12/01/2013
Nanamafy ny filatsahany ho kandidà filoham-pirenena tetsy amin’ny Hôtel du Louvre, ny filohan’ny antoko MAMIMI (Malagasy Miray sy Mifankatia), tarihan’i Hasina Rakotoaritsifa. Nofaritany tao anatin’ny teny fohy ny vina sy ny tanjon’ny MAMIMI. Nisongadina tamin’izany ny fialan’i Madagasikara eo ambany vahohon’ny vahiny ary ny fitantanana ireo harem-pirenena maro ka nilazan’ny filohan’ity antoko ity fa azo atao tsara ny manarina ny fiainan’ny Malagasy ao anatin’ny fotoana fohy, hiala amin’izao fahantrana lalina izao. Nasiany tsindrim-peo tamin’izany fa azo atao tsara ny manarina ireo fifanarahana ara-pitrandrahana tsy nitondra tombotsoa ho an’ny Malagasy. Voarakitra ao anatin’ny vinam-piaraha-monina (projet de société) nampitondrana ny anarana Programa Josefa izany rehetra izany. Foto-kevitra mifantoka amin’ny fatahorana an’Andriamanitra sy ny fifanomezan-tanan’ny samy olom-pirenena no hijoroan’ny antoko, izay manana mpikambana (members actifs) manodidina ny 500. Nivohitra nandritra ny lahatenin’ny filohan’ny MAMIMI ihany koa ny fanadiovana ny tontolo politika sy fitantanana.
Manomana ny olom-pirenena
Mitory ny fifamelan-keloka ny antoko MAMIMI ary miantso ny olom-pirenena tsy an-kanavaka hiomana sahady hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena. Manam-pikasana hamory ireo kandidà rehetra ho amin’izany hazakazaka masina izany àry ity antoko iray ity mba hiara-mijery sy hiara-mandinika izay tokony hatao hahatontosa an-tsakany sy an-davany izany fifidianana izany. Nanambara moa ny filohan’ny antoko, Hasina Rakotoaritsifa, fa manana ny ampy indrindra ny ara-bola hiatrehana izany ny MAMIMI; nomarihany koa fa tsy misy vola avy amina firenena vahiny izany fa volan’ny samy Malagasy tsotra izao. Tsy ny valim-pifidianana fotsiny ihany tokoa no tokony ho eken’ny rehetra. Miainga aty amin’ny dingana farany ambany indrindra dia tokony efa hisy izay fifanekena eo amin’ny samy kandidà sy antoko politika hifanandrina amin’ny fifidianana. Raha tsorina ny resaka, dia tokony ho mitovy tantana avokoa ny kandidà isan-tsokajiny. Toa maha kely finoana ihany anefa izany rah any zava-boalazan’ny ministry ny Serasera, Harry Laurent Rahajason. Tsy hanana anjara toerana ao amin’ny TVM sy ny RNM mihitsy mantsy ny mpanohitra, na izao antoko mety ho mpifanandrina amin’ny filoha Andry Rajoelina sy ny antoko TGV.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.147