12/12/2012
Namory ireo solontenan’ny vondrona na antoko politika nanasonia ny tondrozotra, tamin’ny alatsinainy teo ny komity mpanara-maso ny fampiharana ny sori-dàlana. Nandritra izany fivoriana izany no nanambaran’ny filohan’ity komity ity fa betsaka ny tsy vahaja araka ny tokony ho izy momba ny fampiharana an’iny fifanekena iny. Izay indrindra, araka ny nambarany, no tena antony nanaovana an’ilay fihaonana tamin’ny alatsinainy. Andrasana tsy ho ela ny fanampahan-kevitra noraisina avy amin’izany fihaonana izany Nahatonga solon-tena tamin’ilay fivoriana nokarakarain’ny komisiona mpanara-maso ny fampiharana ny sori-dàlana n any CSC avokoa ireo mpanao Sonia ny tondrozotra, afa-tsy ny ankolafy Zafy Albert irery ihany.
Fivoriana izay natao ny alatsinainy teo tao amin’ny CCI Ivato, ary notarihan’ny filohan’izany rafitra izany dia ny Dokotera Pery Rasolondraibe. Araka ny fanazavan’ity farany dia ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fampiharana izay voarakitra ao amin’izany tondrozotra izany no tena antony nanaovana an’ity fihaonana ity mba hikatsahana vahaolana. Nambarany mazava tsara fa mbola maro ireo andininy izay tsy voaaraka an-tsakany sy an-davany amin’ny tondrozotra. Tsetsy an-danin’izany dia nambarany ihany koa fa tsy hisy aloha hatreto ny fanovana rafitra na fanovana olona eny an’ivon’ny andrim-panjakan’ny tetezamita.
Tsara ny manamarika fa mampametram-panontaniana ny maro mahakasika ny lanjan’ity fifanarahana nananganana ny rafitra’izao tetezamita izao ity ny tsy nandraisan’ny ankolafy Zafy Albert anjara tamin’ity fihaonana natao tamin’ny alatsinainy ity. Tsy zoviana amin’ny mpanara-baovao intsony fa ny ankolafy Zafy Albert dia isan’ny tompon’antoka amin’ny fampiharana an’izany tondrozotra izany noho izy ireo isan’ny nanao Sonia an’izany. Etsy an-danin’zany dia ny Ankoalfy zafy Albert ihany koa no nanolotra ny Praiminisitra Omer Beriziky izay lehiben’ny Governemanta natao hanatenteraka antsakany sy andavany an’izany tondrozotra izany.
Marihina fa tsy azon’ny mpanao gazety natrehina ny ady hevitra nandritra izany fihaonan’ireo mpanao Sonia ny tondrozotra izany ny alatsinainy teo. Tsy misy afa-tsy ny fiandrasana ny famoahan’izy ireo izay fanampahan-kevitra noraisina miaraka tamin’izany fivoriana izany no ahafahana mahafantatra ny tena fizotran’ny ady hevitra. Ny tena andrasan’ny maro avy amin’izany anefa dia ny hevitra’ireo mpanao Sonia ny sori-dàlana mikasika ny fahafaha-milatsaka ho fidina ho an’ny Filohan’ny tetezamita sy ny Filoha teo aloha izay nambaran’ny SADC fa amporisiana ny tsy filatsahany ho fidina.
Nomarihan’ny filohan’ny CSC, Pery Rasolondraibe fa ny ministera n’ny Vola no nanome vola azy ireo nahafahana nanatontosa an’ity fivoriana tamin’ny alatsinainy ity. Mbola io ihany anefa no hany vola nomena azy ireo hatramin’izao. Izany hoe mbola voafetra ihany ny asa azon’izy ireo atao, mahakasika ny fanaraha-maso ny fampiharana ny tondrozotra.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.146