05/01/2013
Nitondra ny fahitan’izy ireo ny làlana mifehy ny tetibola mandritra ny taona 2013 ny antoko MFM. Araka ny nambaran’izy ireo dia ny 95%n’ny volam-panjakana dia lanin’ny fanjakana foibe avokoa. Tsy misy afa-tsy ny 5% no azon’ny Komina ampiasaina. Izany hoe miangatra ny fitantanana ny volam-panjakana araka ny fahitan’izy ireo izany.
Nambaran’ny MFM ihany koa fa raha dinihina ny fitantanam-bola vaovao dia hita fa misy vola 30 miliara ariary natao ho an’ny Air Mad sy ny Secren. Raha araka ny tokony ho izy anefa dia mahavelon-tena ireo orin’asa ireo ka tsy tokony ho totofana amin’ny hetra alaina avy amin’ny vahoaka ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ao aminy, araka ny fahitan’ny MFM azy. Nambaran’ny MFM ihany koa fa efa nitondra fanankianana izany teo amin’ny parlemanta izy ireo nandritra ny fandinihana izany teti-bola izany saingy tsotra ny navalin’ny minisitry ny vola dia ny hoe: “izahay aloha izao no eo amin’ny fitondrana fa rehefa ianareo no tonga eo dia hamiaro ny hevitra tsara avy any aminareo”. Nomarihan’ny filoha nasionalin’ny MFM ihany koa fa araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena dia tsy mitsaha-mitotongana ny teo-karena eto Madagasikara, ary miha-mahantra ny vahoaka Malagasy hatramin’ny taona 2009 no mankaty. Izay no zava-dratsy nateraky ny fanonganam-panjakana, hoy izy.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan���i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.813