19/10/2012
Fihantrana ireo sahirana ara-pivelomana tsy manan-trano hialofana no tanjona nametrahan’ny BMH ny tranolay eny Anosizato Atsinanana I. Ireo mahantra mpirenireny an-dalambe araka izany no noheverina hamonjy ireny tranolay ireny. Tsy miantoka ny sakafon’ireo sahirana ara-pivelomana akory ny BMH fa ny toerana hisitrahan’izy ireo amin’ny alina. Tsy izay intsony anefa ny zava-misy ankehitriny ; tsy ireo sahirana ara-pivelomana no nahita soa tamin’ireo tranolay fa ny jiolahy mpanendaka, mpanao sinto-mahery, hatramin’ny mpamaky trano ary ny mpanao fanafihana.
Fieren’ny olon-dratsy
Nambaran’ny filohan’ny fokontany Anosizato Atsinanana I, Ranarison Joeph àry fa lasa fieren’ireo jiolahy sy olon-dratsy ny tranolay napetraky ny BMH. Nampihena ny asan-jiolahy teny an-toerana anefa ny fanesorana ny tsena ary azo notsapain-tanana mihitsy izany tato anatin’ny roa volana, araka ny resaka nifanaovana tamin’ity sefom-pokontany ity. Miteraka olana ho an’ny fokontany araka izany ny fisian’ny tranolay noho izay fampiasan’ireo olon-dratsy azy izay ho trano fitobiana. Etsy an-danin’izany rehetra izany ny tsy fisian’ny jiro manazava ireo andrinjiro (poteaux). Roa na telo sisa, araka ny voalazan’ity filoham-pokontany ity no mba mirehitra. Ankoatra izany ny fahasimban’ny lalana sy ny fotodrafitrasa izay manamora ny asan-jiolahy amin’ny endriny maro. Hatreto aloha izany dia mbola fitobian-jiolahy fotsiny ihany ny tranolay napetraky ny BMH. Mety ho lasa toerana fanaovana firaisana ara-nofo mihitsy koa raha tsy mitandrina; mitambatra rahateo koa ny lahy sy ny vavy; ny olon-dehibe sy ny ankizy tsy ampy taona.
Fiaraha-miasa ?
Mampametra-panontaniana izao vaovao nambaran’ny filohan’ny fokontany Anosizato Atsinanana I izao. Moa ve izany tsy misy fiaraha-miasa eo amin’ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny mpitandro filaminana sa ny serasera tsy ampy na tsy misy? Mazava izao fa lasa fitobian’ny jiolahy sy ny olon-dratsy ny tranolay noheverin’ny BMH hitsinjovana ireo sahirana tsy manan-trano hialofana. Tsy tokony ho nanamora ny fisamborana ireo tontakely ve izany; fantatra mantsy izany hoe aiza izy ireo no matory sy mialokaloka amin’ny alina, rehefa avy manendaka sy mandroba amin’ny antoandro. Indraindray mitady zavatra lavitra be ireo manampahefana sy tomponandraikitra eo anivon’ny mpitandro filaminana; fiaraha-miasa sy lamina maty paika amin’ireo sefom-pokontany anefa dia mety hahazoana vokatra tsara hiantohana fandriampahalemana maharitra.
Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...
Lire la suite
Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...
Lire la suite
Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ... Lire la suite
Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...
Lire la suite
Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...
Lire la suite
Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...
Lire la suite
Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman���ireo sefo fokontany. ... Lire la suite
Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ... Lire la suite
Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ... Lire la suite
Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ... Lire la suite
Visiteurs
612.275