19/01/2013
Izao tontolo izao mihintsy no mandà ny soso-kevitra naroson’ny Filohan’ny tetezamita hanatanterahana ny fifidianana solombavam-bahoaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena. Namoaka fanambarana ihany koa, omaly ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban Ki-moon, izay mitaky ny fanajana ny tetiandro efa norafetin’ny CENIT sy ny manampahaizan’ny Firenena Mikambana.Nitaky ny fanajana ara-bakiteny ny fifanarahana voarakitra ao anatin’ny tondrozotra ihany koa ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana. Tsy isalasalana intsony ny milaza fa sarotra ho an’ny Filohan’ny tetezamita sy ireo mpiara-dia aminy ny hampandresy ny soso-kevitra izay narosony mba hanatanterahana ny fifidianana Solombavam-bahoaka mialoha ny fifidianana Filoham-pirenena.
Taorian’ny vondrona SADC sy ny Vondrona Eropeana ary ny Vondron’ny tany mampiasa ny teny frantsay (OIF) dia namoaka fanambarana ihany koa ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban Ki-moon. Araka izany fanambarana izany dia mitaky ny hanarahana an-tsakany sy an-davany ny tetiandro izay efa narafitry ny CENIT sy ireo manampahaizana avy amin’ny Firenena Mikambana ny tenany. Ankoatr’izay dia nitaky ny hampiarana ara-bakiteny ny fifanarahana voarakitra ao amin’ny Tondrozotra ihany koa ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana. Nasiany tsindrim-peo manokana ny fampiharana ireo fepetra hisian’ny fitoniana sy ny fifampitokisana eo amin’ny samy Malagasy. Izany hoe, raha lazaina amin’ny teny hafa dia isan’ny tsy maintsy hatao ihany koa ny fampodiana an-tanindrazana ny Filoha teo aloha sy ny famoahana ireo haino aman-jery nakaton’ny fitondrana tetezamita.
Marihina fa ny fankasitrahana ny fanampahan-kevitry ny filohan’ny tetezamita sy ny filoha teo aloha tsy hilatsaka amin’ny fifidiana filoham-pirenena amin’ny volana mai izao no nanokafan’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana ny fanambarana nataony, omaly. Namafisiny ihany koa fa vonona ny hanampy an’I Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy amin’ny fikatsahana vahaolana amin’ny krizy ny Firenena Mikambana.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.200