Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mety hiova hevitra indray

21/01/2013

Herinandro izay no nanambaran’ny filohan’ny tetezamita ny tsy filatsahany ho fidina filoham-pirenena. Manomboka mampametram-panontaniana ny maro anefa ny fihetsiny amin’izao fotoana izao, indrindra manoloana ireo hetsika fitokanana ny zava-bita manara-penitra izay mbola handrenesana ireo fangatahana ny filatsahany ho fidiana. Na dia nilaza fa kandida filohan’ny repoblika amin’ny taona 2018 aza ny filohan’ny tetezamita tany Toamasina dia tsy manala ny ahiahin’ny mpanara-baovao amin’ny mety hiovany hevitra izany.

Tsy vitsy ireo izay mbola mametram-panontaniana ny amin’izay ao ambadiky ny filatsahan-dRajoelina amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ho azy ireo dia tsy tongatonga foana izany fanampahan-kevitra izany fa tsy maintsy misy tambiny na koa paik’ady miaraka aminy. Tsy mahagaga ary raha manara-maso akaiky ny fihetsiky ny filohan’ny tetezamita ny mpanara-boavao, amin’izao fotoana izao, indrindra amin’ireo hetsika fitokanana ny zava-bita, toy izay nitranga tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Isan’ny nanamarika izany ny fanomezana fitenenana an’ireo olona izay mbola mitaky ny filatsahan’ny filohan’ny tetezamta amin’ny fifidianana. Eo ihany koa ny fameriberenan’ny filohan’ny tetezamita ny hoe : « eo akaikinareo mandrankariva aho ». Mbola mampitombo ny ahiahin’ny maro amin’ny fisian’ny tetika ao ambadik’iny tsy filatsahan’ny filohan’ny tetezamita amin’ny fifidianana iny ihany koa ny fahitana mbola mitana ny loha-laharana ao amin’ny antoko TGV hatrany ny tenany hatramin’izao na dia tokony efa hampiseho ny kandidà atolony ho eo amin’ny toerany aza izy amin’izao andro vitsivitsy mialoha ny fametrahana ny filatsahan-ko fidina izao. Etsy an-danin’izany dia mbola manamafy ny ahiahin’ny maro ihany koa ny filazany fa ny fifidianana solombavam-bahiaka indray no hatao alohan’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Ahina ho paik’ady ahafahana mahita lalana hiverenana amin’ny teny efa natao ny fananana ny maro an’isa eny an’ivon’ny Antenimeram-pirenena aorian’ny fahavitan’ny fifidianana solombavam-bahoaka. Mbola manampy trotraka izany ihany koa ny fisian’ny famotsoran-keloka izay nambaran’ny SADC izay mety hampalalaka ny lalany mankany amin’ny fifidianana, ary tsy ahafahan’ny sasany manery azy intsony na dia teo aza ireo zava-nitranga izay iampangana azy hatramin’ny taona 2009.
Tsy isalasalana arak’izany rehetra izany ny milaza fa mbola maro ireo antony ahafahana milaza fa mety tsy hitana ny tany nataony i Rajoelina amin’ny tsy filatsahana ho fidiana filoham-pirenena. Tsy vao izao rahateo ity mpanao politika ity no hita fa tsy nitana ny teny nataony teo amin’ny fiatrehana ny raharaham-pirenena. Tsy mbola afa-mandihy arak’izany izay faly tamin’ny tsy filatsahan-dRajoelina ho fidina ho filoham-pirenena satria raha efa betsaka ny ezaka natao nahatongavana amin’izao tanjona izao dia mbola maro noho izany no atrehan’izy ireo raha tiany ny tsy hiova amin’izay ny zava-misy.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...