22/01/2013
Tsy takona hafenina intsony ny fahatezeran’ny mpanjifa noho ny afitsoky ny JIRAMA amin’ny fatapatapahan’ny famatsiana herin’aratra any amin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy. Nirotsaka an-dalambè naneho ny tsy fahafaliany ny mpanjifa tany Ankazobe. Naneho ny tsy fahafaliany ihany koa ny mpanjifa tany Antalaha. Ahiana arak’izany ny hisian’ny hetsika mafimafy kokoa raha tsy misy fandraisan’andraikitra manoloana izany rehetra izany. Tsy mahita vahaolana maharitra ialana amin’ny fatapatapahan-jiro hatreto ny fitondram-panjakana. Tsy ho ela, arak’izany, dia ho lasa olana ara-piaraha-monina eto Madagasikara ny fatapatapahan’ny herinaratra any amin’ny faritra samihafa.
Saika tapitra handrenesana fitarainana avokoa amin’izao fotoana izao ireo renivohim-paritra sy renivohitry ny distrika manerana ny Nosy. Ny tranga farany dia ny hetsika tamin’ny alalan’ny fidianana an-dalambè nataon’ny mpanjifa tany amin’ny tananan’Ankazobe. Tamin’ny 20 janoary teo no nisian’izany fidianana an-dalambè nataon’ny mpanjifa izany tany an-toerana. Olona miisa 150 eo ho eo no tonga nitondra sora-baventy mitaky ny fandefasana ny jiro, teo anoloan’ny JIRAMA any amin’ity tanana ity. “Alefaso ny jiro”, “Aza tapahina intsony ny jiro”. Ireo no hita tamin’izany sora-beventy nentin’ireo mpanao fihetsiketsehana. Araka ny loharanom-baovao dia niteraka fanohintohinana ny fifamoivoizana tany an-toerana mihintsy ny fisian’izany hetsika izany. Vokatr’izany dia nanome baiko ny hifindran’ny hetsika nataon’ny mpanjifa ho teny amin’ny Tranompokonolona ny lehiben’ny Zandary. Teny amin’ny Tranompokonolona arak’izany no nifanazava ny tompon’andraikitry ny JIRAMA tany Ankazobe sy ny vahoaka mpanjifa. Nambaran’ny lehiben’ny JIRAMA tany an-toerana, toy ny efa fandre tany amin’ny toeran-kafa, fa ny fahasimban’ny milina mpamokatra herin’aratra no mahatonga ny fatapatapahan’ny jiro.
Marihina fa eo anelanelan’ny amin’ny 8 maraina ka hatramin’ny 12 atoandro ary amin’ny 5 hariva ka hatramin’ny 12 alina no mandeha ny jiro any Ankazobe.
Nahitana hetsika torak’izany ihany koa tany Antalaha ny 19 janoary lasa teo. Olona manodidina ny 200 no nanao fitokonana teo anolohan’ny tranompokonolona. Naharitra ora roa izany fihetsiketsehana izany. Nitaky ny hanafohanana ny fatapatapahan-jiro ihany koa izy ireo, ary nanome fepotoana hatramin’ny 26 janoary izao mba hitadiavana vahaolana amin’izany.
Ahiana arak’izany ny hahatonga an’ity olana momba ny fatapatapahan-jiro manerana ny Nosy ity ho lasa olana ara-piaraha-monina goavana mihitsy eto amin’ny firenena. Raharaha fatapahan-jiro izay fantatra fa tsy ahitam-bahaolana maharitra hatramin’izao na dia efa nisy aza ny fanamby nataon’izao fitondrana tetezamita izao amin’ny fikarohana vahaolana maharitra momba izany.
Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...
Lire la suite
Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...
Lire la suite
Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ... Lire la suite
Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...
Lire la suite
Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...
Lire la suite
Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...
Lire la suite
Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ... Lire la suite
Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ... Lire la suite
Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ... Lire la suite
Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ... Lire la suite
Visiteurs
612.274