Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Nisaran-dalana ny TGV sy ny MDM

15/01/2013

Niarahaba ireo masoivoho vahiny ary ireo vondrona iraisam-pirenena monina sy mipetraka eto Madagasikara, tratry ny taona 2013, tetsy amin’ny Carlton Madagascar, ny ministry ny Raharaham-bahiny, Pierrot Rajaonarivelo mivady. Nisongadina nandritra ny kabary nataon’ny filohan’ny antoko MDM tamin’izany fa mila ny fanampian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary tsy afaka ny hitoka-monina manoloana ny famahana ny krizy ny Malagasy na dia misy aza ireo minia mandà sy mitsipaka izany. Nivohitra nandritra ny lahatenin’ny ministry ny Raharaham-bahiny fa ny fampanjakana ny demôkrasia sy ny fitondrana tsara tantana no anisan’ny antoka lehibe andrasan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanampiana an’i Madagasikara hivoaka amin’izao krizy izao. Nosinganiny manokana tamin’izany ny SADC, ny COMESA, ny vondrona Eoropeana, ny vondrona Afrikana, ny N.U, ny OIF ary ny COI na dia ireo aza ireo fihetsika ataon’ny sasany etsy sy eroa amin’izao ankatroky ny fifidianana izao. Voafaritra mazava ao anatin’ny Tondrozotra, araka ny voalazan’ny toko I, andininy faha-8 rahateo koa moa ny tsy maintsy hametrahana fitantanan-draharaham-panjakana azo antoka hiantoka ny hisian’ny fifidianana madio sy mangaraharaha.

Nasian’ny minisitra tsindrim-peo manokana ihany koa ny voalazan’ny toko faha-III ao amin’ny Tondrozotra, mikasika ny famelan-keloka ho an’ireo rehetra voakasiky ny krizy 2002 sy 2009. Tsy mbola nasian’ny filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, resaka nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra mihitsy anefa izany, hoy hatrany ny minisitra Pierrot Rajaonarivelo. Namerina nampahatsiahy ny voalazan’ny andiny faha-43 ao amin’ny toko faha-IV ny Tondrozotra ny ministry ny Raharaham-bahiny. Voalaza ao anatin’izany mantsy ny handraisana sazy ho an’izay rehetra minia mandika ny fifanekena izay efa navadika ho lalàna hifehy izao Tetezamita izao, dia ny Tondrozotra izany. Natsidiky ny filohan’ny antoko MDM tamin’izany moa ny fanapahan-kevitra noraisin’ny SADC ny amin’ny tsy tokony hilatsahan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina.
Atsimo sy avaratra
Tsy takona nafenina nandritra iny lanonana fiarahabana tratry ny taona ho an’ireo masoivoho tetsy amin’ny Carlton iny fa nisara-dalana tanteraka ny filohan’ny antoko TGV sy ny MDM. Mifanao atsimo sy avaratra ny kabary nataon’ny filoha Rajoelina teny Iavoloha sy ny kabarin’ny minisitra Pierrot Rajanaonarivelo tetsy amin’ny Carlton. Raha niompana bebe kokoa tamin’ny fitanisana ireo « zava-bitany » sy ny « maha izy azy » ny filohan’ny Tetezamita, namaky ady tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena rahateo, dia ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy ny fianakaviambe kosa ny an’ny ministry ny Raharaham-bahiny. Raha mbola nijanona teo amin’ny fihantsiana ny hafa sy ny fanohizana ireo tetikasa heveriny hambaboana vahoaka ny filohan’ny HAT, dia ny fampiharana ireo andininy maro voalazan’ny Tondrozotra hirosoana amin’ny fifidianana ny an’ny filohan’ny MDM. Raha mbola fanamafisana ny jadona sy ny fanitsakitsahana ny demôkrasia no lahatenin’ny filohan’ny Tetezamita, dia firariana ny hisian’ny tena demôkrasia sy ny fanjakana tsara tantana kosa ny an’ny minisitra Pierrot Rajaonarivelo. Nazava tsara tamin’ny alalan’ny kabarin’izy mirahalahy ireto ny manana fahavonana hivoaka amin’izao krizy izao ary ny minia mifikitra amin’ny sezany sy matahotra ny hiatrika ny fitsaram-bahoaka, dia ny fifidianana izany. Fehiny, efa mifantoka amin’ny fifidianana sy izay fomba ahafahana manatanteraka azy avokoa ny antoko politika rehetra manana rafitra sy fototra manerana ny Nosy. Misy anefa ireo izay mitady hevitra hafa mifanohitra amin’izany. Iza no tsy mahalala fa na ny CENI-T izay miantoka ny fanomanana ny fifidianana aza tsy afaka ny hiasa ara-dalana raha tsy misy ny fanampiana ara-pitaovana, indrindra ny ara-bola avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ny fihantsiana ady amin’izy ireo dia midika ho fisakanana ny fanomezan-tanana, izany hoe mba tsy hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...