19/01/2013
Nisy fiantraikany goavana tamin’ny antoko TGV ny fisintahan’ny filohan’ny Tetezamita tsy hilatsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tsy niandry ela akory fa avy hatrany dia samy mandeha samy mitady ireo mpanohana azy. Nisantatra ny TGV any Toamasina izay nizara telo tanteraka amin’izao fotoana izao. Ny fisintahan-dRajoelina tamin’ny fifidianana no ela. Nisara-bazana sahady ireo mpanohana azy. Araka ny loharanom-baovao avy any Toamasina, taorian’ny fitsanganan’ny Tgv tarihan-dramatoa Naharimamy Irma sy ny fitsanganan’ny Tgv Gara tarihan’i Mahavimbina Alain, dia fantatra ihany koa izao fa nanangana ny TGV ny i Fideline.
“Tgv Avahizo” no anaran’ity antoko vaovao any Toamasina ity. “Tsy izahay no te-hisaraka amin’ny Tgv ao Toamasina, fa noho ny fahatsapanay ny fanilihana ataon’ireo milaza azy ho mpitarika ny antoko, ny tsy fandehanan’ny Tgv Toamasina no nahatonga anay hiala. Betsaka ny mpikambana niraviravin-tanana, atao antokon’ny samy mpihavana sy mpinamana fotsiny ny TGV aty Toamasina. Vokatr’izany dia nanangananay ny Tgv Avahizo izahay hampivondronana ireo mpikambana kivy sy leo ary tezitra noho izany zava-nisy izany”. Izay no nambaran’I Fideline mpitarika ny antoko TGV Avaizo raha nanazava ny antony nahatonga ny fananganany an’ity antoko zanaky ny TGV ity izy ireo.
Ny mampametram-panontaniana amin’ity fisamatsamahan’ny Tgv any Toamasina ity dia ny filazan’izy ireo isan’isany avy fa mpikambana amin’ny Tgv foibe hatrany izy ireo. “Na betsaka manakiana ny fitsangananay aza ireo milaza azy ho Tgv Toamasina ireo dia lazainay fa izahay no be olona indrindra amin’ny Tgv Toamasina ary mbola izahay no tena mitazona izany foto-kevitra izany Tgv izany araka ny nananganan’azy”, hoy ihany ny fanazavan’ny filohan’ny TGV Avaizo.
Ny faran’ny volana septambra teo no nijoro ara-dalana tao Toamasina ny “Tgv Avahizo”, taorian’izay ho fanamafisana ny antoko sy ny fanampiana ny mpikambana ary ny mponina sahirana, dia nisy ny famarotan’izy ireo ny vary mora 800 ariary tamina fokontany sasantsasany tao Toamasina ny volana desambra teo. Vary nilanja 50 taonina no naparitaka nandritra izany.
“Betsaka ny milaza fa tsy isan’ny Tgv izahay ka tokony ho ravana fa manelingelina ny Tgv Toamasina ny fisianay. Tsorinay anefa fa matoa izahay nahazo vary avy tamin’ny fanjakana sy ny Filohan’ny Tetezamita, dia Tgv izany izahay”, hoy ny fanazavan’i Fidèline manoloana ny fanankianana azy ireo. Mahakasika ny tsy firotsahan’ny filohan’ny tetezamita ho fidiana, dia nilaza ny Tgv Avahizo fa efa nampoizin’izy ireo izany satria efa teniny teo aloha ihany no namafisiny, na izany kivy ny mpikambana satria efa nanomana ny hanohana sy hampandany azy, saingy vonona hatrany hanohy ny asa fanovana maha-Tgv.
Tsara ny manamarika fa aretin’ny antoko eo amin’ny fitondrana teto Madagasikara hatramin’izay ny fisamatsamahana rehefa mihena ny herin’ny filoha. Isan’zany, ohatra, ny PSD izay nisamatsamaka rehefa niongana ny filoha Tsiranana. Torak’izany koa ny antoko Arema izay nizara ho Arema Pierrot Rajaonarivelo, Arema Ange Andrianarisoa, Arema Tantely Andrianarivo sy ny Arema Matotra rehefa tsy teo amin’ny fitondrana intsony ny Amiraly Didier ratsiraka. Mbola nanohy izany ihany koa ny antoko TIM izay nizara ho TIM Raharinaivo, sy TIM zanak’i Mamy Rakotoarivelo.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.896