Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Radama faha-IV !

17/12/2012

Noporofoin-dRajoelina tetsy amin’ny kianja fanaovana rugby Andohatapenaka ny sabotsy lasa teo fa izy no lehibe farantampon’ny Fahefana Mpanao lalàna sy ny Fahefana Mpanatanteraka. Fahefana Mpanjaka tsy refesi-mandidy tompon’ny fanapahana rehetra. Tsy nilana ny hevitra sy ny fankatoavan’ny Parlemanta ny fandraisana ireo mpilalao rugby avy ao amin’ny Maki de Madagascar ho isan’ny mpiasam-panjakana mandray vola isam-bolana. Mba voasoratra ao anatin’ny teti-bola-panjakana (loi des finances) ve izany ? Inona àry izany no maha samy hafa an-dRajoelina sy Ravalomanana? Nampisalorana ny anarana Radama III ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, rehefa nandray fanapahan-kevitra samy irery nividy ny Force One II izay namidin-dRajoelina samy irery koa taty aoriana.

Moa va tsy Radama IV koa no azo hiantsoana an-dRajoelina amin’izao fahefana tsy refesi-mandidy eo am-pelatanany izao? Vary Mora, Tsena Mora, Trano Mora, Hôpitaly manara-penitra, kianjan’Antsonjombe sy Andohatapenaka. Nisy mangaraharaha ve mikasika ireo fotodrafitrasa rehetra ireo, nahazo ny fankatoavan’ny governemanta sy ny Parlemanta ve ny fananganana azy ireo ? Izay no maha lehibe farantampon’ny Fahefana Mpanatanteraka azy. Vola isam-bolana ho an’ny AV7 sy ny mpanao rugby; misoratra mazava tsara ao amin’ny teti-bolam-panjakana ve izany? Izay no maha lehibe farantampon’ny Fahefana Mpanao Lalàna azy. Fehiny, Mpanjaka no mitondra eto Madagasikara. Nanongana an-dRadama III ny vahoaka Malagasy ny taona 2009 sady nametraka an-dRadama IV ihany koa.
Fiandrianam-pirenena
Ny fanajana ny andrim-panjakana misy no fepetra voalohany mamaritra ny antsoina hoe Fiandrianam-pirenena. Fiandrianam-pirenena inona no heverin’Ambohitsorohitra hankatoavin’izao tontolo izao raha ny mpitondra aza manitsakitsaka ny hasin’ireo andrim-panjakana maha firenena an’i Madagasikara, amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra samy irery tsy refesi-mandidy ? Mitodika any amin’ireo CT sy CST mikarama am-polony tapitrisa isam-bolana ny vahoaka mpandoa hetra. Manam-pikasana hampiakatra ny tahan-ketra ho 11% indray koa mantsy ny sampan-draharahan’ny Hetra ny taona 2013 ho avy izao; izany hoe hoterena handoa hetra ary ho henjehina mihitsy ny vahoaka hahatratrarana izany tanjona izany. Ho entina hamalifaliana ny Mpanjaka amin’izay fanapahan-kevitra metimety aminy nefa no anton’izany rehetra izany. Terena handoa hetra ny vahoaka sy ny orinasa tsy miankina (mbola mety misy sivana ihany koa anefa), kanefa tsy ilàna ny fankatoavan’ireo andrim-panjakana ny fandaniana sy ny fampiasana ny vola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Ireo fomba amam-panao fony faha-mpanjaka mihitsy araka izany no entin’ity fitondrana Rajoelina ity hitantanana ny firenena. Izay tokoa angaha no tonga amin’ilay fitenenana manao hoe: “lasa Andriana misolo Andriana!”.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...