23/01/2013
Nanambara tamin’ny fomba ôfisialy ny Filankevitry ny Governemanta natao omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny fanampahan-kevitry ny Vondrona Eropeanina tsy mbola hanala ny sazin’i Madagasikara mifanandrify amin’ny andininy faha 96 ao amin’ny fifanarahan’i Cotounou. Mbola mitohy arak’izany ny fahirano ara-teokarena hampiarin’ny Vondrona Eropeana amin’ny Madagasikara. Midika ihany koa izany fa tsy mbola nahazo fankatoavana tamin’ny Vondrona Eropeana ny dingana vita amin’ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dàlana.
Nandritra ny Filankevitry ny Governemanta izay notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakan’i Mahazoarivo, omaly Talata 22 janoary 2013 no nanambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny fa mbola notohizan’ny Vondrona Eropeana ny fanasaziana an’i Madagasikara noho ny fanitsakitsahana ny andininy faha 96 tamin’ny fifanarahana voasonia tany Cotounou renivohitr’i Benin. Raha atao amin’ny teny hafa dia mbola arak’izany ny sazin’i Madagasikara eo anatrehan’ny Vondrona Eropeana. Sazy izay manapaka ny famatsiana ara-bola avy amin’ity firenena ity tokony ho azon’i Madagasikara, mametra ihany koa ny fifandraisana ara-diplômatika misy eo amin’ny firenena roa tonta.
Amin’ny ankapobeny, raha ny voalaza ao amin’izany andininy faha-96 amin’ny fifanarahan’i Cotonou izany dia takian’ny Vondrona Eropeanina ho fepetran’ny fanampiana omeny ny fananjana ny demokrasia sy ny tany tan-dàlana. Isan’ny voaresaka amin’izany ihany koa ny fametrahana fitondrana tetezamita iaraha-mitantana. Ankoatr’ireo dia isan’ny fepetra voalazan’ny andininy faha 96 ao amin’ny fifanarahan’i Cotounou ihany koa ny Zon’olombelona. Ho an’ny Vondrona Eropeana dia isan’ny ahitana taratra izany ny mahakasika an’ireo gadra politika tamin’ny raharaha 2009. Tamin’ny alalan’ny tatitry ny Parlemantera Eropeanina no nanehoan’izy ireo ny fitakiana ny famoahana ireo gadra politika ireo sy ny famerenana an-tanindrazana ny sesitany rehetra. Voalaza fa ny fampihantonana ny fanampiana rehetra no hitranga raha toa tsy tanteraka izany.
Tsiahivina fa efa nisy ny antso avo izay nataon’ny Praiminisitra Omer Beriziky nandritra ny fanombohana ny fotodrafitrasa hamatsiana herinaratra an’Ampasimbe Onibe, amin’ny alalan’ny reniranon’i Fanifarana. Antso avo izay miantefa amin’ny Vondrona Eropeana ary fangatahana ny tokony hanokafana adihevitra mba handinihana ny tokony hanalana ny sazy ampiharina amin’i Madagasikara, araka ny voalazan’ny andininy faha-8 ny fifanarahan’i « Cotonou ». Ny tanjona, hoy ny Praiminisitra Omer Beriziky, dia ny hamahana ny krizy malagasy, amin’ny alalana fifanarahana, araka ny ambaran’ny andininy faha-96 n’io fifanarahana voalaza eo ambony io ihany.
Azo lazaina arak’izany, fa tsy nankatoavin’ny Vondroa Eropeana izany antso avo nataon’ny Praiminisitra izany. Mbola tsy ampy ihany koa arak’izany ny dingana vitan’i Madagasikara amin’ny famerenana ny ara-dàlana eto amintsika, na dia teo aza ny fisintahan’ny filohan’ny tetezamita sy ny filoha teo aloha tsy ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.319