19/01/2013
Mametram-panontaniana ny amin’izay ho fanmpahan-kevitry ny Ankolafy Ravalomanana manoloana ny fanatenterahana ny fifidianana ny rehetra amin’izao fotoana izao, indrindra taorian’ny fanambaran’ny filoha teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita tsy hilatsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Araka ny fanambarana tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina izay nataony farany ho an’ireo mpomba azy tao amin’ny Magro dia vonona ny tsy hampandray anjara amin’ny fifidianana ireo mpiara-dia aminy amin’ny fifidianana ny filoha teo aloha raha toa ka tsy avela hiverina eto Madagasikara mialoha an’izany ny tenany. “Tsy misy olona tendreko na manendry tena hisolo ahy raha tsy tonga any an-tanindrazana aho”. Izay no fanambarana nation-dRavalomanana raha nitafa tamin’ireo mpanaraka azy ny tenany.
Etsy an-danin’izany, miziriziry tsy hamela azy hiverina eto an-tanindrazana kosa ny filohan’ny tetezamita, raha tsy efa vita ny fifidianana, araka ny nambarany raha nitafa tamin’ny mpanao gazetin’ny RFI ny tenany.
Azeo heverina arak’izany fa mety tsy handray anjara amin’ny fifidianana hatao eto Madagasikara ny Ankolafy Ravalomanana. Tsy mifanalavitra amin’izany rahateo ny fihetsik’izy ireo amin’izao fotoana izao izay mbola manamafy hatrany fa dingana ihany ny tsy filatsahan-dRajoelina fa mbola maro ireo fepetra tsy maintsy apetraka raha toana handeha araka ny tokony ho izy ny fifidianana.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.185