04/01/2013
Tonga niarahaba tratry ny taona vaovao ny ministry ny Foloalindahy sy ny sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimaria ireo jeneraly efa misotro ronono toa ny jeneraly Désiré Ramakavelo, Désiré Rakotoarijaona Jean, Tsaranazy, ny amiraly Rakoto ary ny “contre amiral” Abel Radavidson, … Nampahatsiahy ny zava-nitranga teto amin’ny firenena nandritra ny taona 2009 ireto manamboninahitra misotro ronono ireto, indrindra ny fahitan’izy ireo ny fihetsiky ny Foloalindahy amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana izay heverin’izy ireo fa tafahoatra ary tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy. Ohatra amin’izany ireny fandravana hetsi-bahoaka teny Ambohijatovo ireny, mety tafiditra tao anatin’izany ihany koa ny « opération Tandroka ». Nivohitra nandritra ny fihaonana koa anefa adihevitra manodidina ny fisaraham-bazan’ny Tafika sy ny Foloalindahy. Naverin’ireo manamboninahitra mitàna andraikitra amin’izao fotoana izao tamin’ireo jeneraly sy manamboninahitra misotro ronono ireto anefa izany fanamarihana izany ; voakasika manokana ny jeneraly Désiré Rakotoarijaona sy ny raharaha Kung-fu. Sady lehiben’ny komandin’ny zandarimaria tokoa mantsy ny tenany tamin’izany fotoana no praiminisitra lehiben’ny governemanta. Tsy nisy toa iny fanafihana ny tobin’ny Me Pierre Be teny Manjakaray iny angamba raha mbola fampiasana fitaovam-piadiana teo amin’ny sivily sy ny miaramila satria nandrava ny TTS, tobin-jiolahin’ny fanjakana tetsy amin’ny Pochard ireo tanora mpanao kung-fu.
Etsy an-danin’izany, tsy miaramila na manamboninahitra fotsiny intsony ireto jeneraly misotro ronono ireto fa mpanao politika. Misy amin’izy ireo aza lehibe mpanorina antoko politika mihitsy kanefa izay fampidirana ny resaka politika ao anatin’ny Foloalindahy izay indrindra no tena loza mitatao ho an’ny Tafika Malagasy. Tsy midika akory izany fa tonga lafatra ny ataon’ireo mpitantana sy tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy amin’izao fotoana; heverina mihitsy aza fa tena ilaina ny fampahatsiahana ireo tomponandraikitra hisorohana izay loza mety hitranga. Mendrika ny ho eo amin’izany toeran’ny mpananatra izany ve anefa ireo jeneraly misotro ronono ireto?
Nozarana “bonbons” avokoa ireto manamboninahitra nisotro ronono ireto taorian’ny fihaonana. Asa anefa raha mba azon’izy ireo an-tsaina ny dikan’izany vatomamy izany na tsia? Toa midika mantsy izany hoe “mandehana mikarakara zafikely ary aza mitsabatsabaka amin’ny fibaikoana na ny fomba fitantanan’ireo manamboninahitra am-perinasa ny tontolon’ny Tafika sy ny Foloalindahy!”.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.468