26/12/2012
Nanao ranolava tato anatin’ny andro vitsivitsy izay ny filazana fa nihemotra na nofoanana ny zotram-piaramanidin’ny Kompania Air Madagascar, nohon’ny antony ara-teknika. Velon-taraina araak’izany ireo mpandeha maro nikasa hiondrana amin’ireny zotra ireny. Ho an’ny mpanara-baovao maro dia taratry ny fitotongan’ny fitantanana ao amin’ity kompaniam-pitaterana ity izany rehetra izany.Tato anatin’ny andro vitsivitsy izay dia tsy nisy andro tsy nahitana tamin’ny alalan’ny fahitalavitra, na nandrenesana tamin’ny alalan’ny radio ny filazana mikasika ny fahatarana na tsy fahatongavan’ny zotram-pitaterana Air Madagascar nohon’ny tsy fetezana ara-teknika.
Tsy isalasalana anefa ny milaza fa tsy ho amin’ny tombontsoan’ity kompaniam-pirenena ity velively izany tranga rehetra izany, raha tsy hilaza afatsy ny fahatezeran’ireo mpandeha sy izay ho vokatr’izany eo amin’ny sehatry ny fifaninanana isika, raha tsy hampatsiahy afa-tsy izay nitranga tany amin’ny seranam-piaramanidina, Roland Garros tany La Réunion tamin’ny herinandro lasa isika. Tsetsatsetsa tsy aritra no ampatsiahivana fa mbola isan’ireo fiaramanidina arahi-maso akaiky ary voasazy tsy mahazo misidina eny amin’ny habakabaky ny Vondrona eropeanina ny ankamaroan’ny fiaramanidina ampiasain’ny Air Madagascar.
Manahy mafy ny amin’izay ho avin’ity Kompaniam-pitaterana ity, arak’izany ny mpanara-baovao maro manerana ny Nosy. Tsara ny mampatsiahy isan’ireo fanamby nodradradradrain’ny mpitondra izao tetezamita izao, nandritra ny tolona teny amin’ny Kianjan’ny 13 mai ny fanarenana ity oribn’asam-panjakana ity. Ary dia isan’ny nanao fanovana maro tamin’ny fomba fitantanana sy ny rafitra ary ny mpitantana tao amin’ny Air Madagascar tokoa ny mpitondra ny tetezamita raha vantany vao nahazo fahefana. Isan’ireo nesorina tamin’ny fitantanana ireo vazaha izay napetraky ny mpitondra teo aloha tamin’ny rafitra samihafa tao amin’ny Kompania. Isan’ny dingana izay natao ary nolazaina fa famonjena ny Kimpania Air Madagascar ihany koa ny fividianana na fanofana fiaramanidina Air bus A340 tamin’ny Air France. Fiaramanidina izay, araka ny fantatra dia efa tsy misy mpampiasa intsony teo amin’ny tsenan’ny fitaterana an-abakabaka noho izy ireo tsy azo antoka sady miteraka fatiantoka maro ho an’izay mampiasa azy.
Ireo rehetra ireo dia milaza avokoa fa tsy hatreto dia tsy nahomby ny paik’ady izay napetraky ny fitondrana tetezamita ka noheveriny hanarenana ny Kompania Air Madagasikara. Porofon’izany ny tsy fahafahan’ny orin’asa manao fitiliana ara-teknika araka ny tokony ho izy ka mahatonga ireo fahatarana misesisesy sy tsy fisian’ny sidina mihintsy aza amin’ny fotoana sasany. Marihina fa tsy vitsy amin’ireo mpanara-baovao no mihevitra fa paik’ady avy amin’ny Frantsay ihany izao rehetra izao mba hanomezana vahana ny kompaniam-pitateran’ity farany manoloana ny kompaniam-pitaterana Malagasy. Na izany na tsy izany dia azo lazaina fa efa eo ambany vahohon’ny Air France ihany ny Air Madagascar hatramin’ny nanofana an’ireo Air bus A340 izay mitondra ny lokon’ny Air Madagascar amin’izao fotoana izao na dia mbola an-taonany aza no handohavana ny vodin’izany.
Tsara ny mampatsiahy fa andro vitsivitsy lasa izay dia efa nanao fanambarana mitaky ny fanesorana amin’ny toerany ny tale jeneralin’ny orin’asa Air Madagascar ny sendikan’ny mpiasa ao amin’izany orin’asa izany. Takin’izy ireo ny hametrahana Komity mpiara-mitantana eo amin’ny toeran’ny Tale
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.500