Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Miantso ny FFKM handray ny toeran’ny SADC

13/10/2012

Mahatsapa ireo mpanao politika avy amin’ireo antoko na vondrona nanao sonia ny tondrozotra fa tsy mandeha amin’ny laoniny amin’izao fotoana izao ny fampiharana ny votoatin’izany fifanarahana izany. Mahatsapa ihany ko aizy ireo fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fitantanana ny firenena amin’izaofotoana izao ary mikatso tanteraka ny fampiharana ny tondrozotra. Manoloana izany dia miantso ny FFKM hiverina amin’ny fanelanelanana ivoahana amin’ny krizy izy ireo. Tsy fantatra intsony na antso fahafiry miantefa amin’ny FFKM izao nataon’ny mpanao politika nanao sonia ny tondrozotra izao satria azo lazaina fa nisesisesy tato ho ato izany antso izany. Mbola tsy re-tsaika anefa hatramin’izao ry zareo mpitondra fivavahana, ary mbola tsy fantatra na hiditra na tsia amin’ny fanelanelanana indray ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena.

Mahatsapa ireo mpanao politika avy amin’ireo antoko na vondrona nanao sonia ny tondrozotra fa tsy mandeha amin’ny laoniny amin’izao fotoana izao ny fampiharana ny votoatin’izany fifanarahana izany. Mahatsapa ihany ko aizy ireo fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fitantanana ny firenena amin’izaofotoana izao ary mikatso tanteraka ny fampiharana ny tondrozotra. Manoloana izany dia miantso ny FFKM hiverina amin’ny fanelanelanana ivoahana amin’ny krizy izy ireo.
Tsy fantatra intsony na antso fahafiry miantefa amin’ny FFKM izao nataon’ny mpanao politika nanao sonia ny tondrozotra izao satria azo lazaina fa nisesisesy tato ho ato izany antso izany. Mbola tsy re-tsaika anefa hatramin’izao ry zareo mpitondra fivavahana, ary mbola tsy fantatra na hiditra na tsia amin’ny fanelanelanana indray ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena.
Na izany na tsy izany, nanao ny adidiny amin’ny fiantsoana azy ireo handray ny andraikiny ireo mpanao politika avy amin’ireo antoko na vondrona nanao sonia ny tondrozotra. Nambarani’reto farany fa mikatso tanteraka ny firosoana amin’ny famahana ny olana misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fampiharana izay notonapaka sy noraiketina tao anatin’ny tondrozotra. Manoloana izany dia nilaza ireto mpanao politika ireto fa tsy misy afa-tsy isika Malagasy samy Malagasy no hany afaka mitondra vaha-olana mba hivoahana amin’ny krizy. Mpanampy ihany no ilàna ireo vahiny, hoy ihany ny fanamarihana nandritra ny fanambarana nataon’ireo mpanao sonia ny tondrozotra. Ireo antony ireo no nambaran’izy ireo fa nahatonga an’ireo mpanao politika ireo hitodika indray any amin’ny FFKM.
Marihina fa araka ny loharanom-baovao an-gazety tamin’ny herinandro lasa teo dia efa misy amin’izao fotoana izao ny fihaonana matetika teo amin’ireo mpikambana ao amin’ny FFKM ary efa mitady ny fomba rehetra afahana miverina amin’izay fanelanelanana ho fivoahana amin’ny krizy izay izy ireo amin’izao fotoana izao. Mbola tsy mazava kosa anefa hatramin’izao ny fomba sy ny ho enti-manana afahan’ity sehatra ity manatontosa izany adidiny izany.
Teny amin’ny Hotely Louvre eny Antaninarenina no nanaovan’ireto mpanao politika mpanao Sonia ny tondrozotra ireto izany fanambarana izany omaly maraina. Saika voasolo tena tamin’izany avokoa ireo antoko na vondrona poltika nanao Sonia ny tondrozotra. Isan’izany ny Ankolafy Ravalomanana, ny Escopol, ny Exopoles, ny TGV, ny UDRC, ny ankolafy Zafy Albert. Hita teny ihany koa ny solontena avy amin’ny antoko sasantsasany toa ny Assidu sy ny Hetsika fanavotam-pirenena.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...