26/12/2012
Tsy vitsy ireo izay nanome tsiny ny FFKM noho ny tsy fandraisany andraikitra nandritra ny volana maro, manoloana ny fitarazoan’ny kirizy mianjady amin’ny firenena. Nanazava ny antony tsy nahafahany niroso araka ny tokony ho izy tamin’izany asa fanelanelanana izany. Nandritra ny fiaraha-mivavaka nentina nanombohana ny fanelanelanan’ny FFKM ho famahana ny krizy eto Madagasikara, no nanambaran’ireo mpitarika ny fotoana fa nosakanana tsy hanao izany izy ireo nandritra ireny fotoana ireny. Izay vao tena mazava ny resaka. Tsy noho ny sitra-pon’ireo Filoham-piangonana mivondrona ao amin’ny FFKM akory no tsy nahafahany nanao hatramin’ny farany ny fanelanelanana hivoahan’i Madagasikara amin’ny Krizy.
“Nosakanana tsy hanao fanelanelanana izahay nandritra izay fotoana izay satria araka ny hevitr’ireo mpanao politika dia olana politika no nisy teto Madagasikara ka ny mpanao politika ihany no mahita vaha-olana amin’izany”, hoy ny iray tamin’ireo mpitondra fivavahana avy ao amin’ny SEFIP izay sampan’ny FFKM nitarika ny fotoam-pivavahana ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Fiangonana Ambatovinaky. Fa mba iza kosa ary ireo mpanao politika na vondrona na hery velona eto amin’ny firenena izay nisakana ny FFKM tsy hiroso amin’izany fanelanelanana izany? Raha avadika ny fanontaniana dia hoe: iza no mahazo tombontsoa amin’ny tsy fisian’izany fanelanelanana izany, izany hoe fijanonan’ny firenena ao anatin’izao krizy izao? Mazava loatra fa any amin’ireo mpitondra ny tetezamita amin’izao fotoana izao no andehan’ny saina aman-eritreritra satria tsy misy afa-tsy izy ireo no mahazo tombon-tsoa amin’izany. Izy ireo ihany koa no manana ny hery nahafahana nandrara ny FFKM tsy hiroso amin’izany fanelanelanana izany. Tsy mahagaga ary raha tsy tafavoaka amin’ny krizy hatramin’izao i Madagasikara na dia efa efa-taona aza no nikaroham-bahaolana amin’izany. Porofo ihany koa izany fa sarintsarina famahana olana avokoa izay natao teto hatramin’izay.
Tsara ny manamarika fa nandritra ny fotoam-pivavahana tamin’ny faran’ny herinandro teo no nanambaran’ny FFKM fa vonona ny hiroso amin’ny asa fampihavanana tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao. Rahampitso alakamisy no hanombohan’ny hetsika rehetra manandrify izany. Mahatratra 173 amin’izao fotoana izao ireo fikambanana na antoko politika izay efa nihaona tamin’ny FFKM ary efa nanaiky ny handray anjara amin’ity hetsika fampihavanana hataon’ny FFKM ity. Marihina fa efa hatramin’ny volana marsa no nanombohan’ny FFKM naka nyhevitr’ireo antoko na vondron’olona ireo mahakasika ny famahana ny krizy eto amintsika.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.151