Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Nopotehan’ny fitondrana tsy refesi-mandidy

22/01/2013

Nokianin’ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety , omaly, ny fisian’ny tsy fanarahan-dàlana eny anivon’ireo orin’asam-panjakana sasantsasany toa ny Fanalamanga sy ny Kraoma. Tsy handray andraikitra amin’ny fanarenana ireny orinasa ireny ny Tahirimbolam-panjakana raha tsy mandray fepetra hiverina amin’ny fanarahan-dàlana izy ireny, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny. Isan’izany fepetra izany ny fialàn’ny politika amin’ny resaka fitantanana ka hametrahana ny teknisianina amin’izany toerana izany. Ny politika tsy refesi-mandidy izay tondroiny ho iray amin’ireo namono ny orin’asam-panjakana sasany.

Mitaky ny tokony hanajana ny didy aman-dàlana mifehy ny orin’asa ananan’ny fanjakana petra-bola ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana, Robimanana Orlando. Nisongadina izany nandritra ny famaliany ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety nandritra ny fitokanana ny Tahirimbola manokana misahana ny Fahasalamam-bahoaka izay notontosaina omaly. Ny raharaha mikasika ny orinasa Fanalamanga no nahatonga an’ity tomponandrikitra voalohany amin’ny Tahirimbolam-panjakana ity hitaky ny fampiharana izany fepetra izany. Raha araka ny fanambarana izay nataony teo imason’ny mpanao gazety dia voahitsakitsaka tanteraka ny zon’ny tompon’ny petra-bola ao amin’ity orin’asa ity, ka isan’izany ny fanjakana. “Hatramin’izao dia tsy mahafantatra ny momba ny fitantanana ao amin’ity orin’asa ity ny tompom-bola, tsy fantatra ny teti-bola iasany, tsy fantatra ny vola miditra sy lmivoaka ao, ary tsy fantatra ny alehan’izany vola izany”, hoy ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana. . Efa nojerena ireo Banky rehetra eto amintsika, hoy ihany ny fanazavany, fa samy tsy nahitana ny kaontin’ity orinasa ity avokoa. Etsy an-danin’izany, nambarany ihany koa fa efa nandefa mpanao fanadihadiana (audit) tany amin’ny orinasa Fanalamanga ny Tahirimbolam-panjakana kanefa dia nolavin’izy ireo izany. Eo anatrehan’izany rehetra izany dia nilaza ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana fa tsy afaka ny hiroso amin’ny fifampidinihina amin’ity orin’asa ity izy ireo mba ho fanampiana azy amin’ny famafana ny trosa misavovona izay misy ao aminy raha tsy miroso amin’izany fanajana ny làlana izay izy ireo.
Esory ny mpanao politika
Marihina fa isan’ireo efa niteraka resabe teto amin’ny firenena ny orin’asa Fanalamanga, noho izy voatondro ho isan’ireo orin’asa ataon’ny mpanao politika ho toy ny tantely afa-drakotra satria ataon’izy ireo fitaovana fitatiavam-bola. Ekena fa tsy nahitana taratra na kely aza mikasika ny fisian’izay fanararaotan’ny mpanao politika izay ny fanambaran’ny Lehiben’ny Tahirimbolam-panjakana, omaly. Saingy ny fitakiana ny fanesorana ireo mpanao politika amin’ny fitantanana ny orin’asa ananan’ny Fanjakana petra-bola dia midika avy hatrany fa mitaky ny fialàn’ny fangejan’ny politika ny raharaham-pitantanana ny volam-panjakana ny tenany. Midika ihany koa izany fa rangory fototry ny afo amin’ny fitotongan’ireny orin’asam-panjakana ireny ny tsy refesi-mandidy ataon’ireo mpanao politika. Nomarihany rahateo fa “isan’ny nahafaty ny ankabeazan’ireny orin’asa nananan’ny Fanjakana petra-bola ireny ny fifangaroan’ny fanjakana tsy refesi-mandidy sy ny fanjakana mpandraharaha manana petra-bola ao amin’ilay orin’asa”.
Tsara ny mampatsiahy fa taorian’ny fitsidihana nataon’ny Praiminisitra Omer Beriziky tany amin’ny orinasa Fanalamanga no nanaovan’ny Lehiben’ny Governemanta antso mba hisian’ny fifampidinihina eo amin’ny Tahirim-bolam-panjakana sy ity orin’asa ity mba hikarohana vahaolana momba ny trosan’izany orin’asa izany. Nilaza ny fahavononan’izy ireo handray anjara amin’izany fifampidinihina izany ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana rehefa voaaraka avokoa ireo fepetra nambara tetsy aloha ireo.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...