Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Lafo 4 miliara miampy fiara Toyota V8 iray ilay safira 28g

12/10/2012

Mpitrandraka safira iray tany Ankilivalo any Sakaraha no nitsikin’ny vintana ka nahita ary nahalafo safira, afak’omaly. Niadivan’ny mpandraharaha Sri lankais ilay vato ka ny iray no nahazo izany tamin’ny vidiny 4 miliara Iraimbilanja (800 tapitrisa ariary) miampy fanomezana fiara Toyota 4X4 V8 vaovao iray. Nivaly ny fikirizan’I Tabio, satria izay no fiantso an’ity mpitrandraka safira azo lazaina fa madinika ity. Tany Sakaraha tao amin’ny toeram-ptrandrahana na kariera tao Ankilivalo no nitrandraka efa an-taonany maro ity ranamana ity.

Mpitrandraka safira iray tany Ankilivalo any Sakaraha no nitsikin’ny vintana ka nahita ary nahalafo safira, afak’omaly. Niadivan’ny mpandraharaha Sri lankais ilay vato ka ny iray no nahazo izany tamin’ny vidiny 4 miliara Iraimbilanja (800 tapitrisa ariary) miampy fanomezana fiara Toyota 4X4 V8 vaovao iray.
Nivaly ny fikirizan’I Tabio, satria izay no fiantso an’ity mpitrandraka safira azo lazaina fa madinika ity. Tany Sakaraha tao amin’ny toeram-ptrandrahana na kariera tao Ankilivalo no nitrandraka efa an-taonany maro ity ranamana ity. Atsimon’i Sakaraha no misy izany toerana izany. Efa nisy ihany fotoana nazahoany vokatra tamin’izany toerana izany saingy azo lazaina fa tsinontsinona ihany hatramin’izany. Amin’ny maha mpiady safira tsotra azy dia ireo mpanambola vahiny toy ny Sri lankais no mamatsy sakafo sy fitaovana ampiasainy nandritra ny taona maro.
Akory anefa ny fivadiky ny raharaha satria nahita vato manga milanja 28 grama i Tabio. Safira no hamaritany an’izany vato manga izany. Asa kosa anefa na nitovy amin’ny fahalalany izany ireo mpandraharaha Sri lankais tao Sakaraha fa raha vao vantany nahita sy nitily ity vato ity izy ireo dia samy nanao izay afany tamin’ny fividianana azy. Ilay mpanambola be tao amin’ny KALEEL Wold Gams ao Sakaraha sy ilay tompon’ny société SMAT no tena nifaninana hividy ilay safira. Iry voalohany moa no nahazo izany tamin’ny vidiny 4 miliara Iraimbilanja miampy Tyota 4X4 V8 iray mbola tsy nadia tany.
Marihina fa efa an-taonany izao no tsy nandrenesana loatra ny lazan’i sakaraha sy Ilakaka mikasika ny vidin’ny vatosoa mivoaka amin’izany faritra izany. Nisy mihintsy azan y vanim-potoana izay voalaza fa nampitotongana izay tsy izy ny vidin’ny vato tany an-toerana nohon’ny tsy fatsaran’ny kalitaon’ireo vato azon’ny mpitrandraka.
Tsy mponina avy ao Sakaraha ity nahazo harena tampoka ity. Araka ny loharanom-baovao dia mpiavy avy any amin’ny ilany atsimon’ny nosy ny tenany, ary ny hitrandraka safira no tena anton-diany tany Sakaraha.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...