Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tsy mila an-dRajoelina ny mpiasam-panjakana

16/01/2013

Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpana gazety tetsy amin’ny CLT Tsiadana ny F3M na Fiaraha-mientan’ny mpiasam-panjakana Malagasy. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa manome 48 ora ny fitondrana izy ireo handray fanapahan-kevitra manoloana ireo fitakiana izay efa nahazo ny fankatoavan’ny Filan-kevi-panjakana, momba ny fampitoviana ny karaman’ny mpiasam-panjakana (alignement de la grille indiciaire) izay tsy mbola nisy valiny hatramin’izao. Dila io fe-potoana voalaza io dia hiroso amin’ny fampikatsoana sy fikomiana (désobéissance) tanteraka amin’izay ny mpiasam-panjakana, araka ny nambaran’ny mpandrindra ao amin’ny F3M. Fidinana an-dalambe eny amin’ny kianjan’ny 13 may no tanjona farany amin’izany hetsika izany. Tafahoatra ny fihetsika ataon’ny fitondrana Rajoelina, hoy ihany izy ireo, toa ny fandroahana mpiasam-panjakana, fanapahana karama raha tsy hiteny afatsy ny Paramed sy ny Sempama ary ny famindran-toerana tsy ara-dalana.

Nomarihan’izy ireo hatrany koa fa tsy filoham-pirenena araka ny nambaran’ny RNM sy ny TVM akory Andry Rajoelina; nangatahan’ny F3M fanazavana rahateo koa ny fiavian’ny volan’ny filohan’ny Tetezamita. Manam-pikasana hihaona amin’ny SADC moa ity Fiaraha-mientan’ny mpiasam-panjakana Malagasy ity, hitondran’izy ireo porofo amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena. Hametraka taratasy ho an’ny praiminisitra Omer Beriziky kosa izy ireo androany amin’ny 9 ora eny Mahazoarivo.
Fifidianana
Tsy ny fampihodinana ny milina eo anivon’ny asam-panjakana ihany no hikatso rahatoa ka miroso amin’izay fikomiana tanteraka izay ny mpiasam-panjakana fa indrindra koa ny fifidianana amin’ny volana may 2013. Hentitra anefa ny F3M fa tsy hampihemotra azy ireo velively ny mety hisiana na tsia ny fifidianana vokatry ny fitokonana faobe heverin’ny mpiasam-panjakana hatao. Fanovàna hoy izy ireo no nifanarahana tamin’ny filohan’ny Tetezamita, tamin’ny fotoana mbola naha ben’ny tanàna azy fa tsy izao fampahoriana ny mpiasam-panjakana sy ny vahoaka Malagasy izao. Namafisin’ny F3M fa tsy mila ny filoha Andry Rajoelina hitondra ny firenena intsony izy ireo ary nanao fanamby ny amin’izany mihitsy. Fampiadiana ny samy mpiasam-panjakana amin’ny fanaovana mizana mitanila no nataon’izao fitondrana izao, hoy hatrany ireo nandray fitenenana tetsy amin’ny CLT Tsiadana.
Misintaka tsikelikely
Niala tsikelikely teo anilan-dRajoelina avokoa ireo hery velona sy mpanao politika niara-dia taminy ny taona 2009. Anisan’ny lehibe tamin’ireny ohatra ny ministry ny Raharaham-bahiny, Pierrot Rajaonarivelo, anisan’ny niady ny hisian’ny demôkrasia teto amin’ny firenena na dia mbola tsy nijoro aza ny antoko MDM tamin’ny fitondran-dRavalomanana Marc. Teo ihany koa ireo mpanao politika sy minisitra maro niaraka nanangana ny governemanta HAT teny amin’ny kianjan’ny 13 may. Ireo izay tsy niharitra ny loza sy ny fampahoriana nataon’ny fitondrana teo aloha azy ireo fony mbola teny an-kianja sisa no miara-dia amin’ny filoha Rajoelina, toa an-dry Annick Rajaona, Mamy Ravatomanga, Mamy Ratovomalala, Hajo Andrianainarivelo. Ireo voalaza anarana ireo rahateo koa no nangalany hevitra nialohan’ny nanaovany iny fanambarana omaly alina iny.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...