Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Haka ny fananan-dRavalomanana ny AV7

26/12/2012

Mihazakzaka izay tsy izy ny toe-draharaham-pirenena, taorian’ny fanapahan-kevitry ny SADC izay misakana ny filatsahan-kofidian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina. Naneho ny fankasitrahany izany fanapahan-kevitra izay avy hatrany ny filoha teo aloha, fanapahan-kevitra iombonan’ny SADC amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena; raha mbola mikiry mafy amin’ny heviny kosa ny filoha Rajoelina. Nanao tohy vakana ny fanehoan-kevitra avy amin’ireo ankolafy politika, indrindra ny avy ao Ambohotsorohitra sy ny manodidina azy. Isan’izany ny fikambanana AV7.

Onitra
Mandray vola isam-bolana amin’ny fitondrana Tetezamita ireo olona naratra sy mitondra takaitra nandritra ny raharaha 7 febroary 2009; fanapahan-kevitra noraisin’Ambohotsorohitra samy irery hilazana amin’ireo niharam-boina fa tsy tompon’antoka tamin’izao fahavoazana nanjo azy ireo izao velively ny filoha Rajoelina sy ny manodidina azy. Lasa fitaovana eo am-pelatanan’ny mpitondra ny fikambanana AV7 ary ampiasaina amin’ny lafiny rehetra mihitsy. Nitafa tamin’ny TV5Monde ny sekretera jeneralin’ny fikambanana AV7, Eléonore Ralalanirina ary nanambara fa mitaky ny fanagiazana ny fananan-dRavalomanana Marc izy ireo hanonerana ny onitra nateraky ny fahavoazana nahazo azy ireo. Ny Fitsarana irery no afaka mametra ny onitra ary izay indrindra no mahavariana amin’ity raharaha 7 febroary 2009 ity. Ny fanjakana HAT no avy hatrany dia nisolo toerana ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny fanomezana vola isam-bolana izay miendrika onitra kanefa tsy nanaja ny lamina sy ny paikady takian’ny fitantanam-bolam-panjakana. Maro ihany koa no mihevitra fa nandeha ila iny fitsarana ny raharaha 7 febroary 20029 iny. Asa an-terivozona 20 taona no miandry izay rehetra mananika lapam-panjakana araka ny voalazan’ny fehezan-dalana famaizana; tomponandraikitra feno amin’ny zava-mitranga ihany koa izay rehetra mitarika olona hidina an-dalambe, araka ny fanambarana fanaon’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Emmo nandritra izay efa-taona nisian’ny Tetezamita izay.
Air Force One II
Mety ho diso paika ihany ny fikambanana AV7 amin’izao fanirian’izy ireo izao. Efa lasan’Ambohitsorohitra ny vola be tamin’ny alalan’ny famarotana ny fiaramanidina Air Force One II. Mba hoatrinona tamin’izany no nomen’ny mpitondra ireo mpikambana ao amin’ny AV7? Tsy misy afatsy ny trano etsy Faravohitra no hany fananan’ny filoha teo aloha mitsangana eto an-drenivohitra. Izay indrindra no hilazana fa ataon’ny mpitondra fitaovana hiarovany ny tombotsoany ity fikambanana iray ity. Mananontanona tokoa mantsy ny fodian’ny filoha teo aloha ka dia ny trano fonenany indray izany izao no hitadiavana fomba hanagiazana azy, ankoatra ny fiampangana nataon’ny filoha Rajoelina azy ho nikotrika fanonganam-panjakana in-telo nisesy nanomboka ny taona 2009. Mahazo manao izay tiany (mandika lalàna) tokoa ity AV7 ity rehefa hitondra tombotsoa ho an’ny HAT. Ohatra amin’izany ireny “discours de Talion” nataon’izy ireo teny Ivato ireny, endriky ny tsy fisian’ny tany tan-dalana mandritra izao fitondran-dRajoelina izao.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...