14/01/2013
Ny fandinihina ny fandehan-draharaha amin’izao fotoana izao miohatra an’ireo izay nambaran’ny Filohan’ny tetezamita tamin’ny fahatongavany avy niatrika ny fiantsoan’ny Troika azy tany Dar es Salaam no ahafahana milaza tsy amim-pihambahambana fa tapi-dàlan-kaleha tanteraka ny tenany. Satria raha tena mahatoky tena ho manana ny fanohanan’ny vahoaka Malagasy maro an’isa ny tenany dia tsy niandry ny hevitry ny mpanolon-tsaina sy ny mpiara-dàlana aminy akory hanambarany ny filatsahany ho fidina ho filoham-pirenena.
Tsy isalasalana ny milaza fa tapi-dàlan-kaleha tanteraka amin’izao fotoana izao ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Ny teny nambarany teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no isan’ny ahitana taratra fa tsy mahatoky tena intsony izy amin’izao fotoana izao ka voatery haka hevitra amin’ireo mpiara-dàlana aminy sy ny mpiray antoko aminy, na dia nilaza mazava tsara aza fa anjaran’ny vahoaka Malagasy manontolo no manendry izay tiany hitarika azy. Izany hoe raha tena mahatoky tena tokoa ny filohan’ny tetezamita, ka mihevitra fa manosika azy hilatsaka ho fidina ny ankamaroan’ny Malagasy dia tsy niandry na dia iray ministra akory ny tenany fa avy hatrany dia nanambara ny filatsahany ho fidina filoham-pirenena. Tsy izany anefa, araka ny iarahan’ny rehetra mahalala ny nataony fa mbola nampiandry, ary nilaza fa mbola handinika sy hangataka ny hevitr’ireo mpanara-dia azy.
Etsy an-danin’izany dia tsy isalasalana ihany koa ny milaza fa tsy maintsy nanamafy ny fanampahan-keviny amin’ny tsy famelana azy mirahalahy tsy hilatsaka ho fidina amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fianankaviambe iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny SADC. Sarotra dia sarotra ny hino fa mety hiova hevitra indray ny SADC ka hilaza fa mahazo milatsaka izy ireo. Manamafy izany ny fanamafisan’ny filohan’ny tetezamita fa anjaran’ny Malagasy amin’ny maha tany manana ny fiandrianam-pirenena azy no manapa-kevitra momba izany. Midika izany fa manohitra tanteraka ny filatsahan-dRajoelina ho fidiana Filoham-pirenena ny SADC ka mitady irika amin’ny fanindraindrana ny fiandrianam-pirenena indray ny tenany. Tokony tsy hadinon-dRajoelina anefa fa efa niova hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana nataony tamin’ny taona 2009 ny fijerin’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny momba izany fiandrianam-pirenena izany. Ary tsy vitan’izany fa tsy azo iodivirana ny fifanarahana iraisam-pirenena izay tsy mamela velively ny mpanongam-panjakana hilatsaka amina fifidianana filoham-pirenena n’aiza n’aiza maneran-tany.
Tsy misy azon-dRajoelina antenaina amin’ny fahafahany manazava ny filatsahany ho fidina arak’izany, afa-tsy ny fanaovana tery vay manta ihany. Tsy ho ampy handreseny lahatra n’iza n’iza rahateo ny fisian’ireo foto-drafitrasa izay notokanana sy ho tokanana ato ho ato ka ilazana fa mitaky ny filatsahany ho fidina ho filoham-pirenena ny vahoaka.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.277