17/01/2013
“Tsy hisokatra izany ireo hainoamanjery ireo raha mbola izaho no minisitra”. Izay no azo hamitinana ny fanambarana nataon’ny ministry ny Serasera, Harry Laurent Rahajason, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Rolly Mercia, nandritra ny lanonana teny Iavoloha ny faha-9 janoary 2013 lasa teo. Sahin’ity minisitra ity tokoa mantsy ny nametraka fanamby fa tsy hisy hanery azy hanokatra ireo hainoamanjery nakaton’ny fitondrana HAT velively. Isan’ireo “namana” nofitahan’ny filoha Rajoelina tamin’ny kabary izay nataony nandritra io fifampiarahabana tratry ny taona io ny minisitra Rolly Mercia ka dia natoky tena aoka izany. Hapetraka aminy taorian’iny fihemoran’ny filohan’ny Tetezamita tsy hilatsaka kandidà iny ny fanontaniana: mbola hiziriziry amin’ny heviny ve ny ministry ny Serasera? Mazava ny fanambarana nataon’ny filoha Rajoelina ny talata 15 janoary 2013 lasa teo fa hiverina ho olon-tsotra eny anivon’ny fiaraha-monina ny tenany aorian’ny Tetezamita. Mbola hapetraka amin’ny minisitra indray koa anefa ity fanontaniana faharoa ity manao hoe: hiverina ho mpanao gazety ve izany ny tenany aorian’ny Tetezamita?
Azo antoka fa tsy ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ihany no hametraka fanontaniana amin’ny ministry ny Serasera Harry Laurent Rahajason, amin’izao fivadihan-javatra izao. Eo indrindra koa ireo mpanao politika avy amin’ny Fanoherana izay nampangain’ny minisitra ho mpanely tsaho sy mpanakorontana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita, Mamy Rakotoarivelo. Mbola hiziriziry amin’ny heviny tsy hampiditra ireny mpanao politika ireny ao amin’ny TVM sy ny RNM ihany ve ny minisitra Rolly Mercia? Ity ministry ny Serasera ity irery tokoa mantsy no sahy namaky ady tamin’ny tontolon’ny hainoamanjery sy ny mpanao politika taorian’ny kabarin’ny filohan’ny Tetezamita teny Iavoloha. Mitodika any aminy avokoa ny mason’ny mpanara-baovao sy ny olom-pirenena tsy an-kanavaka.
Maro ny fepetra notakian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao. Voalohany tamin’izany ny tsy filatsahan-kofidian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina. Isan’ny goavana tao anatin’izany fepetra izany koa ny tsy maintsy hisian’ny fahalalahana maneho hevitra sy ny demôkrasia. Nihenjana teo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena anefa ny filoha Rajoelina teny Iavoloha dia mba nanao toa izany koa ny ministry ny Serasera Rolly Mercia. Ny sendikan’ny mpanao gazety Malagasy (SJM) moa dia mbola manamafy hatrany ny fitakiana ny amin’ny tokony hamahana ireo hainoamanjery tsy an-kanavaka (radio Fahazavana, MBS, Free FM ary ireo hainoamanjery miisa 80), nakaton’izao fitondrana jadon’ny Tetezamita izao ary indrindra koa ny fanokafana sy ny fanohizana ny fanadihadiana manodidina ny fanafihana ny Fréquence Plus, izay nandratràna mpanao gazety sy naharavàna fitaovana maro.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.186