Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Ampamoaka momba ny Mainland Mining sy Mamy Ravatomanga

13/10/2012

Ampamoaka goavana mikasika ireo orinasa roa Mainland Mining sy ny Sodiat ary ny mpanolontsainan’ny filoha Rajoelina, Mamy Ravatomanga no nataon’ny tangalamena Zakariasy Patrick omaly tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina. Nambaran’ity Tangalamena ity fa ireo orinasa roa ireo no mpanondrana ny hazo sarobidy « bois de rose » eto amintsika ; nasehony tamin’ny mpanao gazety nandritra izany ireo porofo momba izany, araka izao manaraka izao.

« Ny volana aprily 2012 dia nilaza fa nanondrana fasimainty (ilmenite) 10 containers mirefy « 20 pieds » izay milanja 30T isany avy ho any Sina ny orinasa Mainland Mining araka ny antontan-taratasy eto am-pelatanan, izay nentin’izy ireo nanomanana ny fanondranana entana (ECO) sy nandoavana ny vola tao anivon’ny MICTSL tao amin’ny seranan’i Toamasina, mba nahafahana nandefa ireo entana ireo. Tsara ho marihina fa ny orinasa Sodiat Trans no « transitaire » tompon’antoka tamin’izany fanondranana izany ary ny kaompania MOL izay sampana ao anatin’ny SDV hiandreketan’ny SCAC kosa no mpanondrana. Mahavariana fa niova avokoa ny antontan-taratasy rehetra mikasika izany rehefa voahondrana ny entana, ka na ny « certificat d’origine » na ny « certificat phytosanitaire », indrindra fa ny « connaissement » dia niova ho hazo miisa 1252 izay milanja 202, 855 T. Tsy maintsy natao ireo fanambarana ireo mba hanamora ny famoahana ny entana rehefa tonga any amin’ny seranan-tsambo any Sina satria tsy maintsy hisy « visite » hataon’ireo manampahefana sinoa ka hosarona ao ny asan-dahalo sy tontakely izay natao. Niniana tsy nolazaina ireo karazan-kazo mba hanamorana ny zavatra rehetra satria ny « bois de rose » dia voararan’ny lalàna ny fanondranana azy ary lafo kokoa ny hetra haloa rehefa tonga any Sina. Noho izany dia tomponan’andraikitra mivantana mpiray petsapetsa tanteraka miaraka amin’ny orinasa Mainland Mining LTD amin’izao hosoka sy fampiasana hosoka izao ny Sodiat Trans izay sampana manokana ao anatin’ny Groupe Sodiat. Voarohirohy ao anatin’izany koa ny kaompania MOL/SDV/SCAC izay nanaiky ny fanaovana hosoka tamin’ny fanomezana « connaissement », ny ministeran’ny Fambolena satria « agent technique d’agriculture » no nanome « certificat phytosanitaire » mikasika ireo bolabola ary mahagaga nankaiza ny « agents des eaux et forêts ». Toraka izany koa ny talen’ny fitantanam-bola ao anivon’ny « chambre de commerce » Toamasina izay nanome ny « cerificat d’origine » izay manamarina fa hazo ireo entana tao anatin’ireo « container » 10 », hoy ny tangalamena Zakariasy Patrick.
Tsy mandalo « scanner »
Trafika avo lenta ary tambazotra Mafia mihitsy no niantsoan’ity tangalamena ity ny orinasa Mainland Mining sy ny Sodiat araka izao manaraka izao : « hosoka niniana natao ary namboarina taorian’ny fanondranana entana avokoa ireo natao ireo raha ny fahitako azy ; izany hoe efa tsy teo anatrehan’ny entana tokony hanaovana fanaraha-maso sy fanamarinana no nanaovana ny taratasy sandoka rehetra izay nilain’ny Sodiat Trans hanaovana ny « déclaration » amin’ny ladoany any Sina hanamorana ny famoahan’entana. Natao fasimainty ny « déclaration » mba hahafahan’ireo « container » mivoaka ny seranan-tsambo tsy mandalo « scanner » satria sokajian’ny ladoany ho « circuit jaune » ny fasimainty. Eto dia mazava fa azy ireo tanteraka ny ladoany ao Toamasina ». Tsy mandalo “scanner” tokoa ny “container” misy ireny fasimainty avy amin’ny orinasa Mainland Mining ireny. Tsy an’ity orinasa sinoa ity irery anefa no mahazo izany alalana manokana izany fa ny Madarail ihany koa dia mandalo fisavana sy fanamarinana avy amin’ny tomponandraikitry ny seranan-tsambon’i Toamasina.
Andry Rajoelina
Nitoroka ny filoha Andry Rajoelina ho tomponandraikitra amin’izao zava-misy izao ihany koa ny tangalemana Zakariasy Patrick, noho ity farany tsy mbola niloa-bava mihitsy teo anatrehan’ny fitrandrahana fasimainty tsy ara-dalana ataon’ny orinasa Mainland Mining. Faharoa manaraka izany ny toerana misy an’i Mamy Ravatomanga izay tompon’ny orinasa Sodiat; araka izao nilazany azy izao: “ny Sodiat Trans dia sampan’asa iray ao anatin’ny Groupe Sodiat, voatonontonona matetika amin’ny raharaha andramena sy ny trafikana “bois de rose”. Fantatry ny be sy ny maro fa an’Atoa Mamy Ravatomanga izay mpanolontsainan’ny filoha Andry Rajoelina ny Groupe Sodiat ary efa nampangain’ny filoha teo aloha Zafy Albert amin’ny afera maizina maro, indrindra fa ny fanondranana an-tsokosoko ny hazo sarobidy “bois de rose”. Maro ireo mpiasan’ny Groupe Sodiat voarohirohy tamin’ny fanondranana andramena, anisan’izany ny CT Joseph Ezekiel izay nampiharan’ny FAT ny heriny tamin’ny alalan’ny fahefana tsy refesi-mandidy eo am-pelatanany amin’ny atao hoe “impunité” izay azo lazaina fa mitanila”. Nahitsy ny resaka nataon’ny tangalemana Zakariasy Patrick omaly teo anoloan’ny mpanao gazety. Nambarany fa handefa dika mitovy amin’ireo antontan-taratasy any anivon’ny Firenena Mikambana ny tenany ary mety hiroso amin’ny fametrahana fitoriana.
Fandroahana ny Mainland
Koa eo anetrahan’izany àry dia nanao fanambarana ofisialy ny amin’ny tokony hanokafana fanadihadiana maika manodidina ity fanondranana “bois de rose” maha voarohirohy ny orinasa Mainland Mining sy Mamy Ravatomanga ary ny orinasa Sodiat Trans ity, ny tangalamena Zakariasy Patrick, araka izao manaraka izao: “azo porofoina izao fa Mamy Ravatomanga izay mpanolontsainan’ny filoha Rajoelina no ao ambadiky ny orinasa Mainland Mining; lehiben’ny kolikoly sy fanondranana an-tsokosoko andramena ihany koa Mamy Ravatomanga ary azo porofoina amin’ireto antontan-taratasy ireto. Mazava araka izany fa mpanondrana “bois de rose” ny Groupe Sodiat koa mangataka amin’ny fanjakana ny tenako hampihatra ny lalàna. Toraka izany koa ireo rehetra voakasika amin’izany toa ny MOL/SDV, MICTSL, “chambre de commerce” Toamasina, ministeran’ny Vola, ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny ministeran’ny Fambolena ary ny Tontolo iainana. Voaporofo koa izao fa Mafia sinoa ny Mainland Mining LTD, sady mpitrandraka fasimainty tsy ara-dalàna no mpanondrana “bois de rose” an-tsokosoko. Mangataka ny hanapahana tsy misy fepetra ny fifanarahana hifanaovan’ny Fanjakana Malagasy sy ny Mainland Mining, fitakiana onitra nateraky ny fitrandrahana fasimainty tsy ara-dalàna ary indrindra ny fandroahana ny orinasa Mainland Mining tsy misy hataka andro hiala ny tany sy ny fanjakana Malagasy satria fahavalom-bahoaka”.
Mpikarama an’ady politika
Nasian’ny tangalamena Zakariasy Patrick tsindrom-paingotra ihany koa ireo mpanao politika mpikarama an’ady sasan-tsasany. Nambarany mantsy fa maro ireo mpanao politika no manana any am-pelatanany any ireto antontan-taratasy mirakitra ny fanondranana “bois de rose” niarahan’ny orinasa Mainland Mining sy ny Groupe Sodiat ireto saingy tsy misy sahy miteny. Nametra-panontaniana mihitsy aza ny tenany, araka izao hitaterana azy izao: “marihiko fa malahelo ny tenako satria mahalala ny zava-misy ary manana izao “dossier” izao ny sasany amin’ireo mpanao politika sy mpanohitra; mahagaga ny antony tsy hamoahan’izy ireo ny tena marina. Moa ve hanaovana fampitahorana ny voampanga sa entina hanerena ny voampanga mba hakana vola?”.
Ampamoaka tsy nisy toa izao nataon’ny tangalemana Zakariasy Patrick izao hatramin’izay nandrenesana ity raharaha “bois de rose” ity, nandritra izay telo taona nitondran’ny filoha Rajoelina ny firenena. Mitombona tanteraka mihitsy izany izao ny resaka nanenjehana sy niampangana ny radio Free FM ary ny namana mpanao gazety Lalatiana sy Fidèle tao amin’ny fandaharana “Anao ny fitenenana”, ka nametrahan’izy ireo fitoriana teny anivon’ny Bianco. Araka ny efa nambara ombieny moa dia “blanco” fanadiovana ny maloto eto amin’ny firenena ity sampan-draharaha manokana miady amin’ny kolikoly ity fa tsy araka ny anarana sy ny andraikitra nankinina taminy. Dia rahoviana indray izany izao no hosamborina ny tangalamena Zakariasy Patrick?
“Film” efa nandeha
Mitovitovy amin’ity zava-nitranga tamin’ny volana aprily 2012 ity ihany koa ilay fanondranana « bois de rose » tratra tatsy amin’ny Nosy Maorisy, nataon’ilay tale iray tao amin’ny orinasa Sodiat an’i Mamy Ravatomanga. Tamin’izany fotoana izany indray kosa dia tandrok’omby sy tsaramaso maina no voalaza fa entana tao anatin’ireo « container » kanefa dia andramena izao raha ny tena marina. Ilay tale antsoina hoe Rakotondravao Andrianarifehy na Nary Le Navire irery anefa no nizaka ny sazy dimy taona am-ponja ; amin’izay indray tsy any am-ponja akory ny tenany satria fotoana vitsy monja no nijanonany tao Antanimora dia nahazo L.P. Izay ilay tonga amin’ny fitenenana hoe « film » efa nandeha ary fanta-bahoaka kanefa tsy misy sahy mijoro. Mbola tany tan-dalana ihany ve isika ?

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...