Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Izay vao tena tapa-kevitra

22/12/2012

Nandritra ny fanambarana izay nataon’ny tonian’ny FFKM omaly teny Ambatovinaky no nampahafantarana fa hirotsaka amin’ny fampihavanana amin’izay ity rafitra ity. Hatomnoka amin’ny fotoam-pivavahana izay hatao amin’ny faritany FFKM rehetra manerana ny Nosy izany asa fampihavanana izany. Eo ihany koa ny fivoriana iarahana amin’ny filoham-piangonana efa-dahy sy ireo mpitarika ny fiangonana hafa ary ny rafitra nentim-paharazana ary ny mpiara-miombon’nantoka aminy. Tsy hitazam-potsiny ny fahavoazan’ny firenena noho izao krizy izao intsony ny FFKM.

Izay no azo amintinana ny fanambarana izay nataon’ny Tonian’ny FFKM, ny Pastora Randrianirina Solofoson Gilbert, izay nitarika ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly teny Ambatovinaky. Taorian’ireo antso avo nataon’ireo mpanao politika maro sy ny fidradradradran’ny vahoaka maro manerana ny Nosy no nanapahan’ny FFKM handray an-tanana amin’izay ny fampihavanana ny Malagasy, raha araka ny nomarihan’ny tonian’ity rafitra iombonan’ny fiangonana Kristianina ity. Fantatra tamin’ity valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ity ary fa hanomboka amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana izay hatao amin’ireo faritany FFKM rehetra manerana ny Nosy izany asa fampihavanana izany. Ny 23 desambra izao no hatao zany fotoam-pivavahana izany, ka ny eto Antananarivo dia hatao ao amin’ny Fiangonana Loterana Ambatovinaky, amin’ny telo ora tolakandro. Manarak’izany dia hanamarika ny fanaombohana an’ity asa fampihavanana ity ihany koa ny fivoriana ho tarihan’ireo filoham-piangonana efa-dahy ao amin’ny FFKM ary iarahany amin’ireo mpitondra ny fiangonana hafa toy ny silamo ary ny tompon’andraikitra ara-drazana toy ny Tangalamena. Ny 29 desambra no hanaovana izany fihaonana voalohany izany, araka ny nambaran’ny Tonian’ny FFKM.
Tsara ny manamarika fa efa nahazo tso-drano avy amin’ny birao foiben’ny FFKM izao asa fampihavanana hataon’izy ireo izao. Nandritra ny fivoriamben’ny komity foibe tamin’ny 25 novambra no nandraisana ity fanampahan-kevitra ity ary nazoany ihany koa izany tso-drano izany. Hatramin’io fotoana io ka hatramin’izao dia intelo ny FFKM no nikasa hanomboka an’izao asa fampihavanana izao saingy nisy olana hatrany izay. Nomarihan’ny Tonian’ny FFKM ihany koa fa tsy olana hatreto ny enti-manana ahafahana manatanteraka an-tsakany sy an-davany izany asa fampihavanana izany.
Efa tongotra mby an-dakana arak’izany ny FFKM amin’ny firotsahana hampihavana ny Malagasy. Tsy mahasakana ny ahiahin’ny maro ny amin’izay mety ho vakatr’izany hetsika izany anefa ny fanehoan’ny FFKM ny fahavononany. Tsy sambany manko no hirotsahan’izy ireo amin’izany asa fampihavanana izany, indrindra tamin’izao krizy lalovan’ny firenena izao. Iaraha-mahalala anefa fa tsy naharesy lahatra ny maro, hatreto ny vokatr’izany asa fanelanelanana izany. Ankoatr’izay, isan’ny hametrahan’ny maro fanontaniana ihany koa ny mikasika ny dingana efa vita indrinra ny fampiharana ny tondrozotra sy ny firosoana amin’ny dingan’ny fifidianana amin’izao fotoana izao. Na izany na tsy izany, tsy vitsy ihany koa ireo izay miandrandra vokatra amin’izany firotsahan’ny FFKM hanao indray ny fanelanelanana izany.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...