Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Hamelona Jeneraly 31 indray ny mpandoa hetra

27/12/2012

Manamboninahitra miisa 31 indray no nakarina eo amin’ny laharana maha “Général de division” sy “Général de Brigade ». Nandritra ny Filankevitry ny minisitra izay notanterahina omaly no nanaovana izany fampiakarana grady izany. Miisa 18 ireo nakarina ho amin’ny gradin’ny “Général de Brigade”. Miisa 13 kosa ireo nakarina ho amin’ny Gradin’ny “Général de division”. Ny fampitam-baovao laharana faha 209-P.T/SGP/COM, avy amin’ny fiadidiana ny tetezamita no nampita izany vaovao izany.

Tsy isalasalana ny milaza fa mitodika any amin’ny fahafahan’ny firenena mizaka ny vesatra aterak’izany fanendrena manamboninahitra izany ny sain’ny mpanara-baovao, raha vantany vao nisy ity fampiakarana grady ity. Ny hetsika toy izao tokoa dia midika avy hatrany fa miakatra ny vola homena an’ireo manamboninahitra ireo.Torak’izany ihany koa ny tombon-tsoa isan-karazany ahafahany manatontosa ny asa nankinina taminy. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia midika ihany koa izao fampakarana grady sy fampitomboana isa ireo manamboninahitra ambony izao fa hitombo ny vesatra eo an-tsoroky ny Fanjakana. Midika ihany koa izany fa mitombo ny vesatra takiana amin’ny vahoaka satria ny vahoaka, amin’ny alalan’ny hetra izay alohany no mandoha ny karaman’ireny manamboninahitra ireny. Izay rehetra izay no ahafahana milaza fa hamelona jeneraly miisa 31 vaovao indray, ankoatr’ireo efa am-perin’asa, ny vahoaka.
Tsara ny mampatsiahy fa nakarina ny tahan’ny fandoavan-ketra ho an’ity taona vaovao 2013 ity. Tafakatra hatramin’ny 11% ny tahan’izany fampakarana ny fandoavan-ketra izany, raha araka ny voalaza ao amin’ny lalana mifehy ny tetibolam-panjakana. Azo heverina arak’izany fa nohon’ny fisian’izao fampitomboina isa ny manamboninahitra ambony ao amin’ny tafika Malagasy izao no isan’ny anton’izany fampakarana ny vola alohan’ny mpandoha hetra izao.
Tsara ihany koa anefa etsy an-danin’izany ny mampatsiahy fa nitaky ny tsy handoha hetra ny miaramila. Nisy mihintsy ny hetsika izay nataon’izy ireo manandrify izany fitakiana ny tsy handoha hetra izany. Raha atao amin’ny teny hafa dia ho zogain’ny Vahoaka Malagasy irery ihany ity fampakarana ny isan’ny manamboninahitra ity. Tsetsetsetsa tsy aritra no hamatrehana etoana izao fanontaniana izao. Mba inona tokoa no mba vitan’ny miaramila sy ny foloalindahy ho an’i Madagasikara nandritra izay 52 nitsanganany izay. Raha lanjaina miaraka ny zava-bitany, etsy an-daniny, sy ny korontana nentiny teto amin’ny firenena, etsy an-kilany, moa hifandaja ve izany? Ankoatr’izay, rahoviana ny Foloalindahy vao mba tsy ho vesatra ho an’ny Firenena intsony? Hatreto tokoa dia vesatra ho an’i Madagasikara ny miaramila, ary izy no isan’ny handoavana vola be indrindra eto amintsika.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...