10/01/2013
Samy nanasongadina ireo antony tokony hirosoana amin’ny fialana amin’ny krizy avokoa n any filohan’ny Kongresin’ny tetezamita na ny Filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, na ny Lehiben’ny Governemanta. Fitanisana ireo zava-bitan’ny fitondrana, tsy fankatoavany ny faneriterena ny safidin’ny Malagasy, ary ny tsy rariny amin’ny fifanarahana nifanaovana tamin’ny orin’asa Ambatovy sy ny fanjakana Malagasy kosa no isan’ny nisongadina tamin’ny lahatenin’ny filohan’ny Tetezamita. Ankoatr’izay dia nisy ireo fampanantenana hanorina fotodrafitrasa vaovao miampy ny fampandraisana anjara ny Governemanta amin’ny fanondrotana ny karaman’ny mpisam-panjakana. Tsy nasiany resaka kosa ny mikasika ny fasahiranam-bahoaka sy ny sondro-bidim-piainana, na dia samy niresaka izany avokoa aza ireo lehibena andrim-panjakana hafa.
Nifanipaka tanteraka ny votoatin’ny kabary izay nataon’ny filohan’ny tetezamita tetsy an-daniny ary ireo lehibena andrim-panjakana hafa tetsy an-kilany, nandritra ny lanonana omaly teny amin’ny lapam-panjakan’Iavoloha. Raha samy niresaka momba ireo fepetra tokony apetraka amin’ny fialana tanteraka amin’izao krizy izao ireo filohana andrim-panjakana dia ny fitanisana ny zava-bitany kosa no nanompanan’ny filohan’ny tetezamita ny lahateny nataony. Tsy isalasalana, arak’izany ny milaza fa maro tamin’ny vahoaka Malagasy no diso fanantenana tamin’ny kabary nataon’ny Filohan’ny tetezamita nandritra ny fifampiarahaban’ny andrim-panjakana, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Satria raha nisy ny nanamarika indrindra ny fiainam-bahoaka nandritra iny taon-dasa iny, dia isan’ny voalohany amin’izany ny fitotongan’ny farim-piainan’ny ankamaroan’ny Malagasy vokatry ny krizy lavareny misy eto amin’ny firenena. Manamafy izany ireo tatitra samihafa, na nataona fikambanana iraisam-pirenena na fikambanana eto an-toerana, mahakasika izay fitongonganan’ny fahefamividin’ny isan-tokatrano izany. Tsy nasian’ny Filohan’ny tetezamita resaka na kely aza ny momba izany, indrindra ny ezaka mety irosoana mba hialana amin’izany krizy izany. Ankoatr’izay dia tsy nasian’ny filohan’ny tetezamita fanazavana ihany koa ny mikasika ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalemana izay mahazo vahana tanteraka eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Ny hany noresahany dia ny tsy fanekeny ny tsikera mahakasika ny fisian’ny tsy fanajana ny zon’olombelona eto Madagasikara.
Hilatsaka ho fidina
Tsy isalasalana ihany koa ny milaza fa tsy najain’ny filohan’ny Tetezamita ny filazana navoakan’ny Fiadidiana ny Tetezamita izay nanambara fa tsy hanao lahateny manana endrika fanambarana politika ny tenany mandritra iny lanonana iny. Araka ny niarahan’ny rehetra nandre dia nanakiana ny fanerenan’ny sehatra iraisam-pirenena ny safidin’ny Malagasy ny tenany. “Kanefa tokony ho fantatrao ry Malagasy Namako, fa ny kajikajy pôlitika sy stratejika, volavolain’ny sasany ankehitriny any ambadimbadika any, dia tsy mamela antsika handroso ankalalahana. Amiko dia manan-jo hisafidy izay tiany ny Malagasy. Ka tsy olona iray na roa, na antokon’olona vitsy, na Firenena avy any ivelany, no handidy sy hanapaka mikasika izay fomba hitondràna ity Firenentsika ity sy ny olona tokony hitantana azy”, hoy ny lahatenin’ny Filohan’ny tetezamita. Fanambarana izay miendrika politika fa tsy araka ny nambara tamin’ny fampitam-baovaon’ny fiadidiana ny tetezamita. Fanambarana izay midika ihany koa fa vonona ny hirotsaka ho kandida ny tenany na dia eo aza ny fandresan-dahatra nataon’ny fianankaviambe iraisam-pirenena izay milaza fa tokony tsy hilatsaka amin’izany ny tenany.
Pasin-drafilahy
Isan’ny nanaitra ny mpanara-baovao maro ihany koa ny fahitana fa misy fifanoherana ny zavatra sasany nambaran’ny Filohan’ny Tetezamita. Nilaza ny tenany fa hanorina làlana vaovao hampitohy ny seranam-piaramanidina Ivato sy ny Renivohitra mba hialana amin’ny fitohanana. Tetsy an-daniny anefa dia niantso ny Governemanta hikaroka hevitra hanondrotana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ny tenany. Mampametram-panontaniana ny maro ny mikasika ireo fanambarana ireo satria raha dinihina lalina ny momba izany dia hita fa tsy nila ny fiaraha-midinika tamin’ny Governemanta ny Filohan’ny tetezamita amin’ny raharaha momba ny fanarenana foto-drafitrasa izay inoana fa efa azoantoka ny fatanterahany. Nalefany any amin’ny Governemanta sy ny Praiminisitra kosa ny raharaha rehefa hitany fa sarotra sy mety hitarika fahatezerana ho an’izay voakasik’izany. Fingana: izay no nandraisan’ny mpanara-baovao izay fihetsiky ny filohan’ny tetezamita izay.
Mbola isan’ny fifanoherana eo amin’izay voalazan’ny filohan’ny tetezamita ihany koa ny fitsikerany ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny tetik’asa Ambatovy. “Fantatrao ve fa 1% fotsiny, no mba hany anjaran-tombotsoan’ny Vahoaka Malagasy, amin’ny vokatry ny fitrandrahana NICKEL sy COBALT, izay isan’ny harembe sesehena ananantsika? Mitentina “1,5 Milliards de dollars” isan-taona ny vola hiditra amin’izany fitrandrahana izany, nefa dia “15 Millions de dollars” fotsiny no mankaty amin’ny Vahoaka Malagasy. Tsy vitan’izany, lazaina fa “5 Milliards de dollars” ny vola nampiasaina tao, na atao hoe “investissement”. Raha ataontsika izany ny kajikajy tsotsotra, dia eo amin’ny 3 na 4 taona eo fotsiny dia efa tafaverina ny renivolany, ary dia tombontsoa mihoampampana no ho raisin’ireo Mpitrandraka mandritry ny taona maro aorian’izay”, hoy ny lahatenin’ny Filohan’ny tetezamita. Tsy azo odian-tsy hita anefa fa vao tsy ela akory izay dia ny filohan’ny tetezamita mihintsy no nitokana ny fanombohan’ny asa famokarana ao amin’izany tetekasa izany. Fihetsika izay midika fa miombon-kevitra amin’ny fanatanterahana an’io tetikasa io ny tenany.
Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...
Lire la suite
Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...
Lire la suite
Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ... Lire la suite
Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...
Lire la suite
Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...
Lire la suite
Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...
Lire la suite
Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ... Lire la suite
Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ... Lire la suite
Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ... Lire la suite
Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ... Lire la suite
Visiteurs
612.346