Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Nosamborin’ny BC ny andrimasom-pokonolona

04/01/2013

Olona telolahy isan’ireo nanatanteraka ny andrimasom-pokonolona ka nahasamborana mpanakorontana tamin’izany fokontany izany no nosamborin’ny polisy avy amin’ny Brigade Criminelle, omaly. Tao amin’ny fokontanin’Andranomahery Ankorondrano no nisy izany tranga izany izay niteraka ny tsy fahafalian’ny ankamaroan’ny mponina tao amin’izany faritra izany. Araka ny fantatra dia nohon’ny fitarainana nataon’ilay voasambotry ny fokonolona no nahatonga izany fisamborana an’ireto andrimasom-pokonolona ireto izany. Ny fanazavana nataon’ny Sefo Fokontany tany an-toerana no nahafantarana fa nandritra ny fiambenana nataon’ny fokonolona no nahatratrarana ny rangahy anakiray izay nitondra antsibe nanakorontana tao amin’izany tanana izany.

Efa ho andro maromaro nialoha ny nahasamborana an’io lehilahy io no nahatsapa ny fokonolona fa nisy nanakorontana ny tananan’izy ireo. Izany hoe nisy nitoraka ny tafotrano ary nisy nandehandeha ihany koa tamin’izany tafotrano izany. Izay antony izay no nahatonga azy ireo nanao ny fiambenana tamin’ny alina. Nandritra ny fiambenana no nahatratrarana ilay rangahy izay mpanao izany fanakorontanana izany, izay nitondra antsibe teny aminy. Nosamborin’ny fokonolona anefa izy rehefa tratra ka nandritra izany no naharatrany nohon’ny fianjerany tamin’ny vato. Naratra ity lehilehy voasambotry ny fokonolona ity ka tsy nety nandry azy ny mpitandro filaminana tao amin’ny Polisy teny Ankorondrano. Ny fokontany no voatery niantoka ny fitsaboana azy teny amin’ny hôpitaly.
Fantatra ary,omaly, fa nohon’ny fitoriana nataon’ity olona voasambotry ny fokonolona ity dia nisy telo tamin’ireto farany no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny BC. Nambaran’ny Sefo fokontany fa tsy nahafaly ny vahoaka izao fihetsiky ny mpitandro filaminana izao ary mety ahatonga azy ireo hiraviravy tanana amin’ny fitandroana ny filaminana ao amin’ny tanana misy azy.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...