09/01/2013
Nokianin’ny Profesora Raymond Ranjeva ny filazana fa tsy hanao kabary politika ny filohan’ny Tetezamita mandritra ny fifampiarahabana eo amin’ireo andrim-panjakana sy ny masoivoho vahiny izay ho tontosaina androany eny Iavoloha. Araka ny hevitr’ity mpitsara iraisam-pirenena ity dia adidin’ny mpitondra ny manazava ny saim-bahoaka sy milaza mazava amin’ireto farany ny toe-draharaha ara-politika eto amin’ny firenena. Nokianiny ihany koa ny firosoana amin’ny fifidianana izay nambarany fa tsy ho azo antoka hatramin’izao. Mitaky ny fialàn’ny Tetezamita arak’izany ny tenany.
Misy dikany avokoa, hoy ny mpitarika ny hetsika Vonjy Aina, ny Profesora Ranjeva Raymond, ny fahanginana sy ny fitenanana raha ny tontolon’ny politika no resahina. Misy antony ara-politika arak’izany , raha toa ka nisafidy ny tsy hanao kabary politika ny Filohan’ny tetezamita mandritra ny fifampiarahabana tratry ny Asaramanitra hatao eny Iavoloha androany. Arakan y hevitr’ity mpitsara iraisam-pirenena ity anefa dia fihetsika tsy mendrika ny vahoaka Malagasy izany satria nyvanim-potoana toy izao indrindra no iandrandran’ireto farany ahafantatra mazava tsara izay tian’ny fitondrana hitondrana ny firenena. « Adidy amin’ny vahoaka, hoy izy, ny filazana amin’izy ireo an’izany andrasany ». Marihina fa tamin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny fiadidiana ny Tetezamita no nandrenesana fa tsy hanao kabary politika ny Filohan’ny tetezamita mandritra io fifampiarahabana tratry ny Asaramanitra androany io. Isan’ny andrasan’ny mpanara-baovao maro anefa ny hilazan’ny Filohan’ny tetezamita ny momba ny fanampahan-keviny manoloana ny fitakian’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny tsy filatsahany ho fidina amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona ity.
Ankoatr’izay dia isan’ny votoatin’ny fanambarana izay nataon’ny Profesora Ranjeva omaly ihany koa ny fitakiana ny fialan’izao fitondrana tetezamita izao. « Ampy izay fa tokony hatsangana haingana ny tetezamita vaovao izay tetezamita tsy miandany », hoy ny nambaran’ity mpitarika ny hatsika Vonjy aina ity. Nambaran’ny Profesora Ranjeva Raymond ihany koa fa tsy azo antoka ny fahatontosana araka ny tokony ho izy ny fifidianana izay kasaina hatao amin’ity taona ity. Antony samihafa no nahatonga ny Profesora hilaza fa tsy azo antoka ity fifidianana kasain’ny Fitondrana tetezamita hatao ity. Isan’izany ny fahitana fa tsy mahaleo-tena tena tanteraka ny Vaomieram-pirenen’ny Fifidianana na ny CENIT. Eo ihany koa ny olana ara-bola sy ny tsy fisian’ny enti-manan’ity vaomiera ity.Noraisiny ho ohatra tamin’izany ny fitsapan-kevibahoaka izay natao farany teo teto Madagasikara izay vao maika nampiditra an-tsika lalindalina kokoa tamin’ny krizy. Nambarany mazava tsara ary fa tsy vahaolana amin’ny krizy io fifidianana kasain-katao amin’ny volana desambre io.
Marihina fa teny amin’ny foiben-toeran’ny Hetsika Vonjy Aina tetsy Antsahabe no nanaovan’ny Profesora Ranjva izany fanambarana izany omaly.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...
Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...
Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...
Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...
Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...
Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...
Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.151