny fanarenana ny lalam-pirenena faha 5, mampitohy an’I Mahavelona Foulpointe sy Toamasina izay nankinina tamin’ny orin’asa MainLand ny famatsiam-bola azy. 55 Km ny halavan’izany lalana izany kanefa mbola tsy nahavita 10 km akory ny orinasa izay nokaramain’ny MainLand hanao izany asa izany dia izao miala an-daharana sahady izao. Marihina fa novinavinaina ho vita amin’ny volana mai ho avy ion y fanarenana ity làlana ity. mandrahona ny hanao hetsika manoloana izany ny mpitatitra mampiasa izany làlana izany. Nankaiza ny vola am-polony arivo tapitrisa ariary nolazain’ny orinasa MainLand Mining fa navoakany hanamboarana ny lalam-pirenena faha-5? Iza no naka izany vola izany? Aiza ihany koa ilay vola an-jatony tapitrisa ariary avy amin’ny MainLand Mining ihany, saingy nomena ny minisitera ny Asa vaventy mba ahafahany manaraha-maso ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 5 ? Ireo no fanontaniana apetraky ny maro manoloana ny fijanonan’ny asa fanarenana teo amin’ny lalam-pirenena izany efa ho iray volana izao.

18/04/2013

Samihafa

Nanao fanambarana maneho ny fanomezan-tokin’izy ireo manoloana ny fifidianana ireo tomponandrikitra ambony misahana ny fitandroana ny filaminana. Isan’ny toky nomen’izy ireo ny hampiseho tsy fiandaniana politika mandritra ny fifidianana hoa avy, ary handray fepetra mba hanarahan’ireo mpitandro filaminana rehetra an’izany. Raha hatramin’ny 26 janoary 2009 no efa nandray izany fanampahan-kevitra izany ny mpitandro filaminana dia tsy ho tonga amin’izao toerana misy azy amin’izao fotoana izao ny firenena. Antony ilazana fa tsara kanefa efa diso aoriana loatra ny fahatongavan-tsain’ireo tomponandrikitra ambony ao amin’ny tafika sy ny polisy.

18/04/2013

Samihafa

Efa eny aanivon’ny fokontany isan’isany avy amin’izao fotoana izao ireo lisitry ny mpifidy ho an’i Toamasina Voalohany na dia tsy nifanaraka tamin’ny tetiandro nofaritan’ny CENI-T aza ny fahatongavan’izany. Taorian’ny fanisana dia fantatra fa tsy misy afa-tsy 130.181 sisa ny isan’ny mpifidy raha efa nihoatra ny 200 000 izany nandritra ny fitsapa-kevi-bahoaka natao farany. Arak’izany dia voahilik’ilay “logiciel SIGEM” avokoa ireo anarana miverin-droa na miverina imbetsaka (doubloons) tao amin’izany lisim-pifidianana izany. . Ankoatr’izay, fantatra ihany koa, ho an’i Toamasina I ihany fa mahatratra 120.261 ny isan’ny mpifidy manana kara-panondrom-pirenena. Miisa 5.148 arak’izany ireo voasoratra kanefa fa tsy manana karapanondrom-pirenena. Miisa 4.772 kosa ireo misy olana ny mikasika azy, ka isan’ireny ny fahadisoan’ny anarany sy ny mombamomba azy ary ireo heverina fa ho feno taona ny andro anaovana ny fifidianana, ny 24 jolay 2013 izao.

18/04/2013

Samihafa

Omaly no nampahafantatra izay mety ho endrikendriky ny vatom-pifidianana tokana ny Vaomiera mahaleotenan’ny fifidianana na ny CENI-T. Araka ny nambara nandritra io fampahafantarana ny Vatom-pifidianana tokana io dia efa neken’ny filankevitry ny governemanta izany endrikendrika izany. Ireto avy ary ny ho hita ao amin’izany vatom-pifidianana tokana izany.

19/04/2013

Samihafa

Nisesisesy tato ho ato ny fidiran’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc tamin’ny alalan’ny antso an-tariby nandritra ireo hetsika famoriam-bahoaka teny an’ivon’ny faritra samihafa. Isan’izany ny nitranga ny alarobia 17 aprily teo tany Antsiranana. Hetsika izay nokarakarain’ny fikambanana VOT (Vondron’olon-tsotra), notarihan’ny filohany Sarah Zoé. Mazava loatra fa nisy ny hafatra nampitan’ny filoha teo aloha tamin’ireo izay nandray anjara tamin’izany hetsika izany. Isan’izany ny antso ho an’ny vahoakan’Antsiranana mba hisian’ny firaisan-kina. Ankoatr’izay dia nankahery ireo mpiara(dàlana aminy ny filoha teo aloha manoloana ny tolona famerenana ny ara-dàlana eto amin’ny firenena. Isan’ny niditra mivantana tamin’ny alalan’ny aantso an-tariby tamin’ity fihaonana ity ihany koa ny mpitondra-tenin’ny filoha teo aloha. Nanantitantitra i Guy Rivo Andrianarisoa fa tokony hiray hina ny rehetra manomboka izao ary hanajanona ny tsy fitovian-kevitra. Nohazavainy tamin’ny antsipirihany ihany koa ny antony nahatonga an’i Lalao Ravalomanana ho kandidà fioloham-pirenena. Inoana hoy izy fa “1er tour” dia vita.

19/04/2013

Samihafa

Tsy nahitan-teny ny fikambanana GAR (Groupepent des associations régionales) tao Toamasina hatramin’ny taona 2009 no mankaty. Amin’izao ankatoky ny fifidianana filoham-pirenena sy fifidianana solombavam-bahoaka izao anefa dia manomboka mifoha tamin’ny torimasony indray ity fikambanana ara-politika any Toamasina ity. Izay no tsapa taorian’ny fanambarana fa hanao hetsika goavana ao antampon-tananan’I Toamasina izy ireo amin’ny asabotsy izao. Tsy inona izany hetsika izany fa ny ady hevitra manodidina ny lohahevitra hoe: “fitsinjaram-pahefana tena izy ara-bola sy ara-mpitantanana ny raharaham-panjakana, ny demokrasia ifotony”. Ny profesora Mahafatoky no hanentana ny hiadian-kevitra izay natao indrindra ny handraisana ny soson-kevitry ny mpandray anjara. Ho an’i Mahavimbina Alain filoha mpanorina ny fikambanana “GAR” izay niorina tamin’ny volana febroary 2008 dia “noraisina manokana io loha-hevitra io, satria efa ela no nilazan’ireo mpitondra nifandimby ny fampiharana azy io, nefa hatramin’izao dia tsy mbola nitondra tena fampandrosoana marina ny firenena sy ny isam-paritra izany ary nahatonga fitakiana maro”.

19/04/2013

Samihafa

Nitrangana fanolanana zazavavy tsy ampy taona indray tany Toamasina, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Mbola ny loharanom-baovao ihany no nanamarika fa nitarika tany amin’ny fahafatesan’ilay tovovavy kely mihintsy ny ratra nahazo azy vokatr’izany fanolanana nahazo azy izany. Araka ny fantatra dia ny fahaverezan-drà be loatra teo amin’ilay zazavavy vao 13 taona monja no natarika ny fahafatesany.

20/04/2013

Samihafa

Tamin’ny alatsinainy hariva nisy olona efa-dahy mirongo fiadiana kalachnikov sy poleta tonga nanafika an’i François Raphaël, Tale Jeneraly ao amin’ny Sté HENRI FRAISE orinasa isan’ireo vaventy eto andrenivohitra. Sendra tao anaty fiarany ny lehilahy no azon’izao herisetra izao. Ny Alakamisy teo dia novotsoran’ireto olon-dratsy ny lehilahy rehefa nisy vola naloa natao takalon’aina.

20/04/2013

Samihafa

Miseho lany hatrany ny fisaraham-bazana eo amin’ireo olo-maventy manodidina ny mpombe an-dRajoelina. Isany mety hahita faisana amin’izany aloha dia ny ministra ny Serasera, Rolly Mercia. Maro rantsana ireo raharaha maningotra azy. Ny Paiministra aloha dia efa isan’ireo tsy dia mahatelina ny fiara-miasa amin’ity lehilahy ity. Misy sazy mihitsy miendrika fandroahana tsy ho ministra mety hahazo azy ato ho ato. Ny ministra misahana ny Serasera dia mety hihan’ny sazy ato ho ato. Ary efa heverina mitsy aza izao ny hanesorana amin’ny ny andrikitra maha mpitondra tenin’ny gouvernemanta azy. Misy loharanom-baovao milaza mitsy fa tsy manatrika fivorian’ny governementa mihitsy hatramin’izao.

20/04/2013

Samihafa

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny lehiben’ny faritra atsinanana, Alain Mahavimbina, mikasika ny olana amin’ny fijanonan’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-05. Nambaran’Atoa Alain Mahavimbina fa “tafiditra amin’ny fandaharan’asan’Ambohitsirohitra ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-05, izay no nahatonga ny filohan’ny tetezamita mihitsy no nanokatra ny fanamboarana azy ny taona lasa. Tsy nisy anefa izany noho ny olana teo amin’ny MainLand mpamoaka ny vola araka ny bokin’andraikitra nifanekeny tamin’ny fanjakana Malagasy amin’ny fanamboarana ny simba ara-tontolo iainana, sy ny orinasa Smatp nahazo ny tolo-bidy nataon’ny MainLand ihany.

20/04/2013

Samihafa

Taorian’ny fametrahana ilay fefy be sy ny fandravana ilay tsena teo aloha, dia miditra amin’ny fametrahana ny fototry ny tsena vaovao ao bazary be ny orinasa miara-miasa amin’Ambatovy amin’ny fanamboarana izany.

20/04/2013

Samihafa

Tranga hafa kely ity nitranga tao Valpinson Toamasina ny 14 aprily teo ity, satria noho ny fo rano mafana na fahasarotam-piaro diso tafahoatra tsy voafehy dia namono olona “tsy nahy” ny valilahiny vao 30 taona ity vadin’ny anabaviny.

22/04/2013

Samihafa

Ny fampiharana ara-bakiteny ny fitsinjaram-pahefana no hitan’ny mpandray anjara tamin’ny ady hevitra ara-politika nokarakarain’ny fikambanana GAR (Groupement des Associations Regionales), fa lala-tokana afahana mampandroso araka ny tokony ho izy an’i Madagasikara. Niaiky ihany koa ny mpandray anjara fa mila ovana ny rafim-pitantanana sy ny rafim-pitondrana eto amintsika raha tiana ny hanarina ny firenena. Marihina fa niafara tamin’ny fifandonana teo amin’izy samy izy ka nandratrana olona ny hetsika nifanindran-dàlana tamin’ity ady hevitra nokarakarain’ny GAR ity Mpizaika tsy latsaky ny 300 avy amin’ny faritra atsinanana no nandray anjara tamin’ny ady hevitra ara-politika, nokarakarain’ny fikambanana politika GAR “Groupement des Associations Regionales. Tao amin’ny efitrano malalaky lycee Stella Maris no nanatanterahana izany tamin’ny asabotsy teo. “Ny fitsinjaram-pahefana tena izy: ara-bola sy ara-pitantanan-draharaha ara-panjakana, demokrasia ifotony”. Io kosa no loha-hevitra niandian-niompanan’izany ady hevitra izany izay nahitana ny fandraisan’anjaran‘ny profesora Rasolofo Rene, mpikambana ao amin’ny filankevitra avon’ny tetezamita.

22/04/2013

Samihafa

Jiolahy nampihorohoro tamin’ny asa-ratsiny tao antampon-tananan’i Toamasina i Randrinantenaina Gotier Francis na “Dog” monina ao Ankirihiry avaratra, sy i Bilaza Elysee na Nesta Bemenaka monina ao Andranomadio. Nifarana hatreo anefa ny asa-ratsin’izy ireo satria voasambotra nandritra ny hetsika manokana nataon’ny polisin’ny komisaria Toamasina I izy ireo tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nalaza ratsy tamin’ny fanendahana, vaky trano, fanolanana vehivavy tratra hariva amin’ny posy, ary fangalarana scooter teny amin’ny bazary kely sy “gare routiere” ary amoron-dranomasina iry voalohany. Efa feno takom-pery sy holatra ny vatany noho ny vono mahazo azy nefa hatramin’izao dia tsy mety maty tamin’ireo fitsaram-bahoaka nahazo azy. Efa betsaka koa ny fitarainan’ny olona mikasika azy fa vitsy ny tena sahy mijoro mitory, izay nanasarotra ny fanaovan’ny polisy ny asany ary naha afaka azy hatrany nandritra ny taona maro nahasamborana azy.

22/04/2013

Samihafa

Raha nozarazarain’ny hevitra samy nanana ny azy ireo Tim sy ny ankolafy Ravalomanana tany Toamasina, vokatry ny fiatrehana ny krizy eto amin’ny firenena, dia fantatra izao fa nivondrona ho iray indra izy ireo amin’izao fotona izao. Fantatra ary hatramin’ny faran’ny herinandro teo fa efa niverina am-bala avokoa ireo namana fahiny izay notondroina ho namadika palitao nandritra ireny fotoana samihafa nisy teto amin’ny firenena ireny.

23/04/2013

Samihafa

Iray amin’ireo teboka maro izay nasongadin’ny tatitra momba ny tsy fanajana ny zon’olombelona eto Madagasikara ny momba ny tsy fisian’ny falalahan’ny asa fanaovan-gazety ary ny tsy fisian’ny fahafaha-maneho hevitra eto Madagasikara. Nambaran’ity tatitra navoakan’ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara ity fa “nanohy nanakana hatrany ny fampiharana ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy ny fahalalahan’ny mpampahalala vaovao ireo mihazona ny fahefana sy ny manam-boninahitra sasany”. Ny fandrahonana sy ny fampidirana am-ponja no nambaran’ilay tatitra navoakan’ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara fa fitaovana nentin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao nanitsakitsaka ny falalahana amin’ny fanehoan-kevitra eto amintsika. Nambaran’ny fanambarana fa “na dia iantohan'ny lalàna aza ny fahalalahana maneho hevitra, dia niharan’ny faneriterena ny fahafahan’ny olon-tsotra nitsikera ny fitondrana, na ampahibemaso izany na tsia, raha ny zava-nisy andavanandro no jerena. Nofehifehezin’ny manam-pahefana mafy ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra, ka tamin’ny alàlan’ny fandrahonana ny mpanohitra sy fampidirana am-ponja na fampiharana herisetra rehefa tsy nampihontsona ny mpitsikera ny fandrahonana no nanaovany izany.

23/04/2013

Samihafa

Halatra sy fandrobana an-karihary. Tsy iray fa maro, satria ireo rehetra izay nolalovan’ireo korontam-by sy fitaovana samihafa nentina tamin’ny fiarabe sy posy maromaro nihazo an’Ambalabe eo Toamasina dia samy nahita izany avokoa. Tsy inona izany fa ireo korontam-by sy entana samihafa avy ao amin’ny orinasa TIKO ao Toamasina, ahitana ny Magro Morafeno sy Tanambao V, ny TOP II sy ny MANA eny amin’ny seranan-tsambo, ny “Agence Tiko” boulevard Augagneur teo aloha, ary ny tranom-barotra Roso teo aloha ao Ampasimazava. Fiarabe sy posy maromaro no nitondra ireo entana ireo ho any Ambalabe tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ary ny nahagaga dia mpitandro filaminana avy amin’ny polisim-pirenena mihintsy no niaro ireo mpitondra izany entana izany sy nanamora ny dian’izy ireo manoloana ireo mpitandro filaminana hafa sendra azy ireo. Izany ihany koa angamba no nentina nanakonana ny mason’ny mpijery ka nilazana fa ara-dàlana avokoa ireo entana ireo.

23/04/2013

Samihafa

Tohin’ny raharaha fahatratrarana “bois de rose” tany Antsiranana izay niainga avy any Taolagnaro andro vitsivitsy lasa izay dia nidina tany an-toerana ny “Brigade spéciale” avy ao amin’ny Toby Ratsimandrava nanohy ny fanadihadiana. “Contenaire” maromaro feno vato “Micka” saika haondrana any ivelany niainga avy tany Taolagnaro izay nisy taratasy ara-dalàna no nosoloina bolabolan’andramena miisa 1117 ka tratra tany Antsiranana. Olona dimy no voasambotra tamin’ity raharaha ity, dia ilay mpandraharaha mpanondrana “Micka”, mpamily fiara mpitatitra entana roa, ny mpamatotra entana ary ny farany kosa dia “Transitaire AUXIMAD”.

23/04/2013

Samihafa

Natomboka omaly ny fanomezana fihofanana ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-Sécurité any Toamasina. Mandray anjara amin’izany ny miaramila sy ny polisy ary ny zandary. Ny fifehezana ny filaminam-bahoaka manoloana ny fikomiana na ny korontana, sy ny afanafihana ary fiambenana toerana iankinan’ny filaminam-bahoaka no iompanan’ny fanofanana izay haharitra herinandro any an-toerana.

23/04/2013

Samihafa

Nisy fanafihan-jiolahy mitam-piadiana niseho tao amin’ny Fokontany Ampivarotanomby, kaomina ambanivohitra Mahazoarivo, distrikan’i Fandriana, Faritra Amoron’i Mania, ny 21 aprily 2013 tamin’ny 02 ora sy sasany maraina. Jiolahy folo eo ho eo mitondra basy sy fitaovam-piadiana hafa no nanao ny fanafihana mpivarotra iray 56 taona. Niezaka nanohitra ihany ity raim-pianakaviana ity saingy tratran’ny be noho ny vitsy ka maty noho ny ratra nahazo azy.

23/04/2013

Samihafa

Nahitana tranga-na kolikoly ny fanandinana “Brevet Professionnel de Premier degré (BP1)” andian’ny faha 54 farany teo izay ahazoana ny galona zandary prinsipaly kilasy faharoa (GP2C). Nivoaka ara-dalana ny naoty arakaraka ny salan’isa azon’ny tsirairay ary efa nianatra tany amin’ny sekoly ambony Moramanga ireo zandary afaka tamin’izany.

24/04/2013

Samihafa

Teboka telo no azo ambara fa lehibe indrindra tamin’ireo nanamarika ity tetezamita lalovan’ny firenena ity. Tsy inona izany fa ny fifidianana sy ny fifanarahana politika ary ny fandraisan’andrikitra. Raha hiresaka ny teboka voalohany isika dia milaza miara-mahita ny rehetra fa tsy nakatoavin’ny be sy ny maro ny fifidianana fitsapankevi-bahoaka izay natao teto amin’ny firenena, na dia iaraha-mahalala aza fa vahoaka ihany koa no nifidy an’izany lalam-panorenana izany. Torak’izany ihany koa ny momba ny fifanarahana politika izay noheverina fa hitondra an’i Madagasikara hiala amin’izao krizy lalovan’ny firenena izao. Tsy inona izany fa ny Tondrozotra izay iaraha-mahalala ihany koa fa mahazo kiana mafy dia mafy amin’izao fotoana izao. Tsy isalasalana rahateo ny milaza fa tsy mahasolo ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo ireo vondrona sy antoko politika miisa 11 izay nanao Sonia an’izany tondrozotra izany. Antony mampitombina ny fanankianana izay manandrify azy amin’izao fotoana izao. Antony ihany koa mahatonga ny tsy fahombiazan’ny fampiharana azy araka ny tokony ho izy.

24/04/2013

Samihafa

Mbola mitana ny hevitry ny maro, indrindra ny mpanao politika sy ny vondrona politika ny fihaonana nataon’ny FFKM, izay namoaka araka ny hevitry ny mpivory ny hananganana “tetezamita bis” eto amin’ny firenena. Mirona mankany avokoa ny hevitry ny mpanao politika sy ny vondrona politika izao, ka ho an’Atoa Alain Mahavimbina lehiben’ny faritra atsinanana sy filoham-boninahitry ny fikambanana politika GAR na “Groupement des Associations Regionales”, dia tsotra ny nambarany fa “amiko dia mbola dinika soson-kevitra no nataon’ny FFKM iny, mbola haka ny hevitry ny maro isam-paritra izy ireo alohan’ny hamoahan’izy ireo ny hevitra farany.

24/04/2013

Samihafa

Asa na ho firy na ho firy no mety ho isan’ny kandidà hilatsaka ho filohampirenena amin’ity taona ity. Ny hany tsy azo lavina dia hioatra ny 20 isa izy ireo. Ary samy manantena ny ho lany. Eo indrindra no tokony hisian’ny fifanarahana mialoha, mba tsy hisian’ny fanoherana sy tsy fanekena rehefa mivoaka ny valim-pifidianana.

24/04/2013

Samihafa

Omaly tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany maraina no nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona roa teny amin’ny faritr’Ankadimdramamy Nanisana. Fiara Renault 21 no nandona taxibe niantsona teny amin’izany faritra izany tamin’io fotoana io. Araka ny loharanom-baovao dia manamboninahitra kolonely avy amin’ny zandarmariam-pirenena no namily ilay fiara R 21. Nandeha mafy dia mafy ity farany, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso.

24/04/2013

Samihafa

Mitohy hatrany ny atrikasa arahina fanofanana karakarain’ny EISA Madagasikara na “Institut Electoral pour une Democratie Durable en Afrique”, izay tohanana ara-bolan’ny UNDEF na “The United Nation Democracy Fund”, mikasika ny fampandraisan’anjaran’ireo vevivavy Malagasy eo amin’ny sehatra ara-politika indrindra hiditra amin’ny taonam-pifidianana isika amin’ity taona ity.

25/04/2013

Samihafa

Lasa any Roma omaly, ny filohan’ny tetezamita, araka ny fanambarana navoakan’ny mpampita vaovao avy eny Ambohitsirotra. Tsy isalasalana ny milaza fa samy hanana ny handroritany ny tena anton ‘izany dian-dRajoelina ho any Vatican izany ny rehetra, indrindra fa ny fihaonany amin’ny Papa François sy amin’ny sekreteram-panjakan’i Vatican amin’ny zoma ho avy io.

25/04/2013

Samihafa

Iatrika zaikabe nanomboka omaly any Toamasina ireo vadina polisy sy polisy vavy avy amin’ny faritra telo dia i Alaotra-Mangoro, Atsinanana ary Analanjorofo. Ao amin’ny toerana malalaka ambany rihan’ny lapan’ny tananan’i Toamasina no hanatontosana izany.

26/04/2013

Samihafa

Nandefa taratasy fangatahana fiara, amin’ny maha filoham-pirenena teo aloha azy, ny profesora Zafy Albert. Araka ny fantatra dia tsy sambany akory ityb filoham-pirenena teo aloha ity no nanao izany fangatahana izany tamin’ny fitondrana tetezamita kanefa tsy nisy tohiny hatrany izany fangatahana nataony izany. Fantatra ihany koa anefa etsy an-danin’izany fa maro tamin’ireo minisitra teo aloha tao anatin’izao tetezamita izao no tsy mety nanatitra ny fiara izay nampiasainy fony izy ireo teo amin’izany toerana izany. Antony ilazana fa voahosihosy tanteraka ny fahaiza-mitantana sy ny fanarahan-dàlana eto amintsika vokatr’ity tetezamita ity.

26/04/2013

Samihafa

Lalao Ravalomanana Rakotonirainy no kandidà faha 18 nahatafapetraka ny atontan-taratasy filatsahanko fidiny teny amin’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana. Nambaran’ireo mpomba azy fa tsy misy hatahorana ny amin’ny fankatoavana ny filatsahan-ko fidiny. Miantso ny mpomba azy hisoratra anarana amin’ny lisim-pifidianana kosa ramatoa Lalao Ravalomanana. Omaly no nametranka ny atontan-taratasy filatsahanko fidiny ny vadin’ny filoha teo aloha Lalao Ravalomanana Rakotonirainy. Niavaka izany fametrahany ny atontan-taratasiny teny Ambohidahy izany, omaly nohon’ny fahamaroan’ny vahoaka tonga nanontrona azy teny an-toerana. Hita teny ihany koa ireo lohandohany avy amin’ny akolafy Ravalomanana sy ireo olomboatendry sy tomponandrikitra avy amin’izany ankolafy izany. I lalao Ravalomanana izany no kandidà faha 18 nahatafapetraka ny fangatahany ho isan’ny mpilatsaka ho fidina teny anivon’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana n any CES.

26/04/2013

Samihafa

Naneho ny heviny tamin’ny alalan’ny fanambarana, manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ny Pro Ravalomanana. Araka ny hevitr’izy ireo dia tokony hiroso amin’ny fampihavanam-pirenena marina sy madio ary mifototra amin’ny toe-tsaina sy toe-panahin’ny maha Malagasy isika alohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana.

26/04/2013

Samihafa

Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amina tokatrano iray tao Ambohijafy Toamasina ny alatsinainy 22 avrily teo. Jiolahy efatra tsy nisaro-tava ary samy mitondra basy PA no nanao izany asa-ratsy izany. Renim-pianankaviana iray sy ny zanany vavy roa ka ny iray 26 taona ary ny faharoa 16 taona no tao an-trano tamin’io fotoana io.

26/04/2013

Samihafa

Nametraka fitarainana any amin’ireo ambaratongam-pahefana eo anivon’ny tafika sy tatitra eny anivon’ny fitsarana ny manamboninahitra iray ao anivon’ny toby 1 RM3 Toamasina. Indroa no nisy namaky ny trano fonenan’izany manamboninahitra izay. Trano fonenana izay tsy aiza fa ao anatin’ny toby no misy azy. Ho an’ilay manamboninahitra lasibatr’izao halatra izao dia tsy misy afa-tsy miaramila no nanao izany satria tsy ho vitan’ny mpamaky trano avy any ivelan’ny toby ny hanafika tranona manamboninahitra ao anaty toby.

26/04/2013

Samihafa

Vola mitentina 5 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy. Izay no vokatry ny fanafihana nianjady tamina mpividy vato iray tao Andranomadio 11/43 Toamasina ny alin’ny alakamisy 19 aprily tokony tamin’ny 07ora sy 15 min Araka ny fantatra dia efa-dahy nitondra basy PA no nanao izany fanafihana izany, ka ny iray ihany no nanao saro-tava.

28/04/2013

Samihafa

Mbola tsy fanampahan-kevitra farany akory ireo fanampahan-kevitra samihafa noraisin’ireo ambaratongam-pitantanan’ny antoko Leader Fanilo manoloana ny fifidianana, raha ny fanazavana avy amin’ny filoha lefitra nasionalin’izany antoko izany no jerena. Nambarany fa hivory indray ireo mpikambana rehetra amin’ity antoko ity amin’ny herinandro ho avy io ka ny fampitoviana ny tadin-dokanga eo amin’ny rehetra amin’ny fiatrehana ny fifidianana no tanjona amin’izany. Raha nilaza ny hanohana ny kandidà Hajo Andrianainarivelo ireo mpikambana amin’ny Biraom-paritra 16 ao amin’ny antoko Leader Fanilo dia nilaza ny mbola tsy fisian’ny marimaritra iraisana mikasika izany kosa ny filoha nasionaly lefitr’ity antoko ity, Toto Alphonse, raha namely ny fanontanian’ny mpanao gazety ny tenany omaly.

28/04/2013

Samihafa

“Ny tanjonay dia ny hamerina amin’ny tena lanjany ny oniversiten’i Toamasina sy fampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny mari-pahaizana havoakany. Tsy maintsy hampiharinay amin’ity taom-pianarana 2013 – 2014 ity ny fomba fianarana L.M.D. Tsy misy intsony manomboka ny taona 2014 ny diplaoma mivoaka tsy manaraka io fomba fampianarana io, na ireo oniversite miankina na ireo tsy miankina amin’ny fanjakana”. Ireo no fanambin’ny filohan’ny Oniversite Toamasina ny Docteur Ingénieur Informatique Velo Jerome izay noraisin’ny lehiben’ny faritra Antsinanana tamin’ny alalan’ny fitsidihina ara-pomba fanajana. Nambaran’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina ihany koa fa “ao anatin’ny telo taona maha-mpitantanana azy eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina dia tsy maintsy tafapetraka ny fianarana hakana ny diplaoma ‘doctoral’ ka samy hanana ny azy ireo departemanta rehetra misy ao Barikadimy. Ny olana tsy maintsy ho vahana alohan’ny hametrahana izany anefa dia ny fanofanana ireo mpampianatra profesora izay hany afaka mitantana izany.

28/04/2013

Samihafa

Tranga telo no niseho tao anatin’ny roa herinandro monja. Nanjavona avokoa ny entan’ny mpandeha tao ambony tafon’ny fiara mpitatitr’olona. Teo anelanelan’i Moramanga Ambatondrazaka no nisehoan’izany. Araka ny fiheveran’ireo mpandeha sy mpitatitra dia amin’ireo ampahan-dalana ratsy izay mahavoatery handeha miadana ny fiarakodia no hanararaotan’ireo jiolahy mangalatra ny entan’ny mpandeha. Marihina fan a dia teo azan y fampanantenan’ny filohan’ny tetezamita ny amin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 44 dia mbola tsy tomombana araka ny niheverana azy izany làlana izany amin’izao fotoana izao.

28/04/2013

Samihafa

Araka ny tatitra nataon’ny tao anivon’ny Zandarmariam-pirenana dia mahatratra 2800 ireo fanambaram-pananana nataon’ireo zandary, « officiers de police judiciaire » izay naterina teny amin’ny biraon’ny BIANCO manerana ny nosy, tao anatin’ny telo volana voalohany tamin’ity taona ity.

28/04/2013

Samihafa

“Nitondra am-badiko nitsabo tena tamin’ny hopitaly be aho no nahatsikaritra, fa vehivavy roa nitondra vohoka no miandry fandidiana fa maty an-kibony ny zanak’izy ireo nefa efa mananiky ny 7 sy 8 volana. Raha nanontany mpitsabo aho dia nilaza izy ireo fa tena mateti-pitranga tato ho ato ity tranga hafahafa amin’ny vehivavy mitondra vohoka ity”, izay no nambaran’ity raim-pianakaviana tafaresaka taminay nilaza ny ahiahiny momba ity tranga iray ity.

28/04/2013

Samihafa

Tokony samy efa hiomana amin’ny mety hisian’ny korontana aterak’ity fifidianana kasaina hatao eto amin’ny firenena ity ny kandidà rehetra izay mirotsaka ho fidina amin’izany fifidianana izany. Io no nambaran-dRajonah Andrianjaka, filohan’ny antoko Otrikafo raha naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ny tenany.

29/04/2013

Samihafa

Raha nifandrombahana ny fametrahana ny filatsahan-ko fidina filoham-pirenena tamin’ny andron’ny omaly, teny amin’ny lapan’ny HCC Ambohidahy dia niavaka tamin’ireo kandidà maro kosa i Avoko Rakotoarijaona, filoha nasionalin’ny antoko Madagasikara Afaka na MAF. Araka ny fantatra dia nisintona ny fangatahany ho isan’ny kandidà amin’izany fifidianana izany ny tenany tamin’io omaly io. Hatreto dia tsy fantatra mazava tsara ny tena antony nanosika ity kandidà ity hiala an-daharana. Raha ny nambarany omaly tamin’ireo mpanao gazety izay teny Ambohidahy tamin’ny fotoana nisintonany ny filatsahan-ko fidiny dia ny fahitany ny tsy fisian’ny famatorana amin’izao fifidianana izao no antony nialàny. “Efa tsy fifidianana intsony izao hatao eto amin’ny firenena izao”. Izay no nambarany tamin’ireo mpanao gazety. Tsy nanazava mihoatra an’izay kosa anefa ny tenany.

29/04/2013

Samihafa

Araka ny iarahan’irehetra mahalala dia hakan-kevitra amin’ireo faritra 35 n’ny FFKM ireo fehin-kevitra nivoaka tamin’ny fihaonana santatra izay nokarakarain’ity rafitra ity teto Antananarivo. Fantatra ary araka ny fandaharam-potoana fa i Toamasina no hampiantrano izany dinika izany amin’ity androany ity. Hisy ara arak’izany ny fivorian-dehibe izay hiresahana ny mikasika ny fampivahanam-pirenena sy ny fametrahana filaminana maharitra ary tsy hiverenan’ny krizy intsony eto amin’ny firenena. Ao amin’ny trano fisakafohanana “le Bateau Ivre” no hanatontosana izany mandritra ny tontolo andro.. Raha ny angom-baovao teo anivon’ny iraka FFKM any Toamasina, dia efa nahazo ny fiantsoana azy avokoa ireo fikambanana sy antoko politika tokony handray anjara, indrindra ireo sampan’ireo fikambanana sy antoko politika nanao sonia ny tondrozotra.

29/04/2013

Samihafa

Andro vitsivitsy mialoha ny hamohan’ny CES ny anaran’ireo kandidà mahazo mifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena, naneho ny fahavononany hamoaka ho fanta-bahoaka ny vokatry ny fanadihadihana nataony ireo kaomisiona manokana natsangana teo anivon’ny parlemanta. Nambaran’izy ireo, omaly, fa tsy ho ela dia hiroso amin’izay fampahafantarana ny vokam-panadihadiana izay izy ireo. Isan’ny lehibe indrindra amin’izany ny raharaha andramena izay nambaran’izy ireo fa mahatratra 4 miliara dolara ny totalim-bidin’ireo izay efa naondrana hatramin’izao. Misy amin’ireo kandidà mpilatsaka ho fidina ho filoham-pirenena no voaroiroy amin’ireo halatra sy fandrobana ny harem-pirenena. Nisongadina izany, omaly, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nokarakarain’ireo parlemantera mpikambana ao amin’ilay kaomisiona manokana nanao fanadihadiana mikasika ireo raharaha samihafa nitranga teto amin’ny firenena.

29/04/2013

Samihafa

Mikorontana tanteraka ny sain’ny Ray aman-dreny maro ao an-tampon-tananan’i Fenoarivo Atsinanana amin’izao fotoana izao, taorian’ny trangana fahaverezan-jaza miisa dimy be izao. Ny loharanom-baovao avy any an-toerana no nahafantarana fa nandeha nianatra toy ny fanaony isan’andro ireto ankizy ireto tamin’io fotoana io, izay zanak’olona avy amina toka-trano samy hafa saingy iray tanana. Ny atoandro tamin’ny fotoana tokony hodian’izy ireo no tsikaritra fa tsy nisy tonga tany an-tranony ireto mpianatra ireto.

29/04/2013

Samihafa

Saika zava-doza no nitranga tao amin’ny faritra tsy lavitra ny toerana fiantsonan’ny fiara mpitatitr’olona ao antampon-tananan’i Befandriana avaratra, ny sabotsy tokony ho tamin’ny iray maraina.

29/04/2013

Samihafa

“Nisy zavatra nipoaka mafy be ary nirehatra avy hatrany ilay trano fitahirizan’entana”, hoy ny fitantaran’ilay mpiambina. Trano fitahirizan’entana tao amin’ny fokontanin’Ivandry no nitrangan’izany ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny folo ora alina.

29/04/2013

Samihafa

Mitaky ny famoahana tsy misy fepetra ny mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita izay nosamborin’ny zandary tany Mananjary tamin’ny 20 avrily lasa teo ny parlemantera namany. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia tamin’io daty io tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina no nosamborin’ny zandary ity parlemantera ity izay nanao fitsidihana tany amin’ny toeram-pitrandrahana vato saro-bidy tao amin’ny fokontany Fiadanana any Mananjary.

29/04/2013

Samihafa

Nitrangana halatra narahana hay trano tao amin’ny fokontanin’Ivanja Ankazolava ny sabotsy lasa tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany maraina. Ny fitantaran’ireo teny amin’ny manodidina no nahafantarana fa tsy tao an-trano ny olon-dehibe tao amin’ity ankohonana ity tamin’io fotoana io satria efa lasa namonjy ny asany. Ankizilahy iray izay vao 13 taona monja no hany tao an-trano tamin’io fotoana io. Tamin’izay indrindra no niditra tao an-trano ireo jiolahy.

30/04/2013

Samihafa

Nitondra fanazavana ny antony nahatonga azy hilatsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny Amiraly Ratsiraka, omaly. Araka ny nambarany dia noho ny feo naelin’ny sasany izay milaza fa niray tsikombakomba tamin’ny FFKM amin’ny fanemorana na fanafohanana ny fifidianana no hanatonga azy hilatsaka ho fidina filoham-pirenena. Namafisin’ny Amiraly ratsiraka tamin’ity valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ity ihany koa fa ten any handray anjara amin’ny finika fampihavanana tarihan’ny FFKM tokoa no tena anton-diany tamin’izao fahatongavany teto an-tanindrazana izao. Etsy an-danin’izany nambaran’ny filoha teo aloha ihany koa fa avy amin’ny fanampiana tamin’ireo mpanohana azy, indrindra ireo avy any ivelany no nahafahany nandrotsaka ny vola manandrify ny filatsahany ho fidina filoham-pirenena.

30/04/2013

Samihafa

Nahita marimaritra iraisana ny telo tonta, dia ny avy amin’ny vondron’ny mpampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa ary ny solontenan’ny ministeran’ny asa sy ny asam-panjakana, momba ny karaman’ireo mpiasa eny amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana.

30/04/2013

Samihafa

Nitranga lozan-dranomasina indray omaly ny teo amin’ny fari-dranomasina am-pidirana ny vavalapasy tany Seranan’ny Soanierana Ivongo. Ity ilay faritra nahafaty ny minisitra Nadine Ramaroson. Omaly tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro no nitrangan’ny loza.

02/05/2013

Samihafa

Isan’ireo antoko politika nandrotsaka kandidà ho fidina filoham-pirenena ny Malagasy Miray sy Mifankatia n any MAMIMI. Na dia efa tafapetraka teny amin’ny CES aza anefa ny atontan-taratasy filatsahan’ny kandidà narotsak’izy ireo dia fantatra izao fa nisintona izany filatsahan-ko fidiny izany ity antoko ity. Araka ny fanambarana izay nataony omaly dia antony maro no nahatonga azy ireo tsy handray anjara amin’ny fandrotsahana kandidà ho filoham-pirenena indray.

02/05/2013

Samihafa

Mirongatra ny asan-jiolahy any Toamasina. Tsy mamela mahazo kosa ny vahoaka etsy an-danin’izany raha sendra mahatratra ireny jiolahy ireny. Toy izay ary no nitranga omaly tany an-toerana. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia olona roa izay samy tanora avokoa no maty, iray kosa naratra mafy noho ny daroka nahazo azy ireo. Ny iray maty dia teny amoron-dranomasina izay heverina aloha hatreto, araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana, fa niharan’ny daroka. Ny faharoa kosa dia tao Ampasimazava: jiolahy tratry ny fitsaram-bahoaka noho ny vaky trano nataony araka ny angom-baovao ihany. Ary ny fahatelo dia tao Anjoma izay naratra mafy noho ny fitsaram-bahoaka ihany koa saingy avotra ihany ny ainy noho ny fahatongavan’ny polisy avy amin’ny FIP taorian’ny antso nataon’ny mponina. Marihina fa jiolahy saika namaky trano araka ny nambaran’ireo tokantrano nidirany ity naratra mafy ity.

02/05/2013

Samihafa

Nanao hetsika nentina nanamarihana ny fetin’ny as any fikambanana politika ZAMA tany Toamasina. Tsy sambany ity fikambanana ity no manatanteraka hetsika toy izao. Taorian’ny fambolena zanaka voanio sy atafana teny amoron-dranomasina manoloana ny hopitaly be izay nisy nangalatra, dia tsy nahakivy ny ZAMA fa nanome tanana ny fangahatan’ny “Talenta akademia” sy ireo mpitia baolina kitra, nanadio ny kianja monisipaly izay feno bozaka sy rakotry ny fako ary rano miandrona noho ny orana tato ho ato izy ireo, na dia tokony ho anjaran’ny kaominina tompon’ny kianja aza izany. Teo koa ny asa nataon’izy ireo, namboly voninkazo sy nanatsara ny tokontanin’ny CEG Augagneur. Tonga maro ireo mpikambana izay tanora avokoa ny ankamaroany. Nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny ZAMA, Ralambosolo Solofoniaina, fa “mpandray andraikitra mba hahatanteraka ny Madagasikara maha-te ho tia sy mahafinaritra ary madio ny fikambanana politika ZAMA. Mitaiza ny tanora mba ho tia izany tontolo iainana mahafinaritra izany izahay, satria miankina amin’io ny ho avin’izao tontolo izao, ka isan’izany isika eto Madagasikara”.

02/05/2013

Samihafa

Ambentin-dresaka nandritra ny fivoriana mahazatra tamin’ity herinandro ity teny amin’ny kianjan’i Magro Behoririka ny mety hatongavan’i Lalao Ravalomanana eny amin’izay toerana izany amin’ny asabotsy izao. Raha ny zava-misy teny an-toerana nandritra ireo hetsika ireo dia efa samy miandrandra izany avokoa ny zanak’i Dada. Hita taratra izany tamin’ny alalan’ireo laha-teny isan-karazany nataon’ireo mpitarika. Teo ihany koa ny fanadiovana izany kianja fivorian’izy ireoizany. Marihina fa miha-mitombo ihany koa ny isan’ireo izay manatrika ny fivoriana teny amin’ny Magro nandritra ity herinandro ity sy hatramin’ny nandrenesana ny filatsahan-ko fidin-dRamatoa Lalao Ravalomanana.

02/05/2013

Samihafa

Hiditra an-tsehatra amin’ny fikaroham-bahaolana manoloana ny fijenonan’ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faha 5 ny “comite des sages” any Toamasina. Fantatra izany araka ny fiantsoana fihaonambe izay nataon’izy ireo toy izay efa nataony manoloana ny olan’ny delestazy tao Toamasina. Hisy arak’izany ny fihaonana hitadiavam-bahaolana hataon’ny « comité des sages » ny zoma izao amin’ny 09ora ao amin’ny trano fivorian’ny faritra atsinanana. Antsoin’izy ireo amin’izany ny fikambanan’ny mpitatitra, ny mpandraharaha ara-pizahan-tany ary ny tompon’andraikitra eo anivon’ny MainLand sy ireo orinasa nahazo ny tolotra momba ny fanamboarana ny RN5. Miankina amin’ity fihaonana ity ny mety hisiana na tsy hisian’ny fitokonana goavana hataon’ireo mpitatitra amin’ny RN5, satria raha atao 50 minitra hatramin’ny ora iray ny lalana mampitohy an’i Toamasina I sy Foulpointe teo aloha, dia ora 02 ka hatramin’ny ora 03 izany amin’izao fotoana izao.

02/05/2013

Samihafa

Sazy mihantona iray taona no sazy azon’ny filoha lefitry ny Fikambanana Fagnomba. Afaka madiodio kosa ireo mpiray fikambanana aminy izay voaroiroy tamin’ireo raharaha nampidirana am-ponja azy ireo. Tsy inona izany fa ny fitorian’ny orin’asa QMM an’ireo mpanao fihetsiketsehana noho ny fisian’ny sakan-dàlana izay nampikatso ny asan’izany orin’asa izay. Teo ihany koa ny fitoriana nataon’ny filohan’ny CENIT noho ny fanimbana ny fitaovan’ny biraon’ity kaomisiona ity tany Taolagnaro.

03/05/2013

Samihafa

Samy nilaza ho tsy tompon’antoka tamin’ny fijanonan’ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faha 5 ny orin’asa MainLand sy ny orin’asa BMCI. Iry voalohany nilaza fa efa voaloha ny 60% amin’ny vola nifanarahana hanamboarana izany lalana izany. Tsy misy afa-tsy 13% kosa ny vola efa voarain’ny BMCI, hoy ny solontenan’ity orinasa ity. Tsy nisy ambara kosa ny ministeran’ny Asa vaventy manoloana ity raharaha ity. Marihina fa nisy ampahan’olona nitondra sora-baventy teny amin’ny manoloana ny tranon’ny tomponandraikitry ny MainLand omaly. Fitakiana ny vola fanarenana ny RN5 no votoatin’ny fitakiana nataon’izy ireo

03/05/2013

Samihafa

Tontosaina ny 02 sy 03 mai etsy amin’ny Hotel Restaurant Ibis Ankorondrano ny fampiofanana ireo vehivavy mpanao politika sy ireo izay mpikambana eny anivon’ireo antoko. Iarahana amin’ny vondron’ny vehivavy mpanao politika manerana ny ranomasimbe Indiana na ny (FPOI) sy ny avy ao amin’ny EISA izay mandrindra ny demokrasia eto Afrika moa ity fampihofanana ity. Mahatratra 35 ny isan’ireo vehivavy mpandray anjara, ahitana ny avy ao amin’ny antoko TGV, Ampela manao politika, ny antoko maitso…, ary saika nahitana solotena avokoa ireo antoko sy fikambanana. Natao moa ity hetsika ity mba hanomezana sehatra lehibe ireo vehivavy ary indrindra mba hamolavolana azy ireo ho mpanapa-kevitra sy ho toa teny eny anivon’ny antoko politika misy azy.

04/05/2013

Samihafa

Tontosa omaly 03 mai 2013 ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho amin’ny fahalalan’ny mpanao gazety. Tsy latsa-danja tamin’izany ihany koa ny an’ireo fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona na ny CJD, izay notanterahina tetsy amin ‘ny hotel restaurant « Au bon coin » Ambatonakanga, tamin’ny 10 ora maraina. Tapaka tamin’izany ny fananganana ny komity ho fananganana ny holafitry ny mpanao gazety. Ahitana ireo solotenan’ny fikambanana tsirairay io komity io. Ohatra amin’izany ny ao amin’ny sendikan’ ny mpanao gazety, Rasoanaivo Rocco, ny avy amin’ny UJMH, Matavimanana Ravao Georgine… Natsangana moa ity komity ity noho ny fahitana sy fahatsapana fa tena mbola atao ankilabao ny mpanao gazety eto antoerana .Tapaka tamin’io andro io ihany koa fa ny atalata faha 7 ny volana mai 2013 izao izy ireo no hivory indray ao amin’ny « Au bon coin » ihany ary anentanana ireo mpanao gazety mangetaheta fahafahana.

04/05/2013

Samihafa

« Tsy ny filatsahan-dRajoelina amin’ny fifidianana filoham-pirenena no kianinay fa ny tsy fanarahan-dàlana nisy tao anatin’izany filatsahany ho fidina izany. Satria amin’ny maha filohan’ny tetezamita azy dia izy no tokony hanara-dàlana voalohany. Naleoko lavitra nijery ny anaran’i Lalao Ravalomanana sy ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka izay noheverina fa tsy mahafeno fepetra ny filatsahan-kofidiny, ao amin’ny lisitr’ireo mahazo milatsaka toy izay mahita ny anaran-dRajoelina tafiditra amin’izany”.

04/05/2013

Samihafa

“Nanapa-kevitra hampiantona ny filatsahanko fidina ny tenako manoloana ny savorovoro misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Araka ny hevitro dia fahendrena aloha ny mampihantona izany filatsahan-kofidina izany”.

04/05/2013

Samihafa

« Tsy olana ho anay ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ny filatsahan-kofidin’ny filohan’ny tetezamita Rajoelina Andry,

06/05/2013

Samihafa

Taorian’ny fihaonan’ny Andry Rajoelina tamin’I Jakaya Kikwete filoha Tanzanianina sady filoha am-perinasan’ny Troikan’ny SADC ny zoma 03 mai 2013 lasa teo, izay nilazany ny zava-misy eto Madagasikara, ny momba ny fifidianana, ny fifanarahana natao tany aloha sy ny fifanarahana tsy voahaja araka ny nambarany ary milaza ny handroso vahaolana hivoahana amin’ny krizy ihany koa izy. Taorin’izay ihany koa nandritra ny kabary izay nataony tany mahanoro ny andron’ny fanokanana ny hopitaly manara-penitra ny asabotsy 04 mai 2013 lasa teo dia nanamafy izy fa tsy tokony hiova ny datim-pifidianana ary tazonina. Raha ny mahakasika ny filatsahany ho fidina indray dia nanamafy izy fa tsy tokony ho saro-tahotra ny mpifaninana satria toy ny ady rehetra hatao ihany io. Nambarany ihany koa fa efa didy nivoaka iny fa hirotsaka amin’ny fifidianana ny tenany ary izay indrindra no maha fifidianana azy, aleo ny vahoaka no hitsara.

06/05/2013

Samihafa

Taorian’ny disadisa teo anivon’ny toby miaramila laharana faha-03 Toamasina, ka nivoahan’ny didim-panjakana tamin’ny alalan’ny filan-kevitry ny minisitra ny volana marsa teo, dia ny Kolonely Rabemonina Julien no komandy vaovao ny toby RM3 Toamasina izay nasolo ny Jly Rasamoelina. Vita ny zoma teo ny famindram-pibaikona teo amin’ny kolonely miditra sy ny jeneraly mivoaka teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena, izay nantrehan’ny Jly Ndriarijaona Andre lehiben’ny etamazaoro ny tafika malagasy nitarika ny famindram-pibaikona sy Randriamaharitra Clarys sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fiarovana nisolo tena ny minisitra. Ny fampanajana ny lalana sy ho an’ny tanindrazana ary ny maha-tandroka aron’ny vozona ny tafika Malagasy no hafatry ny Jly Ndriarijaona Andre.

06/05/2013

Samihafa

Nandritra ny hetsika goavana teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny asabotsy teo no nilazan’ny mpisolovava ny ankolafy Ravalomanana fa ilay “notam” namelezan’ny fitondrana Tetezamita an-dRavalomanana mivady ihany no fitaovana nampiasain’izy ireo tamin’ny fandresen-dahatra ny CES mikasika ny atontan-taratasy filatsahan’i Lalao Ravalomanana. “ Raha nody teto Dada sy Neny tamin’ny herintaona dia tsy navela fa nasiana “notam”. Iny no nampiasaina tany amin’ny CES. Nisy ihany koa ny volana jolay tamin’ny herintaona izay efa voatomboky ny polisy teny Ivato ny passeport-ny”, hoy ny fanazavana nataon’i Maître Hanitra Razafimanantsoa nandritra ny fanazavany teny amin’ny Magro. Tsy tongatonga ho azy ireny hoy ihany izy, fa ireny no nampiasaina tany amin’ny CES ary rehefa namoaka didy izy ireo dia tao ny an’i Neny.

06/05/2013

Samihafa

Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fihaonan’ireo mpikambana ao amin’ny birao mpandrindra nasionalin’ny antoko Leader Fanilo. Nandritra izany fivoriana izany no nandraisan’izy ireo fanampahan-kevitra mikasika ny kandidà izay ho tohanany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Fantatra arak’izany fa na dia efa nampahafantarina ny be sy ny maro azan y maha kandidà an’i Andry Rajoelina dia nisafidy ny hanohana an’i Camille Vital amin’izany fifidianana izany izy ireo. Tapaka tanteraka ny maha mpomba an-dRajoelina ny antoko Leader Fanilo. Mazava izany tamin’ny alalan’ny fanampahan-kevitry ny mpandrindra nasionalin’izany antoko politika izany, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Raha ny zava-nisy hatramin’izay nanombohan’ny tetezamita izay no jerena dia tokony tsy hiala amin’ny fanohanana an’i Andry Rajoelina izy ireo raha milatsaka ho fidina ity farany. Tsy izany anefa ny zava-nitranga tamin’ity fivorian’ny mpandrindra nasionalin’ny antoko Leader Fanilo ity fa nisafidy kandidà hafa izy ireo, izay tsy iza fa ny praiminisitra teo aloha Camille Vital.

06/05/2013

Samihafa

Naneho ny heviny manoloana ny fanampahan-kevitra navoakan’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana mikasika ny fametraham-pialàn’ireo kandidà izay mitana andraikitra amin’nizao fitondrana tetezamita izao ny filohan’ny HCC teo aloha, Honoré Rakotomanana. Ho an’ity farany dia tokony hitovy avokoa ny fe-potoana tsy maintsy ialàn’ireo kandidà mbola mitana andraikitra amin’ireo andrim-panjakan’ny tetezamita. Izany hoe tokony ho amin’ny 60 andro mialoha ny fifidianana avokoa izy ireo no hametram-pialàna, hoy ihany ny fanazany. Nambarany fa tokony hampitoviana avokoa ireo kandidà fa tsy misy atao zanak’ikalahafa. Ho an’i Honoré Rakotomanana dia ny voalazan’ny tondrozotra ihany no tokony arahina satria araka ny iarahan’ny rehetra mahita dia maro ireo teboka mifanipaka ao amin’ity raharaha ity.

06/05/2013

Samihafa

Tsy zakan’ny vahoakan’I Mananara intsony ny fatapahan-jiro izay misy any an-toerana n any delestazy izany. Ny fisian’ny maty iray tao amin’ny hopitaly vokatry ny fahatapahan-jiro no tena nampirongatra ny vahoaka. Voalaza mantsy fa efa niangavy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama ny tao amin’ny sampan fandidiana tao amin’ny hopitaly, noho ny fisian’ny fandidiana maika tsy maintsy natao, kanefa dia mbola tapaka ihany ny jiro.

08/05/2013

Samihafa

Mbola misy mpitantana ve sa tsia ny tananan’Antananarivo? Izay no fanontaniana teo am-bavan’ny maro manoloana ireo tranga miha-mahazo vahana tato ho ato teto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity. porofon’izany ny fametrahan’olo tsy fantatra ilay famerana hafainganam-pandeha (casseur de vitesse) tetsy Ankorondrano. Talanjona ny mpanara-baovao tamin’ny fandrenesana tamin’ireo haino aman-jery ny filazana fa tsy fantatry ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo izay antony sy izay tompon’antoka tamin’ny fametrahana ireo famerana ny hafainganam-pandeha (casseur de vitesse) teo amin’ny lalana eny Ankorondrano, tsy lavitra ny Fiangonana Jesosy Mamonjy sy ny orinasa Henri Fraise.

08/05/2013

Samihafa

Araka ny efa fantratry ny mpanara-baovao maro dia tamin’ny alatsinainy teo no nisokatra ny fe-potoana hahafahan’ny mpilatsaka ho fidina ho solombavambahoaka mametraka ny fangatahany ho isan’ny kandidà. Eny anivon’ny farim-pifidianana izay hirotsahany no hametrahany izany atontan-taratasy filatsahan-ko fidina izany. Toy ny zava-misy eto Antananarivo hatramin’izao ora hanoratana izao dia mbola tsy tomombana ihany koa ny fandraisana ny filatsahan-kofidin’ny kandidà raha ny any amin’ny distrikan’i Toamasina voalohany no rehasana. Raha nanontaniana ny tompon’andrikitra momba izany tany an-toerana dia nilaza fa mbola eo am-pikarakarana ny birao hisy izany izy ireo amin’izao fotoana izao. Voalaza fa ny ivotoerana nisy ny fitiliana ny otrik’aretina Sida teo aloha tao an-tampon-tananan’i Toamasina no hametrahana izany toerana fandraisana ny taratasim-pilatsahan-ko fidin’ny kandida izany.

08/05/2013

Samihafa

Naneho ny heviny manoloana ny fihetsiky ny CES tamin’ny fandraisana ny filatsahan-kofidin’ny Filohan’ny tetezamita ny filohan’ny “Groupement des sympathisants des federalists de Toamasina” sady filofan’ny “Fikambanan’ny zaza mahazo honondraha Toamasina”, Fulgence. Nambarany fa “raha misy ny ady an-trano eto atsy ho atsy dia ny CES no hahatonga izany. Efa hita taratra izao fa efa manana ny tohanany sy andrian’ny fony ireo mpitsara ao amin’ny CES ireo. Tena afa-baraka ny mpitsara sy ny mpahay lalana Malagasy, ka aleo anjaran’izy ireo no hifanasazy ao, fa raha tsy vitan’izy ireo izany dia hatahorana ny vahoaka indray no mety hanao izany ka ho loza ho avin’ny firenentsika”.

10/05/2013

Samihafa

Tsy asian’ny fitondrana tetezamita sira hatramin’izao ny mikasika ny fitokonan’ireo mpiraki-draharahan’ny Fitsarana manerana ny Nosy. Araka ny vaovao nambara nandritra ny fivoarian’ireo mpitokona tany Toamasina ny alarobia teo dia tsy mbola isan’ny tafiditra tao amin’ny laha-diniky ny filankevitry ny Governemanta tamin’ny talata teo ny mikasika izaany fitakian’ny mpiraki-draharaha izany, indrindra ny fanitsiana ny didim-panjakana manazava ny tambin-karaman’izy ireo. Etsy an-danin’izany fantatra ihany koa, raha ny any Toamasina ihany, fa ireo OMP (Officiers des ministers publics” no ampiasain’ny fampanohavana any an-toerana amin’ny toeran’ireo mpiraki-draharaha, mamita ireo atontan-taratasy miantona ao amin’izy ireo sy ireo atontan-taratasy avy any amin’ny “polices judiciaries”. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana ihany dia mifandimby mankany Fenerivo atsinanana ireo ekipan’ny fampanovana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, mamita ireo antontan-taratasy mahakasika ny fandikan-dalana tsotra (Delits) miaraka amin’ireo lehiben’ny distrika. Tsy manana raha teo ny any Fenerivo atsinanana, noho izany dia afaka tsara ampiasana ny “OMP”, tahaka ny any Antanambao Manampontsy sy Marolambo izay lavitra ny fitsarana ao Vatomandry.

10/05/2013

Samihafa

Raha ireo basin’ny mpitandro filaminana izay niparitaka tamin’ny fotoanan’ny krizy teto amin’ny firenena no nahiana hatrizay fa teny am-pela-tanan’ireo jilohahy manao fanafihana mitam-piadiana dia tsykaritra indray tato ho ato fa misy basy sy bala vaovao izay tsy mbola fampiasan’ireto farany kanefa ampiasain’ny jiolahy. Basy PA izy ireo, araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny mpitandro filaminana ka ny ankamaroany dia basy vaovao tahaka ny basy “22 longs riffles”, ireo basy “7,65mm” vita avy any Italie. Marihina fa basy azo amidy tsara, tsy misy olana any ivelany ireto karazany ireo, fa ny bala no mazana bala fampiasan’ny mpitandro ny filaminana izay hifanilahan’ny polisy ny zandary ny toby ivoahany no fampiasan’ireo jiolahy.

10/05/2013

Samihafa

Mikarakara hetsika lehibe ho enti-mankalaza ny fetin’ny reny ireo andriambavilanitra mpanakanto any Toamasina. Hihaona amin’ny ekipan’ny vehivavy mpanan-kanto ao Toamasina ireo vehivavy tompon’andraikitra sy vadina tompon’andraikitra ary vadin’ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana amin’io fotoana io.

11/05/2013

Samihafa

Mitaky ny fametraham-pialàn’ny fitsarana manokan’ny Fifidianana ihany koa ny mpisolovava Willy Razafinjatovo, na i Maître Ôlala. Nambarany fa tsy fanarahan-dàlana goavana no nataon’ny CES. Etsy an-danin’izany dia nambarany fa ara-dàlana ny fankatoavana ny filatsahan-ko fidin’i Didier Ratsiraka sy ny an’i Lalao Ravalomanana. Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tany Taolagnaro, omaly ity mpisolovava, miara-dia amin’ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo ity.

11/05/2013

Samihafa

Nanakiana mafy ny tsy fanarahan-dàlana mibaribary izay nataon’ny CES ny Praiminisitra Omer Beriziky, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataony omaly. Nambarany fa tsy maintsy handray ny andraikitra manandrify azy ny Governemanta, ka isan’izany ny fangataham-panazavana izay hataony amin’ny CES. Anjaran’ity farany anefa hy mandanjalanja izay mety ho vokatry ny fanampahan-keviny. Nitondra fanazavana mikasika ny fahitany ny zava-misy vokatry hy fanampahan-kevitry ny CES tamin’ny fanekena ny atontan-taratasy filatsahan-ko fidin’ny kandidà Rajoelina ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay notarihany omaly. Tamin’izany no nanambarany fa mibaribary ny tsy fanarahan-dàlana nataon’ity fitsarana manokana momba ny fifidianana ity kanefa tsy azo ivalozana ny fanampahan-kevitra izay noraisiny.

11/05/2013

Samihafa

Vola 5,2 tapitrisa ariary, vidin’ireo entana izay lafo nandritra ny faran’ny herinandro teo no lasan’ireo jiolahy. Izay no vokatry ny fahavakisan’ilay tranombarotra iray ao Toamasina, “Clea Tendance de Paris”. Marihina fa notehirizina mandram-pisokafan’ny banky ny alatsinainy ireo vola ireo araka ny loharanom-baovao avy ao amin ‘ilay tranom-barotra.

11/05/2013

Samihafa

Inona ny zava-misy ao amin’ny ligin’ny Basket-ball Antsinanana? Io no fanontanian’ny maro raha nandre fa nametram-pialàna amin’ny maha filoha azy i Tedy Imbiky. “Tsy mampiditra kapoaka ao amin’ny tokantranoko ny fikarakarana ny basket-ball, aleo aho hanao ny asako fa olana amin’ny fidiram-bolako ny fisahanako ny ligy Atsinanana”, izay kosa no fanazavana nentin’ity farany nandresy lahatra ny rehetra tamin’izao fialàny izao.

11/05/2013

Samihafa

Velon-taraina ireo sarim-bavy tena izy na pelaka, izay mpijorojoro eny amin’ny faritra manodidina an’Ambatomena isan-kariva. Araka ny nambaran’izy ireo, ary noporofoin’ny mponina teny amin’ny manodidina, dia misy manakorontana ny asan’izy ireo isan-kariva.

13/05/2013

Samihafa

Nanao ny fivoriam-beny nanapahana hevitra ny tokony hiatrehena ny fifidianana ho solombavambahoaka omaly alahady, ny fikambanana FIMAMI (Fikambanana Malagasy Miray) tarihan’ny CT Dr. Benessy Harison Sebastien, izay natao tao amin’ny kianja mitafon’ny Soavita. Nandritra ity fivoriam-be ity no nanapahan’ny mpikambana fa ny filohan’ny fikambanana no mitarika ny lisitry ny filatsahan-kofidian’ny fikambanana FIMAMI; ka na tapitra amin’ny 26 may aza ny fanaterana ny lisitra miaraka aminy dia ny 09 jona izao mandritra ny fivoriam-ben’izy ireo manaraka indray vao ampahafantarina ny mpikambana ny lisitry ny fikambanana. Ho an’ny CT Dr Benessy Harison Sebastien dia “amin’ny maha-olom-pirenena no handraisana anjara amin’ny fifidianam-paritra toy izao, tsy hanova ny maha-fikambanana ny FIMAMI ny filatsahana satria notapahan’ny mpikambana fa hijanonana ho fikambanana tsotra mpanao asa soa hatrany ny FIMAMI, ary mbola hanohy ireo asa ara-tsosialy sy fitsaboana fanaony tahaka izay efa-taona nisiany izay”.

13/05/2013

Samihafa

“Vonona isika hanarina ny rava mba ho lova tsara ho an’ny taranantsika”. Io no kabarim-panokafana nentin-d Ramatoa Lalao Ravalomanana kandidà hilatsaka ho filohampirenena, nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoakan’ Ankadikely Ilafy tetsy avara-drano. Natao izany taorin’ny fotaom-pivavahana tao amin’ny FJKM Belanitra. Raha ny fantatra dia mahatratra 14 ireo kaominina nanohina ny antso. Rehefa niaritra ora dimy ny vahoaka, niandry izay fahatongavany izay dia niroso avy hatrany tamin’ny kabary I Lalao Ravalomanana. Ny fanarenana an’ I Madagasikara no tena votoatin-dresaka tamin’izany. “Tsapako, fantatro ary hitako fa mahantra loatra ny vahoaka Malagasy. Miandry fiovana avy amiko ianareo koa dia miteny aho fa vonona hanarina ny rava ary vonona aho hanangana ny rariny”, hoy Ramatoa Lalao Ravalomanana. Tsy nijanona tamin’izay ihany ny kabary fa niresahana ihany koa ny fihavanana sy ny soatoavina izay harena-tsika Malagasy.

13/05/2013

Samihafa

Nanatanteraka ny fifampiarahaban’izy ireo noho ny taona vaovao ny fikambanana VITAL na ny “Vondro Iraisan’ny TAnora Liana Fampandrosoana” any Toamasina izay tarihan’i Mananjara James Anthonio.

13/05/2013

Samihafa

Tsy mankato ny toro-marika avy amin’ny SADC ny ankolafy Ravalomanana. Tamin’ny alalan’ny fidirana an-telefaonina tamin’ny asabotsy teo, nandritra ny hetsika teny amin’ny Magro no nanambaran-dRavalomanana fa tsy misy iny fanambaran’ny SADC tamin’ny faran’ny herinandro teo iny satria tsy milaza ny marina. Arak’izany dia tsy hanala ny filatsahan-ko fidin’i Lalao Ravalomanana ny ankolafy. Tsy niandry ela fa ny faran’ny herinandro teo ihany dia namely ny fanambaran’ny SADC ny filoha teo aloha, manoloana ny filazan’ity vondrona iraisam-pirenena ity ny amin’ny tokony hametraham-pialan’i Lalao Ravalomanana amin’ny maha kandidà filoham-pirenena ny tenany. Mifanipaka tanteraka amin’ny fanapahan-kevitry ny CPS tamin’ny 22 Aprily ny fanapahan-kevitry ny SADC, hoy ny filoha teo aloha.

13/05/2013

Samihafa

Naneho ny heviny mikasika ny fiatrehana ny raharam-pirenena, indrindra ny manoloana ny fehi-kevitry ny mpandray anjara tamin’ny finika fampihavanana notarihan’ny FFKM ny mpandraharaha any Toamasina. Ho azy ireo dia tokony avela hiroso ny fifidianana satria efa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fitantanana ny firenena ny firenena amin’izao fotoana izao. Nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy sakana amin’ny fampihavanana sy fifamelan-keloka tiana hatao eto amin’ny firenena ny fihatrehana ny fifidianana. Nanamafy ihany koa izy ireo fa tsy ho zakan’ny Malagasy ary tsy ho zakan’ny mpandraharaha intsony ny hisian’ny tetezamita 18 volana hafa satria efa tena ao anatin’ny fijaliana ara-bola ny mpandraharaha, ary ao anatin’ny fahantrana ny Malagasy, ary efa manomboka manakatom-baravarana ho antsika ireo mpamatsy ara-bola sy ny tsy fahamarinan-toeran’ny fiarovana ny fampoiasam-bola eto.

14/05/2013

Samihafa

“Tantara tokoa sisa no mitoetra raha ny raharaha 72 no asi-teny. Toa tsy nandalo fahoriana sy tolona ireo vahoaka satria zara raha omena toerana ireo zoky olona niaritra sy nitolona”, hoy Ramarozafy Emil. 75 taona izy izao ary manana zafikely 25. Anisan’ ny mahery fo tamin’izany fotoana ary anisan’ireo nitolona. Tsy hita taratra intsony ety amin’ny endrika ivelan’ny olona ny andro 13 may satria raha nanontaniana ireo tanora ohatra dia vitsy no nahatsikaritra fa anisan’ny andro nanandanja amintsika Malagasy io andro io”. Tsy dia nasian-teny firy ny andro omaly fa toa ireny andavanandro rehetra ireny ihany . “Nianatra tsara izahay ary na ny tao an-tsekoly aza tsy nisy teny akory”, hoy Njara Rakotonanahary mpianatra kilasy famaranana ao amin’ny Lycée Rabearivelo.

14/05/2013

Samihafa

Nozaraina nanomboka omaly ny vola notakian’ireo mpiraki-draharaha izay anton’ny fitokonan’izy ireo. Hiverina handray ny asany arak’izany izy ireo manomboka amin’ity androany ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha. Na izany na tsy izany dia mbola nanamafy ihany koa ny mpiraki-draharaha fa mbola maro ny fitakiana tsy maintsy hataon’izy ireo, ka isan’izany ny hamaritana dien’izao ny fampidirana ao anatin’ny « bon de caisse » n’izy ireo an’ity vokatry ny fangatahana nataony ity. Mitaky sahady ny hampidirana ny vokatry ny fitakiana nataon’izy ireo ho ao anatin’ny karaman’izy ireo isam-bolana manomboka amin’ny volana jolay ho avy izao ireo mpiraki-draharaha izay namarana ny fitokonany omaly ary handray ny asany amin’ity androany ity.

14/05/2013

Samihafa

Mahazo vahana tanteraka ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Tsy mifidy ora sy fotoana intsony ireo jiolahy hanaovany ny asa ratsiny. Raha raisina ny tranga izay niseho tetsy Ambohipo ny faran’ny erinandro lasa teo izay niafàra tamin’ny nandorana velona mpamaky trano iray.

14/05/2013

Samihafa

Tsy nandalo fotsiny tamin’ireo niaina ny tabataba tamin’ny 13 mai 1972 ny datin’ny omaly izay tsingerintaonan’izany andro mana-tantara izany.

14/05/2013

Samihafa

Tafakatra 1.313 ny isan’ny olona nangataka pasipaoro teny an’ivon’ny antokon-draharahan’ny polisy misahana ny sisin-tany sy ny fanaraha-mason’ny fifindra-monina tany Toamasina nandritra ny taona 2012.

15/05/2013

Samihafa

Niato efa andro maro dia maro ny fanarenana ny kianja filalaovam-baolina any Ampasambazaha Fianarantsoa. Fampanantenana nataon’ny filohan’ny tetezamita ny hanarenana ity kianja ity ary efa nisy tokoa ny vola nalefan’ny fiadidiana ny tetezamita hanaovana ny asa. Noho ny tsy fahatontosan’’izany famatsiam-bola izany hatramin’ny farany dia nijanona ny asa. Miteraka olana eo amin’ny fanatontosana ny fanadinana ara-panjakana ataon’ny mpianatra amin’ity taona ity anefa ny tsy fahavitan’ny asa satria io no kianja fandraisana ireny fanadinana ara-panatanjahan-tenan’ny mpianatra ireny. Voatery mitady vahaolana vonjimaika ny mpikarakara ny fanadinam-panjakana any an-toerana.

15/05/2013

Samihafa

Nentina teo anatrehan’ny filankevitry ny tananan’I Toamasina ny famahana ny disadisa misy eo amin’ireo samy mpivarotra ao amin’ny Bazaribe any Toamasina. Ny fanesorana ireo komity am-perin’asa izay voalaza fa efa tapitra ny fe-potoana hiasany no votoatin’ny fitakian’ireo mpivarotra. Tondroin’izy ireo no mamarotra an-tsokosoko ireo toerana amin’ny faritra fivarotana samihafa any an-toerana ireto komity lany daty ireto. Mbola tsy nahita vahaolana maharitra ny rehetra nandritra ny fampihaonana nataon’ny filankevitry ny tanana omaly. Tsy mifampatoky intsony ny samy mpivarotra ao amin’ny Bazaribe Toamasina. Tsy atokisan’ny ankamaroan’ny mpivarotra ihany koa ny komity mpitantana ny fikambanamben’izy ireo amin ‘izao fotoana izao izay tondroin’izy ireo ho mpitantana lany daty satria efa tapitra ny fe-potoana iasany.

15/05/2013

Samihafa

Nisongadina tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Zandarmariam-pirenena sy ny polisim-pirenena, omaly ny filazana fa mampiasa fiara tsy mataho-dàlana ny ankamaroan’ireompanao ratsy sy mpanao fanafihana mitam-piadiana amin’izao fotoana izao.

15/05/2013

Samihafa

Tantara mitohy ny raharaha manodidina ny tsy fahavitan’ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faha 5 mampitohy an’i Toamasina sy Mahavelona Foulpointe. Araka ny fantatra dia tapa-kevitra ny hanao fihetsiketsehana fanoherana ny zava-misy izay mianjady amin’ny asan’izy ireo amin’izao fotoana izao ireo mpanao fitaterana amin’izany lalam-pirenena izany.

15/05/2013

Samihafa

Hanatanteraka hetsika any Toamasina ny SAMIFIN rahampitso alakamisy sy amin’ny zoma ho avy izao. Mialoha an’izany dia nisy omaly ny fitsidihana ara-pomba fanajana ny lehiben’ny Faritra Antsinanana Alain Mahavimbina izay nataon’ny delegasiona avy amin’ity rafitra ity tarihan’ny filohan’ny Zaranaina Jean Claude.

16/05/2013

Samihafa

Tafakatra ao antampon-tananan’i Fianarantsoa amin’izao fotoana izao ny andiam-balala. Omaly dia rakotra tanteraka ny tanana, raha araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Nanomboka tamin’ny iray ora tolakandro eto ho eo no nahatongavan’izany andiam-balala matevina izany. Avy any avaratra ny fihaviany ary nihodikodina teo amin’ny habakabak’i Fianarantsoa izany andiam-balala matevina dia matevina izany nandritra ny ora vitsivitsy, talohan’ny nipetrahany tamin’ny faritra maro dia maro tany an-toerana. Marihina fa tsy sambany akory no nahatongavan’ny andiam-balala ny tao an-tampon-tananan’i Fianarantsoa. Tamin’ny asabotsy te odia efa nahitana andiam-balala ihany koa tany an-toerana saingy tamin’ireo faritra somary manodidina ny tanana no lasibatra. Trano maro no voalaza fa rakotry ny valala tanteraka omaly, raha araka ny vaovao avy any an-toerana ihany. Isan’izany ny tao amin’ny fokotanin’Anjoma izay nampanano sarotra mihintsy ny fifamezivezena vokatry ny hamaroan’ny valala.

16/05/2013

Samihafa

Eo am-pela-tanan’ny fitsarana amin’izao fotoana izao ny raharaha mampifanolana ny teratany frantsay iray any Toamasina sy tovovavy iray 19 any an-toerana ihany, ary zanaka Kolonely iray izay tompon’ny trano hofain’ity teratany vahiny ity. Araka ny taratasin’ady amin’ity raharaha ity dia tondroin’ity tovovavy ity no nanao firaisana mamoafady taminy ilay teratany frantsay. Tondroin’ity farany ho nangalatra ny volany mitentina 600 000 ariary kosa ilay zazavavy.

16/05/2013

Samihafa

Mbola tsy nahitana marimaritra iraisana hatramin’izao ny disadisa izay misy eo amin’ireo komitin’ny mpivarotra sy ny mpivarotra sasantsasany ao amin’ny bazariben’i Toamasina.

17/05/2013

Samihafa

Ankizy mpianatra miisa 9 avy amin’ny sekoly tsy miankina iray any Mampikony no indray azon’aretin-tsi fantatra omaly nandritra ny taranja fanatanjahan-tena izay natrehan’izy ireo. Nentina tany amin’ny dokotera avy hatrany izy ireo raha vao nitranga ilay haretina saingy tsy hitan’ny mpitsabo izay natao. Nirotsaka an-tsehatra nanao ny asany ihany koa ny pastera sy ny mpitondra fivavahana any an-toerana. Eo anatrehan’izany dia mandeha sahady ny resaka any an-toerana izay milaza fa tonga any amin’ity tanana ity ny fikambanana « satanika » Taorinan’Antsirabe sy Manakara ary Moramanga dia ny tananan’I Mampikony indray amin’izao fotoana izao no handrenesana ny fisian’ny trangan’aretina izay kilasian’ny maro ho vokatry ny asan-demony. Araka ny vaovao avy any an-toerana dia nandritra ny fotoanan’ny fanatanjahan-tena tao amin’ny kilasy faha enina tao amin’ny sekoly tsy miankina iray tany Mampikony, omaly maraina no nitrangan’ity raharaha ity.

17/05/2013

Samihafa

Ny tombatomban’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny polisim-pirenena no nilaza fa ny nify volamena nanaovan’ity raim-pianankaviana ity no nisarika ny loza izay najo azy. Manodidina ny 45 taona izy ary ny fatiny nivalampatra teo amin’ny lalam-pasiky ny Cité Valpinson P/elle 11/62 tany Toamasina ny marainan’ny alarobia 15 may teo no nanaitra ny folonolona izay niantso ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny « Force d’Intervention de la Police (FIP) ». Naratra be ity lehilehy ity ary ny teo amin’ny molony no hita fa voa mafy noho ny daroka nahazo azy. Tsikaritry ny polisy nandritra ny fizahana vonjy maika nataon’izy ireo niaraka tamin’ny mpitsabo fa nisy banga ny nifiny. Tsy nahitana karapanondrom-pirenena na famantarana hafa ihany koa teny amin’ity lehilehy ity, izay nanasarotra ny mpitrandro ny filaminana namantatra sy nampiantso ny fianakaviany. Arak’izany dia ny fanaterana ny faty teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be no nataon’ireo FIP eo am-piandrasana ny havany haka azy.

17/05/2013

Samihafa

Samy tsy mbola nisy taitra na iray aza ireo manam-paniriana hilatsaka hofidina ho depiote any amin’ny distrikan’ny Tôlagnaro. Ny fanahadihadiana natao teny amin’ny OVEC any an-toerana no nahafantarana fa na iray aza dia mbola tsy misy nanatitra ny dosieny.

17/05/2013

Samihafa

Tratra teo am-pamarotana jamala ny vaviantitra iray monina ao amin’ny fokontany Esokake, kaomina ambonivohitra Tolagnaro. Ny talata teo no nisehoan’izany. Ireo polisy ao amin’ny Bazaribe no nahatratra am-boadiomby an’ity ramatoa nivarotra zava-mahadomelina ity.

17/05/2013

Samihafa

Ho raikitra ihany ve sa tsia ? Sa ho lasa fanakorotanana ny saim-bahoaka fotsiny ihany ? Izany no fanontaniana mifamahofaho ao antsain’ny maro. Raha ny olon-tsotra maro sendra anay dia samy mitovy ny heviny.

18/05/2013

Samihafa

Mangataka tolo-tànana sy fanampiana ary fiaraha-miasa amin’ireo izay te-hanampy sy tsara sitra-po ary ireo mahatsapa ny fahorian’ireo polisy ao Mananara avaratra, ny polisy naman’izy ireo ao Toamasina amin’ny alalan’ny tale iraisam-paritry ny filaminana anatiny ao Toamasina. Entina hanampiana ireo fianakaviana polisy ao Mananara avaratra izay may sy potika ary rava fananana noho ireo olana nitranga noho ny “fitandroana ny filaminam-bahoaka” tany an-toerana farany teo. Azo aterina ao amin’ny biraon’ny talen’ny filaminam-bahoaka Toamasina na amin’ny kaonty manokana ao amin’ny banky BOA ny fanampiana rehetra, izay foin’ny olona rehetra dia raisin’izy ireo avokoa.

18/05/2013

Samihafa

Roa vola sisa dia higadona ny fifidianana ho filoham-pirenena. Hatramin’izao anefa dia tsy mbola nisy toromarika milatsaka eny anivon’ireny fokotany ireny.

18/05/2013

Samihafa

Efa ho herintaona izay no nihotsahan’ity lalana mihazo an’Ambanidia ity nefa hatramin’izao dia mbola tsy nisy fanamboarana ihany. ”Ny volana janoary tamin’ny heritaona no efa nisy manampahaizana nijery ity làlana ity, ary tamin’izany no nanambarany fa ny fantson-dranon’ny Jirama no anisany olana ka mila fanamamboarana avy amin’ny Jirama aloha izany izay vao afaka mikitika ny teknisianina.

21/05/2013

Samihafa

Tsy azo ekena ny vetinkevitry ny Filankevim-pilaminan’ny Vondrona Afrikana na ny CPS momba ny fitakian’izy ireo ny fialàn’ny kandidà Ravalomanana Lalao, hoy ny filohan’ny antoko Manajary vahoaka, Rakotoson Harotsilavo. Tsy resy lahatra amin’ny tokony hanatsoahan’ity kandidà ity ny atontan-taratasiny na misy aza izay fahadisoam- panantenan’ny CPS izahay hoy ny fanamarihan’ity mpanao politika ity. «Tena fanambarana miendrika politika iny navoakan’ny CPS iny, na miendrika faniriana ihany aza. Tsy misy resaka « base juridique » ilay fanambarana » hoy hatrany ny fanazavany. « Mahafeno fepetra ara-dàlana ny kandidà Ravalomanana Lalao satria feno ny anton-taratasy notakiana taminy ary tafapetraka tamin’ny fe-potoana ara-dàlana tsara izany », araka ny fanazavan’i Rakotoson Harotsilavo. Momba ilay tsy fipetrahana teto an-tanindrazana tao anatin’ny enim-bolana kosa nambarany fa « mazava tsara ny didim-pitsarana : ny fanjakana no nanakana azy tsy hipetraka teto fa tsy sitrapony manokana. Naniry ny hody an-tanindrazana matetika izy fa ny fitondrana foana no nanakana azy tsy hiditra eto », hoy ny filohan’ny antoko manajary vahoaka.

21/05/2013

Samihafa

Nandritra ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana izay nokarakarainy ny asabotsy teo, tao amin’ny kianja maitson’Antsahamanitra no nanambaran’ny HMF (Hetsiky ny mpitondra fivavahana) fa mendrika ho tohanana homena fankaherezana ny FFKM manoloana ny fampihavanana izay imasoany amin’izao fotoana izao. Nambaran’izy ireo ihany koa fa mamela ireo nisetrasetra taminy ny HMF saingy tokony hibebaka aloha ary hiaky ny fahadisoany ireto farany. Ny hamerina ny maro ao anatin’ny fahamarinana no loha-hevitra nentin’ny HMF nanatontosa izany fotoam-bavaka tamin’ny faran’ny herinandro izany.

21/05/2013

Samihafa

Latsaka ao anaty fahasahiranana tanteraka ny firenena taorian’ny fahotana mahafaty nataon’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na ny CES, ka tokony handray ny andraikiny faran’izay haingana ny mpitsara manerana ny Nosy, hoy ny antso avo nataon’ny fikambanana Fikambanan’ny Bemiray Malagasy (FBM) izay nanao valan-dreseka ho an’ny mpanao gazety ny faran’ny herinandro teo. Kianin’ity fikambanana ity ary kilasiany ho fanetriben’ny firenena ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana izay namoaka ny anaran’ireo kandida mahazo mifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay hatao eto Madagasikara amin’ny 24 jolay ho avy io. Ho azy ireo dia efa rava ho azy avy amin’iny didim-pitsarana navoakan’ny CES iny ny tetezamita tarihan-dRajoelina.

21/05/2013

Samihafa

Mirongatra izay tsy izy amin’izao fotoana izao ny fandrobana na fangalarana tanin ‘olona, araka ny fanamarihana nataon’ny filohan’ny HAFARI Malagasy, Jean Nirina. Araka ny nambarany dia nahatratra roa arivo latsaka kely ny fitarainana vokatry ny fangalarana tanin’olona voaray teo anivon’ny fikambanana, raha ho an’ity taona 2013 ity fotsiny no resahana. Porofo izany fa tena mirongatra tokoa amin’izao fotoana izao izay fangalarana tanin’olona izay.

21/05/2013

Samihafa

Nomarihina tamin’ny faran’ny herinandro teo tany amin’ny fokontany Alakamisikely, kaomina Ampahimanga distrikan’Arivonimamo ny fanombohana tamin’ny fomba ôfisialy ny taom-panaovana vakisinin’ny biby fiompy eto Madagasikara. Nandritra izany fotoana izany no nahafantarana fa eon anelanelan’ny volana mai ka hatramin’ny volana novambra no hanaovana izany vakisinin’ny biby fiompy izany manerana ny Nosy.

21/05/2013

Samihafa

Tsy nisy ny fandaminana, samy revo amin’ny fety avokoa na ny mpandrindra ny tanàna na ireo mpivarotra.

22/05/2013

Samihafa

Tonga eto Antananarivo indray i Kidimila, mpitan-kazomanga avy any amin’ny faritra Atsimo antsinanana, amin’izao fotoana izao, raha efa nandalo teto ny tenany tamin’ny taona 2012. Tamin’izay fotoana izay no nitondran’ity mpitana ny fomban-drazana ity ny fahitany ny fizotran’ny raharaham-pirenena, tamin’ny alalan’izay heveriny fa fanomezan-janahary ao aminy. Nambarany ary tamin’io fotoana nahatongavany teto tamin’ny taona 2012 io fa tsy ho tanteraka ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara.

22/05/2013

Samihafa

Nanatanteraka fivoriana, omaly, ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita n any CST. Mazava loatra fa fandinihina ny amin’ny ho fanohizana ny fivoriana ara-potoanan’ity andrim-panjakana ity no ivon’izany fivoriana izany. Arak’izany dia niadian-kevitra tamin’izany ny amin’izay ho fitantanan-draharaha ao amin’ity andrim-panjakana ity aorian’ny fametram-pialan’ny filohany, Dolin Rasolosoa, izay isan’ireo kandidà mpilatsaka ho fidina filoham-pirenena. Araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ity andrim-panjakana ity dia tsy hisy fivoriambe ao amin’ny CST mandram-pisian’ny filoha vaovao hisolo ny filoha amin’izao fotoana izao. Etsy an-danin’izany nilaza ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny CST fa tsy eken’izy ireo raha sanatria ka misy didy hitsivolana vaoavao izay mifanohitra amin’ny fametram-pialàn’ny filohan’ny CST amin’ny laha kandidà filoham-pirenena ny tenany.

22/05/2013

Samihafa

Olona iray no maty nanaovan’ny dahalo miisa 18 lahy angaredona. Omby miisa 14 no very tsy hita popoka. Mbola mandry ny tany amin’iny faritra atsimo iny. Ny faritra Anôsy no tiana hambara eto.

22/05/2013

Samihafa

Na ny fianankaviany, na ny mpotandro filaminana avy ao amin’ny kaomisarian’ny Polisy ao Toamasina dia samy nilaza avokoa fa voatifitra tsy nahy i Andriamanampisoaniaina Mbinina izay maty tsy tra-drano noho ny bala izay niantefa tamin’ny tendany. Voalaza ihany koa fa mbola bala lasa tsy nahy tamin’ilay basin’ny Polisy no niantefa tamin’ny mason’ny iray tamin’ireo naman’i Andriamanampisoaniaina Mbinina. Izany hoe samy tifitra tsy nahy avokoa no nampipoaka ny basin’ilay polisy, indroa miantoana. Marihina fa tsy maty ilay voatifitra teo amin’ny masony fa mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly any an-toerana noho ny ratra nanjo azy.

22/05/2013

Samihafa

Mandravarava ny “bande de six”. Ny toeram-pivarotan-tsolika Jovena tao Volobe Ambolomadinika any Toamasina indray no lasibatra tamin’ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny enina ora hariva. Araka ny vaovao avy any an-toerana dia miisa enina izy ireo no tonga teo amin’io toerana io. Samy nitondra basy avokoa izy ireo ary tsy nisy nisaro-tava na iray aza.

23/05/2013

Samihafa

Dia mbola hilaza indray ve ny COMGN, ny jeneraly Ravalomanana Richard sy ny CIRGN Antananarivo, ny kolonely Rakotomahanina Florens fa tsy miandany amin’ny mpitondra, raha iny zava-nitranga omaly iny? Andian’olona mirongo sora-baventy mihantsy fankahalana sy manompa olona tsotra izao, nanelingelina ny fifamoivoizana ary nampihorohoro ireo mpandraharaha nanerana ny faritr’Ankorondrano, Antanimena, Tsaramasay sy ny manodidina, nampitebiteby ireo mpianatra amin’izao ankatroky ny fanadianana izao, saingy navelan’ny Emmo nanao izay tiany. Lany tamin-dry Lalatiana sy Fidèle angaha ny lakrimôzena tao Ankadilalana? Izay vao mendimendy namoaka fanambarana ny governemanta, milaza ny handray fepetra ho an’ireo tomponandraikitra tamin’izany heloka sy fandikan-dalàna izany. Mazava be tsy mila fanadihadiana fa ny mpitondra fanjakana no tao ambadik’iny hetsika mampalahelo iny. Mampalahelo tokoa ilay hetsika ary tokony hahatonga saina ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina sy ny forongony. Nozaraina vola 10.000 fmg isan’olona, mbola ireny ihany anefa no isan’ireo tonga namaly ny antso.

23/05/2013

Samihafa

Sady tsy nangataka fazoan-dàlana no tsy nanao fanambarana, fara-faharatsiny, na tamin’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo, na tamin’ny Préfet de Police eto an-toerana ny hetsika nitranga omaly. Ny vokatry ny fanadihadiana natao teny anivon’ny Préfecture de Police no nahafantarana izany. Mbola ny loharanom-baovao ihany koa no nahafantarana fa tamin’ny alalan’ny taratasy niely no nahafantaran’ny tomponandraikitry ny fitandroana ny filaminana an’ity hetsika ity. Fandikan-dàlana mibaribary, ary azo enjehina arak’izany ireo rehetra izay voakasik’ity hetsika omaly ity. Marihina fa nandefa fanentanana tamin’ny Haino aman-jery VIVA sy tamina Haino aman-jery hafa teto andrenivohitra ny mpikarakara ny hetsika. Tazana nitety faritra samihafa ihany koa ny irak’izy ireo.

23/05/2013

Samihafa

Mazava ny valin-kafatra avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana. Ankoatry ny tsy fahatongavan’ny kandidà Lalao Ravalomanana tamin’ny fivoriana nokarakarain’ny FFM sy ny CSC ary ny lehiben’ny Foloalindahy, omaly, dia nitondra ny heviny ihany koa ireo mpomba azy izay nanohy ny hetsika fanaon’izy ireo teny amin’ny Magro Behoririka, ny tolakandro. Araka ny nambaran’ny CST Rakotoamboa jean Louis nandritra izany hetsika izany dia “tsy hanala ny filatsahan-ko fidiny na oviana na oviana ny kandidà Lalao Ravaalomanana”. Ankoatr’izay dia nilaza ny tsy handray anjara na oviana na oviana amin ‘ity fampihaonana karakaraina ao amin’ny Carlton ity ny kandidà Lalao Ravalomanana. Ho azy ireo dia madio ny kandidà lalao Ravalomanana ary tsy azo ampilaharina amin-dRajoelina izay kandidà tsy nanara-dàlana.

23/05/2013

Samihafa

Efa nanomboka hatramin’ny volana oktobra no nitrangan’ity olana amin’ny resaka fako eny Andraisoro ity. Mitaraina noho izany ireo mponina satria dia efa mitady hiditra hatreny an-tokonam-baravarana ny fako, ny fofofona amin’izany tsy lazaina intsony. « Ny volana oktobra ka hatramin’ny janoary dia nalaina isam-bolana ny fako tety aminay. Ny fiaraben’n y kaominina no manatanteraka izany. Taty aoriana anefa dia zara raha nisy izany ka ny fanazavana nentin’ny avy ao amin’ny kaominina dia ny hoe tery loatra ny làlana ka tsy afaka mankany ny fiarabe mpitatitra fako », hoy ny fanazavan-dRafaratahiana Narindra, renim-pianakaviana monina ao Andraisoro manakaiky ny fanariam-pako. « Tena tsy zaka ny fofona rehefa misandratra ny masoandro. Ary indrindra efa mila hiditra aty an-tokotaninay mihitsy izany raha mitohy kely. Ny sefom-pokotany moa dia efa manao izay hafany mahakasika ny olana fa hatramin’izao tsy mbola nahitana vahaolana », nanindry mafy ramatoa Narindra. « Ahiana ny hisin’ny valan’aretina noho ny loto sy ny voalavo », hoy hatrany Narindra, amin-kahatezerana.

23/05/2013

Samihafa

Ny solosaina roa tao amin’ny birao mirakitra ny “registre de commerce” sy ny solosaina tao amin’ny birao fiasan’ireo “substituts” no lasan’ny mpamaky trano tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tany Toamasina. Tombanana ho tamin’ny alatsinainin’ny pentekoty no nisian’izany famakian’olo-tsy fantatra ireo birao irreo izany. Hatreto dia heverin’ny tomponandrikitra fa mety ho asan-jiolahy tsotra ity nitranga ity. Voafonja rahateo ny niambina ny Fitsarana tamin’io fotoana io.

24/05/2013

Samihafa

Tapa-kevitra ny hisakana ny lalam-pirenena faha 5 ireo mpitatitra mampiasa izany lalam-pirenena izany rehefa tsy nahitam-bokany hatramin’izao ny fitakiana nataon’izy ireo manoloana ny fampihatoana ny fanarenana izany lalana izany. Tsy nisy arak’izany ny fitaterana mianavaratra avy ao Toamasina tamin’ny omaly. Noravan’ny Emmo-Sécurité izany sakana nataon’ny mpitatitra izany. Ankoatry ny fanakanan-dàlana dia sorabaventy maro no nentin’ny mpitatitra mampiasa ny lalam-pirenena faha-5 naneho ny tsy fahafalian’izy ireo manoloana ny fiatohan’ny asa fanarenana izany lalam-pirenena izany, nanomboka omaly. Isan’ireo sora-baventy ireo ny hoe: “Iny lalana iny e! RN5…lalan-tsarotra, aiza ihany ity fanamboarana manaram-penitra”, sy ny hoe: “ATT, Antananarivo tsy manara-dalàna, ampiharo ny tenimita laharana 085/SG/DGTT/DTR/12 tamin’ny 17 oktobra 2012 andininy faha-04, fa ny zotra nasionaly manitsaka ny zotra rezionaly”.

24/05/2013

Samihafa

Nitsidika ny tananan’Ambatondrazaka, omaly ny kandidà natolotry ny antoko Miami, Fleury Rakotomalala. Tamin’izany no nilazany fa haodikodin’ny mpanao politika ny fiainam-pirenena ka zary tratran’ny sangodim-panaina ny vahoaka. Fa maninona, hoy izy, no mpanao politika foana no manakorontana firenena? Nilaza ho manana fandaharan’asa hampandrosoana ny tantsaha ihany koa ity kandida atolotry ny antoko Miami ity ary any amin’ny fampielezan-kevitra no hamoahan-dry zareo izany. Ankoatr’izay dia nisy ny dinik’asa niarahan’ity kandida ity tamin’ny mpanao taksi moto sy taksi bisikileta izay nangatahan’ireto farany famatsiam-bola ho azy ireo.

24/05/2013

Samihafa

Tsy nionona tamin’ny tsy nazoany ny ministera nokasainy halaina ny alarobia teo ny antoko Monima tarihan’ny filohany Monja Rindefo Zafitsimivalo. Arakan y fampahafantarana nataon’ity farany, omaly, dia hiroso amin’ny fametrahana fitoriana ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta izy ireo. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny antoko Monima, sady kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena dia sady fanitsakitsahana ny tondrozotra izay lalana fototra amin’izao tetezamita izao no fanamparam-pahefana ny fihetsika nasehon’ny Praiminisitra tamin’ny nanatanterahany ny fanambarana izay tsy mankato ny fanomezana ny antoko Monima ny ministera anjarany. Nomarihan’i Monja Roindefo fa efa herintaona izao no nitaky ny hanoloana ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny minisitry ny Angovo izay tsy mpikambana intsony ao amin’ny antoko Monima izy ireo. Tsy nisy tohiny hatrany anefa izany fitakiana nataon’izy ireo izany.

24/05/2013

Samihafa

Kaomoriana telo mianadahy no voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny polisy misahana ny sisin-tany sy ny habakabaka teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, omaly, noho izy ireo nisandoka pasipaoro. Araka ny fantatra dia pasipaoro Frantsay an’olon-kafa mitovitovy endrika amin’izy ireo no nampiasainy. Nikasa ny handeha ho any Frantsa izy ireo ary tsy maintsy nandalo teto Madagasikara ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka teo no nahatratrarana azy telo mianadahy. Marihina fa 19 taona ny zandriny indrindra ary 27 taona kosa ny zokiny indrindra tamin’izy telo mianadahy ireto. Tamin’ny famotorana natao azy ireo dia niaiky ny heloka nataony izy ireo ary nilaza fa novidiany tany kaomoro ireo pasipaoro nampiasainy ireo.

24/05/2013

Samihafa

Namaly ny filazan’ny filohan’ny tetezamita mikasika ny mety ho fahafahan’ny Malagasy hizaka samirery ny fikarakarana ny fifidianana eto amintsika ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta tamin’ny alalan’ny fanambarana izay nataony nandritra ny famaliany ny fanontanian’ny mpanao gazety, omaly. Nambarany fa tsy hankato ny fifidianana izay karakarain’ny Malagasy samirery ny Fianakaviambe iraisam-pirenena. Arak’izany dia nohamafisin’ny Praiminisitra Jean Omer Beriziky indray fa toy ny mametraka ny firenena ho eo ambava loza ny fikarakarana fifidianana ivelan’ny fandraisan’andraikitry ny fianankaviambe iraisam-pirenena. Arak’izany dia mila ny fandraisan’anjaran’ny Fianankaviambe iraisam-pirenena isika amin’ny fikarakarana ny fifidianana.

25/05/2013

Samihafa

Voatazona ny datin’ny 24 jolay hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena, raha araka ny fanambarana nataon’ny kaomisiona manokana momba ny fifidianana n any CENI-T, omaly. Mitohy hatrany arak’izany ny fanomanana rehetra amin’ny fiatrehana izany fifidianana izany. Torak’izany ihany koa ny mikasika ny fametraham-ialàn’ireo kandidà izay mitana andraikitra ao anatin’izao fitondram-panjakana tetezamita izao.

25/05/2013

Samihafa

Miala any sahady ny fingampingana atao amin’ireo kandidà tsy mitovy firehena amin’ny sasany. Niharan’izany ny kandidà Fleury Rakotomalala izay nanatanteraka fitsidiham-paritra tany amin’ny amin’ny Faritra Alaotra Mangoro ary mbola manohy izany any amin’ny Faritra Antsinanana sy ny faritra Analanjirofo amin’izao fotoana izao. Tao Tanambe, afak’omaly, izany kandidà izany, saingy nolàvin’ny ben’ny tanana tany an-toerana tamin’ny ora farany ny fangatahany efa nekeny amin’ny hampiasana ny kianja famoriam-bahoaka tany an-toerana. Voatery naka fanampahan-kevitra hafa arak’izany ny kandidà Fleury Rakotomalala ka tany amin’ny tany malalaka izay 2 km ivelan’ny tananan’i Tanambe no nanas any ny vahoaka hihaona taminy. Marihina fa tsy nahasakana ny vahoaka tsy ho tonga maro dia maro ny toerana nanatontosana ny fihaonana satria nifanitsa-kitro izy ireo namely ny antson’ity kandidà ity.

25/05/2013

Samihafa

Nanao fanambarana miantefa amin’ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara, omaly, ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy Pierrot Rajaonarivelo sy ny minisitry ny Fitsarana Christine Razanamahasoa, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ary ny minisitry ny Filaminana anatiny. Fialàn-tsiny manoloana ny zava-nitranga tamin’ilay hetsika niainga tao Tsaramasay tamin’ny Alarobia teo sy fanomezan-toky an’ireo masoivoho vahiny no votoatin’izany fanambarana izany. Voalaza ihany koa fa hanokatra fanadihadiana manodidina iny hetsika iny ny governemanta.

25/05/2013

Samihafa

Ahiana mafy ny hitrangan’ny toe-draharaha toy ny tany Mananara avaratra raha ny zava-misy any Toamasina amin’izao fotoana izao no resahina. Nanomboka ny alakamisy tamin’ny 08ora alina dia miaina ao anatin’ny haizina tanteraka ny ampahany maro ao amin’izany renivohitra ara-toe-karenan’i Madagasikara izany.

25/05/2013

Samihafa

Lasa faritra mena avokoa amin’izao fotoana izao ireo fokontany rehetra ao anatin’ny tananan’i Toamasina. Tsy fotoana tsy handrenesana vaky trano sy fanendahana na fanafihana mitam-piadiana tato anatin’ny volana mai.

27/05/2013

Samihafa

Nitanisa ireo zava-misy izay iainan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao ny tatitry ny fivondronamben’ny Eveka katolika eto Madagasikara izay nanao ny fivoriambeny tamin’ny herinandro lasa teo. Nasongadin’izy ireo tamin’izany ny fahapotehan’ny firenena, na amin’ny lafiny ara-kolontsaina izany, na amin’ny lafiny ara-toe-karena. Nomen’ny Eveka tsiny manokana ny mpitondra fanjakana izay tsy nanao afatsy ny nanapotika ity firenena ity tamin’ny lafiny rehetra, indrindra tamin’ny firaisana tsikombakomba tamin’ny vahiny. Na eo aza anefa izany raho-mainty mitatao eto amin’ny firenena izany dia niaiky ihany koa ny Fivondronamben’ny Eveka fa efa misy ny vonona ary efa miroso amin’ny fibebahana.

27/05/2013

Samihafa

Nisy saingy tsy nahasarik’olona ny vavaka fifadian-kanina izay nampifanandrifiana tamin’ny hetsika nokarakaran’ny fiadidiana ny tetezamita tamin’ny sabotsy teo tany Toamasina. Ireo mpitondra izay notendren’ny fitondrana tetezamita tany amin’iny faritra iny no voalohany tamin’ireo tsy tonga nanatrika izany vavaka izany, izay natao tao amin’ny lapan’ny tananana tany an-toerana. Tsy tazana tao ny filohan’ny delegasionina manokan’ny kaominin’i Toamasina Toalina Zafindrabary. Tsy tonga ihany koa, na ny lehiben’ny faritra atsinanana Mahavimbina Alain, na ny lehiben’ny distrika ary ireo talem-paritra samy hafa. Ny hany nanohina ny antso ka tonga nanome voninahitra ny fotoana dia i Naharimamy Irma Lucien sy ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka any amin’ny Faritra Atsinanana ary Atoa Ricky Dinh-Van Pagni.

27/05/2013

Samihafa

Namafisin’ny mpanelanelan’ny SADC amin’ny raharaha Madagasikara, Joaquim Chissano, izay nitafa tamin’ny mpanao gazetin’ny RFI omaly, fa tsy hankato ny fifidianana hatao eto Madagasikara ny Vondrona Afrikana raha mijanona ho kandidà amin’izany fifidianana izany ireo mpilatsaka ho fidina tsy mahafeno ny fepetra amin’izany. Notsindrin’ity filoha Mozambikanina ity manokana kosa ny momba an-dRajoelina sy ireo izay nandray anjara tamin’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara. Nambarany fa manana ny fenitra arovany ny Fivondronambe Afrikanina na dia neken’ny Malagasy aza ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’ny fifidianana. Noho izany dia tsy afaka hankatoa ny fifidianana na oviana na oviana ny Vondrona afrikanina raha mbola kandidà amin’izany fifidianana izany ireo olona ireo,araka ny fanamarihan’i Joaquim Chissano.

27/05/2013

Samihafa

Tonga ao an-tampon-tananan’Antsirabe hatry ny omaly ny andiam-balala. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nisidina niodidina ny faritra maro tany an-toerana hatrny ny maraina omaly izany andiam-balala matevina dia matevina izany. Rakotra izany valala izany kosa ny faritra manodidina, indrindra Antsirabe faharoa. Hatreto dia mbola tsy misy ny tatitra ofisialy mikasika ny vokatr’izany fahatongavan’ny andiam-balala any Antsirabe izany. Tsy isalasalana ,kosa anefa ny milaza fa tsy maintsy hisy vokany ratsy dia ratsy eo amin’ny fambolen’ny mponina toy izay nitranga tany amin’ny faritra hafa.

27/05/2013

Samihafa

Hetsika vonjeo ny firenenao na HVF dia natsangana ho ankolafy fahadimy ary manana dina telo mamehy izany. Ny fametrahana rafitra maty paika ho fitarihana sy fitondrana fiaraha-monina anjakan’ny soatoavina sy ny fihavanana, laharam-pahamehana ny firosoana amin’ny fanomanana ny fifidianana madio sy mangarahara izay handraisan’ny Malagasy rehetra anjara ny mason-tsivana ho amin’ny lafiny ara-pahendrena sy fitiavan-tanindrazana ny hahavo ara-tsaina sy fifehezana ny kolontsaina sy ny teny malagasy ,

27/05/2013

Samihafa

Tapitra amin’ity androany ity, amin’ny efatra ora tolakandro, ny fe-potoana iandrasan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana ny fametram-pialàn’ireo kandidà mitana andraikitra ao anatin’izao tetezamita izao. Andrasana amin’ity androany ity arak’izany ny fametram-pialàn’i Rajoelina amin’ny maha filohan’ny tetezamita azy sy ny an’i Dolin Rasolosoa amin’ny maha filohan’ny Filankevitra avon’ny tetezamita azy. Andrasana aorian’izay kosa ny hisolo azy ireo amin’izany andraikitra izany.

28/05/2013

Samihafa

Tsy ho ela intsony dia ho tonga eto an-drenivohitra sy ny manodidina azy ny andiam-balala. Izay no fahitan’ny maro azy, indrindra taorian’ny fahatongavan’izany tatsy amin’ny tananan’Antsirabe sy ny manodidina azy. Izany hoe hahazo sakafo vokatr’izany ny eto Antananarivo satria tsy hisalasalana ny milaza fa hitazam-potsiny izany ny fitondram-panjakana izay tsy nanao n’inon’inona momba ny famonoana ny valala hatramin’izay efa-taona naha teo amin’ny fitondrana azy izay.

28/05/2013

Samihafa

Tsy hiandry famatsiam-bola avy any ivelany ny KMF-CNOE na Komity Manara-maso ny Fifidianana. ”Ny mpikambana no handray an-tànana amin’izay fahafahany ary misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo fikambanana maro izay mandray andraikitra amin’ny fifidianana toy ny EISA ohatra”, hoy Voahangy Raveloson, mpandrindra nasionaly ny KMF-CNOE. Roa volana sisa dia higadona ny fifidianana. Mila hapetraka amin’ny toerany avokoa ny zavatra rehetra ilaina mahakasika izany, toy ny lisitry ny mpifidy, ny karapanondrom-pirenena ho an’ireo izay hifidy. Vola no ilaina amin’izany rehetra izany fa indrindra ny vato tokana izay mampametra-panontaniana ny maro ny fanontana sy ny fampiasana azy mandrak’ankehitriny.

28/05/2013

Samihafa

Eto Madagasikara indray hatramin’ny omaly tolakandro ny delegasion’ny mpanelanelana avy amin’ny SADC tarihan’i Leonardo Simao ary ahitana ireo mpanolon-tsaina avy amin’izany rafitra izany. Mazava loatra fa tafiditra hatrany amin’ny dingana fivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy izao dian’izy ireo eto an-toerana izao. Toy ny mahazatra dia hihaona amin’ireo ankolafin-kery rehetra amin’izao krizy izao ireo delegasiona avy amin’ny SADC ireo. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ireto delegasiona ireto teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no nanambaran’i Leonardo Simao fa ny fifidianana ihany no lalan-tokana sy azo antoka ahafahan’i Madagasikara miala amin’izao krizy izao. Ny fanohanana an’i Madagasikara hahavita fifidianana eken’ny Malagasy tsy vaky volo ary eken’ny fianankaviambe iraisam-pirenena, arak’izany no himasoan’izy ireo amin’izao fahatongavany eto an-toerana izao.

28/05/2013

Samihafa

Milomano tanteraka ao anaty fako ny ankamaroan’ny fokontany ao antampon-tananan’i Toamasina amin’izao fotoana izao. Ny tsy fahampian’ny fitaovana hahafahana manala ireo fako ireo, indrindra ny fiara hahafahana mitatitra izany no isan’ny antony voalaza fa mahatonga izao fivangongoan’ny fako ao Toamasina izao. Mazava loatra fa manosika ny rehetra hahatsiaro ny fampanantenana poak’aty izay nataon-dRajoelina, herintaona lasa izay izao tranga izao. Herin-taona lasa tokoa izay no nampanantena ny tananan’i Toamasina, kamiao anakiroa hanalàna ny fako sy hanadiovana ny tanana, ny fiadidiana ny tetezamita izay tafiditra tamin’ny fandaharan’asan’Ambohitsirohitra tao Toamasina. Herin-taona ihany koa izay no nanambaran’ny lehiben’ny faritra Atsinanana fa efa nandeha ny tolo-bidy amin’ny fahazoana ireo kamiao roa handraofana ny fako ao Toamasina, ary efa nisy ny orinasa nahazo nahazo ny tolo-bidy tamin’izay. Hatramin’izao anefa dia mbola tsy hita izay tohin’ity fampanantenana ity.

28/05/2013

Samihafa

Nanome fe-potoana hatramin’ny 20 jona ho avy io ho an’ny mpianatra Malagasy mandranto fianarana any amin’izy ireo ny toeram-pampianarana ambony any Wuhan any Chine. Araka io fe-potoana io dia ho roahin’izy ireo mpianatra tsy an-kanavaka rha toa ka tsy voaloha alohan’io daty ion y vatsim-pianaran’izy ireo.

28/05/2013

Samihafa

Mbola tsy maty momoka araka ny fahitan’ny sasany azy akory ilay fehin-kevitra noraisin’ny mpizaika tamin’ilay dinika fampihavanana notarihan’ny FFKM farany teo. Araka ny fanazavana nataon’ny mpikambana iray ao KMMDF izay komity natsangana mba hanara-maso ny fampiharana izay tapaka tamin’iny dinika iny, dia hatolotra ho soniavin’ny rehetra ity fehin-kevitra ity.

29/05/2013

Samihafa

Lehilahy iray 47 taona antsoina hoe Rakotobe Gilbert, mpanasa fiara, monina eny Ankasina no namono nahafaty ny vadiny antsoina hoe Raveloarisoa Sahondra, 38 taona, ny marainan’ny 26 mey lasa teo. Nitady sakafo hohanina tao an-tranony ralehilahy izay mbola mamo raikitra ny maraina io ka rehefa tsy nahazo fahafaham-po dia nisafoaka ka novelesiny tamin’ny vata-kitay ramatoa vadiny ka namoy ny ainy ary tapaka tanteraka ny feny iray. Araka ny nambarany nandritra ny famotorana dia natahotra izy raha nahita fa tsy nihetsika intsony ity vadiny ka nofonosiny lamba ary nariany teny an-tanimbary. Nisy nahita anefa izany ka niantso ny fokonolona ary saika niharan’ ny hatezeram-bahoaka izy raha tsy tonga ara-potoana ny polisy avy ao amin’ny Boriborintany faha-7 eny amin’ny 67 ha.

29/05/2013

Samihafa

Lasibatry ny asan-dahalo indray ny kaominina Didy herinandro vitsy lasa izay. Andian-jiolahy nirongo fiadiana mahery vaika no nanafika ny tanàna ny Bedabo kaominina Didy distrika Ambatondrazaka. Vao niakatra ny tanàna ireo jiolahy sivy lahy dia nanapoaka basy sady niteny hoe aza misy mivoaka ianareo raha tsy izany tifirinay.Tampoka tamin’ny mponina tany an-toerana ny fahatongavan’ireo jiolahy ka tsy nisy zavatra azo natao afa-tsy ny nanaiky izay zavatra notadiavin’ireo mpanao ratsy. Nanambara ireto jiolahy fa misy olona manambola 5 tapitrisa ariary saika hividianana milina ao an-tanàna ka izany no tadiavin’izy ireo. Rehefa nampihorohoro teo ireo jiolahy dia nisy mpivady niteny hoe: tsy ao intsony ilay vola fa nividianana omby ka raha mety dia ireo ny omby. Tezitra ireo jiolahy naheno izany ka avy hatrany dia nitifitra ireto mpivady. Maty vokatr’izany ilay ramatoa fa ilay rangahy kosa nianjera fotsiny.

29/05/2013

Samihafa

Tsy mananjo hanery ny firenena mahaleo tena toa an’i Madagasikara hanala ny kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena na fifidianana hafa ny fianankaviambe iraisam-pirenena, raha araka ny hevitr’i Rasolo André, mpandinika Fiaraha-monina.

30/05/2013

Samihafa

Nifarana hatreo ny maha « bande de six » an’ilay andian-jiolahy nalaza tamin’ny fandrobana sy ny fanafihana toeram-pivarotana tao Toamasina, herinandro vitsivitsy lasa izay. Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena any an-toerana ary efa nampidirina am-ponja ny dimy tamin’izy ireo. Mbola karohina kosa ny namany. Nandritra ny fivarotan’ny ireo tamin’izy ireo ny moto halatra no nahatratrarana ity farany fa nahatratrarana ny ambiny taorian’ny fanadihadiana.

30/05/2013

Samihafa

Tsy marina ny filazana fa voahaja ny fifanarahana voarakitra ao amin’ny tondrozotra. Ny mifanohitra amin’izany no zava-misy, araka ny fanambaran’ireo fianankavian’ireo voafonja noho ny savorovoro politika nisy teto amin’ny firenena. Mbola misy 24 ireo gadra politika any am-ponja amin’izao fotoana izao ary any Tsiafahy ny ankamaroan’izy ireo amin’izao fotoana izao. Arak’izany dia mitaky ny fampiharana ny andininy faha 16 ao amin’ny tondrozotra ny fianankavian’izy ireo

30/05/2013

Samihafa

Nosokafana omaly maraina ny atrik’asa momba ny fiaraha-miasa rezionaly amin’ny taosary anabakabaka ho fanatsarana ny fotodrafitr’asa nasionaly amin’ireo vokatra anabakabaka. Io fiaraha-miasa io dia iarahana amin’ny nosy rahavavy La Réunion .

31/05/2013

Samihafa

Mitaky ny fampiarana lalàna ny avy ao ami’ny CST. Nisy omaly maraina ny fivoriana izay araka ny nambaran’ny mpikambana dia fivoriana ara-dalana satria roa volana no fe potoana hanatanterahina izany raha ny lalàna mifehy ity andrim-panjakana ity. Ny komity manokana notarihin’ny olom-boatendry Robert Razaka izay mijoro noho ny savorovoro izay misy eo anivon’ny mpikambana CST sy ny filohany no nitarika ny fivoriana izay. Samy naneho ny heviny ireo izay nanatrika ny fivoriana . Nalalaka ny efitrano ,banga ireo seza, mitsitokotoko ny mpikambana ,mivezivezy ny iray trano izany no fizotry ny fivoriana tetsy Anosy omaly maraina. Tsy hay na tsy liana ny maro na ny someso izay nanakorontana ny sain’izy ireo no nahomby.

31/05/2013

Samihafa

Naneho ny tsy faneken’izy ireo ny fomba fiasan’ireo polisy minisipaly any Toamasina ireo mpitondra posy any an-toerana omaly. Vantany vao nanomboka anefa ny hetsika dia noravan’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny polisim-pirenena noho ny fanahiana ny amin’ny mety hampitatra izany tahaka ny nitranga tamin’ny taona 2010. Nambaran’ny mpitarika posy fa mizaka ny tsy eran’ny aina izy ireo noho ny fitakiana vola tsy ara-drariny ataon’ny polisy monisipaly.

31/05/2013

Samihafa

Misesisesy ny fahatratrarana ireo jiolahy gaigilahy tao Toamasina tato ho ato. Araka ny vaovao azo farany dia saron’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny UIR na “Unite d”intervention Rapide” izay nisolo ny GIR teo aloha ao amin’ny kaomisarian’ny polisy Toamasina I, ireo andiana jiolahy mpanao ny asa famakiana trano ao Ankirihiry sy Ambalamanasy ary Ampanalana. Julio sy Dadamena izay zanaky ny mpiambina ny tompon-tranon’ity teratany frantsay manambady Malagasy ity teo aloha sy ingahy Bono izay efa nanana ekipa faha teo aloha saingy ireo namany efa migadra avokoa noho ny halatra nataon’izy ireo tao Ambalamanasy. Araka ny fanazavan’ny kaomisera Ramananandro Gabriel dia ny 23 may teo no namaky ny tranon’ilay tera-tany frantsay manam-bady Malagasy ao Ampanalana izy ireo tokony tamin’ny 02ora maraina, nofatoran’izy ireo ny mpiambina ary niditra izy ireo. Avy hatrany dia niditra ny efitrano misy ilay vadim-bazaha ka nitaky vola ary nahazo Ar.210.000 niampy “carte bancaire” izay mbola saika nakana vola; tsy nitsahatra hatreo izany fa tonga hatramin’ny fanolanana ilay ramatoa sy ny mpanampy azy, taorian’izay dia nofatoran’izy ireo tao anaty trano fivoahana izy 03 tao an-trano.

31/05/2013

Samihafa

Efa iray volana izao no nanaparitahan’ny SILAC ny vary mora teny anivon’ny fokontany tao Toamasina sy ireo mpivarotra mpiara-miasa aminy. I Ricky Dinh-Van Pagni no misahana ny fitsinjarana ny anjaran’ny fokontany amin’izay, izay nanazava fa efa nahatratra 415 taonina no efa naparitaka amin’ireo fokontany miara-miasa aminy sy misy ireo tena sahirana ampiana amin’ny alalan’ny vary mora ity. 1.500 kgs isaky ny fokontany izany ary amidy Ar.800 ka 05kgs isaky ny olona no azo amin’izany. Nambaran’Atoa Ricky Dinh-Van Pagni fa natao ho an’ny rehetra ny vary mora ka tsy azo atao ny mamarotra azy amin’ny gony izay heverina fa mety hisian’ny risoriso avy eo ka hahalafo indray ny vary efa natao ho an’ny rehetra amin’ny vidiny efa niniana natao ho zakan’ny Malagasy “mahantra” sy “sahirana” na ireo izay tia azy ihany koa.

31/05/2013

Samihafa

Velon-taraina amin’izao fotoana izao ireo vady navelan’ny miaramila efa nodimandry sy ireo miaramila misotro ronono manoloana ny didim-pitsarana izay mandroaka azy ireo amin’ny faritry ny tany miaramila nisy azy ireo hatramin’izao. Ny any amin’ny toby 1/RM4 any Mahajanga no voakasik’izany olana izany mivantana amin’izao fotoana izao, saingy araka ny loharanom-baovao dia ho voakasik’izany fanampahan-kevitra izay tafiditra ao anatin’ny fanadiovana atao amin’ireo toby miaramila manerana ny Nosy izany avokoa ny any amin’ny faritra isan’isany avy.

01/06/2013

Samihafa

Dimy taona an-tranomaizina miampy asa an-terivozona. Izay no sazy navoakan’ny fitsarana tao Ambositra ny Alakamisy teo taorian’ny fitsarana ilay zandary nitifitra olona tamin’ny taona 2012. Raha tsiahivina dia olona dimy be izao no nalahatr’ity zandary ity ary notifiriny ary maty avokoa tamin’io fotoana io. Tsy vitan’izany fa mbola nodorany ihany koa ny tranon’olona ary nisy maty vokatr’izany hay trano izany. Tamin’ny alakamisy teo ary no natao ny fitsarana izany raharaha izany tany Ambositra ka ny filohan’ny “Cour d’appel” avy any Fianarantsoa no nitarika izany.

01/06/2013

Samihafa

Noraisin’ny iraky ny SADC nihaona tamin’ny, omaly, ny delegasiona avy amin’ny CENI-T notarihan’ny filohany Béatrice Atallah. Nambaran’ity farany fa nahakasika ny tetitra amin’ny dingana vita amin’ny fiatrehana ny fifidianana no votoatin’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny iraky ny SADC. Nambaran’ny filohan’ny CENI-T ihany koa fa mbola mihazona ny datin’ny 24 jolay hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena izy ireo hatramin’izao satria mbola tsy nisy mandrak’izao ny fanampahan-kevitra manemotra izany. Mbola tsy tara ihany koa, hoy izy, ny fanotana ny vato tokana

01/06/2013

Samihafa

Ny resaka nifanaovana tamin’ny mpikambana iray avy ao amin’ny birao maharitry Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara na ny SMM no nahafantarana fa hanao fivoriambe izy ireo amin’ny asabotsy 7 jona izao. Araka ny voalazany dia ny fandinihina ny fanampahan-kevitra mety ho raisin’ny be sy ny maro manoloana ny fanampahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na ny CES, tamin’ny famoahana ny lisitr’ireo kandidà mahazo mifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena no ho votoatin’izany fivoriambe izany. Ny fanampahan-kevitry ny CES izay nambaran’izy ireo fa tsy ahitana taratra velively ny hevitry ny mpitsara rehetra manerana ny Nosy. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity ihany dia velon’ahiahy tanteraka izy ireo ny amin’ny mety hiteraka korontana goavana eto amin’ny firenena iny fanampahan-kevitra nataon’ny CES iny. Noho izany dia tsy te-hiray tsikombakomba amin’izany ny mpitsara amin’ny alalan’ny Sendika.

01/06/2013

Samihafa

Nahazo fanomezana avy amin’ny ray mpiahy azy ny sampana fanatanjahan-tena avy ao amin’ny faritra atsimon-drano omaly maraina. Brancard, amboara maromaro, ary fitaovana ilain’ny ankizy amin’ny fanatanjahan-tena no natolotra tamin’izany. « Natao ihany koa izao hetsika izao mba hanomanana sahady ny mpianatra amin’ny fifaninanana regionaly izay ho tontosaina ny volana septambra ho avy izao any Anjozorobe. Tsy vao voalohany izao fiaraha-miasa izaho fa efa ho efa-taona izay ary nisy ny ezaka maro sy vokatra tsara azon’ireto ankizy ireto raha ny lafiny fanatanjahan-tenan-tsekoly », hoy Bruno Rajaonarivelo, ray mpiahy ny tanora mpanao fanatanjahan-tena amin’ny faritra atsimondrano. Tsara ho fantatra fa ny CISCO no nanolorana ireto fanomezana ireto mba ho tena hahazo tombony avokoa ny mpianatra eo anivon’ny EPP, CEG, ary ny Lycée.

01/06/2013

Samihafa

Araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny JIRAMA any Toamasina dia efa eo am-panamboarana ny Groupe iray hanome tanjaka 04MW ny teknisianina any an-toerana amin’izao fotoana izao. Izany dia hamahana ny olan’ny famatsian-jiro ao antampon-tananan’I Toamasina amin ‘izao fotoana izao.

01/06/2013

Samihafa

« Azo hampisondrotra an’i Madagasikara amin’ny sehatra avo kokoa ny fiompiana, indrindra fa eo amin’ny farim-piainan’ny olona tsirairay”. « Ny mampalahelo amin’ny toe-draharaha misy dia ny tombotsoa rehetra izay tokony ho an’ny malagasy dia lasan’ireo nosy rahavavy avokoa.

03/06/2013

Samihafa

« Tsy miombon-kevitra amin’ny didy navoakan’ny CES na komity misahana manokana ny fifidianana ny KMF- CNOE satria resaka politika no nanompanany ny fanapahan-kevitra izay noraisiny fa tsy niainga tamin’ny fampiharana ny lalàna velively. Noho izany, tokony ho ravana tanteraka io komity io ary soloina avokoa ny mpikambana ao anatiny », hoy Razafindraibe Ernest filoha nasionaly ny KMF-CNOE. Nataony izany fanambarana izany nandritra ny valan-dresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ny asabotsy maraina teo. Entitra tokoa ny mpanara-maso ny fifidianana satria mahatsapa tanteraka izy ireo fa efa tsy raririny intsony ny fizotry ny raharaha eto amin’ny firenena. « Tsy tokony hisy tombo sy hala amin’ireo kandida ho filoham-pirenena. Niaraha-nahalala fa ny kandida Andry Rajoelina dia efa taorian’ny fe-potoana farany hametrahana ny antotan-taratasy filatsahan-ko fidiana vao nametraka ny azy. Teo koa ireto manana andraikitra ambony eto amin’ny fanjakana izay tokony hametra-pialana nefa mbola minia tsy manao izany.

03/06/2013

Samihafa

Tao Toamasina no nisantaran’ny FIMPIMA na ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy, ny fankalazany ny faha 50 taona nijoroany izay tsy hifarana raha ny ny taona 2014 amin’ny fanaovana ny zaikabe eto Antananarivo.

03/06/2013

Samihafa

Mitangorona ny olona, mitohana ny fiara, gaga ny mpandalo. Izany no hita raha vao miodina mihazo an’ny Mahamasina iny ianao . Mitopy ny maso, indro zaz lahy efatra manao fampisehoana eo amoron’ny lalana , amin’ny fiantsoan’ny zotra 184.

04/06/2013

Samihafa

Tandindomin-doza tanteraka amin’izao fotoana izao ny tontolon’ny fitantanambolam-panjakana eto Madagasikara. Ankoatry ny tsy fandoavan-ketra izay hataon’ny mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina dia hiroso amin’ny fitokonana faobe ihany koa manomboka androany ny mpiasan’ny Hetra sy ny Ladoany manerana ny Nosy.

04/06/2013

Samihafa

“Efa ho 5 taona izao no tsy nahitana fanarenana ny takelaby famatarana sy mibaiko ny fifamoivozana intsont eny amin’ny sisin-dàlana. Tsy fantatra na tafiditra na tsia ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny tompon’andraikitry ny fanjakana izany ”, hoy Razafindrakoto Anselm, tompona sekoly fampianarana mamily iray eto an-drenivohitra.

04/06/2013

Samihafa

Mirongatra indray amin’izao fotoana izao ny halatra tariby any antampon-tananan’i Toamasina. Ny tamban-jotra miainga avy any Volobe mihazo ny Jirama Tamatave III no tena lasibatra. Tamba-jotra izay mitondra herin’aratra mahery vaika ary manaparitaka herinaratra amin’ny faritra maro any an-toerana.

05/06/2013

Samihafa

Omaly maraina no nametraka ny taratasy ho fampitandremana ny mpitondra fanjakana ny mpiasan’ny Fadintseranana sy ny Hetra. 48ora araka ny lalàna izany. Ny Alakamisy ho avy izao no fe-potoana farany nomen’ireto mpiasa ireto hiandrasana ny valin’ny fangatahana avy amin’ny ministera ny Vola. Raha tsiahivina dia hatramin’ny taona 2004 ka mandrak’androany no tsy nahazo ny tambin-karamany sy ireo tombotsoa tokony ho raisiny, ireto mpiasan’ny Fadintseranana sy ny Hetra ireto, raha toa ka efa nahazo ny azy kosa ny avy ao amin’ny “Trésors”. Mahatsiaro ireto mpiasan’ny Ladoany sy ny Hetra ireto fa misy ny fitongilanana ataon’ny tompon’andraikitra ao amin’ny ministera eo amin’ny samy mpiasam-panjakana . “Raha tsy mahazo valiny mahafa-po izahay hatramin’ny Alakamisy ho avy izao dia hiroso avy hatrany amin’ny fanakatonana ny biraon’ny Fadintseranana rehetra manerana an’I Madagasikara ary ho fitokonana lavareny no hatao amin’izay fotoana izay”, araka ny loharanom-baovao mari-pototra.

05/06/2013

Samihafa

Nitrangana hay trano goavana tao Toamasina omaly. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina no nitrangan’izany afo izany tao amin’ny trano fitahirizan’entan’ny tranombarotra iray tao Anjoma, amin’ilay faritra antsoin’ny mponina hoe “champ ville”. “Zone franche” teo aloha ity toerana ity ary lasa magazay fitehirizan’entana izy noho ny fatiantoky ny tompony teo aloha. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitr’ity magazay ity dia mitentina hatrany amin’ny 20.000 tapitrisa ariary ny sandan’ny entana may sy simban’ny afo ary potiky ny rano nandritra ny famonoana ny afo. Nahitana jirofo milanja 100 taonina mahery kanefa ny 80 gony ihany no hany avotra tao amin’ity fitahirizan’entana ity. Nisylamba tonta an’arivony fonosana sy siramamy izay vao niampy 10 kaontenera ny alatsinainy ary lafarinina sy entana hafa tao anaty gony sy tao anaty “bidons” an’arivony taonina.

05/06/2013

Samihafa

« Tsy mahatoky ny Andrimpanjakana intsony ny vahoaka Malagasy. Tsy hitan’izy ireo intsony izay ho sarangotina manoloana ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana izao. Ny fidinana an-dàlambe no nahazoana ny fitondrana koa filatsahana an-dàlambe no hany vahaolana.

06/06/2013

Samihafa

Manao fitokonana fanairana nanomboka omaly ireo mpiasa ao amin’ny ministeran’ny Fizahantany. Araka ny fanambarana izay nataon’izy ireo dia miompana amin’ny fitakiana ny tambim-pankasitrahana (prime) ho an’ny mpiasan’ny ministeran’ny Fizahantany no votoatin’izany fitokonana izany. Nambaran’ny fanambaran’ireo mpiasa mitokona fa efa nisy ny dingana natao am-pilaminana ho fitakiana izany “prime” izany tamin’ny minisitra ary efa nanaiky ny handoha izany ity farany. Fifanekena izay natao teo anatrehan’ny mpiasa rehetra sy ny mpiara-miombon’antoka nandritra ny fifampiarahabana tratry taona 2013. “Tsapa ankehitriny fa tapitra ihany ny enim-bolana voalohany amin’ny taona 2013 kanefa dia mbola tsy voaloa ny “prime 2012”. Tsapa ihany koa anefa fa misy ny finiavan’ny mpitondra ao amin’ny Ministeran’ny Fizahantany hamilivily ny raharaha sy hanao ireo tsindry maro isan-karazany amin’ny mpitarika sendika, ka tsy handoavana izany prime izany”, hoy ny fanamarihana nataon’ny fanambaran’ny SEMPIFI. Ho an’ny sendikan’ny mpiasan’ny ministeran’ny Fizahantany dia fandavana tsotra izao ny teny nomena sy fivadihana izany fihetsiky ny mpitondra izany.

06/06/2013

Samihafa

Tsy tanteraka indray ny fivoriambe izay nokarakarain’ireo ao amin’ny « comité ad hoc » ao amin’ny CST, omaly. Nikatona avokoa ny efitrano fivoriana tao amin’izany andrim-panjakana izany tamin’io omaly io. Arakan y vaovao azo teny an-toerana dia noho ny baiko avy amin’ny filohan’ny CST sady kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ny jeneraly Rasolosoa Dolin no nahatonga izany fikatonan’ny efitra fivoriana izany sy ny tsy fahatanterahan’ny fivoriana. Teo anatrehan’izany dia niantso vaditany hanamarina izany fikatonan’ny efitra fivoriana izany ireo avy amin’ny « Comité ad hoc ». Araka ny nambaran’izy ireo dia hijanona amin’izay fanamarinana ny tsy fisian’ny fivoriana izay ihany aloha ny raharaha hatreto.

07/06/2013

Samihafa

Tapitra omaly ny fe-potoana nomen’ny fadin-tseranana ny minisitera ny Vola, hanatanterahanany fitokonana faobe, raha toa ka nitaky ny tambin-karamany izy ireo. Naato mandrapaha-tongan’ny didy vaovao izany . Omaly maraina no nanambara tamin’ny mpiasa ny solotenan’ny « Simpido » na sindikan’ny mpiasan’ny ladoany fa nahazo mailaka avy any amin’ny ministera , milaza fa ho raisina an-tànana ny raharahan’izy ireo ary ho vahàna tsy ho ela izany, araka ny loharanom-baovao mari-pototra. « Efa tapaka fa hanatanteraka fivoriambe ny mpiasan’ny fadin-tseranana omaly maraina tamin’ny 10h nefa noho ny vaovao voaray dia nanambara ny « Simpido » fa haato izany fivoriana izany. Tsy nanaiky anefa ny mpiasa ka niroso tamin’ny fivoriambe ihany ka tontosa soaman-tsara izany ary tapaka fa hiato ny fitokonana mandrapaha-tonga ny didy vaovao », hoy ny loharanom-baovao.

07/06/2013

Samihafa

“Ny fifidianana, na mijanona amin’ny 24 jiolahy, na ahemotra amin’ny 23 aogositra, dia hita fa fanapotehina an’i Madagasikara. Fotoam-panadinana io ary ho mora ny fanakorontanana. Mandritra izany no hanatanterahina ny fampielezan-kevitra.

08/06/2013

Samihafa

Nitondra ny heviny mahakasika ny tsanganan’olona tokony ho fidina filoham-pirenena eto Madagasikara, omaly, ny mpisolovava Willy Razafinjatovo. Ho azy dia tsy tokony ho fidina ho filoham-pirenena ny mpandraharaha. Ankoatr’izay dia nokianin’ity mpisolovava ity ihany koa ny fanampahan-kevitry ny Governemanta izay nanemotra ny fifidianana. Tsy andraikitry ny Governemanta ny manondro ny datim-pifidianana, araka ny nomarihiny.

08/06/2013

Samihafa

Isan’ny nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana ny tananan’i Toamasina. Lanonana natao tao amin’ny toerana malalaka manoloana ny lapan’ny tanana izay naharitra roa andro no nentina nanamarihana izany. “Mandiniha, Mihevera, ary Mitsinjova”, izay no loha-hevitra niraisina tamin’ity taona 2013 ity. Nambaran’ny talen’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ala ao Toamasina, Botovavy Dieu Donne, fa “mila miveritra ny hohanintsika atsy ho atsy isika, satria raha mbola mitohy izao fani