21/01/2013
Miha-mahazo vahana indray amin’izao fotoana izao ny halatr’omby sy ny fampihorohoroana ataon’ny dahalo. Tranga iray no nisy tany Vohimarina any amin’ny Distrikan’Ambalavao. Namphorohoroan’ny jiolahy tamin’ny alalan’ny poa-basy aloha ireo mpiandry faty tao an-tanana vao norarafany tamin’ny fititra variraraka ka nisy ny naratra vokatr’izany. Ny ampitson’iny kosa dia ny omby tao an-tanana no lasan’izy ireo. Tsy hita taratra kosa, hatreto ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana teo anatrehan’izany rehetra izany.
Raha tsy re laza intsony amin’izao fotoana izao izay niafaran’ilay hetsika manokana “Tandroka” izay nokasaina hamongorana ny dahalo tany amin’ny faritra atsimo, tamin’ny alalan’ny fisamborana an-dRemenabila, dia mbola mandry tsy lavo loha hatrany nohon’ny afitsoky ny dahalo ny mpinina amin’ny tanana maro any amin’zany faritra izany hatramin’izao. Manaporofo izany ny nitranga tao Vohimarina any amin’ny distrikan’Ambalavao, tamin’ny alakamisy lasa teo. Nisy fianankaviana zandary avy aty Antananarivo izay nitondra razana halevina tany amin’izany tanana izany. Teo am-piandrasam-paty iny indrindra ny vahoaka miaraka amin’ireo vahiny avy aty Antananarivo no injay fa nanao tifi-danitra nampihorohoro ny manodidina ireo dahalo. Nandray andraikitra avy hatrany anefa ny fokonolona tao an-tanana tamin’ny alalan’ny fiambenana ny valan’omby sy ny kizo rehetra ka dia tsy afa-nanao n’inon’inona ireo dahalo. Hany sisa nataon’izy ireo dia ny fitifirana ireo mpiandry faty izay naharatrana roa, ka ny iray voa teo amin’ny ranjony ary ny iray teo amin’ny feny. Tsy nisy aina nafoy kosa nandritra izany tifitra nataon’ny dahalo izany.
Niantso avy hatrany ny zandary tao amin’ny borigady any Ambalavao ny mponina tao Vohimarina tamin’io alina io ihany, nilaza ny zava-nisy. Nampanantena ny ho tonga avy hatrany ireo zandary kinanjo tsy nisy n’iza n’iza tonga tamin’io alina io. Ny ampitso maraina izy ireo vao nandefa zandary nanao fanadihadiana teny amin’ny manodidina ary niverina avy hatrany tany Ambalavao. Nambaran’ireo zandary ireo fa noho ny tsy fisian’ny fiara dia tsy afaka tonga avy hatrany izy ireo tamin’ny fotoana nazoana ny antso.
Tsy nijanona tamin’izay fampihorohoroana izany anefa ny dahalo satria ny zoma, rehefa avy andevina ny fokonolona, dia fantatra fa nanafika indray izy ireo. Lasan’izy ireo tamin’izany ny omby am-polony tao amin’izany tanana voatafika izany. Hatreto anefa dia mbola tsy hita hatrany izay fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana, toy ny fanarahan-dia izay tokony hatao amin’ny toer-draharaha tahaka itony. Mandry tsy lavo loha arak’izany ny mponina any amin’iny faritra iny.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.128