22/12/2012
Fitoriana am-polony no tonga tao amin’ny “brigade criminelle” Anosy, mahakasika asa fisolokiana mihoatra ny 210 tapitrisa iraimbilanja nataon’izany ramatoa iray antsoina hoe Olivia izany. Mitonona ho mahavita mikarakara “visa” ho any Lafrantsa ao amin’ny ambasady frantsay ity ramatoa ity ka mitentina 17,5 tapitrisa isan’olona ny vola ilaina amin’izany. Efa ao anatin’izany vola izany ny vidin’ny tapakilan’ny fiaramanidina. Olona miisa 12 aloha izao no efa fantatra fa voasolokiny ary efa nametraka fitoriana. Nambaran’ity Olivia ity tamin’ireto olona ireto fa fomba roa no atao amin’izany: na fifanarahana ara-diplômatika na fitsangatsanganana (tourisme). Ireo fomba roa ireo no nentin’ity ramatoa ity nandresy lahatra ireto mpitory ireto. 12 no isan’ny toerana amin’ireo fomba roa ireo, hoy hatrany ity antsoina hoe Olivia ity.
Voasoketa tao anatin’izany ihany koa ny ministeran’ny Raharaham-bahiny. Milaza ho tànan-kavanan’ny minisitra sy ny fianakaviany ny tenany; lainga sy paikady nentina nandrebirebena avokoa anefa izany. Tsy vitan’izany fa nasain’ity Olivia ity nanao fety ho fanaovam-beloma ireto olona 12 nosolokiany ireto ary nisy fotoana aza nanatrehany izany “pot d’adieu” izany. Efa ho roa na telo volana teo ho eo izay no nitrangan’izao asa fisolokiana izao ary tsy hita popoka izay misy azy amin’izao. Vehivavy iray mpiaraka matetika aminy sady mpampian-trano azyt antsoina hoe Mitou izany no fantatra fa notànana am-ponja vonjy maika eny Antanimora. Teny Ambohidratrimo teny no nisy ny trano fonenany. Niala tany izy araka ny vaovao re ary nifindra teny Mandroseza, tsy lavitry ny « station Shell ». Nambaran’ny tamin’ireto olona mitory azy ireo fa an’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny ny finday fampiasany na ny antsoina hoe “flotte”. Indraindray tokoa, araka ny nambaran’ny mpitory, dia tena lehilahy izao no mamaly ny antso ary izay mihitsy no naharesy lahatra azy ireo. Efa lasa lavitra moa ity raharaha ity amin’izao fotoana ; amin’ny faha-13 febroary 2013 ho avy izao no handeha ny fitsarana ; mbola mitohy kosa ny fikarohana an’i Olivia. Izao anefa ny fanontaniana mipetraka : manana « accès » ao amin’ny ambasady frantsay tokoa ve ity ramatoa ity? Nahoana hoy ireo mpitory no nahafantarany fa efa nanao fangatahana “visa” tany aloha tany ny iray tamin’izy ireo saingy nolavin’ny ambasady frantsay!
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.186