Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.
Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.
Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.
Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.
Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Noteren’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena

17/01/2013

Tsy isalasalana ny milaza fa tsy misy tongatonga ho azy ny teny rehetra izay voalazan’ny filohan’ny Tetezamita nandritra ny fanambarany ny fisintahany tsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenana. Famakafakana vitsivitsy manandrify ireo hevi-baventy tamin’izany lahateny izany ary no indro atolotra ny mpamaky ary ahafahan’ny isan’isany manao famakafakana araka ny manandrify azy ihany koa.

Hoy ny lahateny:
“Nametraka fitokisana sy fanantenana tamiko ianareo nanomboka tamin’ny taona 2009. Ary izany no nahafahako nitantana ny Firenena Malagasy, amin’ny maha-Filohan’ ny Tetezamita ny tenako”.
Hoy ny famakafakana:
Nisy fifidianana ve tamin’ny taona 2009 ka nahafahany nilaza fa nankinin’ny vahoaka Malagasy taminy ny fitantanana ny firenena?
Hoy ny lahateny:
“Ary tiako ho zaraina aminao fa tsy nikely soroka ny tenako, niasa andro aman’alina, nanao ny ezaka rehetra hampandrosoana ny Firenena, ary voaporofo fa afaka ataontsika tsara ny manangana, ny manorina ary ny manatanteraka ireo fanamby lehibe rehetra napetraka na dia tao anatin’ny Tetezamita aza”.
Hoy ny famakafakana
Avy amin’iza ary ny fitotongan’ny farim-piainan’ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy, ny firongatry ny fahalovana sy ny tsy fandriam-pahalemana, ny fandripahana ny harena voajanahary eto Madagasikara. Santionany ihany ireo.
Hoy ny lahateny:
“Tsy mora anefa izany rehetra izany, indrindra fa ny tondrozotra izay nankatoavintsika, dia nanery hiara-hitantana amin’ireo Hery Pôlitika samihafa, eny hatramin’ireo Mpanohitra aza, izay manasarotra ny fitantanana ny asa aman-draharaha sy ny fitondràna ny Firenena, kanefa làlana tsy maintsy nizorana izany, mba nahafahantsika miroso, mankany amin’ny fikarakarana ny fifidianana eken’ny rehetra. Nisedra olana maro isika. Fa na dia teo aza izany, dia nanamafy ny fahavononako hiroso hatrany”.
Toy izao ny famakafakana:
Tsy mitarai-tanamiempaka ny tena olom-panjakana.
Hoy ny lahateny:
“Misy ireo faly mitsikera fotsiny n’inon’inona atao nefa tsy mba manana na manolotra vahaolana mahomby, tao ireo tsy nieritreritra afatsy ny hanakorontana ny Firenena, ny hampisara-bazana, eny, ny hifandonan’ny samy Malagasy mihitsy aza”.
Hoy ny famakafakana:
Nanana vahaolana hafa nohon’ny fanonganam-panjakana sy ny fanitsakitsahana ny safidim-bahoaka ve izy raha nitovy hevitra tamin’ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany? Fandaminana sa fampisaraham-bazana ny firenena ny fitarihana olona teny amin’ny radiom-pirenena Malagasy tamin’ny 26 janoary sy teny Ambohitsirotra tamin’ny 7 febroary?
Hoy ny lahateny:
“Ny hatsaran’ny zavatra ataony sy vitany tokoa mantsy, no hitsaràn’ny Vahoaka ny Filoham-pirenena iray, ary ny fitiavan-tanindrazana no tokony hibaiko azy mihoatra ny zava-drehetra”.
Hoy ny famakafakana:
Marina izany kanefa tsy isalasalana ihany koa fa hahatsiarovan’ny vahoaka Malagasy azy ny fahoriana nozakainy nandritra ny fitondrany.
Hoy ny lahateny:
“Ny tenako dia mipetraka ho vahaolana ho an’ny Firenena, fa tsy ho olana velively. Izany indrindra no anambarako ho ren-tany, ho ren-danitra, ary eo anatrehan’ny Firenena iray manontolo, no anamafisako ny fanambarana izay efa nolazaiko tamin’ny faha-12 mey 2010, fa tsy hilatsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy izao ny tenako. Aleo izaho no atao sorona, toy izay ny Firenena iray manontolo. Aleo izaho no atao sorona, toy izay ny Vahoaka Malagasy 22 tapitrisa”.
Hoy ny famakafakana:
Te-haneho amin’ny vahoaka Malagasy ve fa tsy nisy ratsy natao teo amin’ny firenena? Manekè ary ho tsarain’ny Fitsarana ara-dàlana tamin’ireo zava-nitranga rehetra teto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2009 ka hatramin’izao. Ho hita mazava aorian’izany raha tena vaha-olana ho an’ny firenena na ny mifanohitra amin’izany. Ho hita ihany koa raha nanao sorona ho an’ny vahoaka na nanao sorona ny vahoaka. Aza odiana tsy hita na hafenina ny Malagasy fa tsy eken’ny làlana iraisam-pirenena ny firotsahan-kofidina filoham-pirenenan’ny mpanongam-panjakana. Tsy isalasalana arak’izany ny milaza fa tsy maintsy nisy ny fanerèn’ny Troika sy ny fianankaviambe iraisam-pirenena tsy nahafahany hilatsaka. Aza adino fa efa nanome toro-hevitra ny lehiben’ny diplomasia frantsay izay nilaza fa tsy mety aminy ny milatsaka ho fidina. Fandraràna an-kolaka izany.
Hoy ny lahateny:
“Fandaminana no ilaintsika. Filaminana no katsahintsika. Koa ny fanatontosàna ny fifidianana solom-bavam-bahoaka mialohan’ny fifidianana Filoham-pirenena, no heveriko fa handamin-javatra sy hitondra filaminana. Azo tanterahina tsara izany, mifanaraka amin’ny tetiandro efa voatondro manelanelana ny volana Mey ka hatramin’ny volana Jolay”.
Hoy ny fanadihadiana:
Raha io eritreritra io no tanterahina dia hiova tanteraka ny fanomanana ara-teknika izay efa natomboky ny CENIT satria tsy maintsy manomana fifidianana fahatelo isika raha toa ka tsy misy tafita amin’ny fihodinana voalohany ny kandidà filoham-pirenena. Tsiahivina fa raha alefa mialoha araka ny fandaharan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena sy ny CENIT ny fifidianana Filoham-pirenena dia fifidianana roa ihany no hatao ankoatry ny fifidianana eny an’ivon’ny Kaomina satria hampiarahana amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Azo heverina fa nohon’ny tsy fahampian’ny ho enti-manana hiatrehana ny fifidianana no nahatonga izany fanampahan-kevitra izany.
Hoy ny lahateny:
“Adidiko ny mitondra sy ny mitantana ny Tetezamita hatramin’ny farany. Ary vonona aho ny hanao famindram-pahefana milamina, ara-demôkratika voalohany eto Madagasikara. Ary dia mirary soa sahady ho an’izay hisolo toerana ahy ary hampitàko aminy ny fanalahidin’i Madagasikara”.
Hoy ny famakafakana:
Tsy iadian-kevitra fa manan-jo hisintaka tsy ho kandida ny tenany. Fa fahefana avy aiza kosa no ahafahany milaza fa adidiny ny mitondra sy mitantana ny tetezamita hatramin’ny farany. Ary oviana moa no nahafantarany fa ratsy ho an’ny firenena ny tsy fisian’ny famindram-pahefana demokratika raha toa ka nisafidy ny fanonganam-panjakana izy tamin’ny fiakarana teo amin’ny fitondrana.
Hoy ny lahateny
“Afaka volana vitsy dia hiverina ho olom-pirenena tsotra, toa anareo ny tenako. Izany anefa dia tsy hahasakana ahy ho eo anilanareo mandrakariva, ary matokia ianareo fa tsy hamela anareo ho irery aho”.
Hoy ny famakafakana
Soa ihany fa tsy nahazo fisaorana manokana ny fitsarana satria mitodika any aminy ny fijerin’ny rehetra amin’izao fotoana izao. Tsy ho tsaraina ve ireo tranga rehetra niseho nandritra iny tetezamita iny?

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...