10/12/2012
Nandray anjara tamin’ny hetsika fanaon’ny mpomba an-dRavalomanana tao amin’ny kianjan’ny Magro ao Tanambao V tany Toamasina ny minisitry ny Fiompiana Ihanta Randriamandranto, ny asabotsy teo. Nandritra izany hetsika izany no nanambaran’ity mpanao politika ity fa tsy ho tanteraka ny fifidianana raha tsy tafody an-tanindrazana ny filoha teo aloha. Tamin’ity hetsika ity ihany koa no nanambaran-dRavalomanana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby fa tsy ho ela dia ho tafaverina an-tanindrazana ny tenany. Vory tao amin’ny kianjan’ny Magro Tanambao V, toy ny fanaony isan-kerinandro, ny asabotsy lasa teo ireo mpikambana amin’ny Ankolafy Ravalomanana any Toamasina. Isan’ireo nandray anjara tamin’ny hetsika nataon’izy ireo ny minisitry ny Fiompiana Ihanta Randriamandranto.
Niditra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby nandritra ny hetsika ihany koa ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. “Na mbola ao anaty fivoriana miaraka amin’ireo filoham-panjakana sy ny ekipan’ny Sadc aza aho aty Dar Es Salam, dia tsy manadino ny mampita vaovao ho anareo. Nandresy ny tolontsika, nivaly ny vavaka natao, tsy misy izany marina tsy ho hita izany”, hoy ny nambaran’ny filoha teo aloha. Nambarany ihany koa fa efa tsy ela intsony dia hody an-tanindrazana ny tenany, ary miandry ny fandaminan’ny Sadc sisa. Nambaran’ny filoha teo aloha ihany koa fa porofo ny tsy fahamarinan’ny resaka nalefa mikasika ny tsy fananany “passeport” izao fahafahany nandeha tany Tanzanie izao. Ankoatr’izany dia nomarihan’dRavalomanana ihany koa fa “tsy hitondra ady, na hitondra korontana, na sanatria hamaly faty ny fiverenany an-tanindrazana; ho avy aho hampandroso indray ny firenantsika izay tena ao anatin’ny fahasahiranana lalim-paka ankehitriny”.
Nanamafy izany fanambaran’ny filoha teo aloha izany ihany koa ny minisitry ny Fiompiana tamin’ny lahateny nataony teo anatrehan’ireo mpomba an-dRavalomanana. “Tsy hisy izany fifidianana izany eto Madagasikara raha tsy tafody eto an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana. Tsy hisy koa izany fifidianana madio, mangaraharaha na demokratika na eken’ny rehetra izany raha tsy avela mirotsaka Ravalomanana; satria filoha voafidim-bahoaka no nesorina nohon’ny fanonganam-panjakana, ka raha ny fifanarahana iraisam-pirenena izay efa lasa lalana eto amintsika ihany koa, dia ny mpanongam-panjakana mihintsy no tsy afaka mirotsaka ho fidiana noho ny fanajàna ny demokrasia”, hoy Ihanta Randriamandranto.
Ankoatr’izay dia isan’ny nisongadina tamin’ity hetsiky ny ankolafy Ravalomanana tamin’ny asabotsy teo ity ihany koa ny fanazavan’ny CST Rasamimaka Mahefalahy sy ireo mpikambana telo mianadahy avy ao amin’ny kongresin’ny tetezamita mikasika ny fanambarana goavana nataon’ny Kolonely Charles. Nambaran’ireto parlemantera ireto fa “tsy matahotra ny fampiharana 100% ny tondrozotra isika na ilay andininy faha-45 izay atao biby fampitahorana an’dRavalomanana aza, satria efa voaporofon’ity fanambaran’I Kolonely Charles ity ny marina momba ny fiampangana azy”.
Araka ny teny nifanomezan’ireo mpomba an-dRavalomanana nandritra ity hetsika tao amin’ny Magro Tanambao V ity dia hana hetsika manokana ihany koa izy ireo amin’ny alarobia izao mba ho fankalazana ny tsingerin-taona naterahan-dRavalomanana.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.066