18/12/2012
Handray karama isam-bolana, manomboka ny volana janoary 2013 ho avy izao ireo mpilalao ao amin’ny Makis de Madagascar. Izany hono, dia mba ho valisoa omena noho ny naha tompondaka azy ireo nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, vondrona B amin’ny taranja “rugby à 15”, izay natao teto amintsika farany teo, ka naha tompondaka ny Makis de Madagascar. Raha ny fahalalàna ny zava-misy dia tsy mbola nisy fitondram-panjakana nanome karàma mivantana ny mpanao fanatanjahan-tena izany. Tsy fanao izany.Azon’ny fanjakana atao ihany ny mampiditra mpiasa raha misy ilàna izany.
Saingy mipetraka eto ny fanontaniana : misy asa mety ilàna ny mpilalaon’ny Makis ve ka mahatonga an’i Andry Rajoelina hampiditra azy ireo ho isan’ny olona karamain’ny fanjakana isam-bolana ? Ny andraikitry ny fitondram-panjakana, amin’ny sehatra iray, eo amin’ny lafiny ara-panatanjahatena ohatra, dia ny manatsara ny tontolon’ny mpilalao, mba hampakatra ny vokatra mety ho azo. Mazàva ho azy fa ny andraikitry ny fanjakana dia tokony hijanona hatreo. Raha misy fanomezana tombony ankoatra izay dia efa zavatra hafa, efa misy tetika politika ho amin’ny fifidianana. Iaraha-mahalala rahateo fa ny “ambany tanàna” no tena mandrafitra ny ankamaroan’ireo mpilalao baolina lavanava ireo. Ary tsy takona afenina ny hamaroan’izy ireo. Miandry valiny avy amin’ireo Makis ireo ny filoha, raha nanao iny fanapaha-kevitra iny. Alai-panahy, arak’ izany ny saina hihevitra fa ho lasa fitaovana politika sy mpanao propagandin-dRajoelina fotsiny ihany ny Makis.
Sokajin’olona mora tarihina ny vahoaka eny ambany tanàna. Raha vao nanomboka ny tolony I Rajoelina tamin’ny volana janoary, taona 2009, dia ireo ambany tanàna no nentaniny hanamafy sy hanatevina nyhetsika. Iaraha-mahalala anefa izao fa izy ireo no tena mitondra faisana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana. Koa dia tetika hafa amin’ny alalan’ny Makis indray no hisarihina ny fon’ny ambany tanàna.
Maro koa ireo fanontaniana mety hipetraka, raha tanteraka izao fanomezana karàma isam-bolana ny Makis izao : Ahoana ny mikasika ny fifanarahana arak’asa misy amin’izy ireo sy ny fanjakana ? Ahoana ny momba ny fisotroan-drononony ? Raha misy ny tsy fahafahan’ny mpilalao manohy “ny asany”, ho tapaka ve ny karamany, satria tokoa ny karama dia tambin’ny asa atao ? Ary farany, eo amin’ny sokajy fahafiry eo amin’ny mari-karama no mety ametrahana ny karaman’ny Makis ?
Manoloana iny fanapahan-kevitry ny filohan’ny tetezamita iny, dia lasa ihany koa ny saina, ny amin’ny maha laharam-pahamehana ny zavatra iray. Tena ilaina maika ve ny hanomezana karama isam-bolana ny Makis ? Tsy vitsy, raha tsiahivina, ireo fitakiana mbola tsy nahitam-baliny hatramin’izao, eto Madagasikara. Anisan’izany, ny tokony andoavana ara-dalàna ny vatsimpianaran’ny mpianatra. Eo indrindra dia marihina fa vatsimpianarana 2 volana no hany voarain’ny mpianatra hatramin’izao, kanefa ny tokony ho izy dia vatsimpianarana isam-bolana, mandritra ny fotoam-pianarana.
Eo koa ny fitakian’ny Sempama, ny Seces, ny Mpiraiki-draharaha ao amin’ny fitsarana sy ireo mpiandry fonja. Angamba tsy laharam-pahamehana noho ny karama ho an’ny Makis , ireny fitakiana ireny.
Koa na nianatra sy nikaroka nandritra ny taona maro aza ianao, rehefa heverina fa tsy ho lasa mpanohana amin’ny ny fifidianana, dia tsy voajery ny momba anao sy ireo mety ho fitakiana.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.084