Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

« Tombontsoa frantsay », hoy Radanoara Julien

10/12/2012

Samy manana ny heviny ireo mpanara-baovao manoloana ny filazan’ny SADC fa ny fandresen-dahatra ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina tsy hilatsaka ho fidina filoham-pirenena no vahaolana amin’ny lrizy eto Madagasikara. Santionany amin’izany ny fanehoan-kevitra nataon’ny mpandinika fiaraha-monina Paul Rabary sy ny manampahaizana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena Radanoara Julien. Paul Rabary: “Fanampahan-kevitra feno fahendrena iny noraisin’ny SADC iny satria tsy misy afa-tsy izay no ahafahana mamaha ny krizy eto Madagasikara”.

Izay no nambaran’ity mpandinika fiaraha-monina ity raha namakafaka ny fanambaran’ny SADC ny tenany. Io fanampahan-kevitra io, hoy izy, no tena nandrasana avy amin’ity vondrona ity satria “tsy tokony hifantoka amin’ny famahana ny olana misy eo amin’ireo olona roa ireo ny famahana ny krizy eto Madagasikara”. Nambarany ihany koa fa tsy tokony hiteraka korontana na fanoherana avy amin’ny mpomba ny filoha teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita izany fanampahan-kevitry ny SADC izany satria “tsy tsangan’olona fa tsangan-kevitra no tokony hibaiko ny fanaovana politika eto amintsika. Raha mandinika tsara ireo mpomba ny filoha teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita dia tokony ahatsapa fa ny filatsahan’izy mirahalahy ireo no tena hiteraka krizy vaovao raha oharina amin’ny tsy filatsahany. “Tsy isalasalana, hoy izy fa samy tsy hanaiky izay vokam-pifidianana izay resy eo”, hoy ny fanamarihany.
Mahakasika ny filohan’ny Tetezamita manokana, nambaran’i Paul Rabary fa tsy tokony hametraka olana amin’izany izy satria raha oharina amin’dRavalomanana dia manatombo ny tenany raha ampiharina iny fanampahan-kevitry ny SADC iny. Satria na dia tsy afa-milatsaka azan ny tenany amin’izao fifidianana ho avy izao dia mety mbola afaka hilatsaka ny tenany amin’ny fifidianana manaraka. Nambarany ihany koa fa hanamafy ny tsy fankatoavan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny fitondrana tarihany ny tsy faneken-dRajoelina an’ity soso-kevitra avy amin’ny SADC ity. Inoana anefa, hoy ihany ity mpandinika fiaraha-monina ity fa tsy handà an’izany ny filohan’ny tetezamita satria efa hita taratra tamin’ny fihaonana tany Seychelles ny fahavononany tsy hilatsaka ho fidina filoham-pirenena.
Radanoara Julien: “Paik’ady avy amin’ny frantsay io tsy famelana an-dRajoelina sy Ravalomanana hilatsaka ho fidina filoham-pirenena io, satria efa manana olona hatolotra eo amin’izany fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara izany ity firenena ity”.
. Ny Frantsay, hoy izy, dia manana tombontsoa amin’ny tsy filatsahan-dRavalomanana izay atahorana fatratra ny hahatafaverina azy eo amin’ny fitondrana toa an-dRatsiraka taorian’ny fitondran’i Zafy Albert.
“Aza adino, hoy ihany Radanoara Julien, fa maro ireo tranga tato ho ato izay ahitana taratra ny mety ho faneren’ny Frantsay ny SADC mba tsy ahafahan-dRavalomanana miverina eo amin’ny fitondrana”. Mety ho isan’izany, hoy ihany ny fanazavany, ny nahatongavan’ny minisitry ny raharaham-bahiny izay nanao fitsidihana ofisialy tany Frantsa tahoakelin’ny fihaonana antampon’ny SADC. Tokony tsy hadino ihany koa, hoy ihany izy, fa mikaro-dalana fatratra ho tafiditra ho isan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Filankevim-pilaminan’ny Firenena Mikambana i Afrika Atsimo. Ho sarotra amin’ity farany anefa ny ho lasa eo amin’izany toerana izany raha tsy mahazo ny fanohanan’ny Frantsay izy ireo. Ary dia iarahan’ny rehetra nahita ny fahatongavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Frantsay tany Afrika atsimo farany teo.
Mbola antony ilazana ny fissian’ny tombontsoa Frantsay ao ambadik’iny fanampahan-kevitry ny SADC iny ihany koa ny fandrenesana tamin’ny herinandro lasa teo ny fahavononan’ny Nosy Maurice hanohana ara-bola ny fampandehanana ny fifidianana eto Madagasikara. Ity Nosy ity izay mpikambana ao amin’ny COI ary tsy mbola nitodi-doha tamin’ny famahana ny olana teto Madagasikara hatramin’izay.
Na izany na tsy izany tsy mbola azo antoka ny ahitam-bahaolana avy amin’ny fampiharana an’ity tsy famelana azy roalahy hilatsaka ity. Iaraha-mahalala, hoy Radanoara Julien fa tsy hipetra-mora amin’izany ihany koa ny amerikanina izay manana tombontsoa arovana amin’izany. Tsy tongatonga foana, hoy ihany ny fanazavany, ny fisian’ireny fanamelohana nataon’ny “Amnesty International” farany teo iny, sy ny tsy fankatoavan’ny amerikana an’izao tetezamita izao hatramin’ny voalohany. “Azo inoana fa tsy maintsy hanana akony eo amin’ny fifidianana ihany koa izany rehetra izany”, hoy ity manam-pahaizana eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena ity.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...