Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mbola hanao inona eny Iavoloha ?

08/01/2013

Hotanterahana eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha rahampitso, ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona 2013 avy amin’ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina mivady. Nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao anefa ny fanambarana avy amin’ny fiadidiana ny prezidansa, izay milaza ny tsy fahazoana manao kabary politika mandritra ity lanonana ity. Mandritra io fotoana io, araka ny fanambarana hatrany, no hanaovan’ny filoha Rajoelina jery todika ny taona 2012 ary ka hilazalazany izay kinendry amin’ity taona 2013 ity. Fanapahan-kevitra Nody tsy re tsaika an-tanindrazana omaly ny filoha Rajoelina rehefa avy nanao taom-baovao tany ivelany.

Toa handiso fanantenana ny mpanara-baovao anefa ny kabary hataon’ny filohan’ny Tetezamita mandritra ity lanonana izay hatao eny Iavoloha ity, raha tarafina avy amin’ilay fanambarana avy amin’ny sampan-draharaha misahana ny serasera eo anivon’ny prezidansa. Ny filoha Rajoelina irery ve izany no handray fitenenana ; amin’ny maha filohan’ny Tetezamita azy koa ve no hitondrany fanazavana ny amin’izay vinavina ho amin’ny taona 2013 (…l’occasion sera offerte au chef de l’Etat pour dresser le bilan 2012 et les perspectives 2013 pour Madagascar) ? Ny fanapahan-kevitry ny filoha Rajoelina manoloana ireo fepetra efa noraisin’ny SADC (Ni…Ni) sy ny filazan’ny Lafrantsa azy ho « mbola tanora loatra » no andrasan’ny olom-pirenena fa tsy vinavina (perspectives) velively. Raha izay mantsy no izy dia tsy mampametra-panontaniana ny hisian’ny fifidianana amin’ny volana may 2013 ary ny fahataperan’ny Tetezamita amin’ity taona 2013 ity.
Tsy hiova
Tsy hiova amin’ny heviny mihitsy araka izany ny filoha Rajoelina. Mampametra-panontaniana mitovy amin’izany koa anefa ny fihetsiky ny vondrona Ravalomanana Marc ; fanapahan-kevitra ihany koa no andrasan’ny mpanara-baovao avy amin’izy ireo. Tsy mbola ampy iray volana akory mantsy izay no nilazan’ny filoha Rajoelina tamin’ny hainoamanjery vahiny fa nikotrika fanonganam-panjakana miaramila in-telo ny filoha teo aloha nandritra ny Tetezamita, manamafy ny tsy hisian’ny marimaritra iraisana intsony eo amin’izy mirahalahy mianaka. Iray volana talohan’izany anefa no nampangain’ny Foloalindahy ny ministry ny Fiompiana, Ihanta Randriamandranto sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ho tao ambadiky ny raharaha Remenabila, niteraka hatezerana teo amin’ny ankolafy ka nanambaran’ny filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita, Mamy Rakotoarivelo, ny tsy handeferan’izy ireo intsony manoloana ny fihetsiky ny mpitondra. Mbola hanao inona eny Iavoloha araka izany ny vondrona Ravalomanana ?

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...