Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mitsipaka ny fanilihana an-dRavalomanana

18/12/2012

Manomboka miseho lany amin’izao fotoana izao ny fanoherana ny fanampahan-kevitry ny Troika-n’ny SADC izay manosika ny tsy filatsahan-kofidin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Nanao fanambarana goavana, omaly ny Fikambanana GTT-Idf, izay fa tsy mifanaraka amin’ny soatoavina sy ny sata iraisam-pirenena ny fandraràna an-dRavalomanana tsy hilatsaka ho fidina. Miantso ny vahoaka Malagasy tsy hanaiky an’io fanampahan-kevitry ny SADC io ihany koa ny fanambarana, satria fanitsakitsahana ny zon’ny Malagasy izany araka ny fahitan’izy ireo.

Mbola tsy azo antoka hatreto ny filazana fa tena ho tanteraka ny tsy fandraisan’ny filoha teo aloha anjara amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny taona ho avy. Antony maro no ahafahana milaza izany, raha tsy hanasongadina afa-tsy ny fisian’ny fanambarana sesilany ataon’ireo mpomba azy izay mitsipaka tanteraka an’iny fanampahan-kevitry ny SADC iny isika. Isan’ireny ny GTT-Idf izay nanoratra taratasy misokatra ho an’ny SADC, nanakianan’izy ireo ny tsy fanajan’ity rafitra ity ny soatoavina ara-demokratika. Arakan y nasongadin’ity fanambarana ity dia « telo taona sy tapany mahery no nanehoan’ny malagasy ny fitsipahan’izao rafi-pitondràna avy amin’ny fanonganam-panjakàna izao. Nandritra izay koa izy dia tsy nitsahatra nitaky ny famerenana ny ara-dalàna noho ny fanitsakitsahana ny safidiny tamin’ny mars 2009. Koa nalahelo sy diso fanantenana ny malagasy raha toa izany tolona natao izany dia miafara amin’ny fisakanana ny filatsahan’ny filoha Marc Ravalomanana tsy hirotsaka amin’ny fifidianana kasaina atao eto Madagasikara amin’ny 2013 ».

Nambaran’ity taratasy misokatra ity ihany koa fa fahadisoana tanteraka ny hevitra izay voizina hilazàna fa izany fandraràna ny olona voafidin’ny Malagasy izany dia hampiverina ny fandripahalemana eto an-Tanindrazana. Mifanohitra tanteraka koa izany fanapaha-kevitra izany, amin’ny soatoavina izay dradraina fa ny vahoaka no andriamanjaka ary tompon’ny teny farany. Tsy nisy malagasy nangatahana ny heviny na iray aza momba izany famerezan-jo azy fanindroany izany.

Koa mitodika amin’ireo vondrona iraisam-pirenena nanao ny fanelanelanana izahay Gtt-Idf, milaza ny tsy fanekenay tanteraka izao fanesorana ny fahafahan’ny malagasy hisafidy ny olona tokony hitondra azy izao : aiza ny soatoavina izay tokony arovanareo, momba ny fiarovana ny zon’ny vahoaka, aiza ny fanajàna ny teninareo izay hiaro hatrany soatoavina miaro ny demokrasia ?

Tsy voaaja ny fifanarahana iraisam-pirenena

Nitodika manokana tamin’ny SADC ihany koa ny fanambarana raha nametram-panontaniana hoe : « tombotsoan’iza no arovanareo raha tsy sahinareo ny mampiatra ireo fepetra noraisinareo tamin’ny 2010, izay manasazy ireo mpanongana sy ny mpiaradia azy 109 ireo ? » Mbola isan’ny fanontaniana napetraky ny GTT-Idf ihany koa ny antony tsy hampiaran’ny SADC ny fifanarahan’i Cotonou sy ny sata mifehy ny fahaiza-mitanan’ny Firaisambe Afrikana, izay manan-kery amin’izao fotoana izao ary mandrara avy hatrany ny fandraisan’anjaran’ireo mpanongam-panjakàna amin’ny fifidianana ho avy.

Sady nanao antso avo ho an’ny SADC, no nanao antso avo ho an’ny vahoaka Malagasy arak’izany ny GTT-Idf. Nambarany fa fanitsakitsahana ny zon’ny vahoaka malagasy izao tolo-kevitra arosonareo izao. « Manao antso ny vahoaka malagasy amin’ny alalàn’ity taratsy ity koa izahay hitsipaka izany fandraràna ny filatsahan’ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana izany, ary hitaky tsy misy fepetra ny filatsahany amin’izany fifidianana izany, manomboka izao », hoy ny fehiteny nentin’ny GTT-Idf namarana ny fanambarany.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...