26/12/2012
Niara-nankalaza ny fetin’ny Noely tamin’ireo fianankavian’ny mpiasan’ny fiadidina ny tetezamita teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny Filoha Rajoelina mivady. Nandritra ity fotoam-pankalazana ity no nanambaran-dRajoelina fa ity no Noely farany iarahany amin’ireto fianankavian’ny mpiasan’ny Fiadidiana ny tetezamita ireto amin’ny maha filohan’ny tetezamita ny tenany. Nandritra izany fotoana izany ihany koa no efa nisaorany sahady ireo mpiara-miasa akaiky taminy nandritra izay efa-taona nitondrany ny tany sy ny fanjakana izay. Nankasitraka ny filohan’ny tetezamita ihany koa ireo mpiasa ao amin’ny fiadidiana ny tetezamita izay nosoloan’ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny tetezamita tena.
Tsy isalasalana ny milaza fa maro ny mety ho hevitr’izay fanambarana nataon’ny filohan’ny tetezamita izay, indrindra amin’izao ankatoky ny fanatanterahana ny fifidianana ivoahana amin’ny krizy eto Madagasikara izao. Ny filazana fa Noely farany iarahana amin’ny mpiasan’ny fiadidiana ny tetezamita dia midika fa mety tsy ny tenany intsony no hitarika ny lanonana fankalazana ny Noely eo amin’io toerana io amin’ny taona ho avy. Mety tsy izay ihany koa enafa no tian-kambara satria azo heverina ihany koa fa ny fahavitan’ny tetezamita araka ny efa voarakitry ny tetiandro rahateo no tian-kambara amin’izany. Raha atao amin’ny teny hafa dia mety te-hilaza ny filohan’ny tetezamita fa tsy amin’ny maha filohan’ny tetezamita azy intsony no hihaonana amin’ny mpiasa sy ny fianankaviany amin’ny Noely manarana fa amin’ny maha filohan’ny Repoblika ny tenany.
Raha ilay hevitra voalohany no tena tian’ny filohan’ny tetezamita hambara tamin’ny alalan’ny teny navoakany nandritra ny fety teny Iavoloha dia mazava loatra fa mety tapa-kevitra ny tsy hilatsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny volana marsa 2013 ny tenany, na koa mahita sahady fa tsy azo inoana ny ahalany azy amin’izany fifidianana izany. Marihina fa andrasana fatratra ny fanampahan-keviny manandrify izany, indrindra taorian’ny fihaonana nataony tany ivelany.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.134