Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Very an-javony hatreto

11/01/2013

Efa-bolana katroka mialoha ny datin’ny fifidnana, roa volana katroka mialoha ny hamoahan’ny governemanta ny didim-panjakana miantso ny mpifidy, mbola tsy tafatsangana ihany ny Filan-kevitra Fampihavanana Malagasy. Araka ny re dia hivory amin’ity androany ity ny komity mpanara-maso momba ny fampiharana ny Tondrozotra izay nanankinan’ny Governemanta ny fananganana an’ity rafitry ny FFM ity taorian’ny tsy fankatoavana ny vokatry ny asan’ny CNOSC sy ny Ray amandreny Mijoro ary ny Finoana.Mbola hahatontosa ny asa tokony hataony ve ny Filankevitra fampihavanana Malagasy n any FFM raha toa ka tafatsangana soamantsara ihany? Io no fanontaniana apetraky ny rehetra amin’izao fotoana izao manoloana ny mbola tsy fitsanganan’ity rafitra ity.

Efa tany amin’ny volana mai tamin’ny taon-dasa no tapaka tao an’ivon’ny parlemantan’ny tetezamita ny volavolan-dàlana manangana izany rafitra izany izay isan’ireo nifaraharana tao anatin’ny Tondrozotra ihany koa ao amin’ny andininy faha 25 sy 26 ary 27. Raha tsiahivina dia ny Filankevitra fampihavanana Malagasy no isan’ireo rafitra na andrim-panjakana hanankinana ny famerenana ny filaminana sy ny fifanarahana ary ny fihavanam-pirenena eto amintsika.
Amin’izao efa-bolana mialoha ny fanatanterahana ny fifidianana izao, sy amin’izao roa volana sisa mialoha ny tokony hamoahan’ny Governemanta ny didim-panjakana miantso ny mpifidy izao anefa dia mbola tsy tafatsangana ihany ity andrim-panjakan’ny tetezamita ity. Tsiahivina fa efa nisy ihany ny dingana nataon’ny fiarahamonim-pirenena, nahitana ny CNOSC sy ny ray aman-dreny Mijoro ary ny Finoana tamin’ny fananganana izany rafitra izany. Efa nisy mihintsy aza ny anaran’olona izay navoakan’ny komity mpisafidy natsangan’ireo fiarahamonim-pirenena ireo izay handrafitra izany andrim-panjakana izany. Tsy nankatoavin’ny Governemanta anefa ny asa nataon’izany komity mpanangana ny FFM izany ka nankinina tamin’ny CSC na ny Komity mpanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra ny raharaha. Hatramin’ny volana oktobra no nanankinana tamin’ny CSC izany asa izany. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny loharanom-baovao dia hivory indray androany ny mpikambana ao amin’ny CSC , hamaritra ny dingana harahina amin’ny fandrafetana an’ity rafitra ity. Dingana izay mbola tsy azo vinavinaina hatreto ny amin’izay mety ho faharetany. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa araka ny nambaran’ny mpikambana iray avy ao amin’ny CSC dia nohon’ny tsy fitovian-kevitra amin’ireo fiarahamonim-pirenena no mampitarozaka ny fandrafetana an’ity FFM ity.
Na izany na tsy izany raha ny fahateren’ny fotoana miohatra amin’ny asa miandry izany rafitra izany araka ny voalazan’ny tondrozotra sy ny làlana nolanian’ny parlemantan’ny Tetezamita dia sarotsarotra ihany ny hino fa hisy vokany azo antoka eto amin’ny firenena amin’ny fialana amin’ny krizy ny fitsanganan’ity rafitra FFM ity. Tsy isalasalana tokoa ny milaza fa hiasa am-pahamehana izany rafitra izany mialoha ny fanatanterahana ny fifidianana, raha toa ka mbola heverina fa ilaina ny fampihavanana mialoha an’izany fifidianana izany.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...