03/01/2013
Hatreto dia tsy misy afa-tsy antoko miisa 10 amin’ireo 343 eto Madagasikara no afaka mandrotsaka kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nisongadina izany tamin’ny tatitra nataon’ny ministeran’ny Atitany, omaly, mikasika ny fiainan’ny antoko politika sy ny fampanarahan-dàlana azy ireo. Fantatra ihany koa ankoatr’izay fa ny 9 janoary izao no fetra farany ahafan’ireo antoko politika manerana ny Nosy mameno ireo fepetra mba hahatonga azy ireo ireo ho ara-dàlana. Nanao tatitra mahakasika ny fanarahan-dàlan’ireo antoko politika eto Madagasikara ny ministeran’ny Ati-tany omaly.
Tamin’izany no nahafantarana fa hatramin’ilay fivoriana nokarakarain’ity ministera ity tamin’ny volana desambra teo ka hatramin’izao dia mbola tsy nisy fivoarana ny momba ireo antoko politika tsy manara-dàlana eto amin’ny firenena. Araka io tatitra io dia tsy misy afa-tsy folo hatramin’izao no mijoro ara-dàlana amin’ireo antoko miisa 343 eto Madagasikara. Raha lazaina amin’iny teny hafa dia tsy misy afa-tsy ireo antoko folo ireo aloha hatramin’izao no afaka mandrotsaka kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny volana mai ho avy izao eto Madagasikara. Raha tsiahivina dia ireo antoko mahafeno ny fepetra amin’izay maha antoko azy izay ihany no tokony hahazo mandrotsaka kandidà amin’ny fifidianana eto Madagasikara. Ity tatitra nataon’ny ministeran’ny Atitany ity ihany koa no nahafantarana fa mbola manana hatramin’ny 9 janoary izao ireo antoko politika ahafahany mameno ireo fepetra takian’ny làlana mba ahafahany mtsangana araka ny tokony ho izy. Marihana fa mahatratra 14 ireo antoko efa nanambara ny fitsanganany tato, indrindra nandritra iny taona lasa iny saingy mbola tsy mahafeno ny fepetra apetraky ny làlana amin’ny maha antoko politika azy izy ireo.
Tsara ny mampatsiahy fa isan’ny fangatahan’ireo filohan’Antoko n any solontenan’izy ireo nandritra ny fivoriana niarahana tamin’ny ministeran’ny Atitany, tamin’ny volana desambra lasa teo ny mba hanemorana an’io fepotoana io ahafahan’izy ireo mampanara-dàlana ny antokon’izy ireo. Ny fahasarotan’ny fepetra takiana amin’izany no nahatonga ity fangatahana fanemorana ity. Mazava arak’ity tatitra avy amin’ny ministeran’ny Atitany ity fa mety tsy hisy izany fanemorana ny fepotoana izany.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.982