Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mikatona avokoa ny 70%

29/12/2012

Isan’ireo sehatra nitondra faisana vokatry ny fisian’ny krizy eto amin’ny firenena hatramin’izay niakaran’ny Filoha Rajoelina teo amin’ny fitondrana izay ireo orinasa madinika sy salatsalany eo amin’ny sehatry ny tao-trano sy asa-làlana (BTP) manerana ny Nosy. Mikatona avokoa amin’izao fotoana izao ny 70% n’ireo orin’asa amin’ity sehatra ity amin’izao fotoana izao. Mitaky ny mba hijerena manokana azy ireo, toy izay natao tamin’ny mpitatitra an-drenivohitra ny FPME BTP izay federasiona ivondronan’ireo orinasa miantsehatra amin’ny lafiny tao-trano sy ny asa-làlana.

Madiva ho fongana tanteraka amin’izao fotoana izao ireo orinasa madinika miasa eo amin’ny sehatry ny tao-trano sy ny asa-làlana na ny BTP eto Madagasikara. Raha araka ny fanisana nataon’ny Federasiona ivondronan’ireo orin’asa amin’ity sokajin’asa ity, na ny FPME BTP, dia tapitra nikatona avokoa ny 70% n’izy ireo nandritra iny taona madiva hivalona iny. Ny krizy izay nateraky ny fanonganam-panjakana nisy teto amin’ny firenena no tondroin’ity fikambanana ity ho rangory fototry ny afo nahatonga izao fahavoazana goavana manjo azyb ireo izao. Araka ny nambaran’ny filohan’ity Federasiona FPME BTP ity dia isan’ny antony tsy nazoan’izy ireo asa mihintsy ny fisian’ny fepetra napetrak’ireo mpamatsy vola amin’ny fazoana asa. Fepetra izay manilika tanteraka ireo orin’asa madinika sy salantsalany eo amin’ity sehatra ity. Marihina ihany koa fa nohon’ny tsy fankatoavan’ny fianankaviabe iraisam-pirenena ny fitondrana tetezamita ka tsy nazoana famatsiam-bola momba ireo fotodrafitr’asa mahazatra dia tsy nisy mihintsy ny tolotr’asa ho an’ireny orinasa madinika sy salantsalany ireny hatramin’izany nisian’ny krizy izay. Izany hoe, tsy nisy ny fanamboaran-dàlana izay hany mba ahitan’izy ireny asa; tsy nisy ihany koa ny fanamboarana ireny fotodrafitrasa mahakasika ny fiainambahoaka ireny, toy ny tsena sy ny tobim-pahasalanana n any tiha-drano sy ny hafa ihany koa.
Ankoatr’izay dia isan’ny antony nahafaty ny ankamaroan’ny orinasa amin’ny sehatry ny tao-trano sy ny asa-làlana ihany koa ny falafosan’ny tolo-bidy azoana ireo asa kely hany mba nisy. Ety dia ety arak’izany ny fifaninanana ary ireo orin’asa vaventy hatrany no mahazo ireny tolotr’asa ireny.
Eo anatrehan’izany fahavoazana mianjady amin’ity dehatra ity izany dia nanao antso avo ny filohan’ny FPME BTP, Rasoloarisoa Henri Victor, ny mba hijerena manokana aazy ireo, toy izay natao tamin’ny sehatry ny fitaterana an-drenivohitra. “Tsy tokony hisy ny atao zanak’ikalahafa amin’ny fikatsahana vahaolana mba hialan’ny orin’asa amin’ny fasahiranana manjo azy”, hoy ny nambaran’ity mpandraharaha ity, omaly. Marihina fa vao tamin��ny 29 aogositra ny taona 2011 no nijoro ity fikambanana ity. Mihevitra ny hanao hetsika goavana izy ireo amin’ny volana janoary ho avy io mba hanairana ny fitondram-panjakana hikaroka vahaolana amin’ny fahavoazan’ity sehatra ity.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...