Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Aiza ny sendikan’ny Mpitsara SMM ?

07/01/2013

Ho feno herintaona izao ny nanatanterahana ilay fikahonandohan’ny Mpitsara tetsy amin’ny lapan’ny Fitsarana Tampony, namakiana bantsilana ireo lesoka rehetra manodidina ny tontolon’ny Fitsarana eto amintsika izay nivoahana tsaokevitra maromaro, nandraisan’ireo hery velona maro samy hafa anjara. Nivohitra tamin’izany ny tsy faneken’ny Mpitsara intsony ny tsindry aloka sy ny baiko avy amin’ny Fahefana mpanatanteraka, fototry ny tsy fahaverezan’ny fitokisan’ny olom-pirenena ny Fitsarana eto amintsika, indrindra ny didim-pitsarana izay havoaka amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy. Herintaona anefa izao, tsy vitan’ny sendikan’ny Mpitsara (SMM) ny namoaka tamin’ny fomba ofisialy izany tsaokevitra izany; tsy mety manao sonia io tsaokevitra io ihany koa ny ministry ny Fitsarana, Christine Razanamahasoa. Tranga maro anefa no niseho tato anatin’ny iray volana, izay mampibaribary fa tsy manana ny fahaleovantenany ny Fitsarana eto amintsika.

Tsy to teny
Namoaka « mandat d’amener » ho an’ny filohan’ny antoko Masters, Alain Ramaroson, ny Fampanoavana noho ity farany tsy mety mamaly ny fiantsoan’ny zandarimariam-pirenena noho ny heloka izay hanenjahana, araka ny fitoriana napetraky ny VPM, Hajo Andrianainarivelo. Niverin-dalana tamin’ny didy izay navoakany anefa ny Fampanoavana, rehefa nanangam-peo ireo mpanao politika ka nilatsaka ny baiko avy any Ambohitsorohitra. Mpanatanteraka baiko fotsiny ihany ny mpitandro filaminana, koa rehefa nihemotra tamin’ny fanapahan-keviny ny Fitsarana, satria tsy to teny intsony ary tsy manana ny fahaveovantenany, dia mba niverin-dalana ihany koa ny mpitandro filaminana. Tsy misy azo hanomezan-tsiny ny VPM, Hajo Andrianainarivelo mihitsy rahatoa ka tsy nankasitrahany iny fanapahan-kevitra noraisina manodidina ny raharaha Alain Ramaroson iny. Ny tenany rahateo efa niatrika ny fakàna am-bavany, araka ny fitoriana izay napetraky ny filohan’ny antoko Masters. Fa taiza kosa ny SMM nandritra izany fotoana izany; tafiditra tao anatin’ny adihevitra manodidina ny olana hatrehan’ny Mpitsara tokoa mantsy iny raharaha iray iny!
Mitanila
Mazava ny fanambarana nataon’ny mpisolovavan’ny Free FM, Lalatiana sy Fidèle nandritra ilay valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety fa tsy nahafantatra ny fisian’ny Fitsarana momba azy ireo mihitsy ny olona izay harovany. Azo atao tsara izany eto amintsika ny mitsara sy mamoaka didim-pitsarana an-kiafina hanamelohana olona iray ? Amin’ny alalan’ny antso an-tariby nataon’ireo namaky ny gazetim-panjakana mpiseho isan’andro, no hafantaran’ny voampanga fa voaheloka hisazy an-tranomaizina ny tenany! Moa va tsy endrika fitanilàna izany fihetsika izany ary mba aiza eo anatrehan’izany rehetra izany ny SMM?

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...