21/12/2012
Nahazo fahafahana omaly ny telo tamin’ireo manamboninahitra voarohirohy tamin’ny raharaha BANI ny novambra 2010. Ny kolonely isany Ravoavahy, Randriambahoaka ary Toto Vincent. Ity farany moa, raha araka ny vaovao voaray dia mahazo miverina amin’ny asan’ny maha-zandary azy teo aloha rehefa nandalo filan-kevitra manokana mpanadihady izay nahitana ny jeneraly isany Faly Rabetrano sy Marius. Karazan’ny nohafahan’ity filan-kevitra manokana ity madiodio izany ny kolonely Toto Vincent tamin’ny raharaha fikasana hanongam-panjakana teny amin’ny tobin’ny tafika an’habakabaka teny Ivato tamin’ny 11 novambra 2010 lasa teo. Ireo manamboninahitra roa hafa kosa, dia ny kolonely Ravoavahy sy Randriambahoaka, dia mbola tsy fantatra mazava ny momba azy ireo raha toa ka mahazo miverina amin’ny laharan’ny miaramila indray na tsia.
Nahavariana ihany no nandrenesana ny vaovao fa haverina amin’ny laharana maha-zandary azy izany ny kolonely Toto Vincent tamin’ny raharaha BANI. Raha ny fantatra dia ny ilay filan-kevitra manokana no nanapa-kevitra mahakasika ity manamboninahitra ity. Mampametram-panontaniana ihany ny fahefana ananan’izany vaomiera manokana izany manapaka satria dia mbola manana ny raharaham-pitsarana mahakasika azy ny kolonely Toto Vincent. Raha ny marina dia ny fitsarana no tokony hanafaka azy madiodio aorian’ny fitsarana azy izay vao mety ny fandraisana fepetra mahakasika ilay kolonely. Kanefa hatramin’ny omaly dia fantatra fa tsy nisy ny fitsarana ny kolonely Toto Vincent ka namoahana didy mahakasika azy. Nitsabaka ny raharaham-pitsarana ary ve izany ny filan-kevitra manokana sa miezaka ny hanaloka ny didy mety havoaka ny fitsarana mahakasika ny kolonely Toto Vincent. Inona ihany koa no antony tena nanapahan’ity filan-kevitra manokana ity mahakasika ny kolonely Toto Vincent?
Telo izany no fantatra fa nahazo fahafana amin’ireo manamboninahitra maromaro migadra mahakasika ny raharaha BANI. Tsy fantatra ny antony nahatonga ny fanafahana an’ireto telo farany ireto toy izany koa no tsy nahafantarany ny mbola hitazonana ireo manamboninahitra ambiny. Anisan’ny manamboninahitra mbola any am-ponja ankehitriny ny jeneraly isany, Raoelina Heriniaina sy Noel Rakotonandrasana. Torak’izany ihany koa ny kolonely isany Coutiti Assolant, Djadifara, Rabetrano, sy ny hafa koa.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.312