Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Miantso vonjy amin’ny vahoaka ny Foloalindahy ?

27/12/2012

Efa tazana eto Antananarivo, efa ho andro vitsivitsy izao, ny ankamaroan’ireo mpitandro filaminana nalefa hampandry tany sy hisambotra an-dRemenabila tany Betroka tamin’ny alalan’ilay hetsika fantatry ny maro amin’ny hoe “Tandroka”. Araka ny fantatra anefa dia mbola tsy nifarana ny iraka nampanaovina azy ireo tany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny. Ny loharanom-baovao no nilaza fan oho ny tsy nazoan’izy ireo ny tambi-karamany no nahatonga azy ireo hiala tany an-toerana

Nitsoaka an-daharana sa midongy? Hatreto dia tsy misy fampitam-baovao ôfisialy mikasika ny fitohizan’ny hetsika “Tandroka” izay ataon’ny foloalindahy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Hetsika izay natao indrindra hamongorana ny firongatry ny asan-dahalo any amin’iny faritra iny ary indrindra hisamborana an-dRemenabila. Amin’izao fotoana izao anefa dia saika efa tazana eto an-drenivohitra avokoa ny an-kamaroan’ireo mpitandro filaminana izay nalefa tany an-toerana handray anjara amin’izany hetsika goavana izany. Raha nanontaniana ny iray tamin’izy ireo, izay nisafidy ny tsy ho tononina anarana dia nilaza fa efa niverina eto Antananarivo avokoa ireo miaramila sy zandary rehetra nalefa farany teo tany Betroka. Na ireo avy amin’ny RFI izany na ireo avy amin’ny RAL na koa ireo avy amin’ny RTS. Ity mpitandro filaminana ity ihany koa no nilaza fa mbola miandry ny handohavana ny tambi-karamany aloha ireo miaramila ireo izay vao hiverina any amin’ny nanirahana azy. Hatreto anefa dia mbola tsy voaloha izany tambin-karama izany.
Akaro ny moralin’ireo mpiantafika
Tsara ny manamarika fa nanoratra taratasy mikasika an’izany hetsika manokana “Tandroka” izany indrindra ny lehiben’ny Foloalindahy omaly. Taratasy izay miantefa amin’ny Filohan’ny tetezamita, sy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta ary ireo Praiminisitra lefitra. Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmariam-pirenena, ny minisitry ny Atitany ary ny minisitry ny Fiarovana izay notondroina ho minisitry ny Foloalindahy tamin’ity taratasy ity (N°320/MFA/CAB).
Araka ny voalazan’izany taratasy izany dia mitaky ny hisian’ny fankaherezana an’ireo miaramila nalefa any nanatontosa ity iraka ity any atsimo izy ireo. Mitaky ny hanohanan’ny vahoaka ny hetsika atao any atsimo ihany koa ity taratasy ity. Mampatsiahy ihany koa fa mahatonga ny fahakivin’ireo miaramila ny fanakianana mivaivay izay voizina an-gazety mahakasika ny fihetsik’izy ireo amin’izany iraka nampanaovina azy ireo izany.
Tsy fantatra hatreto na misy ifandraisana amin’izao fahitana an’ireo miaramila tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao ity taratasy ity na tsia. Raha izany tokoa no zava-misy dia tsy isalasalana ny milaza fa midongy tsy mety hanohy ny asany ireo miaramila ary angamba mety hiafara amin’ny fitokonana ihany koa izany ka manahy mafy ny amin’izany ireo mpanao Sonia an’ity taratasy ity. Na izany na tsy izany, fomba ahoana no hanohanan’ny vahoaka an’ireo foloalindahy, araka ity fangatahana ity, raha toa ka baomba mandatsa-dranomaso hatrany no hasetry azy ireo isaky ny misy fitakiana ataony?

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...