Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Nahazo fihofanana ireo talem-paritra

12/12/2012

Nizaika teto Antananarivo nandritra ny andro maromaro ary nifarana tamin’ny zoma 7 desambra lasa teo, ireo talen’ny Varotra manerana ny faritra 22 eto Madagasikara. Fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo no tena votoatin’ity fampihofanana ity. Teo ihany koa ny fampahafantarana azy ireo ny tahirin-kevitra mirakitra ny fomba ifandraisany amin’ny ministeran’ny Varotra izay mpiahy azy ireo. Ankoatr’izay dia voaresaka ihany koa ny mikasika ny fanondranana entana avy any ivelany. Nifarana ny Zoma 7 desambra teo ny fanofanana ireo talem-paritry ny Varotra avy amin’ireo faritra 22 manerana ny Nosy.

Fanofanana izay natao teto Antananarivo. Tanjon’izany fanofanana izay ny fanamùafisana ny fahaiza-manaon’ireto Talem-paritra ireto eo amin’ny lafiny ara-teknika mahakasika ny andraikitra sahanin’izy ireo. Mazava loatra fa izao fanofanana izao ihany koa no làlana iray nahafahan’ireo talem-paritra ireo nampahafantatra mivantana ireo olana sedrain’izy ireo manoloana ny fanatanterahana an-tsakany sa an-davany ny asany any amin’ny faritra misy azy isan’isany avy. Afaka nampahafantatra izany mivantana tamin’ireo tompon’andraikitra ambony isan’isany avy ao anivon’ny ministeran’ny Varotra izy ireo nandritra ny fotoam-panofanana, ary mazava loatra fa nazoam-baliny mivantana avokoa izany rehetra izany. Ankoatr’izany dia isan’ny naha-zava-dehibe an’ity fihofanana ity ihany koa ny fahafantaran’ireo talem-paritra an’ireo tompon’andraikitra samifaha mety hifanandrify amin’ny asa sahanin’izy ireo. Izany hoe mahafantatra ny tokony hatonina izy ireo amin’izao fotoana izao raha misy ny olana eo amin’ny fanatanterahana ny asany.
Mbola isan’ny tombony tamin’ny fanatanterahana an’ity fivoriana ity ihany koa ny fampahafantarana an’ireo mpizaika ny tahirin-kevitra mirakitra ny toro-marika amin’ny fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny ao amin’ity ministera ity. Hatreto, arak’izany dia tsy tokony hanao fahadisoana amin’ny fomba fiseraserana eo aminy sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ireo talem-paritry ny Varotra manerana ny Nosy. Tsara ny mampatsiahy fa ireo talen’ny Varotra no masoivohon’ny ministeran’ny Varotra eny an’ivon’ny Faritra isan’isany avy. Isan’ny andraikitra lehibe nankinina tamin’izy ireo ny fiarovana ny mpanjifa tsy an-kanavaka sy ny fampiroboroboana ny varotra amin’ny ankapobeny any amin’ny faritra misy azy ireo. Tsara ihany koa ny manamarika fa isan’ny nanokanana fotoana manokana nandritra ity fanofanana ity ny fanomezana toro-marika an’ireo talem-paritry ny Varotra mikasika ny fampiroboroboana ny fanondranana entana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Nandritra ity fanofanana ity no nitondran’ny Sekretera Jeneralin’ny ministera fanazavana mikasika ny fanendrena talem-paritra vaovao miisa 17 izay vao nandraisana fanampahan-kevitra teo anivon’ny Filankevitry ny minisitra ny herinandro lasa teo.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...